Diniho anie ity e!!!!
1. toriteny
(
10/01/2014 12:04)
Mba heritrereto kely anie ity e:
7 milliards ny isan'ny olona amin'izao. Ny atsasak'io mponina asiatique ( chinois, indiana, indonesia, Pakistan) izay firenena tsy kristianina avokoa. Araka ny stat farany dia eo amin'ny 30% eo ho eo ny kristianina eto an-tany.
Amin'ireo 30% ireo (environ 2 milliards) vitsy tena vitsy ny convertis izayhany mandova ny fiainana.
Ny tiako tenenina dia manana tombony be isiaka tonga teto an-tany teto MAdagasikara fa tsy tany Chine ohatra. Fa ahoana no hevitra ataontsika hamonjena ireo 20% et quelques kristianina tsy voavonjy sy ny 70% tena tsy voavonjy mihitsy?

novalian'i Nehemiah ny 03/02/2014 15:41
2. leva2
(
10/01/2014 19:13)
Velona Jesosy !
Ny anjarantsika dia mitory namana, fa ny fandresen-dahatra dia an'IZY Tompon'ny asa ihany.
Ny famonjena dia efa vita, fa ny anjarantsika dia ny mandray izany famonjena izany ary mizara izany koa avy eo amin'ny fomba rehetra.
Mazotoa daholo.

3. rekinbelo
(
10/01/2014 19:13)
Marina ilay eriteritrao namana fa na izany aza, mety fantatrao ve ny isan'ny olombelona t@ andron'ny Noa? nefa dia valo mianaka fotsiny izy no tafita velona. Torak'izay koa @ androtsika, vitsy ihany no ho voavonjy, tsy midika anefa izany hoe tsy tian'Andriamantra isika olombelona fa isika olombelona mihitsy no mafy loha.
Ka aza atao makarary saina anao ary ny hoe firy % no ho voavonjy, Jehovah mahalala sy mahay ny tokony ataony @ fotoana voatondrony.

4. tafita
(
11/01/2014 07:51)
rekinbelo:

Tena marina ny fandinihana nataonao , ary na zah koa aza lasa eritreritra ny amin'io , nefa ny mahagaga de ry zareo lazaintsika hoe tsy Kristianina sy tsy mpino ireny no tena manizingizina fa zareo ihany koa no ho voavonjy .. ka asa .. araka ny hiran' ila mpanakato hoe : Na mivavaka asabotsy , na mivavaka alahady ......
5. Nehemiah
(
11/01/2014 10:09)
toriteny:
Ny tiako tenenina dia manana tombony be isiaka tonga teto an-tany teto MAdagasikara fa tsy tany Chine ohatra.
Azafady aminao fa tsy miombon-kevitra aminao aho : efa tsy firenena kristiana intsony Madagasikara
toriteny:Ny hevitra ve ? Ny mitory ny fitsanganan'i Jesoa Kristy amin'ny maty amin'ny voary rehetra re, satria iny no tena manavaka ny finoantsika amin'ny fivavahan'izao tontolo izao : iza moa no namana mba mahafantatra mpitondra ara-pivavahana nitsangana tamin'ny maty ?
Fa ahoana no hevitra ataontsika hamonjena ireo 20% et quelques kristianina tsy voavonjy sy ny 70% tena tsy voavonjy mihitsy?
6. Mateyous
(
12/01/2014 10:37)
Salama daholo, misy ahitsiko kely ny fanamabaran'ny mpanoratra eto : "7 milliards ny isan'ny olona amin'izao. Ny atsasak'io mponina asiatique ( chinois, indiana, indonesia, Pakistan) ".
Tsia, tsy marina io statistikanao io,satria: ny isan'ny mponina Sinoa fotsiny, izay maro an'isa indrindra maneranan-tany dia mihoatra ny isan'ny mponina eran'izao tontolo izao, ankoatran'ny Sinoa.Izany hoe: raha 7 milliard ny isan'ny mponina maneran-tany, dia 4 milliard eo ho eo na mihoatra dia mponina Sinoa avokoa, ka mbola tsy voakajy ao anatin'io ny Aziatika rehetra.

7. voromailala
(
13/01/2014 12:50)
salama daholo
toriteny>Raha arahana izany le fijerinao dia hoy aho hoe: raha ny Malagasy 0,002% ny mponina eto antany azany tsy mbola vita ny mamonjy azy, ahoana ny fomba hamonjenao ny 20% mponina eto antany , ny 70% moa tsy lazaina intsony?
Izaho manokana tsy miombokevitra amin'ilay lohahevitra hoe rehefa tsy Kristianina dia tsy voavonjy.
Amiko manokana dia sambofiara hiampitana ny y fivavahana, samy manana ny azy fa ny tanjona dia izay ahatongavana ery ampita (Paradisa).

9. shala
(
14/01/2014 09:44)
salama dhlo e!io na firy %na firy no ho voavonjy ts dia atao makarary saina loatra,ny tokony ataon'tsirairay dia ny fahamasinana atrany nef dia tena sarotra ny atateraka izany.Andriamanitra mahay azy.
za miara miaina@sinoa aty chine fa dia sahy manambany ahy tsotra zao izy fa izy no voavonjy izay manompo BODAfa izaho ony an@elo,dia aleo mangina.

10. voromailala
(
14/01/2014 11:20)
Izay no lazaiko hoe samy manana ny azy, izy koa mety hiteny hoe izay tsy manaraka ny azy dia tsy ho voavonjy.
Tsy hoe resaka fitiavantena fa hataovy aloha izay ahavonjy ny tenanao, izay ianao vao mieritreritra ny famonjena ny hafa, raha tsy hoe angaha efa mahatoky tena ianao fa hovoavonjy amin'ny andro farany.

11. Nehemiah
(
14/01/2014 15:57)
Ianareo ve mahafantatra mpitondra ara-pivavahana be dia be izay nitsangana tamin'ny maty ka nanaporofo ny mah'Andriamanitra azy ?
12. voromailala
(
16/01/2014 13:37)
Amiko manokana dia tsy sarobidy ho hoe nitsangana tamin'ny maty na hoe Andriamanitra na tsia i Jesoa satria ny sarobidy amiko dia ny hoe sambatra sy mahita fiadanampo ve ireo olona izay nanaraka ny fampianarany?
Ny azoko lazaina dia izaho mahatsiaro tena sambatra ary manana fiadanampo rehefa manaraka ny fampianaran'i Jesoa, ary mahita olona hafa sambatra toa izany koa aho nefa tsy manaraka ny fampianarany fa fampiaran'i Bouddah, Krishna, Mahomet, sns.......

14. leva2
(
16/01/2014 16:05)
Nehemiah:
Ianareo ve mahafantatra mpitondra ara-pivavahana be dia be izay nitsangana tamin'ny maty ka nanaporofo ny mah'Andriamanitra azy ?
Velona Jesosy !
Averinao fanindroany ilay fanontaniana fa mbola tsy azoko ihany na izany aza ny tianao ahatongavana fa mba velabelaro kely hoe ? Ry Nenilava sy ry Tsaratsara sns ve no tianao horesahina ?
17. rekinbelo
(
17/01/2014 19:01)
Kristy tsy mpitondra fa mpitarika antsika hivavaka @ Rainy dia i Jehovah, ary ny asany faharoa dia Mpisorona be eo @ tempoly any an-danitra.Zay ngamba no asany en général fa raha tsipiriany ndray mbol maro iany
18. Nehemiah
(
18/01/2014 10:16)
voromailala:
Amiko manokana dia tsy sarobidy ho hoe nitsangana tamin'ny maty na hoe Andriamanitra na tsia i Jesoa satria ny sarobidy amiko dia ny hoe sambatra sy mahita fiadanampo ve ireo olona izay nanaraka ny fampianarany?
Ie, aminao manokana :-). Fa izany hoe teny 100, kabary 1000, fa ny 1 ihany no marina
voromailala:
Ny azoko lazaina dia izaho mahatsiaro tena sambatra ary manana fiadanampo rehefa manaraka ny fampianaran'i Jesoa, ary mahita olona hafa sambatra toa izany koa aho nefa tsy manaraka ny fampianarany fa fampiaran'i Bouddah, Krishna, Mahomet, sns.......
Izao tsara no nolazain'i G.B. Shaw hoe tsy porofon'ny hamarinan'ny fotopisainana iray ny fahasambarana azo avy aminy : mahatsiaro sambatra sy finaritra koa ny mpidoroka zavamahadomelina
19. Nehemiah
(
18/01/2014 10:22)
Nehemiah:
Ianareo ve mahafantatra mpitondra ara-pivavahana be dia be izay nitsangana tamin'ny maty ka nanaporofo ny mah'Andriamanitra azy ?
Ry namana isany,
jereo tsara fa tsy nilaza an'i Jesoa Kristy ho "mpitondra fivavahana" mihitsy aho, sady tsy resaka fivavahana rahateo no nahatongavany ety fa resaka famonjena @ ota. Ny tiako iaviana dia izay indrindra no manavaka ny ministeran'i Kristy @ fivavahana sy fotopisainana ary filôzôfia rehetra @'izao tontolo izao, dia ny fitsanganany (ara-batana) @ maty, izay voaporofo marimarina tokoa sady mirakitra @ tantaran'izao tontolo izao, sady manaporofo ny fahefany @ fahafatesana sy ny mah'Andriamanitra Azy
20. leva2
(
19/01/2014 08:00)

Azoko ny tianao ho lazaina namana, fa tokony nahitsinao ny hoe "mpitondra ara-pivavahana" fa tena mandiso tanteraka ny hevi-teny. Tsy "fondateur" mihitsy Jesosy Kristy fa izy no "fondation" na koa "fondement". Ry Paoly sy ry Petera ohatra no azo ambara hoe fondateur. Jesoa vato fehizoro.
"FitsanganaNy : voaporofo marimarina tokoa" hoy ianao, araka izay voalazan'ny baiboly ve ? sa ny fikarohana arkeolojika no nanamarina ? sa vavolombelona iza no nijoro ? fa izany ihany mantsy no nahatonga ny jiosy tsy nino Azy ho ny Mesia, sy ny silamo nihevitra fa mpaminany fotsiny ihany Jesosy, ankoatra ireo izay miampanga azy ho "escroc" sy mivoy ny nangalaran'ny mpianany ny fatiny; Mety hahagaga antsika ve raha musulman no mpiandry ny varavaram-pasan'i Jesosy amin'izao isika miresaka izao ?