Lalao Ravalomanana - Mila Fanazavana

21. moi ( 10/05/2013 08:55)
andrywui : tsy miodikodina zany za fa tena mamantatra aloha, misimisy ny voatily, fa tsy akatoko eo akory ny fijery ary azo eritreretina ny miverina amin'ny efa naloa, satria ho'a tsy akatona ny fijery ! fa mandra-paha dia mandrangitra anareo efa tsy mahita afa tsy kandida iray ireo !
22. rakhaba ( 10/05/2013 09:02)
Tokony ho faly ihany ny mpifidy 90 na tokony sady tsy mangatsiaka no tsy mafana satria vokatry ny safidiny anie io e, vokatry ny safidiny "TSY NIFIDY"
23. pisoonja ( 10/05/2013 09:21)
Iza aminareo eto @ serasera ary no afaka milaza fa iray amin'ireo kandida @ ireo 41 nilatsaka ireo no nofidin'Andriamanitra hitondra ity firenena ity ? , olona tia tena daholo ireo , jereo ny antecedant n'ireo rehetre ireo,efa mpitondra teo ny ankamaroany , iza no mba nijery ny fiainan'ny vahoaka.
Ravalomanana mbola tsy miaiky ny hadisoany ihany fa mbola mametraka ny vadiny ho eo , tsy midika ve izany fa te hanao fitondrana faha-mpanjaka izy?
Rajoelina efa hita fa tsy nety ny natao teo, mbola hitady excuse inona ndray?
ny ampy dia kandida avy @ izy roa tonta ihany politika natao hanaparitahana vato fotsiny e!
Ny FFKM natao hanirina indray vao nampivandravandra , ary aza adinoina fa tsy ny FFKM ihany anie ny fiangonana misy eto, manana olona maro be ireo fiangonana zandriny tsy maneho hevitra ireo ao anatin'ny FFKM ireo?
Raha izao no mitohy na hisy fifidianana ary eto tsy maintsy hisy korontana eo , nefa kosa hiara-hivavaka ho an'ity Madagascar ity isika mba tsy hisy anie izany satria ny fivavaky ny maro no mahery indrindra.
24. 5laody ( 10/05/2013 09:43)

pisoonja:

tena aleo tsy mifiyd fa tsisy tiko sady mpanararaotra no betsaka, raha misy tena olona hitondra firenen dia tsy nirotaka ho @ io zavatra mampe io , tena manala baraka ny maha gasy ahy io zvt misy io marina e

Aza atao lo toy izay omen-kavana aky ilay feo a!
anontanio ireo fa be ny mitady valo lol
25. moi ( 10/05/2013 10:02)
Efa tsy nampidirina FFKM ny sasany ka tokony hanangana FFZM (Fiombonan'ny Fiangonana Zandriny eto Madagasikara) koa ireo fiangonana zandriny. Dia hamory mpizaika, izay tsy namonjy iny tao amin'ny FFKM iny, sa ahoana moa ? Hevitra ihany izay, dia raha mifanipaka amin'ny an'ny FFKM ny tapaka eo, tsy vao maika hanahirana ?
Fa ny iombonako hevitra aminao ity hoe "tsy maintsy hisy korontana,(...) hiara-hivavaka"
Izay lany eo tsy lany e ! Ny mpanohitra ve hanaiky eo hoe lany madama, ary madama ve hanaiky hoe ramose foana kosa ! efa mitovy zo zao ... toa mandany andro eto fotsiny isika fa mbola tsy hita zay hangirana e !
26. pisoonja ( 10/05/2013 10:16)
(Efa tsy nampidirina FFKM ny sasany ka tokony hanangana FFZM (Fiombonan'ny Fiangonana Zandriny eto Madagasikara) koa ireo fiangonana zandriny. Dia hamory mpizaika, izay tsy namonjy iny tao amin'ny FFKM iny, sa ahoana moa ? Hevitra ihany izay, dia raha mifanipaka amin'ny an'ny FFKM ny tapaka eo, tsy vao maika hanahirana ?)
Impiry moa ny FFKM no niteny, jereo fotsiny lay teny antanimena , tsy manana valeur juridique anie ny FFKM , sonia natao tany Maputo ary juridique , lavina maika fa fehin-kvt tapaky ny FFKM , tsy misy mihaino io
sahirana zao ny tgv fa tsy maintsy hiala dia hangataka @ izay i ra8 fa hody satria efa Beriziy sy mamy rakotoarivelo no eo , mazava hoa zy fa miditra izy no problème
tena tsy mandany andro isika , eo no fanehoan-kvt satria tsy mahazo miakatra plateau, serasera nge no eto e
27. bazylou ( 22/05/2013 23:17)
resa pianakaviana ny an'ilay 8 e. Laingany ankoatr'izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759