Raha ny fijaliana no mahatonga any an-danitra dia ny Malagasy anisan'ny ho maro an'isa any

1. endriny ( 05/06/2014 14:14)
Toa fandatsana ny fahitako sy fandrenesako ny mpitondra fivavahana mitanisa ireo lazaina fa fahasambarana valo eo amin'ny mpino kristianina.

Faly ery ny fiangonana isan-tokony maka sary ireo olona milahatra mangataka eo aminy na izarany sakafo sy akanjo tota. Sary izay ho entiny mangataka sy miseho tena fa manao zavatra tokoa ho an'ny mahantra izy.

Saingy ilay fanomezana ve no vahaolana?

Misy aza mandeha eny Ambanivohitra dia izy efa ampiantranoina sy omena sakafo indray no mbola mangata-bola amin'ireto tantsaha efa zara raha mahavoly ny hanina ohanina. Atao ahoana fa fanatitra ho an'Andriamanitra hono irany e, ary vokadehibe hambiroboroboana ny fanjakan'Andriamanitra. Kanefa hampitomboana ilay concession, sy ny fiara taingenany...

Sambatra ny mahantra... Fa mora ambakaina...
novalian'i endriny ny 11/06/2014 05:59
2. bichette ( 05/06/2014 15:22)
iza indray hono izany e ?
3. endriny ( 07/06/2014 05:24)

bichette:

iza indray hono izany e ?

Misimisy ihany izy ireo hoy ilay tsy mahay manisa a... Ny sasany nahazo hummer, ny hafa nahatsangana palais de sport 2, ny ankilany manao mad raid amin'ny 4x4, ny andaniny manorona moramora ireo tany eny ambanivolo ho an'ny fikambanana...

Dia ny vahoaka ilazana hoe: " moramora ho an'ny rameva ny hiditra amin'ny vodifanjaitra..."
4. toriteny ( 07/06/2014 22:00)

endriny:

Toa fandatsana ny fahitako sy fandrenesako ny mpitondra fivavahana mitanisa ireo lazaina fa fahasambarana valo eo amin'ny mpino kristianina.

Ohatran'ny misy zavatra tsy haritro kely fa miala tsiny. Ilay sambatra 9 (fa tsy 8) ao amin'ny Matio5 raha mandinika tsara ianao dia fahoriana am-panahy ireo fa tsy fahoriana ara-nofo loatra. Tsy hoe ambatra ny ory ; fa izy no hampifalina dia rehefa mahantra sy ory ara-batana ianao akory dia hampifalian'Andriamanitra homeny harena be aingana. Tsy hoe diso izany fa tsy izay no zavatra tian'i Jesosy ambara eto fa miresaka ny ara-panahy Izy.

Jesosy no niteny an'ireo, tsy mandatsa izany ny kristianina raha manao an'ireo. Raha ny toe-po hanaovana azy indray fiteniko foana matetika eto ny hoe an'ireo izay manao ny fivavahana ho fitadiavam-bola sy voninahitra sy Andriamanitra izany fa samy ho tsaraina amin'ny asany avy isiaka rehetra. Fa ny anao, ireo ny didy dia hataovy izany. Aza mirehareha akory fa aoka ny Tompo izay ao aminao irery no hahita azy.

endriny:

Faly ery ny fiangonana isan-tokony maka sary ireo olona milahatra mangataka eo aminy na izarany sakafo sy akanjo tota. Sary izay ho entiny mangataka sy miseho tena fa manao zavatra tokoa ho an'ny mahantra izy.Saingy ilay fanomezana ve no vahaolana?

Mat25:35-36:"fa noana Aho , dia nomenareo hanina ; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo ; nivahiny Aho , dia nampiantranoinareo ; tsy nanan-kitafy Aho , dia notafianareo ; narary Aho , dia notsaboinareo ; tao an trano maizina Aho , dia novangianareo"

Raha mahita vahaolana hafa ianao hanampiana ny mpiara-belona dia tsara be izany. KANEFA ataovy ihany ireo satria Teny nataon'i Jesosy.

endriny:

Misy aza mandeha eny Ambanivohitra dia izy efa ampiantranoina sy omena sakafo indray no mbola mangata-bola amin'ireto tantsaha efa zara raha mahavoly ny hanina ohanina.

Lio9:1-5:" Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina . Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary . Ary hoy izy taminy : Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo , na tehina , na kitapom-batsy , na mofo , na vola , ary aza misy mitondra akanjo roa . Ary izay trano hidiranareo , dia ao no itoero , ary avy ao indray no ialao . Ary izay tsy mampandroso anareo , raha miala amin'izany tanàna izany ianareo , dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy ."

Raha hitori-teny dia io no tokony ho izy. Fa averiko ihany fa raha hanangonan-karena no tanjonao hanaovana an'io nolazain'ny Tompo io dia anao sy Azy izany rehefa tonga ny farany.
5. endriny ( 08/06/2014 04:02)

toriteny:

Ilay sambatra 9 (fa tsy 8) ao amin'ny Matio5 raha mandinika tsara ianao dia fahoriana am-panahy ireo fa tsy fahoriana ara-nofo loatra.

Dia diso aho izany e, fa tsy mbola naheno fiangonana nilaza hoe fahasambarana 9 aho fa 8 daholo no noresahina, ka tsy mahay manisa daholo kay ny olona mitovy amiko...

toriteny:
Aza mirehareha akory fa aoka ny Tompo izay ao aminao irery no hahita azy.

Ka izay indrindra no tiako lazaina anao ka ilazako fa tsy mety ny fakana sary ireny olona mijaly, ka milahatra mangataka sakafo sy fitafiana eny amin'ny fiangonana ireny. Dia rehefa avy eo ny sarin'ilay olona tsy akanao alalana avy aminy akory dia ataonao ao anaty tatitra eran'izao tontolo izao fa nanao zavatra ianao. Na entinao angatahana misimisy kokoa amin'ny manaraka. Aza ampiasaina itadiavan-karena ny sarin'ny mahantra...

toriteny:

Raha mahita vahaolana hafa ianao hanampiana ny mpiara-belona dia tsara be izany. KANEFA ataovy ihany ireo satria Teny nataon'i Jesosy.

Ny vahaolana misy dia misy tokoa saingy iniana ny ampaharitra ny fahantrana amin'izay mitombo ny mpiangona. Iza no tsy mahalala fa hatramin'ny 2009 no makaty izao dia feno foana ny fiangonana, satria miha mahantra ny olona. Ary zara aza mahantra. Aletika mihintsy ao an-dohany ny hoe: "Moramora kokoa ho an'ny rameva no miditra amin'ny vodifanjaitra toa izay ny mpanankarena hiditra ny fanjakan'ny lanitra.

toriteny:

Lio9:1-5:" Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina . Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary . Ary hoy izy taminy : Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo , na tehina , na kitapom-batsy , na mofo , na vola , ary aza misy mitondra akanjo roa . Ary izay trano hidiranareo , dia ao no itoero , ary avy ao indray no ialao . Ary izay tsy mampandroso anareo , raha miala amin'izany tanàna izany ianareo , dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy ."

Raha hitori-teny dia io no tokony ho izy. Fa averiko ihany fa raha hanangonan-karena no tanjonao hanaovana an'io nolazain'ny Tompo io dia anao sy Azy izany rehefa tonga ny farany.

Fa tsy niteny izy hoe rehefa mody dia mitondra voandalana, na hoe rehefa mody ianreo dia mangata vatsintsika mandritra ny herinandro sao indray isika tsy mahita intsony raha tsy elaela.

Oviana ianao no nahita fiangonana mahantra, aleo ataoko hoe fikambanana relijiozy sy mpitandrina e?

Aza mitsara hoy ianao, zavatra misy ireo fa tsy fitsarana akory. Iza no tsy nahita an'i Apokalipsy mitondra hummer? Iza no tsy mahita ny fijoalajoalan'ny trano na ny habe'ny sahan'ny fikambanana mpino sasany?

Nahoana izy no mahita paika ahaforonana ireny anefa tsy mba mizara na dia kely akory aza amin'ny mpino ny mba hisondrotan'ny ireo ondriny toa azy ireo? Sa hoe tsy mendrika ny ondry fa deronina?
6. endriny ( 08/06/2014 04:06)
toriteny
Ilay sambatra 9 (fa tsy 8) ao amin'ny Matio5 raha mandinika tsara ianao dia fahoriana am-panahy ireo fa tsy fahoriana ara-nofo loatra.

Dia diso aho izany e, fa tsy mbola naheno fiangonana nilaza hoe fahasambarana 9 aho fa 8 daholo no noresahina, ka tsy mahay manisa daholo kay ny olona mitovy amiko...

toritenyAza mirehareha akory fa aoka ny Tompo izay ao aminao irery no hahita azy.

Ka izay indrindra no tiako lazaina anao ka ilazako fa tsy mety ny fakana sary ireny olona mijaly, ka milahatra mangataka sakafo sy fitafiana eny amin'ny fiangonana ireny. Dia rehefa avy eo ny sarin'ilay olona tsy akanao alalana avy aminy akory dia ataonao ao anaty tatitra eran'izao tontolo izao fa nanao zavatra ianao. Na entinao angatahana misimisy kokoa amin'ny manaraka. Aza ampiasaina itadiavan-karena ny sarin'ny mahantra...

toriteny
Raha mahita vahaolana hafa ianao hanampiana ny mpiara-belona dia tsara be izany. KANEFA ataovy ihany ireo satria Teny nataon'i Jesosy.

Ny vahaolana misy dia misy tokoa saingy iniana ny ampaharitra ny fahantrana amin'izay mitombo ny mpiangona. Iza no tsy mahalala fa hatramin'ny 2009 no makaty izao dia feno foana ny fiangonana, satria miha mahantra ny olona. Ary zara aza mahantra. Aletika mihintsy ao an-dohany ny hoe: "Moramora kokoa ho an'ny rameva no miditra amin'ny vodifanjaitra toa izay ny mpanankarena hiditra ny fanjakan'ny lanitra.

toriteny
Lio9:1-5:" Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina . Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary . Ary hoy izy taminy : Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo , na tehina , na kitapom-batsy , na mofo , na vola , ary aza misy mitondra akanjo roa . Ary izay trano hidiranareo , dia ao no itoero , ary avy ao indray no ialao . Ary izay tsy mampandroso anareo , raha miala amin'izany tanàna izany ianareo , dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy ."

Raha hitori-teny dia io no tokony ho izy. Fa averiko ihany fa raha hanangonan-karena no tanjonao hanaovana an'io nolazain'ny Tompo io dia anao sy Azy izany rehefa tonga ny farany.

Fa tsy niteny izy hoe rehefa mody dia mitondra voandalana, na hoe rehefa mody ianreo dia mangata vatsintsika mandritra ny herinandro sao indray isika tsy mahita intsony raha tsy elaela.

Oviana ianao no nahita fiangonana mahantra, aleo ataoko hoe fikambanana relijiozy sy mpitandrina e?

Aza mitsara hoy ianao, zavatra misy ireo fa tsy fitsarana akory. Iza no tsy nahita an'i Apokalipsy mitondra hummer? Iza no tsy mahita ny fijoalajoalan'ny trano na ny habe'ny sahan'ny fikambanana mpino sasany?

Nahoana izy no mahita paika ahaforonana ireny anefa tsy mba mizara na dia kely akory aza amin'ny mpino ny paik'ady fampandrosoana mba hisondrotan'ny ireo ondriny toa azy ireo? Sa hoe tsy mendrika ny ondry fa deronina?
7. toriteny ( 09/06/2014 06:05)
endriny:

Dia diso aho izany e, fa tsy mbola naheno fiangonana nilaza hoe fahasambarana 9 aho fa 8 daholo no noresahina, ka tsy mahay manisa daholo kay ny olona mitovy amiko...

Tsy maninona anie ny diso e :) fianarana daholo ny eto ambonin'ny tany. Fa ny manaiky hahitsy (tsy ny amin'nu eto ihany) no tena zava-dehibe. Ireto ary ilay sambatra 9 mba hijerevanao azy fa 9 tokoa sy hanitsianao ny namana hafa.

1)sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
2)Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
3)Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany
4)Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana
5) Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana
6)Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra
7)Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra
8) Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra
9) Sambatra hianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

endriny:

Ka izay indrindra no tiako lazaina anao ka ilazako fa tsy mety ny fakana sary ireny olona mijaly,

Raha ny azoko tsara izany dia ilay maka sary loatra no tsy tantinao fa tsy ilay fanaovana asa soa loatra? Dia ahoana indray raha hitady fanampiana avy amin'ny olona aty Antananarivo, tsy nanatrimaso ilay fitoriana natao tany na hangataka fanampiana any ivelany ho fitohizana ny asa sy ho fitoriana ny filazan-tsara?

Tsy vao maika aza ny sasany himonomonona hoe mangataka foana ny fiangonana nefa tsy hita (tsisy preuve) ny asa nanaovana ny vola? Amiko ny toe-po foana averiko indray no mitondra azy. Rehefa ny hanome voninahitra an'Andriamanitra no tanjona, rehefa ny fijoroana vavolombelona ny fahaleibeazan'Andriamanitra ny tanjona amin'ireny sary ireny dia tsy hitako ny problème. Tadidio fa raha manana ny jiro ianao, aza atao ambany latabatra ny jiro fa ataovy ambony mba ho voninahitr'Andriamanitra sy mba hampatonga ny manodidina izay mbola maizina ho mazava ihany koa.

Raha za izany no maka sary ireny dia:
-Ny hitadiavana fanampiana mba hitohizan'ny san'Andriamanitra no hanaovako ireny
-Mba hanala ny ahiahy ao am-pon'ny malemy fanahy

FA INDRINDRINDRINDRA
-Mba hankalazana ny anarany sy haniomezam-boninahitra Azy irery ihany.

endriny:

Ny vahaolana misy dia misy tokoa saingy iniana ny ampaharitra ny fahantrana amin'izay mitombo ny mpiangona.Iza no tsy mahalala fa hatramin'ny 2009 no makaty izao dia feno foana ny fiangonana, satria miha mahantra ny olona. Ary zara aza mahantra

Ny Fiangonana teto Madagasikara izany no tena antompisian'ny 2009 sy ati-doa nikotrika ireny zavatra ireny? Mba hampahantra ny Malagasy?
Mampalahelo ahy izany fiheritreretanao izany.

endriny:

Fa tsy niteny izy hoe rehefa mody dia mitondra voandalana, na hoe rehefa mody ianreo dia mangata vatsintsika mandritra ny herinandro sao indray isika tsy mahita intsony raha tsy elaela.

:) tsy haiko indray aloha izany anareo izany. Fa izahay ohatra rehefa miantafika tsy miantehitra akory amin'ny olona any antoerana fa samy mitondra vatsy avy aty Antananarivo. Indraindray ny volan'ny sampana no miantoka, indraindray ny mianto-tena. Ary izahay aza mbola mitondra izay voatsirambin'ny tananay ihany koa hampitafiana sy hamonjena ny olona any an-toerana ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany. Ary tsy nisy na indray mandeha aza naka tamin'ny olona tany an-toerana izany na nangorona ny fananandry zareo izany. Na ny voan-dalana hoentina amin'ny fianakaviana rehefa mody aza miala am-paosy daholo.

Fa raha izany no ao aminareo dia anjaranao no mananatra azy ireo hoe tsy izany no ao amin'ny baiboly fa izao.

endriny:

Aza mitsara hoy ianao, zavatra misy ireo fa tsy fitsarana akory. Iza no tsy nahita an'i Apokalipsy mitondra hummer? Iza no tsy mahita ny fijoalajoalan'ny trano na ny habe'ny sahan'ny fikambanana mpino sasany?

Izao an. rehefa mahita tsy fahamarinana ianao dia aza mimonomonona fa tsy mitondra fihovana izany. Manantona mivantana an'i Pasteur Maihol dia ambarao azy ny Tenin'Andriamanitra sy ny tena sitrapon'Andriamanitra, mivavaha ho azy mba hiasa ao aminy ny Fanahy Masina ka hampihova azy. Ka raha tsy mihova izy dia hatreo ny adidinao. Azy sy Andriamanitra ny sisa. Fa tsy anjaranao ny mitsara surtout hoe tsy nanao n'inon'inona ianao hanitsiana ilay olona.
8. endriny ( 09/06/2014 07:09)

Jesosy aza lazainao zanak'Atra mimonomonona koa maika fa izaho. Nga izy nangina sy nireska nitokana tamin'ireo manao ny tsy mety fa tsy teo imason'ny olona rehetra no notebahiny ny mpanakarena sy ny Fariseo ary ny mpivarotra teo an-tokotanin'ny tempoly.

Sa koa didiko fehy lehibe ny ataon'ny fiangonana ka na ratsy na tsara dia tsy maintsy mangina ny ondry sao voakaravasy...

Tsy nikotrika ny 2009 izany ny fiangonana sasany e... Tsy maninona fa mbola vao hifarana ny 2008 dia efa nisy foiloham-piangonana nanatrika ny fivoriana fanomanana ny paikady rehetra. ary rehefa nanontanin'ny mpanao gazety ilay aka dia hoe tamin'ny anaran'ny tenany manokana hono izy no tany e...

Dia ahoana ireo miakanjo fotsy nitarika ny dia sy ireo nihirahira ny Iny lalan'iny...? Ahahahhaaha

Lesona 1: raha te ho any an-danitra dia mijanona mahantra: Mora ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodifanjaitra.
Lesona 2: tsy azo kianina ny fiangonana
Lesona 3: aza be monomonona toy ny samoina fa tsy misy hijerena ny lanitra
Lesona 4: raha mitohy izao dia any amin'ny afobe itena ry Endriny.
9. toriteny ( 09/06/2014 09:16)

endriny:
Jesosy aza lazainao zanak'Atra mimonomonona koa maika fa izaho

Sao dia tsy izaho no nilaza izany?

endriny:
Nga izy nangina sy nireska nitokana tamin'ireo manao ny tsy mety fa tsy teo imason'ny olona rehetra no notebahiny ny mpanakarena sy ny Fariseo ary ny mpivarotra teo an-tokotanin'ny tempoly.

Ilay hoe eo imason'olona no tenenina anie tsy maninona e. Ohatran'ny eto amin'ny forum ihany io, olona 2 no miady hevitra nefa olona marobe no mamaky. Na dia hoe hafahafa kokoa ny miresaka aminy irery toy izay alainao baraka eo imason'ny fiangonany izy (resaka diplomatie ndray no resahiko eto)

Fa mba o moins manatrika anao ilay olona concerné tahaka ny nanatrehan'ny Fariseo sy ny Sadoseo noteneniny tramin'Izy niteny. Fa eto ianao no miteny nefa ilay concerné aza tsy sur hoe hahita ny zavatra soratanao eto akory. Fa raha manantona azy ianao dia hihaino anao izy ka anjarany avy eo no mandray ny teninao na ny tsy mandray.

endriny:

Tsy nikotrika ny 2009 izany ny fiangonana sasany e... Tsy maninona fa mbola vao hifarana ny 2008 dia efa nisy foiloham-piangonana nanatrika ny fivoriana fanomanana ny paikady rehetra. ary rehefa nanontanin'ny mpanao gazety ilay aka dia hoe tamin'ny anaran'ny tenany manokana hono izy no tany e...Dia ahoana ireo miakanjo fotsy nitarika ny dia sy ireo nihirahira ny Iny lalan'iny...? Ahahahhaaha

Tsy dia hidirako loatra ny antony nandehanan'ireny miankanjo fotsy teny Ambotsirohitra tamin'ny fotoan'androny satria FPVM ireny izay tsy ao anatin'ny Fiangonana misy ahy ary efa fantatra ny antony nanarahany an'i Andry tamin'ireny fa ny hivoahan'ny fiangonany indray izay nankaton'i Ravalomanana. Mikasika ny mpitondra fivavahana nikomy, ny mety angamba dia ny hanontanianao azy ireo mivantana ny nanaovany izany fa tsy représentatif ny FJKM ireny, ary tsy FJKM akory aza. Fa raha tena représentatif ny FJKM ka tena ny foibe mihitsy no nilaza hoe izahay dia manohana 100% an'io fanonganam-panjakana io dia tena niteny mitsy za tany amin'ny pasiteranay hoe tsy mety. Fa efa fantatra anie hoe iza ny fiangonana tao ambadik'iny e sy ny antony nanohanany an'iny. Fa tsy izany koa akory no andeha hitenenako koa hoe ny fiangonana rehetra toa azy eraky ny Madagasikara dia pour an'izay avokoa. Fa indrindra izany akory tsy hitenenako koa hoe ny tena hampahantra ny malagasy no tanjon'io fiangonana io tamin'izany.

endriny:

Lesona 1: raha te ho any an-danitra dia mijanona mahantra: Mora ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodifanjaitra.
Lesona 2: tsy azo kianina ny fiangonana
Lesona 3: aza be monomonona toy ny samoina fa tsy misy hijerena ny lanitra
Lesona 4: raha mitohy izao dia any amin'ny afobe itena ry Endriny.

Lesona izany anie ry endriny mahasoa e, hoentina hanitsiana. Dia ireo ve ny lesona voarahinao?
10. endriny ( 10/06/2014 18:20)
Ny mahavariana dia mbola misy ihany fiangonana manentana ny olona hampijaly tena satria hono ny fahorian'i Jesosy Kristy dia 1000 heny ny fahoriana iainan'ny olona. Dia asaina mifampikapoka ny mpiangona, dia asaina midaroka tena ny sasany ary migogogo tsy misy toa izany...

Dia hoy aho hoe, mbola tsy ampy ve rey olona ny fitotototoana mitady izay ho arapaka isan'andro a?

Dia misy mihintsy fiangonana mahavatra mampiseho amin'ny ecran paln telo sy efatra ao am-piangonana ilay sinema namboarina hoe fijalin'i Jesosy.
11. rhaj0 ( 10/06/2014 20:35)
Ka io izao efa noresahina tatsy koa.. t@ resaka momba an'i Tekakwitha, ilay amerindiana lasa masimbavy..

hery - 17/04/2014 17:37:

efa manao mortification ny ankizivavy, ka maninona raha toa ka mba atao mahasoa ny mortification? Tsy haiko na rituel na tsia izany fa hoe rehefa hijaly ihany dia aleo mijaly hahasoa ny hafa.

rhaj0 - 17/04/2014 17:39:

So dia tsy namaky tsara i Hery fa inty izao mety raisin'ny ankizivavy ara-baki-teny
... se flageller entre mille et douze cents coups en une seule session ... un jeûne prolongé, la flagellation, la coupe, dormir sur un lit d'épines, et se brûler avec des charbons ardents.

Sao dia matimaty foana ny ankizy ry Hery a... tompon'andraikitra ianao.
12. toriteny ( 11/06/2014 04:06)

endriny:

Ny mahavariana dia mbola misy ihany fiangonana manentana ny olona hampijaly tena satria hono ny fahorian'i Jesosy Kristy dia 1000 heny ny fahoriana iainan'ny olona. Dia asaina mifampikapoka ny mpiangona, dia asaina midaroka tena ny sasany ary migogogo tsy misy toa izany...

Mampalahelo izany ry endriny.

Ny mat 11:29:" Ento ny ziogako , ka mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo" tsy midika mihitsy hoe araho littéralement ny lalan'ny passion du Christ. Ary ny ziogan'i Jesosy izay asainy hoentitsika tsy zioga mbola mavesatra tamin'Izy mbola nampijaliana fa zioga tamin'Izy efa nitsangana tamin'ny maty: maivana sy malefaka (Mat 11:30 : Fa mora ny ziogako , ary maivana ny entako)

Izany foana no tsy maintsy handinihantsika tsara vao manaraka fampianarana fiangonana "hafa" hoe mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ve fa tena mampalahelo izany zavatra izany. Raha misy olona "mivavaka" amin'izany izao dia tokony hanontaniany kely ny anton'ilay fijaliana tsy maintsy hampiharina ny mpiangona.

Inona no antony nampijaliana an'i Jesosy? Ny hampihavana antsika sy Andriamanitra ( Kol1:20) sy ny hanasitranana antsika (1Pet2: 24). Raha fintinina izany dia ny hamonjy antsika amin'ny farofin'ny nofo sy ny farofin'ny fanahy.

Dia ireo fiangonana ireo inona no antony hanaovany an'ireny? Hisolo toerana an'i Jesosy fa tsy ampy ny famonjena natolony?

Hafa indray ny voalazan'ny Jao 15:13 :"Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao , dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany" fa tena mitondra famonjena ho an'ny sakaizanao tokoa ve ny fijaliana hataonao amin'ny tenanao?

dia hoy ny 1Kor3: 17 manao hoe:"Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra , dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy ; fa masina ny tempolin'Andriamanitra , dia ianareo izany ."

13. endriny ( 11/06/2014 05:59)
Sambatra ny ory fa izy no ampifaliana... Sarotra ho an'ny mpanankarena ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra...

Dia tena marina io.

Raha ory ny olona dia asainy milahatra indray andro manontolo mba haka vovon-dronono iray kilao sy menaka iray litatra.... Dia faly ery, ary asainy mihira manao fisaorana dia mandihy mihintsy sy alainy camera...

Nefa raha izay andro iray izay no niasana tany teny Antsahabebeka efa nahakipaka roa vala...

Dia asehony amin'ny rapaoro sy ny interinety tsy nakany alalana tamin'ny olona nalaina sary akory: ireto ny mahantra nampianay... Moa va tsy toy ny mpanao politika ihany ny fihetsiny. Mitovy amin'ny fijerin'izao tontolo izao ihany ny fijeriny...? Mampiasa ny madinika hitadiavam-bola sy hanangonan-karena, mitovy ny mpampiasa rehetra ihany, na ratsiratsy mihintsy aza satria tsy misy tambin-karama ity fa vatsy?

Dia hisy hiteny indray hoe: Asa fiantrana sy fanadoavana no ataon'ny fiangonana fa diso ianao ry Endriny?

Fa hoy aho hoe: manome tsodrano anao aza izy tsy maintsy arahina rakitra sy solon-tsakafo, fa maika fa hitady zavatra ho tafianao na hanalana mosary. Ny Taomobiliko tsy mandeha rano hoy izy izay, ary ny fotoanako tsy lanilaniana fahatany....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5954