Tsy fahotana hono

21. endriny ( 05/06/2013 17:18)
Raha ny mpivavaka izao tokoa no jerena dia zo atao tsara ny manota dia mifona rehefa alahady, dia mody miondrikondrika sy mitomany ary manao rakitra 1000 ariary ho tambin'ny 2000 tapitrisa nangalarina...
Manao hadisoana amin'ny mpiara-monina sy manompa dia mody any amin'Atra no mifona fa tsy any amin'ilay olona nanaovana hadisoana.
Ka tsara ny mivavaka....
22. Nehemiah ( 06/06/2013 06:15)
Aza avoana ny resaka fa ny finoana kristiana dia finoana an'i Kristy fa tsy finoana ny kristiana.
Sady ny fisian'ny vola sandoka dia tsy midika akory fa tsy misy ny vola tena izy. Vao mainka manaporofo ny fisian'ny vola tena izy ny vola sandoka, satria mazava ho azy fa raha tsy misy ny vola tena izy dia tsy hay alaina tahaka.

Averiko indray mandeha : tsy mampaninona anao ve ny mandika ny didin'ilay Andriamanitra masina indrindra ? Raha ny Amerikana izao dia hafa mihitsy ny mandaka alika mirenireny sy ny mandaka an'i Barack Obama. Mampigadra ny faha2. Kanefa ilay Andriamanitra nametraka ny fahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy dia masina lavitra dia lavitra nohon'i Obama.
23. endriny ( 06/06/2013 10:31)

Nehemiah:

Fihatsaram-belatsihy ny anao ary fanaovana teny tsitsaroana, vao oviana ianao amin'ity soratrao masina indrindra ity no nanoratra fampihinanana maloto teto. Ianao no iray amin'ireo mpitaribato vilam-bava, ary mitondra ny tenin'Atra ho famitahanam-bahoaka sy fihariankarena.

Fa Andriamanitra tsy misy tambiny
24. Nehemiah ( 06/06/2013 12:28)
Ha ! Ny gasy rangahy ! Tsy mba hay anaovana adi-hevitra mahasoa !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2027