Efa hiverina ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna fahatelo : aoka isika ho vonona !

21. Nehemiah ( 20/09/2013 08:08)
Raha misy inona na inona mbola maty eo dia ny sofinao
22. Miharena ( 20/09/2013 17:35)
Izay indrindra anie namana Nehemiah e!

Misy olona mahagaga rehefa itenenana hoe ny namana Tsaratsara nahita AZY naneho ny tanany voafantsika dia milaza ianareo hoe tsy Izy io.

Dia mahatalanjona izany satria tsy hisy hino intsony fa mahita hevitra hanoherana hatrany.
23. Nehemiah ( 21/09/2013 06:23)
Ka i Tsaratsara nanao faminanian-diso
24. Miharena ( 22/09/2013 03:54)
Fa ny zava-drehetra ambadika izay notantarainy dia tsy misy mijery.

Mpanao fanadihadiana lalina ihany aho namana momba ny fidiran'ny finoana Kristianina teto Madagasikara ary koa ny momba ny fivoaran'ny fitoriana ny Filazan-tsara fa tsy misy izay tsy mahavariana.

Ny hifandraisan'izy rehetra fotsiny dia tsy maintsy misy ny manohitra ary ireo manohitra ireo dia mahavita tokoa mamafa ny finoan'ny olona izay nitoriana.

Misy fitsapana lehibe amin'izao fotoana izao ary mila fanahy mahay manavaka tsara.
25. Nehemiah ( 23/09/2013 05:45)
Na izany na tsy izany nanao faminanian-diso i Tsaratsara dia nohon'izay mpaminany sandoka izy, ary tsy ilaina ny "fanahy mahay manavaka tsara" satria efa hentitra ny tenin'Andriamanitra momba ny mpaminany sandoka
26. Miharena ( 23/09/2013 12:44)
Azo antoka ve fa tsy ilaina tokoa ny fanahy mahay manavaka tsara na mahay mamantatra?

Efa novakian'ny Fariseo isanandro ohatra ny Torah izay milaza ny fiavian'n iJesoa nefa rehefa tonga IZY tsy nisy te-hahalala izy ireo.

Ny eto amintsika indray dia misy ireo fisehoana maro mampianatra ka asa hoe sao mety anisan'ny lasa ho anisan'ny Fariseo izay mandà ny zavatra mitranga? Anisan"ny maneho ny fiavian'i Jesoa faingana ireo tranga misy ohatra. Ary hitako fa misy tokoa ny fitoriana izay toy ny sabatra roa lela izay hampiavaka ny osy sy ny ondry. Dia izany no misy ankehitriny raha ny fahalalako azy.

Izay no andefasana ireo iraka farany izay voalaza ao amin'ny Apokalypsy dia ireo vavolombelona roa izay irian'ny olona hovonoina nefa tsy ho faty.

Asa aloha ny fahafantaranao izany zavatra izany fa tsy misy afa-tsy izay mahalala izay mitranga ao an-danitra no mahalala izany. Ary mifandraika amin'ny voalaza ao anaty Baiboly ny fomba itrangàn'izany.
27. Nehemiah ( 25/09/2013 13:33)
Ny tiako tenina dia tsy ilaina ny "fanahy mahay manavaka tsara" amin'ny zavatra izay efa lazain'ny tenin'Andriamanitra mazava tsara fa tsy mety.
28. Miharena ( 25/09/2013 13:48)
Mba tiana fantarina ihany koa àry hoe tsy ilaina ve ny hanavahanao izay maha-olombleona sy maha-Andriamanitra amin'ireny mpitory teny ireny? Ny tiana iaviana dia hoe : mety misy toetra ny mpitory amin'ny maha-olombelona azy. Na iza na iza dia toy izany satria tsy Andriamanitra akory izy ireo na dia ampitondraina hafatra tena matotra aza. Izay no antony hitenenana hoe mila mahay manavaka raha amin'ny maha-olombelona no itenenan'ny olona iray sy izay tena Tenin'Andriamanitra nampitondraina azy.

Ny tiana iaviana dia azo atao ohatra na ireo Rain'ny Mpino aza toa ani' Abrahama izay nanambady an'i Hagara na dia nilazana fa IZY aza no voafidy ho Rain'ny Mpino. Ilay teny hoe ianao no Rain'ny Mpino dia tsy miova na dia hafa aza no zava-nitranga tamin'y maha-olobmelona azy. Dia toy izany koa, matoa Davida tsy namono an'i Saoly dia fantany fa ny hosotra voalohany ihany no izy na dia nanao toetra hafa aza i Saoly noho ny fialonana taty aoriana.

Tsotra ihany izany ohatra omeko izany fa tokony ho takatra tsara. Toa anao ihany io : Na dia mifanohitra amin'ny toetran'ny rainao aza ny anao dia tsy milaza izany fa zanak'olon-kafa ianao.
29. Nehemiah ( 25/09/2013 13:56)
Azafady aminao fa tsy mba nanao faminanian-diso i Abrahama sy Davida :-)
30. Miharena ( 27/09/2013 14:02)
Fa ireo olona mijoro aza milaza fa nianatra tamin'i Abrahama sy Davida ka inona no diso amin'izany fanambaràna izany?

Ny momba ny zavatra mitranga indray koa : nahoana moa no olona tsy nahalala na inona na inona no lasa mitory teny sy mitanisa ireo olomasina izay efa any an-danitra? Mitantara izay zavatra naseho azy fotsiny ohatra izy dia azo lazaina ve fa sandoka?

izay aloha no fanontaniana tsotra ka tokony hovalianao tsotra amin'ny zavatra tsapa aloha fa tsy amin'ny soratra.
31. Nehemiah ( 27/09/2013 14:42)

Miharena:
Fa ireo olona mijoro aza milaza fa nianatra tamin'i Abrahama sy Davida ka inona no diso amin'izany fanambaràna izany?

Ny tiako iaviana dia heloka izay mampanahy tanteraka momba an'ilay mpaminany ny faminanian-diso. Raha nandainga t@ faminaniana 1 izy dia ahoana no ahafantarantsika izay laingany sy izay tsy laingany ? Tsy misy fomba. Izay no mahatonga ny hoe "Aleo mifanena @ mpamosavy toy izay mifanena @ mpandainga" satria farafaharatsiny dia efa fantatra ny zavatra tokony andrasana avy @ mpamosavy, efa miharihary ny haratsiny.
Ary tsy ny fahatsapàna no ahafahana manao an'izay satria na dia ny héroïne aza mitondra fahatsapàna mahafinaritra. Tsy ny fanahy no ahafahana manao an'izay satria tsy natao ho an'izany ny fanahy.
Miharena:
Ny momba ny zavatra mitranga indray koa : nahoana moa no olona tsy nahalala na inona na inona no lasa mitory teny sy mitanisa ireo olomasina izay efa any an-danitra? Mitantara izay zavatra naseho azy fotsiny ohatra izy dia azo lazaina ve fa sandoka?

Satria zava-manan'aina ara-panahy ny demonia ka mahalala an'izay
Miharena:
izay aloha no fanontaniana tsotra ka tokony hovalianao tsotra amin'ny zavatra tsapa aloha fa tsy amin'ny soratra.

Nahoana no tsy maintsy ny fombanao no arahiko toy izay ny fombako ?
32. Miharena ( 28/09/2013 03:51)
Nehemiah:

Nahoana no tsy maintsy ny fombanao no arahiko toy izay ny fombako ?


Misaotra anao aloha namaly araka ny fombanao.

Izany hoe raha ny fahitako azy dia tsy afaka ny miala amin'ny fombany ny olona iray. Nefa mety tsy fantany fa io (fombany io) no rindrina manasaraka azy amin'ny Tompony.

Ny matetika hitako dia izay mihitsy no isian'ny fifanolanana satria samy te-hanana ny fombany. Eto dia resaka EGO no betsaka ka tsy manana esprit de discernement intsony avy eo.

Fa raha hiverina tanteraka amin'ny lohahevitra isika, dia izaho milaza fa rehefa adaboka daholo ny fombafomba rehetra ary madio tanteraka ny fanahy sy ny saina dia hita avokoa ny mazava ka tsy hisy hiteny intsony hoe mbola ho avy i Jesoa fa avy hatrany dia miresaka mivantana AMINY ny tsirairay. Na dia anio aza no manao izany ny olona dia miseho avy hatrany IZY. Izay fatra-pametraka fomba no tsy hahita AZY.
33. Nehemiah ( 28/09/2013 06:05)
Tsia tompoko, i Jesoa mihitsy no nilaza fa tsy maintsy mivonona @ fiverenany mandrakariva isika.

Ankoatran'izay tsy voavalinao mihitsy ny fanontaniako. Tsy maintsy manana ny fombany foana ny ts11, mazava loatra, ary ianao koa ao anatin'izay, satria raha tsy manana ny fombany ny olona 1 dia tsy olona fa robot (ary tsy mba ny robot-n'i Isaac Asimov an :-) ). Ny tanjona tokony tratrarina dia tsy hoe miala @ fomba fa mampifanandrify ny fomba @ réalité faratampony.
34. Miharena ( 02/10/2013 08:30)
Eny, tsy mandà mihitsy aho hoe nilaza izany IZY. Fa jereo tsara fa talohan'ny fotoana niakaraNY no nitenenaNY izany. Amin'izao fotoana izao, izay efa roa arivo taona, dia mbola tazonina ihany ve hoe ; hiverina IZY fa tsy hoe efa eo anivon'ny fianantsika IZY?

Ilay hoe miomana amiko rehefa tratran'ny olona iray ny fepetra rehetra hihaonana Aminy amin'ny alalan'ny fahavononana hanatrika AZY dia feno izany ary afaka miresaka mivantana amin'ilay olona IZY amin'izay.

Ny zavatra tsapa anie dia lasa tantara na fampanantenana amin'ny boky fotsiny no ataon'ny olona tsianjery dia io hatrany no averiny dia iny tokoa ny tanteraka aminy avy e! I Jesoa koa tsy te-hirotsaka tampoka eo amin'ny fiainany satria fantaNY fa raha toa ka tonga tampoka IZY dia tsy mbola hahazaka izay ny olona maro mitoky fotsiny amin'ny boky.

Matetika dia manohitra tampoka ireny olona ireny rehefa tena isehoan'i Jesoa satria mbola tahiriziny ao foana hoe : hafa ny fomba fiverenaNY, toy ny hoe eny amin'ny rahon'ny lanitra ohatra.

Ny tiana iaviana amin'izany dia izao : mety tsy ivelany mihitsy ny fiverenan'i Jesoa fa ao anatin'ny olona tsirairay. Izany dia fahatsapana anaty no ahafahana mamantatra azy fa tsy fijery ivelany mihitsy. Asa aloha ianao namana na efa niharan'izany hoe tsidihina ao anaty tampoka izany fa raha tsy tena manana fahavononana dia lasa miparitaka satria be fanahiana hoe IZY sa tsy IZI no mandondona ny fo.
35. Nehemiah ( 02/10/2013 14:05)
Nilaza Izy fa hiverina ara-batana amin'ny rahon'ny lanitra, mbola mila averimberina aminao impiry izay voa azonao ?
36. Miharena ( 02/10/2013 14:22)
Ny hany ambara aminao dia hoe enga anie ianao hotsidihaNY mivantana ara-batana tokoa toy ny namana hafa marobe izay efa nahita AZY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018