Tsy fahotana hono

1. didi10 ( 10/05/2013 13:47)
Sendra nandalo tao ambadika tao aho indray andro, satria Chat-libre ny karajia dia maro ireo olona mpiditra ao mba hiresadresaka sy hitafatafa.

Maro ireo resy lahatra ao fa raha virtuel hono no mifandamour de tsy manin izany na efa manambady aza.

De gaga enao!
novalian'i Nehemiah ny 06/06/2013 12:28
2. 5laody ( 10/05/2013 16:33)
Sali Ra -Didi
Sao mba tsy ato ny rubrique n'io lohahevitraio fa hatsikana sy lalao?
3. mirananirina ( 11/05/2013 07:13)
Hihihi mampime mht koa didi10 izany, tsy misy firaisana ara-batana izany.
4. leva2 ( 11/05/2013 09:05)
Velona Jesosy!

"Efa renareo fa voalaza hoe: "Aza mijangajanga”. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady". Mat 05/27-28.

Io namana tsy hoe amin'ny chat iany fa hatreny an-dalambe ka hatraiza hatraiza dia mety hitranga izany.

Ahoana no hiarovan'ny zatovo ny lalany tsy ho voaloto?
5. fanasina7 ( 11/05/2013 19:53)
oupss!!! sao d mbol tsampy taona ra didi10, na tsampy expérience dans la vie, na sanatria sao d sekta mafana fo d diso borné loatra am fiainana :) aza afangaro ny virtuel sy ny réel e
6. toriteny ( 13/05/2013 05:30)
Tsy ilay mijery vehivavy eny an-dalana ny olana, na ny mi-chat amin'ny vehivavy raha lehilahy ianao fa ilay toe-ponao mandray ilay fijery, ilay toe-ponao michat

Ny voalaza ao amin'ny MAt5:27 dia mazava " izay rehetra mijery vehivavy hila azy no mijangajanga fa tsy izay mijery vehivavy rehetra eny an-dalana tout court nefa ny ao an-tsainy mety tisy filàna an'ilay vehivavy. Torak'izany ihany koa ny chat raha finamanana lahy sy vavy no hi-chater na sy tena hoe ao an-eritreritrao fa tsy mihoatran'izay tsy hitako izay problème. FA rehefa miditra fitiavana ilay resaka na filàna ara-nofo nefa efa samy manambady izy 2 dia tena fijangajangana ilay izy

Ary io tsy resaka chat ihany na ny mijery vehivavy fotsiny fa na ny amin'ny heritreritra sy rehefa matory aza ianao no maniry olona ankoatran'ny vadinao dia efa fijangajangana izay. FA tsy hoe voasoratra ao anaty baiboly ny chat dia permis ny adultère virtuel, na hoe ny lehilahy ihany no voalaza sy voakasik''io MAt5:27 io dia hoe mahazo alalana hijery lehilahy ny vehivavy



7. didi10 ( 13/05/2013 06:32)

5laody:

Sali Ra -Didi
Sao mba tsy ato ny rubrique n'io lohahevitraio fa hatsikana sy lalao?


Aleo atao eto mihitsy namana na dia resaka mampihomehy aza satria zavatra mitranga eo ambany maso kanefa dia odian-tsika milaza ho Kristiana tsy hita.
8. didi10 ( 13/05/2013 06:43)

fanasina7:

oupss!!! sao d mbol tsampy taona ra didi10, na tsampy expérience dans la vie, na sanatria sao d sekta mafana fo d diso borné loatra am fiainana :) aza afangaro ny virtuel sy ny réel e


Mahagaga ahy izany reaction nao zany namana fanasina7!!

Mazava tsara aloha fa ny resaka olona manambady mifanadala ao amin'ny chat no resaka eto, tsy miresaka ny olona celibataire mihitsy aho, misy fanontaniana apetrako aminao ary ity namana?

Sahinao ve ny manoro ny vadinao hoe : i an sy an no sipako virtuel, dia izao no resaka ifanaovanay?
Matoa io afenina dia samy mahafantatra fa tsy mety.

Ao amin'ny chat, dia misy ireo sentiment rehetra eo amin'ny mpifankatia: fitiavana, envie, jalousie, de tsy fahotana ihany koa ve hoy ianao ny manao firaisana en mode virtuel?
9. pisoonja ( 13/05/2013 11:03)
tsy hitako kosa aloha ny maha-fahotana an'izany , ka raha tsy mbola nifankahita akory ary ireo olona mi-tchat reo dia faniriana vadin'olona ahoana , raha mifankafantatra kosa hafa izay , satria ilay olona mifampiresaka ireo aza tsy mifankahalala hoe , kilemaina ve sa sima sa mampme io olona io , sao dia mba ny vadiny ihany no aoa an'eritreriny @ izy mitory fitia @ io olona io izay no tsy maha fahotana azy satria tsy voasoratra izany , raha maniry olona tsy fantatra zany ve fahotana , koa ilay olona ary tsy azonao an'eritreritra akory na izy na tsia ko
10. sitlo ( 13/05/2013 11:58)
Ilay voambolana "fahotana" aloha dia efa mampiditra ny hoe Andriamanitra, ary midika hoe "fahadisoana eo atrehan'Andriamanitra".

Ka ny olona milaza fa "tsy fahotana" izany dia karazan'ny mandidy an'Andriamanitra sy manadio tena eo imason'ny olona.
11. 5laody ( 14/05/2013 16:50)
didi10:


5laody:

Sali Ra -Didi
Sao mba tsy ato ny rubrique n'io lohahevitraio fa hatsikana sy lalao?


Aleo atao eto mihitsy namana na dia resaka mampihomehy aza satria zavatra mitranga eo ambany maso kanefa dia odian-tsika milaza ho Kristiana tsy hita.


Salama ry akama a!

Raha izaho dia azoko lazaina fa kilalao ihany izy io e, aiza no ahafantaranao na iza na iza no ao ambadika ao? raha tsy mandalina tsara aza ianao mety tsy sipa akory no miresaka aminao ao, fa bandy be feo be.

Nisy dokam-barotra izay ary mivohy ny hevitra hoe aleo manatona magazay ihany fa indraindray ny sary hitanao eto amin'ny aterineto dia tena lavitry ny zavatra voalaza rehefa tena hita maso 3d sy tsapain-tanana ary tena mety tsy ho ampoizinao mihintsy ny zava-mitranga avy eo.

Izao ary ilay tantara:

Nahita dokam-barotra manintona be mihitsy ity tovolahy iray, manazava ny fananan' ny viavy efa manana traik'efa satria efa misimisy taona. Raha amin'ny teny gasy izany (na dia tsy ara-toetr'andro intsony ary ilay fiteny dia hoe sady taviny ny volony e!) sady tsy manao toy nytsipolitra io ry akama fa tsy miraikidraikitra aminao izany rehefa tsy miady ny baolina.
Ary azo iverimberenenana raha miady ny tadin-dokanga.

Roboka ny anao lahy ka nandoha abonnement, nomen'ilay site izay vehivavy cougar mifanaraka amin'ilay nirian'i Lery, raikitra ny tsaty, nafana dia nafana ary nangotraka ny farany ary tapa-kevitra fa hihaona.

Bar mitokatokana fanaovan'ny mpifakatia miafina fotoana ireny ary no notapahina hoe hiahonana, tsaty ihany no anaovana izany rehetra izany.
Tonga ary ilay andro hihaonana.
Nanao metimety ny tovolahy, ary tonga fahefak'adiny mialoha, naka zava-pisotro ary niandry. Nipaika ny ora, tsindrin-daona ery ilay bandy. nijery famataran'andro, niandry roa minitra, dimy minitra... efa handeha hiantso vera fanindroany ranamana naheno ny varavaran'ny bar nisokatra.

Iny eny fa tonga ihany. Hendratra ny anao lahy raha nahita an'ilay olona tamy avy lavitra izy, nitsangana, gaga sady tohina niteny hoe:

"Mais qu'est-ce que tu fous ici Maman?"


12. sitlo ( 14/05/2013 18:45)
Lava loatra nefa tsy dia misy dikany firy. Ny kilalao ange ka misy fetrany.
13. moustaraf ( 15/05/2013 09:23)
"Aoka ny fitenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy ankasitrana eo imasonao..."

1.Araka ny baiboly , ny atao hoe mpivady: "iray saina sy iray fo,... ary ho iray ihany izy roa"
DIKANY:
-Mpivady ara-tsaina sy fo aloha= virtuel
-izay vao mpivady ara-nofo

ka rehefa nanao firaisana virtuel ianareo dia efa nivady izany (fo sy saina) araka ny baiboly
-ka izay manambady olon_kafa tsy vadiny, dia MIJANGAJANGA.

AZA ADINO fa isika dia "fofombadin'ny zanak'ondry" noho ny firaisana ataontsika aminy isan'andro "fo sy saina", mba ho isan'ny ho ampiakariny @ andron'ny fampakarana!
NY MPIJANGAJANGA VE NO HOAMPIAKARINY??

MAHEREZA NAMANA
14. toriteny ( 18/05/2013 00:23)

sitlo:

Ilay voambolana "fahotana" aloha dia efa mampiditra ny hoe Andriamanitra, ary midika hoe "fahadisoana eo atrehan'Andriamanitra".

Ka ny olona milaza fa "tsy fahotana" izany dia karazan'ny mandidy an'Andriamanitra sy manadio tena eo imason'ny olona.


Mhafinaritra be fa tohizo. Aza miverindalana intsony fa io lalanao io no izy
15. sitlo ( 18/05/2013 07:51)
Fa saingy ianao kosa ...
16. endriny ( 04/06/2013 05:57)

didi10:

Sendra nandalo tao ambadika tao aho indray andro, satria Chat-libre ny karajia dia maro ireo olona mpiditra ao mba hiresadresaka sy hitafatafa.

Maro ireo resy lahatra ao fa raha virtuel hono no mifandamour de tsy manin izany na efa manambady aza.

De gaga enao!


Tsy tadidinao angaha fa Atra aza nangalatra ny fofombadin'i Josefa... Atra nanome ny didy folo no nandika ny didy folo, sa izay moa ilay didy faha 11: Aza miveraka... ahahahhahah
17. pisoonja ( 04/06/2013 06:20)
" Fa izay manevateva ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay "
Iza no nilaza fa Atra nanao an'izany ?
18. Nehemiah ( 04/06/2013 06:51)
Inona kay no ankahalan'i Endriny an'Andriamanitra e ?

Eny e, efa fantatro ny valiny : ankafiziny ny fahotany.
19. sitlo ( 04/06/2013 15:44)
Tsy Andriamanitra no olana fa ilay olona miseho mahalala an'Andriamanitra. Ireo hoe mpaminany fahiny no voalohany indrindra izay hita mpanafi-t an-tsalaka fotsiny fa mody atao hoe fahiny izany... Ny manaraka azy ireo dia ireo boloky manara-kefa aty aoriana dia miseho ho mpisolo tena sy milaza ny tenin'Andriamanitra...
Dia miseho milaza avokoa fa izao no didy, izao no fahotana, rehefa izao dia tsy fahotana... Safotry ny fanandratatenany ny olombelona ka Andriamanitra avy no ilingilingina.
20. Nehemiah ( 05/06/2013 05:38)
Raha azoko tsara tsy mampaninona aminao ny manota, izany hoe ny manao izay tsy sitrak'izay Andriamanitra izay ? Sa inona no famaritanao an'Andriamanitra ? Mitovy vokatra @ athéisme ihany ny déisme.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0992