Te-hiova nefa.....

21. sitlo ( 08/06/2013 18:48)
Ahitsiko kely, velona indray hono izy.

Hono hoy ny olona.
22. cajiah ( 08/06/2013 18:51)
ay, amiko Izy nefa tena velona
23. sitlo ( 08/06/2013 18:58)
Izay ilay valiteny nandrasako.

Aminao izany. Ary tahaka izany dia ho lazainao amin'olon-kafa fa velona izy... dia mitohy mitohy. Dia tonga amin'ny nolazaiko teo hoe Ny olona no mamorona azy eo amin'ny fiainana ankehitriny.
24. cajiah ( 08/06/2013 19:08)
Ah bon, mety kosa lé fanazavana
25. endriny ( 09/06/2013 04:09)
Cajiah

Hay ve fakana fanahy olona fotsiny ny anao e... INona indray ny sioze manaraka izany?
26. cajiah ( 09/06/2013 04:47)
Hakana hevitra. Zay ihan lo zao ka
27. Nehemiah ( 10/06/2013 08:42)

sitlo:

Ahitsiko kely, velona indray hono izy.

Hono hoy ny olona.

Andao avadika zavatra hafa ilay resaka.

@ fomba ahoana moa no nivadihan'ny Mpianatra kanosa niafinkafina anatin'ny efitra ambony ho Apôstôly mahery fo nitory ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, na dia natao hazalambo sy vonomoka aza izy ireo ?

Sa ianao efa nahita olona vonona ny ho faty ho an'ny zavatra efa fantatra fa lainga ?

Torak'izay koa, raha mba nahita porofo ny faha8n'ny finoana kristiana fa tsy nitsangana t@ maty izao i Kristy dia tsy maintsy nasehony. Nefa tsy nahomby izy ireo.

Eny e, izaho aloha dia tsy miandy anao hanome valiny ara-pisainana ho an'ireny fanontaniana ireny satria hevitra raiki-tapisaka @ sainao ny fandavana an'i Kristy...
28. sitlo ( 10/06/2013 09:24)
Mazava ho azy fa tsy ho valiako satria mamadi-dresaka sy manambany.
29. Nehemiah ( 10/06/2013 12:36)
Manambany ??? Aiza ho aiza @ hafatro no misy fanambaniana ? Raha misy aloha dia ialako tsiny be mihitsy e. Tena marina. Kanefa tsy nieritreritra ny hanambany aho rehefa nanoratra an'ilay izy.

Sady tsy hitako izay famadihan-dresaka @'izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0389