Te-hiova nefa.....

1. cajiah ( 01/06/2013 16:46)
Tena te hiova b mhts nefa vofehan'ny fahazaran-dratsy, sarotra be ihany ny lalana makany ka. Sady tsy hay intsony hoe iza no tena izy @ lé fiangonana
novalian'i Nehemiah ny 10/06/2013 12:36
2. hadji ( 02/06/2013 05:26)

cajiah:

Tena te hiova b mhts nefa vofehan'ny fahazaran-dratsy, sarotra be ihany ny lalana makany ka. Sady tsy hay intsony hoe iza no tena izy @ lé fiangonana
aza manadino ny ray sy reninao ny finoany ihany arahina fa manjary vao maika sahirana ianao
3. nannie ( 02/06/2013 06:25)
Tsisy fiangonana tsy diso izany raha izany no tadiavinao. Ny fiangonana rehetra dia samy mihazakazaka ho any an-danitra daholo, ka tano izay efa anao, fa mijoroa fotsiny vavolombelona eo amin'ny misy anao.
4. leva2 ( 02/06/2013 19:09)
Velona Jesosy

Rom 07/15-20 :
Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota.
Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no nataoko. Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
Ary amin’izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.

Mivavaha namana, miresaha amin'i Jesosy fa izy irery no mpanafaka amin'ny fahazaran-dratsy, amin'ny ota.

5. Nehemiah ( 03/06/2013 05:27)
Tsy ny olombelona no miova fa Andriamanitra no manova azy ireo. Aza misahirana ny "miova" fa angataho ko avelao Andriamanitra hanova anao.
6. pisoonja ( 03/06/2013 11:06)
Raha mino ianao dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra , fa tsarovy fa ilay jiolahy niara-nifantsika taminy teo amin'ny hazofijaliana aza novenjeny
Aza misahirana mitady fiangonana, mivavaka ho anao koa aho
7. endriny ( 03/06/2013 17:36)

cajiah:

Tena te hiova b mhts nefa vofehan'ny fahazaran-dratsy, sarotra be ihany ny lalana makany ka. Sady tsy hay intsony hoe iza no tena izy @ lé fiangonana


Rehefa hitanao fa afa-po amin'ny zavatra iainanao ianao dia ampy izay, tsy mila fiovana izany. Tano ny azo fa sarotra ny mila hoy ny Ntaolo.

Tsy misy ny lavorary fa fara faharatsiny misy ny hafaliana. Dia ho lava andro ianao

Resabe daholo ny hoe fiainana any an-koatra, raha marina fa tsara ny any maninoa ilay mpitory azy no mbola mila vonjy any amin'ny dokotera raha marary... Satria mamy ny miaina ary ny aina tsy ananam-piry, fa tokana ihany.
8. Nehemiah ( 04/06/2013 07:09)

endriny:

Resabe daholo ny hoe fiainana any an-koatra, raha marina fa tsara ny any maninoa ilay mpitory azy no mbola mila vonjy any amin'ny dokotera raha marary...

Aleo ihany tsy itarina resaka lava be ity non sequitur-nao ity, fa izao fotsiny : raha ny ho sakafon'ny kankana no hany ho avintsika dia maninona ianao no mavitrika ny handresy lahatra ny manodidina anao tahakan'izao ? Tsy aleo ihany "mihinana sy misotro, fa ho faty rahampitso isika ?"
9. pisoonja ( 04/06/2013 10:16)
Ka ilay afa-po mihitsy eto no tsy misy koa , izay no tsy maha tanteraka izao fiainana izao fa iandrasana ny any an-koatra , sa enao milaza fa afa-po @ izao fiainana iainanao izao?
Mivavaka ho anao aho, fa ny Andriamanitra iavavahana tsy mba manary fa ny olona toa anao izao indrindra no omeny fahasoavana hitafotafo ka hahatsapa fa avy aminy izao rht izao ary misy IZY ilay hatrizay hatriazy ka ho mandrakizay
10. leva2 ( 04/06/2013 18:26)

endriny:

Resabe daholo ny hoe fiainana any an-koatra, raha marina fa tsara ny any maninoa ilay mpitory azy no mbola mila vonjy any amin'ny dokotera raha marary... Satria mamy ny miaina ary ny aina tsy ananam-piry, fa tokana ihany.


Velona Jesosy!

Na tianao na tsy tianao nefa namana, na hino ianao na tsy hino, ny fitsarana farany dia tsy maintsy hisy. Mazava hoazy ny anjara miandry anao io raha izao no mitohy, ary amin'izay fotoana izay dia hotadidinao ity forum ity, saingy ho tara loatra.
Izay mpitsabo kristiana namako na olom-pantatro aloha dia resy lahatra fa ny fanasitranana dia avy amin'Andriamanitra fa izy ireo dia fitaovana fotsiny ihany.
Tsy laviko fa manam-pahalemena ny kristiana sasany izay miantehitra loatra amin'ny dokotera sy fanafody amin'ny fahasalamana, kanefa raha tena mino ianao dia tsy mila izany rehetra izany fa : "Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny" Marka 16/17-18
Marina tamiko io teny io ka nahoana no tsy ho marina ho an'ny hafa fa ianao ihany no antony.
11. endriny ( 05/06/2013 17:20)
Cajiah

Rehefa te hiova ianao fa izay no hitanao fa tsara dia miova, aza miova anefa noho ny fitariha'ny hafa, fa mpamitaka sy mpitady kil fotsiny ireny. Fa miova rehefa izay no mahasoa.
12. cajiah ( 08/06/2013 17:54)
MISAOTRA anareo rehetra nanoro hevitra. Miroso ny dia ry zareo a, tsy fotoanany hiverenako tson zao. Efa mba niriaka hatrin'ny ela ian izy ty fa nony tratran'ny obstacle kely d nijanona. Ao @ Jesosy no misy fiainana .Sady marina mhts fa Izy no hanadio ahy fa raha ny heriko izao samirery d tsy hatohitra ny ratsy. Ho tahin'i Tompo daholo nareo na d efa haiko ary fa zany foana no nataony ary ho hataony anareo.
13. sitlo ( 08/06/2013 18:04)
Fampielezana ny finoana kristianina amin'ny fomba ridicule ny anao ty ry ps vaovao. Raha mba mandinika kely ny olona dia tsy ho voafitaky ny dinika tahaka itony.

Mitovy fomba amin'ireo hoe alàna devoly eny amin'ny sekta. Mody hoe tsy afaka, mijaly ... dia avy nandray ny tompo dia nahazo fiainam-baovao milay be. Neih
14. cajiah ( 08/06/2013 18:09)
Ie ka tsy marina ve lo zany e? Ka fiainana vaovao mihintsy lo fa tsy otran'ny taloha mbola variana t@ revy nefa voageza
15. sitlo ( 08/06/2013 18:12)
wawawa, aza mitoraka bilao hoy ny malagasy

ary azo adika hoe aza manao vavolombelona mandainga
16. cajiah ( 08/06/2013 18:16)
raha niainanao dia tsapanao
17. sitlo ( 08/06/2013 18:20)
Ny fiainana dia tsy misy Jesosy fa Jesosy dia nampianarin'ny olona.
18. cajiah ( 08/06/2013 18:23)
ny olona zany no namorona Azy?
19. sitlo ( 08/06/2013 18:26)
Ny olona no mamorona azy eo amin'ny fiainana ankehitriny. Fa izy dia iray amin'ireo olona efa maty 2000 taona lasa.
20. cajiah ( 08/06/2013 18:44)
Zay ndray lo d marina fa ny hanampiko azy d hoe Velona ndray Izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1114