Lalao Ravalomanana - Mila Fanazavana

1. Madatsara ( 07/05/2013 14:34)
Tiako aloha ny milaza fa izaho dia vehivavy ary tena tiako sy iriko raha vehivavy no mitondra ny firenena fa mila misaina koa, ary zaho koa de anisany nitolona ho an'i Ravalomanana ary naika nanefa ny aina tamin'ny 2002 ary zaho dia anisany ' "DECUE " tanteraka tamin'ny nataony.

Voalohany , Antananarivo dia tsy Madagascar, raha mandeha mianatsimo kely (atsimo antsinana manakara …, atsimo andrefana) mampalahelo ny manjo ny olona any tsy vao izao ataon'i Andry Rajoelina izao ('zay tsy asiana resaka intsony fa tena manimba ny firenena) fa hatramin'izay ary tena malahelo ny nataon"i Ravalomanana ny mponina satria voafitaka tanteraka.

Faharoa, Tena mahavariana mihintsy ity fanampahankevitry Ravalomanan ity ka mba mila fanazavana mantotra sy mihaja aminareo misaotra indirndra,
Mba misy afaka milaza oe inona no afaka ho entin'i Lalao Ravalomanana ho an'i Madagascar ho an'ny Vahoaka Malagasy?
Mialatsiny indrindra fa amiko manonakana dia tena toa ataondry zareo resaka fianankaviana izy ity eh, fantatsika tsara fa Madagascar an'ny Malagasy rehetra fa tsy an'ny fianakaviana Ravalomanana, tena maharikoriko mihintsy ity fitiavamboninahitra fitiavambola fitiavantena ity ka, de ahoana moa no ilazanao fa i Lalao no mendrika ny hitondra firenena inona no traikefany? Ny vadiny aza jereo ny nataony ny Malagasy satria izy ihany ange no conseillerny eh.

Ny ahy manokana hita mihintsy fa tsy manana fahatokisana amin'ny namany ny fianakaviana Ravalomanana, ka 'zay no ilazaiko oe fitiavantena tanteraka izao, nefa mba misy olona mahay sy misy dikany ange ao aminy antoko eh, fa angaha anarana sy vola no atao hoe FIloha, jereo ange ny any ivelany ‘zay tokony hankana tahaka ihany fa mampandroso firenena, tena maro ny zavatra takiana ho an’olona hitondra fiorenena izany fianarana ambony, mba manana fahalalana momba ny politiqueny firenena ho entiny sy ny politique erantany, …. mila miova mila mandroso.

Ary aoka hanjanona mihintsy fa fanonona ny anaran’Andrimanitra amin’izay fa tena mahamenatra atao etiquette fotsiny ny fiangonana aoka izay, olon’Andriamanitra no mitondra tena tsara izany fa tsy mila atao rehareha koa.
novalian'i bazylou ny 22/05/2013 23:17
2. cbd ( 07/05/2013 19:24)
b wawa am tsinapiny! ndana fidio any rajohell d ho hitan'lisany ny vokany! mbola ts fay foana? rehefa tsy mbola ts fay d aza b wawa fa hiareto any ny an'lisany e
3. hery ( 07/05/2013 21:15)
Izaho tsy membre fianakavian-dRavalo, ary tsy dia tia Ravalo koa, kanefa amin'izao fotoana izao dia hitako hoe izay be no basy ary ny Mouvance Ravalomanana ihany no mbola hitako afaka manongana sy manome fahafaham-baràka an'ireo mpanongam-panjakana.

Betsaka ny toa ahy satria tsy vitan'ny mpanohitra sasany ny nivoitra tao anatin'ny 4 taona be izao nanangana plateforme afaka hanongana an-dRajoelina amin'ny alalan'ny fifidianana... koa voatery hifidy Ravalomanana izy ireo.

Hoy ianao hoe mahavariana ny fanapahan-kevitr'i Ravalo nifidy ny vadiny. Tsy resaka hoe tsy mahay ny namany fa tsy fantatry ny olona any amin'ny dezaka ireo namany ireo. Na izy ireo aza dia miaiky fa tokony atao fitaovana aloha ilay anarana hoe "Ravalomanana" raha toa ka hiady amin'ny TGV. Izany no nataon-dRatsiraka ka nahatafaverina azy tamin'ny 1992.

Amin'izao mantsy dia leo tetezamita = TGV ny vahoaka ka lasa malahelo an-dRavalo (tahaka ny nataon-dRatsiraka tam 1992 ho'aho). Dia mora ho an-dRavalo no miverina, ny olana dia tsy avelan-dRajoelina hiverina Ravalo dia ny anaran'ny vadiny no ampiasain'ny mouvance.

Amiko dia fomba hakàna fitondrana izany ilay izy satria mbola ny anarana Ravalomanana ihany no mbola azo antoka fa afaka mandresy TGV.

Aza eritreretina ho raharaham-pianakaviana loatra io. Rehefa azo ny fitondrana dia afaka mamerina amin'ny laoniny ny zavatra nosimbain'ny TGV amin'izay izay mahazo fitondrana eo. Afaka manandratra firenena araka ny tokony ho izy.
4. andrywui ( 07/05/2013 22:48)
cbd , hery !

manohitra be fahatany fotsiny iretooul reto zany , nenah alou de ze manana oul betsaka any ambanivhitra lavitra reny no tohanako e !! ireny mahita ny tsy mety rehetra nataon'ny ze nifandimby teo ,,
5. Madatsara ( 08/05/2013 04:48)

cbd:

b wawa am tsinapiny! ndana fidio any rajohell d ho hitan'lisany ny vokany! mbola ts fay foana? rehefa tsy mbola ts fay d aza b wawa fa hiareto any ny an'lisany e

Miarahaba anao Hery ary Misaotra anao namaly ny Sujet nataoko (Madatsara), ny hamaliko anao:

1- Averiko indray mandeha aminao fa vehivavy aho no miteny aminao ary tena tiako raha vehivavy no mitondra fa hita ny nataon'ny lehilahy tsy asiana resaka intsony, fa Lalao RaValomanana ve? Ary tsy misy fankahalana mihintsy ny resaka ataoko ary tsy fotoana ny fankahalana intsony 'zao ho an'ny Firenena ho an'i Malagasy rehetra.

2-Tsy vakinao tsara ny teny nolazaiko, tsy niteny mihintsy aho hoe miorona any amin'i Andry Rajoelina ary ho ahy manonkana ('zay avis ko io) dia olona hafa mihintsy no tsara raha eo tsy mila Andry Rajoelina tsy mila Ravalomanana ary tsy mila Ratsiraka.
Tena mahavarina ahy a mihintsy ny famalinareo ao amin'ny Ravalomanana, raha mahita olona ianareo fa misalasala ny aminy filatsahany Neninareo Lalao Ravalomanana dia tokony Fanazavana matotra sy feno fanajana no avalinareo ary izay indrindra no angatahiko eto fa tsy avy dia fanaratsiana any Rajoelina efa hita zavatra nataony fa potika tanteraka ny fiainany Malagasy na sns....

2- Raha mamaky tsara ihany ianao dia tsy wawa mihintsy no lazaiko, raha mandehana misitaka any aminy sisiny ianao zay Malagasy toa anao koa dia tena mampalahelo ny fiainanany Malagasy any ary efa tamin'ny androny Ravalomanana izany ary vao mainka nihahenjana amin'izao Rajoelina izao, ny ahy tiako ho mazava tsara hoe inona no ataon'i Lalao Ravalomanan ho an'i Madagascar ho an'ny Malagasy ary ho vitany ve io mitondra firenena io " FIRENENA " hoy aho.
'Zay no ilazaiko fa tsy Antananarivo irery no Madagascar.
Ho ahy manokana ('zay mbola avis-ko ihany io) dia mila zavatra maro 'zany ho FILOHA izany 'zay hatreto aloha tena tsy hitako aminy ,tena mialatsiny aminao aho, ka izany no mahatonga ahy hilaza fa fiatiavantena sy fitiavambola ary fitiavamboninahitra zao, ka managataka fanazavana aminao io aho momba izany raha afaka mamaly ianao.

'Zay ary ka miandry valiny avy aminao aho.
Mazotoa.
6. Madatsara ( 08/05/2013 05:15)

hery:

Izaho tsy membre fianakavian-dRavalo, ary tsy dia tia Ravalo koa, kanefa amin'izao fotoana izao dia hitako hoe izay be no basy ary ny Mouvance Ravalomanana ihany no mbola hitako afaka manongana sy manome fahafaham-baràka an'ireo mpanongam-panjakana.

Betsaka ny toa ahy satria tsy vitan'ny mpanohitra sasany ny nivoitra tao anatin'ny 4 taona be izao nanangana plateforme afaka hanongana an-dRajoelina amin'ny alalan'ny fifidianana... koa voatery hifidy Ravalomanana izy ireo.

Hoy ianao hoe mahavariana ny fanapahan-kevitr'i Ravalo nifidy ny vadiny. Tsy resaka hoe tsy mahay ny namany fa tsy fantatry ny olona any amin'ny dezaka ireo namany ireo. Na izy ireo aza dia miaiky fa tokony atao fitaovana aloha ilay anarana hoe "Ravalomanana" raha toa ka hiady amin'ny TGV. Izany no nataon-dRatsiraka ka nahatafaverina azy tamin'ny 1992.

Amin'izao mantsy dia leo tetezamita = TGV ny vahoaka ka lasa malahelo an-dRavalo (tahaka ny nataon-dRatsiraka tam 1992 ho'aho). Dia mora ho an-dRavalo no miverina, ny olana dia tsy avelan-dRajoelina hiverina Ravalo dia ny anaran'ny vadiny no ampiasain'ny mouvance.

Amiko dia fomba hakàna fitondrana izany ilay izy satria mbola ny anarana Ravalomanana ihany no mbola azo antoka fa afaka mandresy TGV.

Aza eritreretina ho raharaham-pianakaviana loatra io. Rehefa azo ny fitondrana dia afaka mamerina amin'ny laoniny ny zavatra nosimbain'ny TGV amin'izay izay mahazo fitondrana eo. Afaka manandratra firenena araka ny tokony ho izy.

Miaraba anao ary misaotra indrindra aminy valinteninao 'zay misy horaisina mihintsy.
Misy fahamarinana ny anao fa ny antsika moa adihevitra sy mba mifanome fanampimpanazavana amin'izay tsy mahazo toa ahy.

Marina mihintsy fa leo an'izao fiainana 'zao ny Malagasy rehetra tena mafy ny manjo any Malagasy ka mila fiovana haingana.

Manaraka, momba ny anarana "Ravalomanana " manokana, dia amiko ihany dia tena hadisoana tanteraka io satria tokony anarana antoko no ataony, satria araka ny efa nolazaiko dia nisy fotoana aho tamin'ny 2012 nanao vacances tany amin'ny sisiny Manakara,atsimo ny Tuléar fa tena tsy tia any Ravalomanana 'zareo ary vao maika tsy mila any Andry, dia eritrereto ange ny avy dia ao antsaina vao maheno hoe vadiny Ravalomanana filoha taloha no hilatsaka, ho anay 'zay tsy manao ary tsy mahay politique fa mijery sy maheno zavatra maro fontsiny dia midika zavatra maro.

Marina fa nisy zavatra maro vitany Ravalomanana fa betsaka ihany koa ny tsy nety nataony 'zay nahakivy sy nankaleo ny olona.

Ho hitantsika eo 'zay tohiny fa ankinina amin'Andriamanitra ny fiainany Malagasy rehetra, fa efa mafy loatra 'zao ka tsy mila olona hanararaotra sy hameno paosy .

Mazotoa.
7. 100tinl ( 08/05/2013 08:45)
Ny tena marina dia fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy izao zavatra mitranga izao , amiko dia fiarovan-tombontsoa no mahamaika ireo olona milaza fa tia tanindrazana ireo, izao foana no fiainan'ny mpitondra fanjakana eto : ny efa "eo" mifikitra mafy tsy te-hiala , ny "tsy mbola nitondra" te-ho eo mba hambotry vahoaka , ny" efa teo taloha" te-hiverina eo indray hangoronkarena na hanonitra ny nangalarina fa lany tany am-pifindrana monina....izay no izy fa ankoatr'izay dia resaka blabla sy wawawawawa fotsiny , heverina fa bado foana angamba ny vahoaka....
8. rakhaba ( 08/05/2013 11:20)
Misy 41 izy ireo afaka hisafidianana tsara koa mahaiza ary misafidy mba tsy hisian'ny nenina e ! Hipoitra eo izay mamim-bahoaka aorian'ny 24 jolay 2013 raha tsy hoe hanjaka indray ny herin'ny vola.
9. hadji ( 08/05/2013 12:18)
marina izany rakhaba a okay fa tena misaina ianao
10. pisoonja ( 08/05/2013 13:41)
marina ny anao madatsata a , tena tsy misy ilavana azy daholo ireo 41 ireo , raha mba misaina na kely akory aza ireo tsy nirotsaka teo , mba fantatr'ireo moa fa tsy misy mpitia ireo rehetra ireo mamafy vola fahatanitany fotsiny , raha olon-kendry ireo ny caution+n'ny holaniana @ propangade narotsaka namoronana asa ho an'ny tsy an'asa , nefa nofy zany , ireo rehetra ireo dia efa samy teo @ fitondrana avokoa, midika izany fa nangoron-karena daholo izany ireo teo , ny tsy teo moa mazava ho azy fa mafia na franc maçon , noho izany hivadika biby ty firenena ty atsy ho atsy raha tsy mitandrina isika @ io fifidianana ho avy io , mampalahelo o
11. pisoonja ( 08/05/2013 13:42)

12. hery ( 08/05/2013 13:52)
dia tsy hifidy izany i pisoonja?

13. pisoonja ( 08/05/2013 13:56)
tena aleo tsy mifiyd fa tsisy tiko sady mpanararaotra no betsaka, raha misy tena olona hitondra firenen dia tsy nirotaka ho @ io zavatra mampe io , tena manala baraka ny maha gasy ahy io zvt misy io marina e
14. hadji ( 08/05/2013 14:05)
dia very zo ange enao pisoonja e
15. rakhaba ( 10/05/2013 06:07)
Ka efa safidy anie izay nataon'i pisoonja izay e, safidiny ny tsy hifidy
hadji:

dia very zo ange enao pisoonja e
16. pisoonja ( 10/05/2013 06:21)
tena marina ny anao rakhaba fa tena nisafidy ny tsy hifidy aho , ny dikany satria tsy te ho tompon'ndraikitra @ tsy fetezana @ izao mpitondra fitondrana manirikiry izao aho
17. moi ( 10/05/2013 08:26)
cbd : f'angaha rehefa tsy Ravalo dia Rajoelina ? Zay mihitsy no toe-tsaina borné fahita eto ! azafady fa mahery ihany ny fiteniko !
hery : antony entin'ireo manohana Ravalo tokoa io, izy ihany no probable mahaongana an'i Rajoelina ! fa ny ahy dia ny vavaka no angatahako amintsika, fa kajikajy ara-tsaina ihany izany !
Madatsara : Inoako fa rehefa avy eo dia ny zanany no handimby azy ! ho tafatsangana ny empire TIKO !

ENTO AM-BAVAKA NY OLONA SITRAK'ANDRIAMANITRA HANAVOTRA ANTSIKA, hanampya anao dia FANTARO IREO KANDIDA REHETRA IREO araka izay tratra fa raha tsisy safidy ao anatin'ny 41 ianao, hiandry kandida firy vao hahita hisafidianana ?
18. andrywui ( 10/05/2013 08:29)
Tonga de lazao ry moi ze kandida tianao asongadina faza miodikodina mou e ,,mbà mahitsy !!
19. hery ( 10/05/2013 08:33)
pisoonja:

tena marina ny anao rakhaba fa tena nisafidy ny tsy hifidy aho , ny dikany satria tsy te ho tompon'ndraikitra @ tsy fetezana @ izao mpitondra fitondrana manirikiry izao aho

Ny dikan'izay dia manaiky izay vokany mitranga eo ianao na dia tsy safidinao aza... dia aza mimenomenona raha sendra misy olana rehefa avy eo.

Eritrereto hoe misy olona 100 dia misy kandidà 2. Ny 90 dia sady tsy tia an'ilay kandidà n.1 no tsy tia ny kandidà n.2 noho izany tsisy nifidy. Ny 10 sisa nifidy kosa dia nifidy ny kandidà n. 2. Lany ilay kandidà n.2 na dia vitsy an'isa aza no nifidy azy.

Dia faly amin'izany ve ny mpifidy 90 ?
novalian'i hery ny 10/05/2013 08:33
20. rakhaba ( 10/05/2013 08:49)
fa tadidio anefa fa ny safidy ny "TSY HIFIDY" dia efa fanekena sahady izay mety ho vokatry ny fifidianana eo fa tsy hoe : "tsy tompon'andraikitra amin'izay tsy fetezana izay ho ataon'ny Mpitondra ho lany eo". Ny tsy fifidianana no nahatonga io vokatra io, tompon'andraikitra ianao amin'izany fa tsy afa-miala ka
hery:

pisoonja:

tena marina ny anao rakhaba fa tena nisafidy ny tsy hifidy aho , ny dikany satria tsy te ho tompon'ndraikitra @ tsy fetezana @ izao mpitondra fitondrana manirikiry izao aho

Ny dikan'izay dia manaiky izay vokany mitranga eo ianao na dia tsy safidinao aza... dia aza mimenomenona raha sendra misy olana rehefa avy eo.

Eritrereto hoe misy olona 100 dia misy kandidà 2. Ny 90 dia sady tsy tia an'ilay kandidà n.1 no tsy tia ny kandidà n.2 noho izany tsisy nifidy. Ny 10 sisa nifidy kosa dia nifidy ny kandidà n. 2. Lany ilay kandidà n.2 na dia vitsy an'isa aza no nifidy azy.

Dia faly amin'izany ve ny mpifidy 90 ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1213