tokana sa 12 ny vavahady idirana @ paradisa?

41. rhaj0 ( 08/04/2014 15:25)

toriteny:
Dia ahoana raha tena ny Fanahin'Andriamanitra no tena ato anatiko ka miasa eo amin'ny fiainako? Nefa ianao miteny fa diso ( manohitra) ny hevitra avoakan'io Fanahy io...

hum... raha ny fahazoako io teninao io dia.... tena lasa lavitra anie izany "fametrahanao ny tenanao" izany e... hoe, ny Fanahy no miteny avy ao @ tenanao... (ka tokony tsy ho toheriko izay lazainao)

afaka miteny hotr'anao daholo koa ve ny olon-drehetra? nahoana "ianao" fa tsy ny olon-kafa? afaka ny hilaza ve ianao fa tsy ny Fanahy koa no miteny avy @ izay noteneniko teo?
42. toriteny ( 08/04/2014 16:02)
rhaj0:

hum... raha ny fahazoako io teninao io dia.... tena lasa lavitra anie izany "fametrahanao ny tenanao" izany e... hoe, ny Fanahy no miteny avy ao @ tenanao... (ka tokony tsy ho toheriko izay lazainao)

: ) Za ary ve miteny hoe maty aho tamin'ny nandraisako ny Tompo dia za ndray no mametraka ny tenako ho ambony? Tsy misy importance aho ka, efa tanteraka amiko fotsiny ny voalazan'ny Gal 2: 20 ka efa voahombo niaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ary hisaorako be dia be mandrakariva nyTompo izany

rhaj0:

afaka miteny hotr'anao daholo koa ve ny olon-drehetra? nahoana "ianao" fa tsy ny olon-kafa? afaka ny hilaza ve ianao fa tsy ny Fanahy koa no miteny avy @ izay noteneniko teo?


Tsy afaka miteny izany ny olona raha tsy efa nandray ny Tompo, raha tsy efa converti nefa afaka tonga aminao koa izany raha sitrakao. Sady tsara anie ry reto ilay fanarahana ny Tompo e. tena..; tsy haiko e tsisy mot mahalaza ny fifaliana sy ny fahasambarana eo akaikin'ny Tompo izany

Sady tsy maintsy converti ny olona iray, tsy maintsy nateraka indray vao afaka mandova ny fiainana mandrakizay ka azo lazaina hoe tena kristianina araka ny voalaza ao amin'ny Jao 3:3 "Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] "

Ka raha mety ianao dia vakio milamina ito sujet ito fa miresaka izany ito: http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a.

43. rhaj0 ( 08/04/2014 16:31)

toriteny:
: ) Za ary ve miteny hoe maty aho (..) tanteraka amiko fotsiny ny voalazan'ny Gal 2: 20 (..) fa Kristy no velona ato anatiko...

Dia tena mino ianao fa Izy no mampiteny anao io?
44. bor2lais ( 09/04/2014 07:50)
Aza simbainareo kely ny vavahadin'i moustaraf azafady ! :-)
45. rhaj0 ( 09/04/2014 10:22)

bor2lais:
Aza simbainareo kely ny vavahadin'i moustaraf azafady ! :-)

ka raha i Toriteny no (mety) manana ny lakilen'ny vavahady, mety tafiditra daholo ihany izany isika rehetra :)
46. toriteny ( 10/04/2014 05:52)

rhaj0:

Dia tena mino ianao fa Izy no mampiteny anao io?


Ie mino 100% aho.
Tsy za no la clé ka. Za ary mba nomena laclé ihany koa. Nefa afaka manoro anao ny laclé. Jereo hoa le lien iny fa any ny laclé.
47. rhaj0 ( 10/04/2014 16:48)
rhaj0:
Dia tena mino ianao fa Izy no mampiteny anao io?


toriteny:
Ie mino 100% aho.


wow.. giravy anie izany valin-teninao izany e..

Aleo hanontaniana Izokinibe Hery.. raha ohatra ka ny Papa koa (ohatra) ka nahavolana izany fehezan-kevitr'i Toriteny izany : hoe i raolombelona etoy ka ampitenenin'Izy...
48. toriteny ( 11/04/2014 06:25)

rhaj0:

Aleo hanontaniana Izokinibe Hery.. raha ohatra ka ny Papa koa (ohatra) ka nahavolana izany fehezan-kevitr'i Toriteny izany : hoe i raolombelona etoy ka ampitenenin'Izy...


Raha mbola tsy namolavola izany fehezan-kevitra izany ny Pape dia mbola tsy voavonjy izy izany.
Ndraso fa raha misy fotoana aho androany dia hazavaiko aminao ny atao hoe olona converti sy ny rôle ny Fanahy MAsina eo amin'izy ireo
49. rhaj0 ( 11/04/2014 16:26)
Namakivaky ny notondroinao testy ambony aho... fa raha ny fahazoako azy, dia tena SUBJECTIVE be ilay ... "certitude"-nao @ ao anatinao ao... ho ahy mijery anao avy aty ivelany.
Namboatra (concevoir) io laha-kevitra (raisonnement) io ianao, na noraisinao avy tamina soratra tao @ Bailboly ilay izy, dia izay, miaiky ianao fa izay ilay izy.

Raha izaho koa milaza ny lazainao na ny mitovitovy @izany, ahoana no ilazanao fa "tsy tena izy" ny ahy, fa ny anao ihany no tena izy? Ianao tsy mahita/mahatsapa izay ato anatiko, sahala @ tsy fahitako sy tsy fahatsapako izay ao aminao.
50. toriteny ( 14/04/2014 06:26)

rhaj0:

Raha izaho koa milaza ny lazainao na ny mitovitovy @izany, ahoana no ilazanao fa "tsy tena izy" ny ahy, fa ny anao ihany no tena izy? Ianao tsy mahita/mahatsapa izay ato anatiko, sahala @ tsy fahitako sy tsy fahatsapako izay ao aminao.

Ka raha ianao anie no mamoaka hevitra dia hevitrao fa tsy hevitry ny Tompo é. Satria ianao mbola tsy nandray ny Tompo fa raha efa nandray Azy ianao tsy hanao toy izao.

Izao ary é. Défier ko ianao. Hazavao io partie Nikodemosy io amin'ny fahalalanao azy. Efa ao anatin'io daholo ny andian'ny Soratra Masina raha tsy manana baiboly ianao d hazavao amin'ny fandinihan'i Rajho personnellement ny baiboly.
51. rhaj0 ( 14/04/2014 12:53)
toriteny:
Ka raha ianao anie no mamoaka hevitra dia hevitrao fa tsy hevitry ny Tompo é.

Hum... efa tena raikitra mafy ao-tsainao ilay izy ka tsisy resaka na lozika hanetsika anao.. Mampivanaka ahy ihany... Izaho ve moa dia mbo inona, fa h@ Papa ohatra dia (mety) lazainao ho toa izay. Tsy mahita ve ianao fa misy "arrogance/egotism" be izany fivolanao izany?

toriteny:
Izao ary é. Défier ko ianao. Hazavao io partie Nikodemosy io amin'ny fahalalanao azy.

Nanomboka nijerijery google aho io. Tsy ho vita 1 minitra ny fanadihadiana fa (lasa) lalina loatra (ny anao).

Fa raha nijery kely aho dia.. fanontaniana : ianao (na ny anao) ve izany anisan'ilay malaza aty Zamerika hoe "born-again-christian" ?
52. toriteny ( 14/04/2014 13:17)

rhaj0:

Hum... efa tena raikitra mafy ao-tsainao ilay izy ka tsisy resaka na lozika hanetsika anao.. Mampivanaka ahy ihany... Izaho ve moa dia mbo inona, fa h@ Papa ohatra dia (mety) lazainao ho toa izay. Tsy mahita ve ianao fa misy "arrogance/egotism" be izany fivolanao izany?


Satria ve za miteny hoe manana ny Tompo ato anatiko fa ianao mbola tsy manana dia arrogante sy egoïste aho izany? Milaza ny marina fotsiny zah ka. Ilay izy anie hoa dia tsotra e, tant que mbola tsy ny Fanahy Masina no miteny sy mibaiko sy mitondra ny fiainan'ny olona iray ka hitenenany sy hatsapany hoe "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato amiko" dia mbola tsy nateraka indray izany olona izany=mbola tsy tafiditra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarany.

NA pape io, na diakona io na pasitera io. Fa tsy hoe rehefa pape dia miditra d'office any an-danitra. Iray ihany ny règle ho an'ny mpino rehetra raha te ho any an-danitra: Jao3:5-7" Jesosy namaly hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy , dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy .Izay ateraky ny nofo dia nofo ; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy .Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hateraka indray ianareo"

rhaj0:

Nanomboka nijerijery google aho io. Tsy ho vita 1 minitra ny fanadihadiana fa (lasa) lalina loatra (ny anao).

Tadiavo miadana dia apetraho eto hiaraha-mandinika avy eo. Raha mety dia hevitrao manokana mikasika an'ireo andian'ny soratra MAsina ireo hoentina fa aza ny hevitr'olona any amin'ny Google. Nefa moa raha tsy manana hevitra ianao dia hoento ihany ny an'ny olona fa tsy maninona
53. bor2lais ( 14/04/2014 14:01)
Mila antsoina i maranatha hanangana an'ity vavahadin'i moustaraf noravanareo ity ! :-)
54. rhaj0 ( 14/04/2014 14:53)
OK... miala tsiny an'i Moustaraf.
Fa ho an'i Toriteny sy izay hafa liana, dia efa nakisako tatsy ny fifanakalozana momba ny "born again christian"..
55. toriteny ( 15/04/2014 06:40)
Efa atsy ambadika ny valiny ô!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.151