Manomboka anjakan'ny Athé eto amin'ny serasera

1. mizara ( 10/06/2013 10:35)
Tena efa akaiky ny farany e! mibebaha dia manolora tena daholo ianareo rehetra.
novalian'i endriny ny 13/06/2013 16:18
2. endriny ( 10/06/2013 13:32)
Marina izany fa efa akaiky ny farany, ka madrovi-tsihy amin'ny fanambakana olona amin'ny finoana ny maro.

Ary mampiasa ilay "Baiboly" ho ampinga entina anangonan-karena sy fampitahorana ny olona mahantra sy mila vonjy.
3. Nehemiah ( 10/06/2013 14:04)
Tokony ahagaga ve izany toe-javatra izany ? Efa taona firy no nampianarina tany an-tsekoly sy t@ haino aman-jery ny gasy fa angano ny Baiboly ary arira ny finoana kristiana. Ary lazaiko aminao marimarina tokoa fa raha tsy voafehin'ny fiaraha-monina izay efa kristiana traditionnellement aty Madagasikara dia efa nirongatra ny fandavana an'Andriamanitra sy ny loza sy fahoriana tsy maintsy miaraka aminy.

Ny an'ny sasany izany moa dia manantitra fa tsy maintsy miverina @ fanompoan-tsampin'ny Ntaolo, kanefa mbola hita ankehitriny ny fatalisme sy ny gaboraraka aterak'izany.
Marina ny anao fa kely sisa dia hanjavona tanteraka ny fototra kristianan'i Madagasikara, ary anjarantsika ny mijoro.

Misy toro-marika vitsivitsy omen'ny Baiboly rehefa tafaresaka @'olona tahak'izao :

1°) Tsarovy fa fitahiana ho anao rehefa mandalo fotoan-tsarotra (na dia miendrika esoeso fotsiny aza izay) ho an'i Kristy (1 Pet. 4:13-14). Efa any an-danitra ny valisoanao.

2°) Aza mamaly ratsy ny ratsy (1 Pet. 3:9), izany hoe aza valiana tahaky ny namaliany anao izy, fa manana fieritreretana madio (1 Pet. 3:16).
Oh. 26:4-5 : Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa hianao.
Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
.
Ny tapany voalohany dia midika fa tsy mila manahaka ny fomba ratsin'ny adala na ny fomba fisainany fôpla rehefa mamaly azy. Ny tapany faha2 kosa dia midika fa rehefa miseho milay ilay adala dia ilaina indraindray ny mampanody ny fomba fisainany tsy manjary aminy ka aseho @ fa fomba fisainan'olona adala ny fomba fisainany. Anjaranao ny mandanjalanja an'ireny lafiny 2 ireny.
Indraindray dia ilaina mihitsy ny fananarana sy ny teny mafy, fa @ ankapobeny dia tadidio fa "Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana" (Oh. 15:1).

3°) Raha azonao antoka fa lany andro miady hevitra sy manandrana mandahatra olona izay tsy mieritreritra afa-tsy ny manesisesika ny heviny na ny manaraby sy maneso mihitsy aza dia avelao any izy sy ny havany (Mt. 7:6). Azonao atao ny manazava an'ilay olona fa tsy misy ilàna azy ny manohy ny resaka raha tsy vonona ny hifehy ny fihetsem-pony/handinika ny zavatra lazainao/maneho fifanajàna sns.

4°) Mivonona ianao hiaro ny finoana kristianinao @ fahalemem-panahy sy fanajàna (1 Pet. 3:15). Tsy maintsy mahafehy ny Soratra Masina ianao ary vonona ny hamaly ny hevitra entina anoheran'ny olona ny finoanak krisitana. Raha mila fanampiana ianao dia aza matahotra ny manontany ahy ^_^.

5°) Tadidio fa tsy anjaranao ny mampitodika ny mpandà an'Andriamanitra @ finoana kristiana, satria ny Fanahy Masina ihany no afaka manao an'izay, fa ny anjaranao dia ny mijoro @ finoanao @ fomba mahatoky. Raha ilay Evanjelin'i Kristy tena izy anie no torianao dia tsy maintsy misy mpaniratsira sy mpanaraby foana e ;) .

Ankoatran'izay, entano hiaro ny fisainany koa ilay tsi-mpino fa aza avela hi-bombarder anao fotsiny. Anontanio izy hoe : "@ fomba ahoana no ahazoana antoka fa marina ny anao ?" rehefa milaza zavatra tsy misy porofony na fotony.

N.B. : Rehefa hoatr'izay dia matetika na milalao ny mpilalao toy izay ny baolina kitra ilay olona ("tsy hiresaka @'olona tsy misy saina aho !"), na ny zavatra nolazainy ihany no averimberiny, na manao bemarenina fotsiny izy, ny 1 @'izay. Ny an-dry zareo mantsy dia efa hevitra raiki-tapisaka @ eritreriny ny hoe tsy misy Andriamanitra.

Farany, alao tahaka ny ohatr'i Jesoa sy ny Apôstôly @ Baiboly rehefa mamaly ny tsi-mpino sy ny mpanohitra izy ireo.
4. Nehemiah ( 10/06/2013 14:13)
Endriny >> http://forum.serasera.org/forum/message/m5191d57765a0e
5. sitlo ( 10/06/2013 15:50)
Izaho mba hiresaka amin'izany athé manjaka eto amin'ny serasera izany.
6. Nehemiah ( 11/06/2013 05:48)
Tsy ampy anao ve i Bazylou ?
7. pisoonja ( 11/06/2013 07:13)
Ny zavatra misy eto @ serasera dia tsy Athé reo olona mitonona ho tsy mino an'Andriamanitra ireo, tena olona mahalala an'Atra ireo, ary nahalala an'Atra mihoatra noho ianao ry namana Nehemiah fa saingy te-hampalemy ny finoana anananao mino io mihitsy izy ny atao hoe Athé dia tsy mamaky ny baiboly akory koa ahoana moa no ahafantaran'i endriny sy ry stilo sns.
8. Nehemiah ( 11/06/2013 07:55)
Lol
9. mirananirina ( 11/06/2013 13:34)
hihi, ohatra tsy mahita athé manjakazaka eto aho an? Ny finoan'ny hafa no toa hita manjakazaka be eto
10. Nehemiah ( 11/06/2013 13:51)
Tsy azo lazaino ho athées purs & durs izy ireo aloha. Kanefa rehefa dinihina kely dia mitovy @ athéisme ihany ny vokatry ny finoany.
11. sitlo ( 11/06/2013 16:37)
Tsara aloha rehefa mandinika kely. Efa mba nisy fivoarana. Tohizo
12. Nehemiah ( 12/06/2013 07:03)
Omeo indices ary aho.
13. endriny ( 12/06/2013 19:30)

mizara:

Tena efa akaiky ny farany e! mibebaha dia manolora tena daholo ianareo rehetra.


Ianao Ranamana dia tsy mahay ny dikan'ny teny hoe "Finoana" akory, ary ity sehatra ity dia natao ho an'ny Finoana sy ny Fivavahana, ka tsy misy milaza hoe aza maneho hevitra eto rehefa "tsy Kristianina", izay angamba no tianao lazaina amin'ny hoe "Athe".

Misaotra an'i Hery aloha nanao ity serasera ity eh. Amin'izay mba tsy feo tokana foana no re amin'ity atao hoe Finoana ity
14. Miharena ( 13/06/2013 06:34)
Amiko tsy misy izany athée izany. Izay milaza ny namany ho athée no tena athée. Satria mihevitra izy fa tena misy Andriamanitra nefa tsy matoky fa manana an'Andriamanitra ny namany na dia tsy miditra miaraka aminy ao am-piangonana aza. Ilay fitsaràna ivelany no tena mampandringa ny fisainan'ny olombelona milaza fa mino.
15. pisoonja ( 13/06/2013 07:05)
Ny athé misy kosa ka , izy tenany mihitsy no milaza fa tsy misy Andriamanitra, fa velona ho an'ny tenany izy dia hohanin'ny kankana rehfa maty lol
16. Tefigasy ( 13/06/2013 07:18)
endriny:

Ianao Ranamana dia tsy mahay ny dikan'ny teny hoe "Finoana" akory, ary ity sehatra ity dia natao ho an'ny Finoana sy ny Fivavahana, ka tsy misy milaza hoe aza maneho hevitra eto rehefa "tsy Kristianina", izay angamba no tianao lazaina amin'ny hoe "Athe".

Mba zarazarao eto ary hoe izany finoana sy fivavahanao izany ranamana mba vakiana ? Mba efa nanontany anao aho tamin'ny lohahevitra hafa hoe : iza moa ilay andriamanitrao? nefa toa tsy nahazo valiny. Ka izay angamba no mba nahagaga ny hafa ihany koa ka nahatonga azy haka petra-kevitra toa io !
17. sitlo ( 13/06/2013 08:02)
Aza manonononona foana ny anaran'Andriamanitrao.

Dia mihevitra ve Tefigasy fa tsy tsara izany?
18. Tefigasy ( 13/06/2013 08:18)
sitlo:

Aza manonononona foana ny anaran'Andriamanitrao.

Dia mihevitra ve Tefigasy fa tsy tsara izany?

Ilay fanontaniako teo ambony aloha tsy mivantana amin'i stilo, nefa raha mba te hamaly ianao dia afaka mamaly.
Tsy miteny aho hoe tonony eto ny anarany. Fa ny fanontaniana napetrako dia hoe "Iza moa ilay andriamanitrao" na hoy koa aho hoe "Mba zarazarao eto ary hoe izany finoana sy fivavahanao" .
Afaka faritanao amin'izay tianao hamaritanao azy ilay andriamanitrao fa tsy voatery lazainao eto akory ny anarany rehefa manahirana anao ny hiteny izany.
Omeko ohatra ianao : Ny Andriamanitro dia fitiavana, te hamonjy ny olona rehetra, mipetraka any an-danitra sy ao am-pon'izay manaiky Azy, ...... Sarotra be ve izany ? Rehefa tsy misy anie dia afaka lazaina koa hoe tsy misy na tsy manana andriamanitra ianao e ! Inona izao no maharatsy izany ?
19. Nehemiah ( 13/06/2013 08:34)
Tiako marihina fa finoana ihany ny athéisme. Ka afaka miditra malalaka @'ity lohahevitra ity hamelabelatra ny finoany ny athées.
20. sitlo ( 13/06/2013 08:54)

Tefigasy:

sitlo:

Aza manonononona foana ny anaran'Andriamanitrao.

Dia mihevitra ve Tefigasy fa tsy tsara izany?

Ilay fanontaniako teo ambony aloha tsy mivantana amin'i stilo, nefa raha mba te hamaly ianao dia afaka mamaly.
Tsy miteny aho hoe tonony eto ny anarany. Fa ny fanontaniana napetrako dia hoe "Iza moa ilay andriamanitrao" na hoy koa aho hoe "Mba zarazarao eto ary hoe izany finoana sy fivavahanao" .
Afaka faritanao amin'izay tianao hamaritanao azy ilay andriamanitrao fa tsy voatery lazainao eto akory ny anarany rehefa manahirana anao ny hiteny izany.
Omeko ohatra ianao : Ny Andriamanitro dia fitiavana, te hamonjy ny olona rehetra, mipetraka any an-danitra sy ao am-pon'izay manaiky Azy, ...... Sarotra be ve izany ? Rehefa tsy misy anie dia afaka lazaina koa hoe tsy misy na tsy manana andriamanitra ianao e ! Inona izao no maharatsy izany?

Misaotra aloha amin'ny fahalinana. Saingy fantatro ianao hoe kristianina ka vokatry ny didy voaloha sy faharoa ao amin'ny baiboly dia fantatro fa tsy misy iraharahianao ny valiteny hiseho. Ary vokatr'izany dia zary fanononam-poana an'Andriamanitra ilay valiteny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0646