Efa hiverina ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna fahatelo : aoka isika ho vonona !

1. Nehemiah ( 17/09/2013 13:40)
[size=16]Ahoana no hiverenan'i Jesoa Kristy ?[/size]

Araky ny efa hitantsika dia nilaza Izy fa hiverina @ hery sy voninahitra.

500 taona talohan'i Jesoa Kristy dia naminany ny mpaminany Zakaria fa hiverina any Jerosalema ny Tompo rehefa hisy ady mafy. Ho voahodidin'ny tafiky ny 'firenena rehetra' ilay tanàna. Hikoriana ny ra ary hirongatra ny ady, ary ho tototra manoloan'ny isa sy ny herin'ny faha8ny Isiraely. Kanjo, hisy zavatra hitranga izay hanova ny zavatra rehetra.

Tampoka, rehefa ho toa very ny fanantenana, hitraka hijery ny lanitra ny Jiosy ka hahita ny Tompony mahery indrindra izay ho tonga @ rahon'ny lanitra, ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza (Ap. 1:7).

Zk. 12:10b : hijery Ahy Izay [na: ka hijery ilay] nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.

Tonga dia ho hitan'ny Jiosy miaro an'ilay tanàna fa ilay Jesoa Kristy notsipahin'ny razany no Tompony tonga hamonjy azy ireo. @ fomba ahoana ? Nohon'ny mariky ny fantsika @ tanany. Izay izy ireo voa higogogo sy 'hisaona tahaky ny fisaonana zanakalahy tokana'.

Rehefa hiverina i Jesoa Kristy dia izay efa maty '@' no hifanena @ voalohany eny @ habakabaka. Avy eo, ireo olona avy @ firenena rehetra izay mbola velona ka natoky Azy ho Tompony sy Mpamonjiny dia hitsena Azy any @ habakabaka.
Tsy miombon-kevitra @ filaharan'ireo tranga mahatalanjona ireo ny manam-pahaizana ; fa, araky ny nosoratan'i Paoly Apôstôly tokony hiambina ka hiandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy isika.

Ho tanteraka ara-bakiteny ny faminaniana momba ny fiverenan'i Jesoa Kristy tahaky ny nahatanterahana ara-bakiteny ny faminaniana momba ny fiaviany voalohany. Ho tanteraka @ fotoana voatendrin'Andriamanitra rehefa hiseho @'izao tontolo izao ny tranga rehetra efa naminaniana. Ho fotoanan'ny firavoravoana sy ny famalian-tsoa ho an'ny mpino ilay izy, fa kosa ho fotoanan'ny fitsaràna mahatsiravina ho an'ny tsi-mpino(Ap. 21:3-15).

Nitanisa hevitra 3 momba ny fiverenan'i Jesoa Kristy i C. S. Lewis, ilay apôlôjista kristiana sy mpanoratran'ireo tantaran'i Narnia :
1. Tsy maintsy miverina Izy
2. Tsy misy fomba ahafahantsika mahafantatra ny fotoana.
3. Nohon'izay dia tsy maintsy vonona mandrakariva isika.

Efa nametraka isika fa azo antoka ny teny fikasan'i Jesoa momba ny fiverenany. Efa hitantsika koa fa na dia i Jesoa aza dia tsy nahafantatra ny fotoana marina hiverenany. Kanefa ahoana no fomba hivononana ho an'izay ?

[size=16]Ny fomba fiomanana @ fiverenan'i Jesoa Kristy[/size]

Nanentana ny mpanara-dia Azy hiomana @ fiverenany tahaky ny @ zavatra lehibe indrindra @ fiainany i Jesoa (Lk. 12:35-40). Ny fanoharana nampiasainy dia ny mpanompo mahatoky miomana @ fiverenan'ny Tompony. Nampiasa fanoharana hafa ilazàna fa tokony mitovy @ fiandrasan'ny vehivavy ampakarina ny Mpampakany (@ fomba jiosy fahiny) ny fiandrasantsika Azy.

Rehefa hiverina i Jesoa dia hiverina ho an'ny Azy manokana, ho an'ireo izay efa manana fifandraisana @.

Mt. 7:21-23 : Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia [Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.

Manazava etoana i Jesoa fa tsy misy ilàna azy ny asa soantsika rehetra raha tsy manana fifandraisana velona @. Rehefa hifanena @ isika dia zavatra 1 monja no hampitongilana ny mizàna dia ny fahalalantsika Azy.

Ahoana ny fomba ahafantarantsika Azy ? Olona Izy ka resahintsika fotsiny (@ alalan'ny vavaka) ary tenenintsika fa isaorantsika Izy nohon'ny nisoloany voina antsika ary tiantsika ho Tompontsika Izy. Izay mino Azy manokana ka mandray Azy @ fiainany dia omeny fahefàna ho tonga zanak'Andriamanitra (Jn. 1:12).

Rehefa hiverina Izy dia ho sarahiny ny Azy sy ireo izay nanilika Azy tsy ho ao @ fiainany. Hanokatra fitsaràna izay ahitàna ny eritreritra sy ny asan'ny rehetra mibaribary Izy (Ap. 20:11-15).

Raha hiomana ho an'ny fiverenany ianao dia ny fahatongavanao saina @ lanjan'ny zavatra vitany @ hazofijaliana sy ny fametrahanao ny finoanao 1 manontolo @ no zava-dehibe indrindra tsy maintsy ataonao.

Raha toa ka efa fantatrao i Jesoa Kristy, efa fantatrao koa fa tsy ho tsaraina ho an'ny otanao intsony ianao satria efa nanefa ny trosanao tambonin'ny hazofijaliana Izy. Zanany ianao ka omeny ny fiainana mandrakizay miaraka @. Nilaza koa i Jesoa Kristy fa manan-danja ny zavatra ataonao ho Azy : Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.(Ap. 22:12).

Ap. 22:20 : Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho.[Ary mamaly am-piravoravoana i Jaona hoe :] Amena. Avia, Jesosy Tompo!

Aoka isika hiandry an'i Jesoa Kristy am-piravoravoana tahakan'i Jaona.
novalian'i Miharena ny 02/10/2013 14:22
2. Nehemiah ( 17/09/2013 13:42)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna taloha ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5232b6274db0a
3. Miharena ( 17/09/2013 13:48)
Ary raha misy olona izay efa tsy miandry Azy fa efa miresaka Aminy mivantana? Mino ve ianao namana?
4. Nehemiah ( 17/09/2013 14:12)
Izany ve no dikan'ny hoe "hiverina @ rahon'ny lanitra i Jesoa" :-) ?
5. Miharena ( 17/09/2013 14:37)
Isika FJKM mihitsy anie namana no fatra-pametraka ny contexte rehefa manadihady ny Soratra Masina. Efa firy taona lasa moa io teny io no nolazaina?

Ary amin'izao dia lazaina ny hoe andro farany. Fa tsy efa fiverenaNY ve izany izao fotoana izao?

Ilay resaka anio sy ho avy dia anisan'ny mahavery rehefa tena zohina. Fa iza no tompon'ny Ankehitriny? Ary raha tiaNY ho fantatsika fa tsy misy ny ho avy na ny lasa dia mbola hanao fitanisana ny ho avy sy ny lasa ve isika?

Ohatra iray tiana apetraka aminao, Ilay hoe ho avy toy ny mpangalatra Aho hoy Jesoa. Nisy fotoana izay nanaovako vazivazy hoe raha ity tokoa moa ka avy IZY dia ahoana no fomba fandraisan'ny olona AZY? Satria tsy dia misy loatra io eo amin'ny Kristianina maro fa mbola mamaky teny fotsiny izy ireo fa tsy concret ilay fiheverany azy fa vinavina ihany. Dia avy tokoa IZY tao amiko fa tsy hita mihitsy izay azo noraisina fa toy ny ankizy tsipazam-potsim-bary ireny ny tena.

Tsy hoe fanivaivana ny fanadihadianao ilay izy fa marina tsy azo lavina ireo voalazanao ireo fa ny tiana hiaviana dia hoe samy manana ny sehatra mahamasaka na mahamatotra azy ny tsirairay eo amin'ny fanarahana ny Tompo. Dia mila ampiomanina satria hafa tsy toy ny fiainana andavanadro izany hoe Tompo tonga izany.
Ny olana manko dia raha mivoaka daholo ireo ota be dia be sy fiheveran-diso amin'ny andro itsidihanNY toy ny mpangalatra dia tena mivadika ho toy ny olona lasa adala ireny daholo isika mianakavy. Ilay fiheverana lazaina fa ho marina io manko no lasa voafafa tanteraka dia rehefa tsy misy ireny ny olona dia mihevitra fa very tsy manam-kamaharana. Dia io no mahalasa kondrankondrana azy avy. Dia hoy aho hoe miomana fa raharaha izany fotoana izany an!
6. Nehemiah ( 17/09/2013 14:54)
Averiko indray mandeha,
Raha toa ka efa fantatrao i Jesoa Kristy, efa fantatrao koa fa tsy ho tsaraina ho an'ny otanao intsony ianao satria efa nanefa ny trosanao tambonin'ny hazofijaliana Izy

Izay no zava-dehibe. Zavatra tsy maintsy hitranga ara-bakiteny io fiverenany io, efa noporofoiko aok'izay izay.
7. Miharena ( 17/09/2013 15:02)
Misaotra anao amin'ny fampahatsiahivana. Fa ilay hoe hanefa trosa no tiana apetraka kely fa lasa tonga dia efa vitaNY ilay fanefana ny anjaranao no ambaranao eto. Izay tokoa ve ilay izy sa isika no manefa trosa rehefa te-hanatona AZY sy hampandroso AZY ao anaty ary IZY hampiditra antsika eo amin'ny Voninahitry ny RAY?
raha ity faharoa no izy dia mbola mihazakazaka izaho sy ianao fa tsy misy tolobotsotra izany eo.
Fa raha ilay voalohany indray, inona moa no ikelezana aina hitory sy hampahalala?
8. Nehemiah ( 17/09/2013 15:28)
Efany ny trosantsika fa tsy maintsy eken'ny ts11 kosa izay fanefàna trosa izay. Izay tsy manaiky dia naman'ny tsy voaloa trosa
9. Miharena ( 18/09/2013 08:38)
Dia ahoana indray ilay hoe samy mibaby ny azy fa ny fomba fitondrana ny entana no atoron'i Jesoa?
10. Nehemiah ( 18/09/2013 08:50)
Diso tanteraka
11. Miharena ( 18/09/2013 08:59)
Hazavao.
12. Nehemiah ( 18/09/2013 12:23)
Inona no tokony mbola hohazavaiko ? Ny mahavoa azy mantsy dia lazainao fa samy mibaby ny azy kanefa @ Jesoa no omentsika ny enta-mavesantsika.

Ny ota efa tsy fahasahiranana intsony rahateo, ny adim-piainana tsy atrehintsika irery intsony. Ary izay no mampiavaka ny finoana kristiana @ fireham-pinoana sy firehan-kevitra rehetra eran'izao tontolo izao : tsy fampianarana fotsiny ilay izy fa fanarahana olona, tsy fepetra no tanterahina fa fifandraisana no tadiavina
13. moustaraf ( 18/09/2013 15:24)
Mt. 7:21-23 : Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia [Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.

salama namana,
Ny kristiana dia manana ny fanazavany an'io andininy io araka izay hita etsy ambony; izany tokoa ve no voalazaNy?
Aza atao amim-pahazarana anie fa vakio miadana sy amim-pahatoniana tsara e!
"Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia [Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?"
Eto ny sujet à mettre en relief c'est le NOM "ANARANA"
Possible ve ny olona izay efa mandray an'ireo fahefana rehetra ireo @ anaran'i Mpamonjy no tsy ho fantaNy? Tsy possible, fa ireo fahefana rehetra ireo dia omena @ alalan'ny fandraisana ny fanahinNy.
Matoa tsy FantaNy akory izy ireo dia satria ANARANA HAFA (ilay sandoka) NO NANAOVANY ireo rehetra rehetra ireo! Ary ireo olona ireo dia antsoiNy hoe "mpanao meloka"

Fehiny: Tsy izay anarana tiana iantsoana Azy akory araka ny fiheveran'ny maro, fa ilay tena ANARANY ihany no ekena! Ary dia tena hitranga à la lettre mihitsy izany faminaniana goavana izany @ andro FARANY!
14. moustaraf ( 18/09/2013 15:32)
(tohiny)
Miverena kely isika @ io MAT 7:15 fa miresaka mpaminany sandoka izay ho avy; mitafy volon-janakondry= mitondra fampianarana mitovitovy @ Yeshu'a! izay milaza fa Izy no Mpamonjy!
15. Miharena ( 18/09/2013 16:14)
Izay indrindra anie namana Moustaraf no mila vahavahana tsara satria dia misy maro ireo fisehoana. Efa nandefa izay fantatro sy hitako aho aloha izao ohatra. Fa mba azonao atao koa ve ny mitantara izay fantatry ny mpandala ny Jiosy eo amin'y fifandrasany amin'i Yahouah sy Yeshua?

Tsy misy izay fikasana ny handrodana ny efitra ara-pomba fiantso mihitsy ve ? Ary ahoana tokoa ny drafitra mba hampahafantaran'ny Tompon'ny Teny Fototra dia ny Mpamorona hanambara ny marina amin'ny voariNY? Ilay ivelan'ny boky no tiana lazaina eto, izany hoe ny fitenenanana mivantana.
16. mirananirina ( 19/09/2013 15:11)
Raha hiverina tokoa i Jesoa Kristy, firy sisa no ho lasa Kristianina 2? Hiteny daholo fa tsy izy io fa fôpla nefa tena izy izao!! Tiako tokoa raha misy izany ahalalana hoe iza no hino à izay.
17. Nehemiah ( 19/09/2013 15:19)
Tena marina izany.

Araky ny nolazaiko etsy ambony dia ny mariky ny fantsika @ tanany no ahazoantsika antoka fa Izy no Izy rehefa hiverina
18. sitlo ( 20/09/2013 06:13)
Izao izany no tonga amin'ilay hoe: miandry faty.
19. Nehemiah ( 20/09/2013 06:28)
Mety mahaliana an'i Sitlo ity fanadihadiana ity (mizara 3).
20. sitlo ( 20/09/2013 06:44)
Marina ihany ny an'i endriny amin'ity fanadihadiana ity.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078