Diniho anie ity e!!!!

21. rekinbelo ( 19/01/2014 16:31)
Salama namana isany
Raha tsy fondateur Kristianisma izany i Jesosy de nahoana no natsoina hoe kristianina ireo mpanaradia an'i Kristy? Tokony natao hoe Paolisma na Peterisma anie izany no iantsona azy ireo e.
Fondateur n'ny Kristianisma i Jesosy fa i Petera koa fondation ny Tempoly izay nahorin'ny Kristy
Misaotra de mazotoa eee
22. Nehemiah ( 20/01/2014 11:11)
leva2:
"FitsanganaNy : voaporofo marimarina tokoa" hoy ianao, araka izay voalazan'ny baiboly ve ? sa ny fikarohana arkeolojika no nanamarina ? sa vavolombelona iza no nijoro ? fa izany ihany mantsy no nahatonga ny jiosy tsy nino Azy ho ny Mesia, sy ny silamo nihevitra fa mpaminany fotsiny ihany Jesosy, ankoatra ireo izay miampanga azy ho "escroc" sy mivoy ny nangalaran'ny mpianany ny fatiny; Mety hahagaga antsika ve raha musulman no mpiandry ny varavaram-pasan'i Jesosy amin'izao isika miresaka izao ?

Efa nametraka lahatsoratra lavalava momba ny fitsanganan'ny Tompo @ maty aho :
http://forum.serasera.org/forum/message/m5205e1ef33d43
http://forum.serasera.org/forum/message/m520a2e69158cc
http://forum.serasera.org/forum/message/m521610c862909

Fa raha tsorina dia izao : nahoana no nanjary niova toe-tsaina tampoka ny mpianatra ? T@ voalohany, difotry ny alahelo sy nivarahontsana izy ireo sady niafina t@ efitra ambony nohon'ny tahony ho an'ny fiainany, andro vitsivitsy taorian'izay nahery fo nitory ny Filazantsara, eny, nanao vy very ny ainy mihitsy, izy ireo. I Saoly koa @'izany maimay ery ny hampijaly kristiana, kanjo niova toetra tampoka t@ lalana mankany Damaskosy. Tsy hay azavaina @ fomba mahafa-po ireny toe-javatra raha tsy hoe tena nitsangana t@ maty tokoa i Jesoa Kristy
23. voromailala ( 20/01/2014 14:55)
Hoy Nehemiah, tsy tena hoe Nehemiah moa zany FA izany GB Shaw zany.

Izao tsara no nolazain'i G.B. Shaw hoe tsy porofon'ny hamarinan'ny fotopisainana iray ny fahasambarana azo avy aminy : mahatsiaro sambatra sy finaritra koa ny mpidoroka zavamahadomelina

Mitovy ny fahasambarana sy fahafinaretana azon'ny olona miditra any ampegonana sy ny mpidoroka, izany no mahatonga ny mpitondra fivavahana manenjika azy ireo.

Izao anefa: samy misy aropaosy daholo izy roa ireo, ny iray aropaosy mahadomelina, moa ny iray aropaosy evangelika.

Hangatahana vola foana ilay mpivavaka ankoatran'ny rakitra efa hatao izany, hividianana fiara hoan'i Pasitera, sy ny maro hafa koa ho fampanantenana an'i fahasambarana sy ilay paradisa.

Asakasakareo izay mbola manaiky ny aropaosy evangelika aloha :-)

24. RBNIR ( 21/01/2014 21:24)
toriteny:

Mba heritrereto kely anie ity e:
7 milliards ny isan'ny olona amin'izao. Ny atsasak'io mponina asiatique ( chinois, indiana, indonesia, Pakistan) izay firenena tsy kristianina avokoa. Araka ny stat farany dia eo amin'ny 30% eo ho eo ny kristianina eto an-tany.

Amin'ireo 30% ireo (environ 2 milliards) vitsy tena vitsy ny convertis izayhany mandova ny fiainana.

Ny tiako tenenina dia manana tombony be isiaka tonga teto an-tany teto MAdagasikara fa tsy tany Chine ohatra. Fa ahoana no hevitra ataontsika hamonjena ireo 20% et quelques kristianina tsy voavonjy sy ny 70% tena tsy voavonjy mihitsy?

Faly miarahaba namana isany,
« .......Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.» (Filipiana 3:1)
Tsy ho sasatra aho mamerimberina ireto teny ireto satria mahatsara izany
Andriamanitra tsy mijery isan'olona.
Tamin'ny andron'ny Noa dia Noa valo mianaka ihany no nojereny (nefa azo inoana mihitsy fa nisy zaza, nisy antitra, nisy nampalahelo be dia be tamin'izany fotoana izany).
Tao Sodoma sy Gomora koa dia ry Lota 4 mianaka ihany koa no voavonjy nety toy ny teo aloha ihany koa dia azo inoana fa nisy zaza sns...
Andriamanitra tsy miova hatrizay ary ho mandrakizay.
Izay indrindra no nilazan'i Jesosy Tompo hoe: « Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » (Mat.22:14).

Koa nampirisika antsika Izy nanao hoe « Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lio.13:24)

Aza misy mamitaka ny tenany fa hoy ny Tompo hoe: « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Ahoana izany manao hoe Tompoko, Tompoko izany?

« Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? » (Lio.6:46)

Nisy tokoa ange ny zavatra maro nolazain'i Jesosy Tompo ary nampianariny ny olona e?

Io ilay hoe fampianarana tsy misy kilema.

Tsy misy kilema (azo adika koa hoe tsy misy tsininy) satria tsy mba olombelona no nampianatra an'i Jesosy Tompo an'io fa Andriamanitra. « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Io fampianarana io dia nampitain'i Jesosy Tompo tamin'ny olona nofidiany mivantana ary koa nampianariny mivantana tsy nisy mpanelanelana (ireo apostoly fahiny).

Misy hoy aho olona ankehitriny izay fidiany mivantana tahaka izany indray, ary IZY mivantana ihany koa no mampianatra ireo olona ireo (mba tsy ho diso ilay fampianarana fa hitovy tanteraka amin'ilay nampianariny 2000 taona lasa). Raha fehezina dia hoe mba hovoakajy hatrany ny ilay teny hoe "fampianarana tsy misy kilema avy amin'Andriamanitra fa tsy avy amin'ny olona"

Jereo ato ny fomba famantarana ireny olona ireny fa tsy miafina akory izany satria ny famonjena dia tena nataon'Andriamanitra ho mora hitan'ny olona tsi11 avy tsy misy ankanavaka.

« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. » (Lioka 11:9)
« Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:10)

KOA DIA MITADIAVA RY NAMANA ISANY FA DIA HAHITA TOKOA ISIKA RAHA MITADY.

Aza variana mijery sy misaina izay mety ho anjaran'ny hafa fa hoy ny Tompo hoe : « na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. » (Eze.14:14)

Izay hahavoavonjy anao sy ny ankohonanao atao.

Sady rehefa misy koa anie ny sahy mandroso sy mijoro, dia efa tena tsara izay ho an'ny hafa e , satria ireny no Sira entin'ny Tompo hanasina ny tany ry namana,

« Hianareo no fanasin'ny tany; ......... » (Matio 5:13)

Koa raha tena tianao marina ny tenanao, ny ankohonanao ary ny hafa rehetra dia io ny ataovy, mijoroa ho tena sira fanasina ho an'ny hafa tokoa namana.

Koa dia tadiavo ary ilay fampianarana tsy misy kilema avy amin'Andriamanitra mivantana ry namana isany, ary rehefa hitanao dia raiso ireto teny ireto:

« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Mat.11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Mat.11:30)

Izao anefa aza mandray ankafaliana satria hoy ny Tompo hoe: « Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy. » (Lio.8:13)

Fa aoka kosa isika mba samy ho tany tsara daholo : « Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana. » (Lio.8:15)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA,

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany,

25. Nehemiah ( 22/01/2014 09:35)
Izaho anie tsy manam-potoana ho an'ny caricature-nao ry Voromailala e...
26. leva2 ( 23/01/2014 20:03)

rekinbelo:

Salama namana isany
Raha tsy fondateur Kristianisma izany i Jesosy de nahoana no natsoina hoe kristianina ireo mpanaradia an'i Kristy? Tokony natao hoe Paolisma na Peterisma anie izany no iantsona azy ireo e.
Fondateur n'ny Kristianisma i Jesosy fa i Petera koa fondation ny Tempoly izay nahorin'ny Kristy
Misaotra de mazotoa eee

Velona Jesosy !

Ny mahadiso anao namana dia izao : tsy fanatisme ny kristianisme, tsy hoe fomba fijery tohanana, na foto-kevitra maharesy lahatra ka voizina, fa fiainana.
Tsy dia tian'ny olona ity fanazavako azy ity nefa tsy maninona raha izay no mahalaza azy : tahaka ny olona possédén'ny devoly : tsy tompon'ny tenany, dia tahaka izay koa ny kristiana saingy Jesosy kosa : "tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko " hoy Paoly izay ao amin'ny Gal 2/20.
27. leva2 ( 23/01/2014 20:17)

Nehemiah:

leva2:
"FitsanganaNy : voaporofo marimarina tokoa" hoy ianao, araka izay voalazan'ny baiboly ve ? sa ny fikarohana arkeolojika no nanamarina ? sa vavolombelona iza no nijoro ? fa izany ihany mantsy no nahatonga ny jiosy tsy nino Azy ho ny Mesia, sy ny silamo nihevitra fa mpaminany fotsiny ihany Jesosy, ankoatra ireo izay miampanga azy ho "escroc" sy mivoy ny nangalaran'ny mpianany ny fatiny; Mety hahagaga antsika ve raha musulman no mpiandry ny varavaram-pasan'i Jesosy amin'izao isika miresaka izao ?

Efa nametraka lahatsoratra lavalava momba ny fitsanganan'ny Tompo @ maty aho :
http://forum.serasera.org/forum/message/m5205e1ef33d43
http://forum.serasera.org/forum/message/m520a2e69158cc
http://forum.serasera.org/forum/message/m521610c862909

Fa raha tsorina dia izao : nahoana no nanjary niova toe-tsaina tampoka ny mpianatra ? T@ voalohany, difotry ny alahelo sy nivarahontsana izy ireo sady niafina t@ efitra ambony nohon'ny tahony ho an'ny fiainany, andro vitsivitsy taorian'izay nahery fo nitory ny Filazantsara, eny, nanao vy very ny ainy mihitsy, izy ireo. I Saoly koa @'izany maimay ery ny hampijaly kristiana, kanjo niova toetra tampoka t@ lalana mankany Damaskosy. Tsy hay azavaina @ fomba mahafa-po ireny toe-javatra raha tsy hoe tena nitsangana t@ maty tokoa i Jesoa Kristy

Misaotra anao nampahatsiahy ireo liens.
Mazava ho azy fa olona tsy mpino no hitondrana porofo fa velona Jesosy, zany hoe raha resaka baiboly izany aloha dia aleo ampirimina mihitsy, fa isika efa mino no mino koa ny fahamarinan'ny baiboly sy ny maha-tenin'Andriamanitra an'izany.
Araka izay voalazanao tao amin'ireo liens : mpikaroka maro no efa niezaka nanaporofo azy ity. zava-dehibe ny mahafantatra izany.
Fa izao : ny mpino izay irahin'ny Tompo ho vavolombelony, izany hoe ny kristiana rehetra, ny mpino tsotra izay tsy voatery hahalala izay fandalinan'ny manampahaizana sns tany aloha.
Hitantsika rahateo fa tsy ampy naharesy lahatra izao tontolo izao izany karazam-pikarohana izany.
INONA ARY IZANY NO TOKONY HATAO ?
Tsotra, nefa mety ho sarotra ihany koa : ASEHO FA ILAY JESOSY KRISTY NITSANGANA TAMIN'NY MATY DIA VELONA AO ANATIKO SY AO ANATINAO KA TARAFINA AMIN'NY FOMBA FIHETSIKA SY FITENY ARY AMIN'NY FIAINANA ANDAVANANDRO, AMIN'IZAY ATAO REHETRA ARY NA AIZA NA AIZA MISY AHY SY IANAO.
28. voromailala ( 24/01/2014 09:54)

Nehemiah:

Izaho anie tsy manam-potoana ho an'ny caricature-nao ry Voromailala e...

Milaza ny zavatra misy ankehitriny aho, ary miezaka manokatra ny mason'ny tsirairay amin'ny fanararotana sy fampihesonana.

Efa manomboka mahatsapa aho fa misy malagasy efa manomboka tonga saina amin'izany fanararotana aropaosy evenjelika sy ny maro tsy voatanisa.

29. rekinbelo ( 24/01/2014 10:26)

leva2:

rekinbelo:

Salama namana isany
Raha tsy fondateur Kristianisma izany i Jesosy de nahoana no natsoina hoe kristianina ireo mpanaradia an'i Kristy? Tokony natao hoe Paolisma na Peterisma anie izany no iantsona azy ireo e.
Fondateur n'ny Kristianisma i Jesosy fa i Petera koa fondation ny Tempoly izay nahorin'ny Kristy
Misaotra de mazotoa eee

Velona Jesosy !

Ny mahadiso anao namana dia izao : tsy fanatisme ny kristianisme, tsy hoe fomba fijery tohanana, na foto-kevitra maharesy lahatra ka voizina, fa fiainana.
Tsy dia tian'ny olona ity fanazavako azy ity nefa tsy maninona raha izay no mahalaza azy : tahaka ny olona possédén'ny devoly : tsy tompon'ny tenany, dia tahaka izay koa ny kristiana saingy Jesosy kosa : "tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko " hoy Paoly izay ao amin'ny Gal 2/20.

Salama namana
Izaho anie tsy nilaza hoe fanatisme ny kristianisma e, fa namaly ny tenin'ilay namana teo ambony aho hoe Kristy no fondateur ny Kristianisma.Nampianatra antsika ny fomba fivavahana @ Jehovah Ray izy ary namerina ny fivavahana madio t@ laoniny, izay nosimbain'ny jiosy. Toy izany koa ankehitriny, mamerina ny fivavahana marina Izy.
Maro milaza fa Kristy no velona ao anatiny, nefa mbola mitady vola sy harena, manangana trano,mividy fiara, sns....., inona mbola ifikirana mafy amin'ireo? tokony tonga andeha hoi any an-danitra izay matimatesana foana hatramin'izay.
30. leva2 ( 24/01/2014 11:52)

Ary mbola tsy azonao ihany koa ny atao hoe : "Kristy velona ao anaty". Jereo ny Kol 2/12-14 : "fa niara-nilevina taminy hianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty. Ary hianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana".

Marina kosa ny fanamarihanao fa betsaka ireo milaza azy ho kristiana no mbola mifikitra mafy eto amin'izao tontolo izao amin'ny harena sy ny ara-nofo.
31. Nehemiah ( 25/01/2014 09:51)

voromailala:
Milaza ny zavatra misy ankehitriny aho, ary miezaka manokatra ny mason'ny tsirairay amin'ny fanararotana sy fampihesonana.

Efa manomboka mahatsapa aho fa misy malagasy efa manomboka tonga saina amin'izany fanararotana aropaosy evenjelika sy ny maro tsy voatanisa.

voromailala:
Milaza ny zavatra misy ankehitriny aho, ary miezaka manokatra ny mason'ny tsirairay amin'ny fanararotana sy fampihesonana.

Efa manomboka mahatsapa aho fa misy malagasy efa manomboka tonga saina amin'izany fanararotana aropaosy evenjelika sy ny maro tsy voatanisa.
Aza mihatsaravelatsihy miafina anaty kapaotim-pahamarinana eo e, halanao ny finoana kristiana, izay no tena marina.

Mampiasa fika maloto itadiavana hampivoana ny resaka any @ tsy izy ianao : inona izao no idiran'ny "aropoasy evanjelika" maninona maninona maninona @ hoe ho vitsy dia vitsy ny ho voavonjy araky ny mari-pitsaran'ny finoana kristiana ara-Baiboly ?
Sady ny habetsaky ny vola sandoka dia tsy midika velively tsy akory hoe tsy misy ny vola sandoka, voa mainka mampibaribary ny malhonnêteté-nao izay.

Sa ve tezitra @ fampitahako ny fitadiavana fanaranam-po amin'ny fidorohana zavamahadomelina ?

2 Tim. 2:3-4 : Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; [Gr. salama] fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano. (Izaho no manao ny sora-mandry)
32. voromailala ( 27/01/2014 09:22)
Nehemiah> Amiko dia ny finoana kristiana amin'izao fotoana no efa mivoana amin'ny fampianaran'i Kristy, fa izaho manokana dia manaraka ny fampianaran'i Kirsty araka izay fahitako sy fahazaoko araka ny traikefa nihainako fa tsy miankina amin'ny mpitondra fivavahana intsony.
Toy izao ny voalazan'ny

Evangile de Thomas :

2. Jésus dit: " Si ceux qui vous entraînent vous disent: " Voici, le Royaume est dans le ciel ! "- alors, les oiseaux du ciel y seront avant vous. S'ils vous disent: " Il est dans la mer ! "- alors, les poissons y seront avant vous. Mais le Royaume est au-dedans de vous et il est au-dehors de vous ! "

3. " Lorsque vous vous connaîtrez, alors on vous connaîtra, et vous saurez que c'est vous les fils du Père qui est vivant. Mais si vous ne vous connaissez point, alors vous serez dans un dénuement, et c'est vous [qui serez] le dénuement ! "

Noho izany aza mandany fotoana miheno ireny Erudit sy mpitarika fivavahana manao aropaosy evanjelika ireny fa sady efa alainy ny harenanao eto antany no alainy koa harenanao any amin'ny paradisa.

Satria Andriamanitra tsy aiza tsy akory fa ao anatinao ihany, toy izany koa ny paradisa.

33. Nehemiah ( 27/01/2014 12:52)

Ka ilay évangile de Thomas anie fôsika e..., fa saingy mahafinaritra anao satria tsy manindrona anao @ alalan'ny fampibaribariana ny toetra maha-mpanota anao.
Sady mazava loatra fa tsy ny traikefa ananan'ny ts11 no antoky ny fahamarinan'ny filazany...
voromailala:
Noho izany aza mandany fotoana miheno ireny Erudit sy mpitarika fivavahana manao aropaosy evanjelika ireny fa sady efa alainy ny harenanao eto antany no alainy koa harenanao any amin'ny paradisa.

Satria Andriamanitra tsy aiza tsy akory fa ao anatinao ihany, toy izany koa ny paradisa.
Taiza angaha no nitifiranao an'izany ? Mampahatsiahy ny tenin'ilay menaràna @ Gen. 3:5 izy izany...

34. voromailala ( 28/01/2014 14:46)
Nehemiah> Fosika ny evanjilin'i Tomasy satria zay no filazana ofisialy nataon'ny fiangonana.
Ohatra ny filazana ofisialy hataon'ny fanjakana ihany koa, marina daholo.

Araka ny lazaiko hoe takoman'ny mpitondra fanjakana sy fiangonana ny mason'ny olona dia tsy mahafantatra ny zavatra tena nitranga.
35. Nehemiah ( 29/01/2014 15:32)
Tsy hitanao ve fa rohy ilay hoe "Ka ilay évangile de Thomas anie fôsika e..." ? Any no efa voavaly ny anao, ary voaporofo fa tsy mba resaka filazana ôfisialy aho filazana ôfisialy fa tena mi-disqualifier ny tenany mihitsy ilay izy
36. voromailala ( 03/02/2014 09:21)
Rehefa hiverina Jesosy dia mety hilaza ianao amin'izay fotoana izay fa sandoka ilay Jesosy satria tsy nifanarana tamin'ny zavatra hitanao tao anaty baiboly.

37. Nehemiah ( 03/02/2014 15:41)
Ka ny Baiboly mihitsy no milaza fa hiverina ara-batana @ rahon'ny lanitra, koa inona indray ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2978