Manomboka anjakan'ny Athé eto amin'ny serasera

21. Tefigasy ( 13/06/2013 09:07)
sitlo:

Misaotra aloha amin'ny fahalinana. Saingy fantatro ianao hoe kristianina ka vokatry ny didy voaloha sy faharoa ao amin'ny baiboly dia fantatro fa tsy misy iraharahianao ny valiteny hiseho.

Dia izao izany ilay hoe faly hitsikera ny an'ny hafa fotsiny fa tsy mba mihezaka ny maneho izay mba anao ?
Na izany aza adinonao ity teny ity izay voasoratra ao anatin'ny baibolin'ny kristianina : I.Tes.5:21 "Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara. "
Izaho manokana aloha tsy handany andro hanaratsy ny an'ny sasany, tsy ho laniako amin'izany ny fotoanako fa ny hamelabelatra izay ahy no ataoko izay mba hampahazava azy amin'ny rehetra.
Dia mazotoa ary mitsikera ny an'ny hafa e !
22. sitlo ( 13/06/2013 09:30)
Sanatria tsy faly hitsikera ny hafa. Malahelo aza hoe ary fitiavana ny hafa no ilazana azy.

Tefigasy:
Na izany aza adinonao ity teny ity izay voasoratra ao anatin'ny baibolin'ny kristianina : I.Tes.5:21"Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara."

Tsy adinoko io ary hazoniko izay tsara. Ary tsy sitrako velively ny kristianina hiala amin'ny maha-kristianina azy. Ny fahendrena amiko no zava-dehibe. Ka raha hitako fa ny tahotra no hijanonan'ny olona ho ao anaty fahendrena dia azoko ihafiana. Na hitako aza hoe tsy tena fahendrena ilay izy.
Fa saingy lazaiko aminao kosa fa tsy ny finoana kristianina ihany no azo anovozam-pahendrena. Ka raha ny fahendrena no tadiavinao dia ho tsapanao fa tsy mitombina ny fanontaniana tahaka ny hoe "inona no finoanao", "iza no andriamanitrao", sns

tefigasy:
Izaho manokana aloha tsy handany andro hanaratsy ny an'ny sasany, tsy ho laniako amin'izany ny fotoanako fa ny hamelabelatra izay ahy no ataoko izay mba hampahazava azy amin'ny rehetra.
Dia mazotoa ary mitsikera ny an'ny hafa e !

Ilay izy tsy ifaninanana ary tsy fanaratsiana. Ilay fitsikerana angaha hoe fa ilay fitsikerana ahitana ny tsara. Araka ny hoe: Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara. Ahoana moa no ahafantaranao ny tsara? Tsy hoe mety izany sy tsy mety izany eto amin'ny dinika?
Ka raha hitako ka lazaiko hoe ity tsy mety, dia aza raisina ho fanaratsiana izany fa raiso ho fikatsahana ny tsara.
23. Tefigasy ( 13/06/2013 10:22)
sitlo:

Sanatria tsy faly hitsikera ny hafa. Malahelo aza hoe ary fitiavana ny hafa no ilazana azy.

Enga anie ka ho tena izay tokoa. Ny hitako hatrizay mantsy (mety ho diso aho) dia toa ny tsikera hatrany no betsaka nosoratanao teto fa tsy fihezahana handroso soson-kevitra. Io aho izao mangataka fanazavana fa toa mihodina sy voahodina hatrany ilay valiny fa tsy mety mahitsy.
sitlo:

Fa saingy lazaiko aminao kosa fa tsy ny finoana kristianina ihany no azo anovozam-pahendrena. Ka raha ny fahendrena no tadiavinao dia ho tsapanao fa tsy mitombina ny fanontaniana tahaka ny hoe "inona no finoanao", "iza no andriamanitrao", sns

Aleo aloha hapetraka tsara fa tsy ny fahendrena no tanjona kendrena sy zavatra tiana ho azo voalohany amin'ny fivavahana kristianina fa ny FAMONJENA. Manaraka ho azy ny fahendrena sy ny hafa izay tianao ho fantatra ao anatiny.
sitlo:

Ilay izy tsy ifaninanana ary tsy fanaratsiana. Ilay fitsikerana angaha hoe fa ilay fitsikerana ahitana ny tsara. Araka ny hoe: Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara. Ahoana moa no ahafantaranao ny tsara? Tsy hoe mety izany sy tsy mety izany eto amin'ny dinika?
Ka raha hitako ka lazaiko hoe ity tsy mety, dia aza raisina ho fanaratsiana izany fa raiso ho fikatsahana ny tsara.

Rehefa miteny ianao hoe ity tsy mety, ity ratsy, dia tokony mba lazaina mahitsy tsara kosa avy eo hoe ity no tsara ity no mety. Ohatra rehefa tsy avelanao handeha hianatsimo ilay olona, dia tokony mba atoronao hoe ny miantsinana no mety, tokony hizorana, fa tsy rarana fotsiny izy nefa tsy atoro azy izay tokony ataony ?
24. sitlo ( 13/06/2013 11:07)
Azoko atao hoe roa ihany no tianao lazaina eto:

Tefigasy:
Aleo aloha hapetraka tsara fa tsy ny fahendrena no tanjona kendrena sy zavatra tiana ho azo voalohany amin'ny fivavahana kristianina fa ny FAMONJENA. Manaraka ho azy ny fahendrena sy ny hafa izay tianao ho fantatra ao anatiny.

Izay aloha dia fantatro amin'ny kristianina. Fa saingy tsy ahy kosa, ary azoko atao tsara ny miady hevitra ary mino aho fa tsy hisy haharesy lahatra ahy amin'izay, ary izaho tsy haharesy lahatra anao koa anefa. Eo no mahatonga ny finoana maro be eto an-tany.
Fa izao kosa ny ahy, na famonjena aza no katsahinao ka miafara amin'ny fahendrena... dia mety izay amin'ny finoako.
Tsy haiko raha mahavaly ny fanontanianao teo aloha izay fa ndeha itaritako ny faharoa.
Tefigasy:
Rehefa miteny ianao hoe ity tsy mety, ity ratsy, dia tokony mba lazaina mahitsy tsara kosa avy eo.

Ekeko fa manao izany aho. Fa amiko kosa dia tsara kokoa raha loharano miboiboina ao anatin'ilay olona ny fikatsahana ny fahendrena toy izay tolorana. Fa na izany aza efa nilaza ihany aho teny atsefatsefany teny fa sendra tsy hitanao angamba.
Ohatra: ny zavatra tsara ampianarin'ny Baiboly reketina am-po fa aza ny pitsopitsony. Dia lazaiko tsikelikely eny ny atao hoe pitsopitsony toy ny hoe nitsangana tamin'ny maty i Jesosy, dia Jesosy izany faty mitsangana. Izany akory tsy midika hoe ario noho izany ny fampianaran'i Jesosy. Ohatra koa hoe, ilaina ny fandaminana saina nampianarin'i Buddha fa tsy midika akory izany hoe ataovy daholo izay lazainy. Ka raha miteny aho hoe aza mieritreritra izay resaka Nirvana any, dia tsy tokony hamaly ahy amin'ny fanontaniana angamba ianao hoe dia inona izany ho hoeritreretina?
25. endriny ( 13/06/2013 16:18)
Mora ny mijery ny hafa, fa sarotra ny mandi-tena ry zareo a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.104