FAMONJENA (Fijery hafa)

21. mampihomehy ( 06/06/2014 06:32)

endriny - 05/06/2014 14:04
O leiretsy,
Asa aloha na izaho no diso fijery na ahoana.
Fa raha vao teraka hono ny olona dia efa fantatr'Andriamanitra ny ho alehany, izay faritana amin'ny vintana sy ny anjara.
Teo amin'ny baiboly koa dia lazaina ny hoe efa voasoritr'Andriamanitra mialoha ny lalana hizorana, raisiko ohatra i Joany na i Jodasy.
Ka raha ireo no dinihiko dia tsy hisy mihintsy izany hoe olona ho voavonjy noho ny izy mangataka famonjena izany. Fa hay vao notoritoriana ny olona dia efa soritan'Andriamanitra ny alehany.
Mpitondra fivavahana afaka mandray anjara amin'ny fanonganam-panjakana ka mampahory vahoaka (ohatra)
Ny mpitory afaka mampitahotra olona amin'ny afobe mandrakizay
Ny mpiandry afaka manala izay tiany ho lazaina hoe devoly
Fa ny lalanao efa voafaritra na eto an-tany na any an-koatra. Dia mifalia amin'ny anjara andro ivelomana.


Tena marina zato isan-jato.

Izany no mahatonga ahy milaza hoe tsy mila mangataka famonjena izany, Andriamanitra no nahary ahy, izy no mahalala ny momba rehetra, izy mahalala izay mahasoa ahy, misy antony aho matoa nataony ho gasy fa tsy nataony mpanefoefo toan'i Bill Gates, ka inona indray no tadiaviko? Raha mangataka famonjena amin'Andriamanitra aho dia midika fa tsy afa-po amin'izay efa natolony ahy ... Satria amiko Andriamanitra dia PARFAIT, tsy manaonao foana fa misy antom-pisiana daholo ny zava-drehetra.....

mamp'me e.... Hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0922