tokana sa 12 ny vavahady idirana @ paradisa?

1. moustaraf ( 02/04/2014 06:59)
"Izaho no vavahady, raha izaho no didira'ny olona dia ho velona izy"
"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankay @ Ray afa-tsy @ alalaKo"
"....Indro Jerosalema vaovao.....misy vavahady 12 araka ny fokon'i Israely"


novalian'i toriteny ny 15/04/2014 06:40
2. hery ( 02/04/2014 07:15)
Mitovy amin'ny any amin'ny fijerena baolina ihany e.

Misy vavahady iray lehibe idiran'ny rehetra aloha, dia avy eo misy vavahady kely hidirana amin'ny tribune tsirairay. Misy tribune 12 zany :-)
3. moustaraf ( 02/04/2014 07:28)
Yeh! mety ho izay toko an!
4. rhaj0 ( 02/04/2014 11:20)
t@ zahay mbola kely, zahay tsy nanam-bola, dia avy etsy Ampamarinana no nijery baolina. Ary nahita fa misy fidirana hafa koa : afaka mananika ny fefin'i Mahamasina. Saingy mampalahelo fa misy masiatsiaka @n'a pas manenjika sy mampitahotra ny zatovo (tsy hijery baolina).. nefa anie ireo mpigorobaka tena mba .. mahantra e... sady zareo tena mifanampy, mifampisintona miakatra ny fefy, ary miray hina tsara.. Izaho katavikely t@ izany tsy mahahanika fefy ka dia mionona mitazan-davitra e...
5. rhaj0 ( 02/04/2014 13:20)
.. (tohizako kely fa hotry ny mba mitombona kosany ilay kisarisary-fampitaha)

Dia nefa anie i Pierabe sefon'ny sekiorite tsy taitra ny hanenjika iretsy mpigorobaka akoriny fa ny mpamendrofendro no betsaka.

MIresaka mpamendrofendro mpanararaotra fa @ireny dia misy ihany koa ireo mpanera mitady mivarotra bileta (ny 1/10-mpanananao moa izy teo no sarany angatahiny).

Fanefa koa anie izao, tsy efa feno koa ve moa ny kianjan'i Mahamasina, ka iza intsony no mbola afaka hiditra ao.. Ato izao milaza fa 144.000 fotsiny ihany hono no zakany. Nefa ny eto milaza fa efa 6.7 milliara be izao no manantena hiditra ao. Dia nefa mino akoriny aza aho fa efa ho 10 milliara any ho any izany isan'olo tia hankany-hankany izany... ka asa aloha ohatra ny Sinoa sy Karana raha toa ka tia mijery baolina fa mety mitombo ny lachansy raha tsy koty ry Sinoa sy Karana ...

Dia nefa kosa aloha hoe, eo @ 12.000 hono no quota antsika (foko iray) h@ zanak'aman-jafy ka h@ raiben'i mamabe..

ka dia inona izany fa dia tafandria mandry daholo...
6. toriteny ( 02/04/2014 14:36)
Misaotra an'i Moustaraf nametraka ilay sujet fa mahafinaritra be ilay dinidinika.

1 sa 12 ny varavarana hidirana any. Amiko aloha mazava be ny voalazan'ny Jao14:6 :"Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako ."

Ary raha mamaky ny and 27 amin'io toko 21 io isiaka dia mazava be ny voasoratra ao: "Ary tsy mba hiditra ao mihitsy (ao Jerosalema vaovao) izay tsy masina , na izay manao vetaveta , na izay mandainga , fa izay voasoratra ao anatin'ny ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.

Raha ireo andinin'ny SM 2 ireo no jerentsika dia izay manana an'i Jesosy irery ihany no voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ka afaka miditra ao amin'ny Jerosalema vaovao.

Koa maninona ary no hoe vavahady 12 misy ny anaran'ny foko Israely 12?
Ny voalazan'ny Apokalypsy 21 tsy ny vavahady 12 misy ny anaran'ny firenena 12 ny Zanak'Israely ihany no voalaza ao fa nisy manda 12 nisy ny anaran'ny Apostolin'i Jesosy 12 lahy koa voalaza ao (21:14). Io passage io amiko dia milaza fotsiny hoe ny basen'i Jerosalema vaovao dia Jiosy avy amin'ny firenena 12 nino an'i Jesosy (ho azavaiko etsy ambany) + Jentilisa nino an'i Jesosy ( izay nanomboka noraisina tao amin'ny fanjakana rehefa nandray ny FM ny Apostoly ka nasaina nanao ho mpianatra ny firenena rehetra)

Jiosy nino an'i Jesosy

Ny plan n'Andriamanitra tamin'ny Jiosy tsy ny hiakatra any an-danitra fa hatreo Kanaana ihany. Rehefa maty anefa Jesosy dia nitory teny tany amin'ny fiaina-tsy hita 2 andro alohan'ny nitsanganany tamin'ny maty. Fiaina-tsy hita izay nisy ny fanahin'ireo Jiosy tao amin'ny Testamenta Taloha ireo 1Pet3:19: "izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-trano-maizina" / Efe 4:8-9: "Koa izany no ilazany hoe :Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy , dia nitondra olona maro ho babo (vf: il a emmené des captifs) ka nanome fanomezana ho an'ny olona" (Sal. 68. 18).(ary ny amin'ny hoe 'niakatra ,' inona moa izany , afa-tsy ny efa nidina [nidina aloha] ho any ambanin'ny tany koa? Izay nidina , dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra , hamenoany ny zavatra rehetra.).
7. rhaj0 ( 02/04/2014 17:55)
dadany indray ianao mahalala ny plan n'Andriamanitra izany...
Ny vazivazy aty dia hoe, tsy renao ve izao tapa-tsinay mihomehy ao ambony ao izao?
8. toriteny ( 03/04/2014 04:20)

rhaj0:

dadany indray ianao mahalala ny plan n'Andriamanitra izany...
Ny vazivazy aty dia hoe, tsy renao ve izao tapa-tsinay mihomehy ao ambony ao izao?


Ianao koa anie afaka mahafantatra ny plan n'Andriamanitra raha mamaky baiboly e.
9. rhaj0 ( 03/04/2014 17:43)
Mety samy hafa marina angamba izany ny aty sy ny any. Ny fahitako ny aty dia tsy dia mahasahy mitompo teny fantatra hoe "mahalala ny plan'Andriamanitra" ny olona, satria matetika dia fandikana manokana (interpretation personnelle) no atao.. ny fahazoako azy koa anefa dia satria raha be fitompoana teny fantatra dia (mety) oainina (aoriana) satria (mety) hafa (foana) ny fivoakan'ny zavatra.. ary dia io atao fihomehezana io @ ilay hoe "mikakakaka tapa-tsinay ny ao ambony ao"...
10. sitlo ( 04/04/2014 02:31)
Dia mahita zavatra ampiasana saina ianareo ka!
11. toriteny ( 04/04/2014 07:41)

rhaj0:

Mety samy hafa marina angamba izany ny aty sy ny any. Ny fahitako ny aty dia tsy dia mahasahy mitompo teny fantatra hoe "mahalala ny plan'Andriamanitra" ny olona, satria matetika dia fandikana manokana (interpretation personnelle) no atao.. ny fahazoako azy koa anefa dia satria raha be fitompoana teny fantatra dia (mety) oainina (aoriana) satria (mety) hafa (foana) ny fivoakan'ny zavatra.. ary dia io atao fihomehezana io @ ilay hoe "mikakakaka tapa-tsinay ny ao ambony ao"...


Atao inona ary hoy ianao ny nanomezan'Andriamanitra ny baiboly? Tsy ny hahalalantsika ny plan sy ny sitrapony v? Sa ny tinao izany d aleo tsy mamaky baiboly d tsy fantatra ny plan sy ny sitrapon'Andriamanitra fa mandeha an-jambany fotsiny? Tsy haiko ianao fa tena tsy mety amiko indray raha izay.

Ny fahalalana izany koa anefa tsy hitompoana teny fantatra, sanatria anie izany fa kosa hanoroana sy hanitsiana ireo tsy mahafantatra, mba tsy haharingana ny olon'Andriamanitra (Hos 4:6).

Ary tsy interprétation personnelle ireo . Izaho kosa tsy nanao hoe indra andro hono. Fa fanazavana ny voasoratra ao amin'ny baiboly fotsiny no nataoko. Ireo rehetra ireo dia Teny avy ao amin'ny Baiboly avokoa.
12. moustaraf ( 04/04/2014 10:52)
salama daholo e!
mahafinaritra ny fifapizarana eto, sady mihomehy no mahalala zavatra!
Ny manahirana ny rahalahy sasany dia ny tsy fisian'ny fokon'i levy @mpianatra12,
13. toriteny ( 04/04/2014 11:31)

moustaraf:

salama daholo e!
mahafinaritra ny fifapizarana eto, sady mihomehy no mahalala zavatra!
Ny manahirana ny rahalahy sasany dia ny tsy fisian'ny fokon'i levy @mpianatra12,


Dia averina aminao indray v moustaraf ny Tit.3:9? :" Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna ; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany" Efa zava-poana hoa izany fa aza resahina intsony fa efa samy novonjen'i Jesosy na Jiosy na Jentilisa.

Tena tsy azoko anie é: ny baiboly efa miteny izao fa afaka vonjena daholo ny rehetra izay mandray ny famonjen'i Kristy, ny anareo tinareo ny Jiosy ihany no ho vonjena d feranareo (mba tsy hitenenako hoe raràna) ny hafa tsy handray ilay famonjena. Tsy ny hatao izay hahavonjy fanahy maro ary v izao no tokony hatao? D faly b ve nareo rehefa any an-danitra nefa hisy olona maro b ho very satria namaky teto sy nino anareo fa tsy ho azy ireo ny famonjena?

Aleo hataoko eto mihitsy ny voalazan'ny Apo 7:1-9 dia aza manao an'izany intsony re fa hadinina aminareo anie ny ràn'ireo é! : "Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho : efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely rehetra. Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina.Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Zebelona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Rehefa afaka izany , dia hitako fa , indreo , nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry , niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany ,
14. rhaj0 ( 04/04/2014 13:00)
moustaraf:
salama daholo e!
mahafinaritra ny fifapizarana eto, sady mihomehy no mahalala zavatra!
Ny manahirana ny rahalahy sasany dia ny tsy fisian'ny fokon'i levy @mpianatra12,


Sao dia ity "Lev Tahor" ity (jereo eto) no taranaky (lignée directe) ny fokon'i Levy lazainao izany sa tsy izy io? (anarana tanim-boanjo)


Fa hono ho'a... raha ohatra izany ka TSY kOty ny tafiditra ao Imahamasina ny Sinoa sy Karana (h@ ireo aborigene any Aostralia ka hatraty Kanada sy any Brazil), dia olonolona an-tapitrisany izany no alefa mijery baolina (havarina) any Ampamarinana (TSY "voavonjy") ?

ka hitanao "rariny sy hitsiny" (juste et logique) ve izany? sa dia ifalianao fa mitombo ny lachansinao idiranao ao Imahamasiina (lottery 144.000) ? Sa moa ... dia izay indray no "plan'Andriamanitra" ka dia izay izany?
15. toriteny ( 04/04/2014 13:29)
rhaj0:

ka hitanao "rariny sy hitsiny" (juste et logique) ve izany? sa dia ifalianao fa mitombo ny lachansinao idiranao ao Imahamasiina (lottery 144.000) ? Sa moa ... dia izay indray no "plan'Andriamanitra" ka dia izay izany?


Raiso amin'izay ary ny satro-boninahitrao so d tsy ho isan'ireo olona maro b (fa tsy 144.000 fa isiaka tsy Jiosy) hovonjena sy hasiana tombo-kasen' ny ràn'ny Zanak'ondry ianao e!

Raha tsy hainao ny hatao mba handraisana ny Tompo dia afaka manampy anao ito sujet ito http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a
16. rhaj0 ( 04/04/2014 14:49)
an an.. dia tena aleoko ihany lahy avy aty Ampamarinana no mijery baolina.. (mety) miaraka amiko ety izao ireo olonolona (antapitrisany) izay maro isa noho ny (na ianareo) ao Imahamasina, indrindra ireo mahantra tsy naharay bileta nefa tena tia sy mankafia baolina... mahita baolina ihany aho avy aty Ampamarinana ary tena mankafia ho'a na dia mijoro anaty hainandro mahamay sy oram-baratra tsy misy helo aza... ary mety izay indrindra azany ilay plan :)

Fa hitako avy ety Ampamarinana ihany ireo (na ianareo) mitondra "satro-boninahitra" sy tsara petrapetraka mihamikamina eo @ tribiona satria nahatakatra ary naha-araka ilay plan (sa koa, tsara lachansy nahazo loterie 144.000)... Tazako avy aty Ampamarinana ihany koa ireo nivarotra sy nividy bileta (1/10-mpananany) ary ireo mpampiresaka (sy mpamendrofendro nanenjika anay tsy nahavidy bileta... fandraisana)...
17. rhaj0 ( 04/04/2014 17:11)

toriteny:
Ary tsy interprétation personnelle ireo...

Ohatra @ ilay isa (majika) 144.000, jereo ho'a eto fa samy manana ny fandikany azy manokana (interpretation personnelle) ny kristiana isanisany (ohatra h@ Sarkozy :) ooops... hay Skoptzy)

18. toriteny ( 05/04/2014 04:19)

rhaj0:

an an.. dia tena aleoko ihany lahy avy aty Ampamarinana no mijery baolina.. (mety) miaraka amiko ety izao ireo olonolona (antapitrisany) izay maro isa noho ny (na ianareo) ao Imahamasina, indrindra ireo mahantra tsy naharay bileta nefa tena tia sy mankafia baolina... mahita baolina ihany aho avy aty Ampamarinana ary tena mankafia ho'a na dia mijoro anaty hainandro mahamay sy oram-baratra tsy misy helo aza... ary mety izay indrindra azany ilay plan :)

Fa hitako avy ety Ampamarinana ihany ireo (na ianareo) mitondra "satro-boninahitra" sy tsara petrapetraka mihamikamina eo @ tribiona satria nahatakatra ary naha-araka ilay plan (sa koa, tsara lachansy nahazo loterie 144.000)... Tazako avy aty Ampamarinana ihany koa ireo nivarotra sy nividy bileta (1/10-mpananany) ary ireo mpampiresaka (sy mpamendrofendro nanenjika anay tsy nahavidy bileta... fandraisana)...



Tsy hazoko mihitsy ny fanoharana ataonao. Hoy ianao mankeny Ampahamarinana ianao mijery baolina satria tsy manam-bola hividianana billet.
1) Matoa ianao hianika eny ambony b eny dia mangetaheta ny hijery ilay baolina eo MAhamasina. Izany hoe tokony hangetaheta hiditra ao Jerosalema vaovao

2)Ny tsy fahafahanao mividy ny billet no mahatonga anao hankeny Ampahamarinana. Satria ny isan'ny billet ndeha ataontsika hoe natokana ho an'ny 144 000 places assis ihany. Izao anefa efa tenenina fa gratuit ny fidirana ao ary tsy hoferana 144 000 places fa afaka mankao daholo.Izany hoe manana possibilité hidirana ao MAhamasina sy hanatrika ny baolina ianao dia ianao indray anefa no tsy mety miditra.

Koa izany v tsy tonga amin'ilay fitenenana hoe Andriamanitra no nanome fa i Balita no tsy ambinina? Na amin'ny cas nao: Andriamanitra no nanome fa i rhajo no niavonavona?

Mbola fotoanany izao: mbola tsy midy ny vavahadin'ny kianja.
19. toriteny ( 05/04/2014 04:44)
rhaj0:


toriteny:
Ary tsy interprétation personnelle ireo...

Ohatra @ ilay isa (majika) 144.000, jereo ho'a eto fa samy manana ny fandikany azy manokana (interpretation personnelle) ny kristiana isanisany (ohatra h@ Sarkozy :) ooops... hay Skoptzy)



D hiteny koa v ianao fa samy manana ny heviny ny kristianina (kristianina hoy aho tsipihiko tsara) mikasika an'i Jesosy? Mety hisy kristianina hiteny v hoe Jesosy vehivavy, na hoe Jesosy tsy haiko...nanana fiara? Ny kristianina rehetra (tsindriko eto ihany fa miresaka ny tena kristianina aho) , raha mbola ny Fanahy MAsina iray ihany no mitarika azy ireo amin'ny fiainam-panahiny dia manana fomba fijery tokana amin'ny fondement ny fivavahana kristianina. Fa maninona no tokana? Satria Fanahy iray ihany no mitarika azy ireo sy manoro azy ireo ny hevitry ny baiboly.

Tsy hisy Fanahy MAsina hiteny zavatra hafa amin'ny kristianina iray ary zavatra hafa amin'ny kristianina iray hafa izany mikasika ny andininy iray ao amin'ny baiboly. Mety mifameno ireo hevitra ireo arakaraky ny zavatra hiainan'ilay kritianina fa tsy mifanipaka. Fa matoa misy tsy fitoviana eo amin'ny samy kristianina (eo amin'ny samy kristianina hoy aho, eo amin'ny efa nandray an'i Jesosy fa tsy eo amin'ny kristianina sy ny olon'izao tontolo izao tsy nandray Azy) dia tokony handini-tena ihany isiaka fa misy fanahy tsy izy ny amin'ireo 2 ireo. Raha misy olona miteny izao hoe tsy Andriamanitra Jesosy tonga dia fantako fa tsy izy io fanahy io satria mifanipaka amin'ny zavatra notenenin'ny Fanahy izay ato anatiko.

Raha amiko manokana izao tena misy passage mihitsy ao amin'io baiboly io izay tsy azoko ny dikany raha amin'ny maha izaho ahy fotsiny no mandinika azy nefa rerhefa mangataka ny Fanahy Masina ianao hanoro anao ny heviny dia omeny anao ihany ny hevitr'izany. Ny tiako tenenina aminao raha amin'ny maha olona anao, na amin'ny maha philosophe anao na amin'ny maha scientifique anao, na amin'ny maha historien na sociologue anao no hamakianao baiboly d tena hanana interprétation bdb enao. Fa raha ara-pinoana eo ambanin'ny Fanahy MAsina no hamakianao baiboly dia tokony ho 1 ihany no interprétation mivoaka avy eo satria Fanahy Masina iray ihany no mitarika ny kristianina rehetra.
20. rhaj0 ( 06/04/2014 23:01)
Raha ny fahazoako azy, dia:
- ny Katolika, dia ny Eglizy ihany no mpampianatra (manao ny fandikana, interpretation)
- ny Protestanta sy ny hafa kosa dia nijoro fa afaky ny hanao ny fandikana manokana (interpretation) koa ny rehetra .

Diso ve aloha aho eto?

Raha tsy diso io fahazoako azy io, dia, tena "fandikanao manokana" ny karazan'ny 144.000 ka h@ fifandraisana ny homosexoaly ohatra na koa ny fifandraisana @ vehivavy.. fa mino aho fa "hafa" noho ny interpretation-nao ny fampianaran'ny Eglizy Katolika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5254