FAMONJENA (Fijery hafa)

1. mampihomehy ( 04/06/2014 09:06)
Ho ahy tsy mahay n'inon'inona dia izao no fahitako ny famonjena....

Tsy izay avoakan'ny vavako, na izay ho soratan'ny tanako, na koa ny boky vakian'ny masoko no zava-dehibe ahazahoako izany famonjena izany...

Ka hoy aho hoe:

...Andriamanitra o
Raha ny fitiavana ny ho vonjena no hanatonako Anao, alefaso any amin'ny fahaverezana sy afobe aho.... ary raha ny tahotra ny afobe sy ny fahaverezana no hanatonako Anao, roahy aho tsy hanakaiky anao ary alefaso any amin'ny afobe ...

Tsy asiako kajikajy ny hanatonako Anao, fa na tsy miloa-peo aza aho,Ianao mahafantatra ny ato am-poko...

mamp'me e.... Hihihihi

2. rhaj0 ( 04/06/2014 16:17)
Ny ahy indray koa dia .. gasy e... "Izay mahasoa ataon'Andriamanitra"

Tsy hivaky loha hitady formule be, na hanao "kajikajy" araka ny filazan'i Mampihomehy azy koa aho, tsy hanao toa an'ireo hoe "tsy avotra raha tsy mitori-teny", ary koa tsy ho maty lolo @ireo befamaritra hoe tsy maintsy manao an'izao sy izao...

... fa dia miaina araka izay fahazoako ny hoe "miaina anaty fiaraha-monina" : manao ny tsara, manaja ny hafa (manaja ny safidiny, mihaino azy koa), manaja ny lalAna..

... dia izay Ataony ao dia Ataony e...
3. mampihomehy ( 04/06/2014 17:55)

Ny ahy indray koa dia .. gasy e... "Izay mahasoa ataon'Andriamanitra"


Tena marina mihitsy ilay hoe "...gasy...". Izaho dia miainga amin'ny maha gasy aho raha maba naneho ny fomba fijeriko.

Ny fotom-pisainana gasy mantsy izay mbola lalaiko dia toy izao:
_ Tsongoy njy fon'ny tena, tsongoy fon'olona, marary ny an'ny tena marary ny an'olona Midika izany fa ny gasy dia tsy afaka ny hanao ratsy ny manodidina azy ,

- Ny tain'omby mivadika aza tsy misy maka,

- Ny gasy mandala fihavanana, fifanampiana, firaisankina sns... Trano atsimo sy avaratra ka izaytsy mahalena ihalofana... "asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana..

- Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina mamaritra ny fihetsika tokony hataoko izany ka dia dia mitandrina fatratra aho amin'izay rehetra ataoko

Gasy aho, ny fahasoavan'Andriamanitra no mahagasy ahy, ary mbola fahasoavany ihany koa ny ahafahako mandova ny fomba fisainana sy ny fomba fiainan'ireo Gasy fahiny

mamp'me e.... Hihihihi

4. rhaj0 ( 04/06/2014 18:45)
Nisy resaka t@ radio taty momba ireo amerindiana omaly. Dia izao : t@ 1700 tany izany, rahefa nihaona ny sivilizasiona roa, dia efa haihaintsika ihany ny fahitan'ny tandrefana ny amerindiana. Fa kosa, ny amerindiana koa t@ ireny, dia nalefa hizaha ny tany Eoropa, ary nony niverina izy, dia izao no notateriny t@ namany/havany...

1- tena vaka tanteraka ny fony sy ny saina amam-panahiny, fa tsy tanaty soatoaviny mihintsy hono ny hoe misy tsy-fitoviana ngezabe eo @ samy mpiara-monina = mahantrabe/manakarembe. Ny azy hono raha misy mahantra, dia tonga dia misy foana ny manampy azy, ary tsy misy mihintsy izany mahantrabe eraky ny arabe izany.

2- ny resaka euthanasia dia anaty soatoaviny : vonoina ny olona mararibe tsy hita fanafana fa tsy avela hijaly eo.

3... indrisy fa resaka 2 ihany no reko fa mbola nisy naleha... aza tsiny..


... ny nametrahako an'izany eto, dia heveriko fa mifandray @ resak'i Mampihomehy, rahefa ny kolotsaina sy soatoavina "talohan'ny nidiran'ny fivavahana krisitiana" no tiana avoitra sy mbola (tiana) miroborobo ao @ tena... satria "fomba tsy hita izay maharatsy azy..." (na dia mety ho samy hafa noho ny hafa azany)
5. Tefigasy ( 05/06/2014 05:40)
mampihomehy:

Ho ahy tsy mahay n'inon'inona dia izao no fahitako ny famonjena....
Tsy izay avoakan'ny vavako, na izay ho soratan'ny tanako, na koa ny boky vakian'ny masoko no zava-dehibe ahazahoako izany famonjena izany...

Rom.10:10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana , ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
mampihomehy:

Ka hoy aho hoe:
...Andriamanitra o
Raha ny fitiavana ny ho vonjena no hanatonako Anao, alefaso any amin'ny fahaverezana sy afobe aho.... ary raha ny tahotra ny afobe sy ny fahaverezana no hanatonako Anao, roahy aho tsy hanakaiky anao ary alefaso any amin'ny afobe ...
Tsy asiako kajikajy ny hanatonako Anao, fa na tsy miloa-peo aza aho,Ianao mahafantatra ny ato am-poko...

Fa iza moa no nanao ny vava sy ny feo e, tsy tokony ho ampiasaina entina miteny ve izy ireny, indrindra ny mba hiresahana amin'ilay mpanao azy, dia ny vavaka izany ? Koa maninona no tsy avelanao hiteny sy hanambara ilay vava rehefa hiresaka amin'Andriamanitra e ! Tsy voatery hoe vavaka lavareny toa ny an'ny fariseo hatrizay anie, fa teny miloatra mangina dia ampy !
6. Tefigasy ( 05/06/2014 05:42)
rhaj0:

Ny ahy indray koa dia .. gasy e... "Izay mahasoa ataon'Andriamanitra"

Te hanolotra ny mahasoa mihitsy Andriamanitra, saingy tsy afaka manery anao amin'izany anie Izy e. Mametraka ny fahafahana eo aminao hatrany Izy satria fitiavana. Satriny mihitsy mba ho voavonjy daholo, hiaina hiaraka aminy, handova ny fiainana mandrakizay ny olona rehetra saingy .... betsaka ny mbola tsy mandraharaha izany na dia efa atoro sy tolorany ny lanana marina sy mahitsy aza ka akory atao.
rhaj0:

Tsy hivaky loha hitady formule be, na hanao "kajikajy" araka ny filazan'i Mampihomehy azy koa aho, tsy hanao toa an'ireo hoe "tsy avotra raha tsy mitori-teny",

Mbola tsy hitanao marina ny fihazakazahan'izao tontolo izao ho any an-davaka ka mora aminao ny miteny.
Raha tena manana fitiavana an'io Andriamanitra io ianao, miray tanteraka aminy dia mandeha ho azy eo aminao ny manantanteraka ny asa izay nasainy atao ety amin'ity izao tontolo izao ity, hainao ny anton'ny hahavelomanao sy handalovanao eto ka tsy miandry hirahina sy ho baikona ianao, ary mino aho fa hosotominao hatramin'io teninao io aza!
rhaj0:

... fa dia miaina araka izay fahazoako ny hoe "miaina anaty fiaraha-monina" : manao ny tsara, manaja ny hafa (manaja ny safidiny, mihaino azy koa), manaja ny lalAna..
... dia izay Ataony ao dia Ataony e...

Ny olona izay efa nandray sy nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjiny dia tsy izay fahazoany na izay takatry ny sainy no ataony, fa izay hitondran'ilay Tompony azy no tanterahany. Toa ny tanimanga eo ampelatanan'ny mpanefy izy ka tsy ny tanimanga akory no mibaiko ny mpanefy hoe ataovy an'izao aho, .....
Ny fiaraha-monina matetika dia manao izay saim-patany fotsiny ihany mba etiny handrindrana ny fiaraha-miaina. Ary ny hevitr'olombelona no mibahana sy mivoitra ao anatin'ireny fa tsy mandraharaha izay an'Andriamanitra akory. Jereo anie ny zava-nisy tamin'ny andron-dry Daniel sy ny namany e: nanangana sarivongana hiankohofana ny fiaraha-monina mba ataony ho andriamanitra, hajainy, hivavahany, sns .... Taty amin'ny andron'ny apostoly indray, ny 1/10 apostoly dia maritiora daholo nohon'io rafitra napetraky ny fiaraha-monina io ihany. Ankehitriny, raha mametraka ny rafitra entina hiadiana amin'ny Sida ohatra ny fiaraha-monina dia ny kapoty sy ny pilina no hirahiraina sy andaniana vola be mihoa-papana mihitsy nefa dia miteraka sy tsy mahafoana ny fijangajangana izay tena fototry ny aretina izany. Tsy ao an-tsain'io fiaraha-monina io mihitsy izany fitondran-tena mendrika izany fa ny mifanohitra amin'izany aza no misy dia ny famporisihana sy ny fanekena ny fiarahan'ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy sns ....
Tadidio ny nahazo an'i Sodoma tamin'ny fotoany, fiaraha-monina feno fijangajangana sy fankahalana an'Andriamanitra no nisy ary dia ny nataon'Andriamanitra dia ny nadrava izany tamin'ny afo. Dia zakanao ve izany ho azon'ny tana-maherin'Andriamanitra izany raha ny fiaraha-monina toa izany no ekenao sy hizoranao ?
7. mampihomehy ( 05/06/2014 07:20)

Tefigasy - 05/06/2014 05:40

Rom.10:10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana , ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.

Fa iza moa no nanao ny vava sy ny feo e, tsy tokony ho ampiasaina entina miteny ve izy ireny, indrindra ny mba hiresahana amin'ilay mpanao azy, dia ny vavaka izany ? Koa maninona no tsy avelanao hiteny sy hanambara ilay vava rehefa hiresaka amin'Andriamanitra e ! Tsy voatery hoe vavaka lavareny toa ny an'ny fariseo hatrizay anie, fa teny miloatra mangina dia ampy !


Miala tsiny fa tsy ny vava sy feo ihany no nataon'Andriamanitra fa ny vatana iray manontolo, averiko indray fa amiko tsy ny vava mitatata no zava-dehibe, satria na tsara aza ny teny tsara avoakan'ny vavako nefa ny fihetsiko mandratra ny hafa, ny fijeriko mangarika ny namana, ny vatako voagejan'ny filan-dratsy sns...

Ka amiko ny fahadiovan'ny foko no zava-dehibe, ary Andriamanitra dia mahalala ny ao am-po tsy miloaka... Tsy mila miteny aminy aho dia efa fantany ny momba ahy manontolo... Tsy mila mangaraka famonjena aminy akory fa Izy irery ihany no mahafantatra raha mendrika izany famonjena izany aho na tsia...

Tompon'andraikitra tanteraka amin'ny izay zavatra rehetra vitako aho ary je signe et je persite que

...Andriamanitra o
Raha ny fitiavana ny ho vonjena no hanatonako Anao, alefaso any amin'ny fahaverezana sy afobe aho.... ary raha ny tahotra ny afobe sy ny fahaverezana no hanatonako Anao, roahy aho tsy hanakaiky anao ary alefaso any amin'ny afobe ...

Tsy asiako kajikajy ny hanatonako Anao, fa na tsy miloa-peo aza aho,Ianao mahafantatra ny ato am-poko...


mamp'me e.... Hihihihi

8. bor2lais ( 05/06/2014 08:09)
mampihomehy:

Raha ny fitiavana ny ho vonjena no hanatonako Anao, alefaso any amin'ny fahaverezana sy afobe aho.... ary raha ny tahotra ny afobe sy ny fahaverezana no hanatonako Anao, roahy aho tsy hanakaiky anao ary alefaso any amin'ny afobe ...

Tsy asiako kajikajy ny hanatonako Anao, fa na tsy miloa-peo aza aho,Ianao mahafantatra ny ato am-poko

Tahaka ny olona manatona dokotera saingy tsy mivaky milaza ny aretiny na marary io izany ! :-)
"Raha ny ahasitrana ahy no anatonako anao dokotera dia roahy aho avelao aho amin'izao, fa ianao dokotera no (tokony) mahalala ny momba ahy rehetra" :-)

Hafa kely marina ilay izy ka !!!

Dia mahatsiaro ity efa nambarako tany ho any ity mikasika ny fitsaboana ity :
"Tsy misy sarotra tahaka ny mitsabo olona tsy manaiky ny tenany fa marary"
:-)
9. mampihomehy ( 05/06/2014 08:50)

bor2lais - 05/06/2014 08:09

Tahaka ny olona manatona dokotera saingy tsy mivaky milaza ny aretiny na marary io izany !
"Raha ny ahasitrana ahy no anatonako anao dokotera dia roahy aho avelao aho amin'izao, fa ianao dokotera no (tokony) mahalala ny momba ahy rehetra"

Hafa kely marina ilay izy ka !!!

Dia mahatsiaro ity efa nambarako tany ho any ity mikasika ny fitsaboana ity :
"Tsy misy sarotra tahaka ny mitsabo olona tsy manaiky ny tenany fa marary"


Ataoko fa izaho ihany no mampihomehy fa hay ny namana bor2lais koa mba mampihomehy. AHOANA NO AHASAHIANY MAMPITOVY NY ASAN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY ASAN'NYDOKOTERA????. NY DOKOTERA ANGAHA MAHALALA NY AO AM-PO TSY MILOAKA??? Izaho anie tsy niresaka dokotera mihitsy tompok'ô tamin'ny fanehoan-kevitra nataoko... Izaho koa tsy miteny hoe: vonjeo aho Andriamanitra fa marary... FOMBA FIJERY NY AHY INY, TSY HO VOATERY HO METY AMINAO



bor2lais - 05/06/2014 08:09
Dia mahatsiaro ity efa nambarako tany ho any ity mikasika ny fitsaboana ity :
"Tsy misy sarotra tahaka ny mitsabo olona tsy manaiky ny tenany fa marary"


sao mba marary kosa ianao ry akama ka tokony hanatona dokotera de ambarao azy eo ny marary anao

Tompon'andraikitra tanteraka amin'ny izay zavatra rehetra vitako aho ary je signe et je persite que

...Andriamanitra o
Raha ny fitiavana ny ho vonjena no hanatonako Anao, alefaso any amin'ny fahaverezana sy afobe aho.... ary raha ny tahotra ny afobe sy ny fahaverezana no hanatonako Anao, roahy aho tsy hanakaiky anao ary alefaso any amin'ny afobe ...

Tsy asiako kajikajy ny hanatonako Anao, fa na tsy miloa-peo aza aho,Ianao mahafantatra ny ato am-poko...



mamp'me e.... Hihihihi


10. Tefigasy ( 05/06/2014 08:50)
mampihomehy:

Miala tsiny fa tsy ny vava sy feo ihany no nataon'Andriamanitra fa ny vatana iray manontolo, averiko indray fa amiko tsy ny vava mitatata no zava-dehibe, satria na tsara aza ny teny tsara avoakan'ny vavako nefa ny fihetsiko mandratra ny hafa, ny fijeriko mangarika ny namana, ny vatako voagejan'ny filan-dratsy sns...
Ka amiko ny fahadiovan'ny foko no zava-dehibe, ary Andriamanitra dia mahalala ny ao am-po tsy miloaka... Tsy mila miteny aminy aho dia efa fantany ny momba ahy manontolo... Tsy mila mangaraka famonjena aminy akory fa Izy irery ihany no mahafantatra raha mendrika izany famonjena izany aho na tsia...
Tompon'andraikitra tanteraka amin'ny izay zavatra rehetra vitako aho

Raha madio ny fonao dia tsy hitako izay tsy hanehoana izany amin'ny vava ! Ny an'ny sasany aza izany ny vava ampiasainy amin'ny fihatsaraham-belatsihy, na dia tsy izany aza no tokony ho asany, maika fa ianao manana fo madio mangatsakatsaka indray ve no tsy hampiasa ny vavanao hifanaraka ny amin'izany fa akombonao ao fotsiny ?
11. mampihomehy ( 05/06/2014 09:30)

Tefigasy - 05/06/2014 08:50
Raha madio ny fonao dia tsy hitako izay tsy hanehoana izany amin'ny vava ! Ny an'ny sasany aza izany ny vava ampiasainy amin'ny fihatsaraham-belatsihy, na dia tsy izany aza no tokony ho asany, maika fa ianao manana fo madio mangatsakatsaka indray ve no tsy hampiasa ny vavanao hifanaraka ny amin'izany fa akombonao ao fotsiny ?


Ialàko tsiny ry namana Tefigasy fa tsy hoe mandà ny resakao aho sanatria fa amiko ny ifandraisako amin'Andriamanitra dia toy izao araka ny evanjilin'i Matio izao izay manao hoe:
" 6.7 En priant, ne multipliez pas de vaines paroles, comme les païens, qui s'imaginent qu'à force de paroles ils seront exaucés.
6.8 Ne leur ressemblez pas; car votre Père sait de quoi vous avez besoin, avant que vous le lui demandiez.

6.6 Mais quand tu pries, entre dans ta chambre, ferme ta porte, et prie ton Père qui est là dans le lieu secret; et ton Père, qui voit dans le secret, te le rendra."


Heveriko fa io resabe io no tena fosotra mampifamaly ny olombelona. Eny fa na dia ireo milaza ny tenany ho mpitory ny tenin'Andriamanitra aza...

mamp'me e.... Hihihihi
12. Tefigasy ( 05/06/2014 10:05)
mampihomehy:

Ialàko tsiny ry namana Tefigasy fa tsy hoe mandà ny resakao aho sanatria fa amiko ny ifandraisako amin'Andriamanitra dia toy izao araka ny evanjilin'i Matio izao izay manao hoe:
" 6.7 En priant, ne multipliez pas de vaines paroles, comme les païens, qui s'imaginent qu'à force de paroles ils seront exaucés.
6.8 Ne leur ressemblez pas; car votre Père sait de quoi vous avez besoin, avant que vous le lui demandiez.

6.6 Mais quand tu pries, entre dans ta chambre, ferme ta porte, et prie ton Père qui est là dans le lieu secret; et ton Père, qui voit dans le secret, te le rendra."


Fa tsy midika mihitsy akory io hoe akombony ny vavanao tsy hilaza izay ao am-ponao ao !
13. bor2lais ( 05/06/2014 10:06)
mampihomehy:

Ataoko fa izaho ihany no mampihomehy fa hay ny namana bor2lais koa mba mampihomehy. AHOANA NO AHASAHIANY MAMPITOVY NY ASAN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY ASAN'NYDOKOTERA????. NY DOKOTERA ANGAHA MAHALALA NY AO AM-PO TSY MILOAKA??? Izaho anie tsy niresaka dokotera mihitsy tompok'ô tamin'ny fanehoan-kevitra nataoko... Izaho koa tsy miteny hoe: vonjeo aho Andriamanitra fa marary...

Tafaraka izany ny samy mampiomehy ka atao ahoana : zara aza misy mpampiomehy roa ! :-)
Sarin-teny anie no nataoko fa tsy voatery raisina ara-bakiteny ry "mampihomehy" n°1 e ! :-)
mampihomehy:

FOMBA FIJERY NY AHY INY, TSY HO VOATERY HO METY AMINAO

Dry, ny ahy koa ange fomba fijery e ! Izay no nanaovako hoe "mba hafa tokoa iny" ! ;-)
Sady izaho tsy nanoratra "majuscule" a ! :-)
14. rhaj0 ( 05/06/2014 10:41)
rhaj0:
Ny ahy indray koa dia .. gasy e... "Izay mahasoa ataon'Andriamanitra"

Tefigasy:
.... betsaka ny mbola tsy mandraharaha izany na dia efa atoro sy tolorany ny lanana marina sy mahitsy aza ka akory atao.

Raha ny fahazoako azy, dia ianao (na ny mitovitovy aminao) izany no misora-tena hoe "manoro" ? Izaho mihevitra hoe Izy (ihany) no "hanoro" (ahy)...



rhaj0:
Tsy hivaky loha hitady formule be, na hanao "kajikajy" araka ny filazan'i Mampihomehy azy koa aho, tsy hanao toa an'ireo hoe "tsy avotra raha tsy mitori-teny"...
Tefigasy:
Mbola tsy hitanao marina ny fihazakazahan'izao tontolo izao ho any an-davaka ka mora aminao ny miteny.

... angamba... fa Izy ve moa raha "mahita" ve tsy "hiteny" (amiko) ?



rhaj0:
... fa dia miaina araka izay fahazoako ny hoe "miaina anaty fiaraha-monina" : manao ny tsara, manaja ny hafa (manaja ny safidiny, mihaino azy koa), manaja ny lalAna..
... dia izay Ataony ao dia Ataony e...
Tefigasy:
Ny olona izay efa nandray sy nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjiny dia tsy izay fahazoany na izay takatry ny sainy no ataony, fa izay hitondran'ilay Tompony azy no tanterahany... Ny fiaraha-monina matetika dia manao izay saim-patany fotsiny ihany mba etiny handrindrana ny fiaraha-miaina...

... Io indray ry Tefigasy dia tena mila maka recul kely ianao namana rahefa mitompo-teny fantatra hoe:
- rahefa "ianao" no manao (araka ny takatry ny sainao) dia lazainao fa Izy no "nitondra" anao ho @ izany
- rahefa "izaho" no manao (araka ny takatry ny saiko) dia lazainao hoe "manao izay saim-patany fotsiny ihany..."
15. Tefigasy ( 05/06/2014 10:48)
rhaj0:

(......)

tongava aminao araka izay irinao ary
16. rhaj0 ( 05/06/2014 13:21)
Ny ahy aloha dia hotry ny mividy trano na fiara io... TSY mila "mpanera" aho, fa izaho ihany no mitady ho ahy... Mety hoe, ianao dia hizara ny traikefanao, dia mihaino aho, na koa mizara ny hitanao/tsapanao/... fa kosa tsy hanantona anao aho raha "mpanera" ianao, ka hoe, ianao "mpanera" io no mamaritra sy hilaza hoe izao sy izao (nefa ianao mpanera io moa ve manana ny trano/fiara lafatra??)

Ny fahitako azy dia ireo "mpanera" ireo no fototry ny olana eto @ ity tany ity.

Ireo "mpanera" ireo no:
- mpanao befamaritra hoe izao sy izao no izy, izao sy izao no tsy maintsy atao
- mpanao tondro-molotra hoe, itsy devoly, itsy voanjobory
- misora-tena hoe izy mpanera no tena izy, izay lazainy no tena izy, ary mitompo-teny ho mahalala ny lakile
- ny tena loza dia izy ireo ilay mpampitahotra, mpamendrofendro anao, ka hoe itsy bibidia, atsy helo, itsy signe devoly, ...

Ny olanabe dia ireo "marefo", ireo "malemy", ireo "tsy sur an'ny tenany", ireo tsy mahalala, no mora rebirebeny ary dia jonoiny (sy hambakany)...
(sahala @ ianao hividy trano/fiara ihany io, rahefa tsy nanao ny devoir-nao ianao, dia avy ny mpanera "hanao ny devoir-nao" araka ny tiany hanaovany azy)
17. endriny ( 05/06/2014 14:04)
O leiretsy,
Asa aloha na izaho no diso fijery na ahoana.
Fa raha vao teraka hono ny olona dia efa fantatr'Andriamanitra ny ho alehany, izay faritana amin'ny vintana sy ny anjara.
Teo amin'ny baiboly koa dia lazaina ny hoe efa voasoritr'Andriamanitra mialoha ny lalana hizorana, raisiko ohatra i Joany na i Jodasy.
Ka raha ireo no dinihiko dia tsy hisy mihintsy izany hoe olona ho voavonjy noho ny izy mangataka famonjena izany. Fa hay vao notoritoriana ny olona dia efa soritan'Andriamanitra ny alehany.
Mpitondra fivavahana afaka mandray anjara amin'ny fanonganam-panjakana ka mampahory vahoaka (ohatra)
Ny mpitory afaka mampitahotra olona amin'ny afobe mandrakizay
Ny mpiandry afaka manala izay tiany ho lazaina hoe devoly
Fa ny lalanao efa voafaritra na eto an-tany na any an-koatra. Dia mifalia amin'ny anjara andro ivelomana.
18. hery ( 05/06/2014 14:37)
Noho izany tsy mila manao na inona na inona intsony? Satria efa voasoratra? :-)
19. rhaj0 ( 05/06/2014 15:36)
Ts'haiko aloha e... Ny hafatrafarako ny zanako ohatra dia hoe, @ fiainana, rahefa misy zavatra tsy afaka controler-nao, dia ... laisse faire. Fa ny zavatra controler-nao dia ataovy izay mety sy tsara.

Ka io no lazaiko hoe : ny Sitrakany na ny Ataony any (amiko na aminao)... dia izay Ataony any e... Izay Mahasoa Ataony...

Izaho kosa aloha tsy mihevitra na 1 sec azany hoe ... rahefa manao kajikajy, dia manao an'izao sy izao (fombafomba, na hoe be-fitoriana-dia-avotra, na be-fangatahana-lavabe, sns...), dia ho tafa...
Ny ahy ho'a rahefa mety ny fiainako, ny fiarahako miaina @ fiaraha-monina (izay no afaka controler-ko)... dia "izay Ataony @ izany dia Ataony"... tsy hiadiako hevitra, tsy handaniako ron-doha...
20. rhaj0 ( 05/06/2014 16:36)
Dia 'ry 'nao izany, raha io fijeriko azy io, hotry ny te-hi-"controle" Azy... hoe rahefa (manindry bouton ka) manao an'izao dia ho Ampahazoany... (rahefa be-fangatahana-sy-toreo, rahefa be-fitoriana-dia-avotra, rahefa manao izato fombafomba,...)

... ampinoin'ny "mpanera" an'izany ianao dia mino tokoany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2907