Mbola mitohy mandraka ankehitriny ve ny asan'ny Apostoly ?

1. bor2lais ( 02/03/2013 14:34)
Isan'ny boky mahasarika ny saiko io boky iray io ao amin'ny Baiboly raha ny eo amin'ny endriny (forme) no jerena : misy fampidirana saingy tsy misy fiafarany (mazava). Misy heviny ara-panahy ve izay araka ny fandraisantsika azy ?

Voalaza eo amin'ny Asa 1.8 "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."

Azo raisina ho Asan'ny Apostoly mbola tsy vita (mandraka ankehitriny) ve io hafatra io ? Ahoana ny hevitrao ? :-)
novalian'i Miharena ny 08/03/2013 14:48
2. Nehemiah ( 02/03/2013 14:48)
Azo antoka aloha fa ny Asa. 1:8 dia tsy miantefa @ mpianatra sy Apôstôly t@'izany ihany fa ho antsika rehetra izay mino sy manompo an'i Kristy. Jusqu'au bout du monde !

Rehefa miverina @ voninahiny Izy no vita io andraikitsika io.
3. Miharena ( 02/03/2013 15:03)
Mba nahazo hafatra toa io koa ny Silamo. Ka asa hoe iza no manana anjara andraikitra hizara amin'iza?

Fa sao dia momba ny endrik'i Krsity no marina tiaNY hivoitra avy amin'ny Apostoly sy izay mino AZY fa tsy ny fitoriana ny asaNY? Izany hoe ilay fisehon'y fiasan'ny Fanahy Masina mihitsy, vokatry ny maha-iray ao amin''Andriamanitra Ray?
4. leva2 ( 03/03/2013 06:40)

Miharena:

Velona Jesosy!

Izay hafatra ho an'ny silamo aloha tsy hidirantsika satria mazava fa tsy mpianatr'i Kristy ireny.

Raha ny marina namana miharena dia samy izy daholo ireo resahinao ireo : Sady tokony hahitana taratra ny endrik'i Kristy isika amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina miasa ao anatintsika ka mahatonga antsika ho Fanasina sy Fahazavana eo amin'ny manodidina antsika, no sady koa irahiny hitory sy hanohy ny asany isika ary hamita izay tsy vitan'ny teo aloha, dia ny hitory ny filazantsara izany, hijoro vavolombelona ny maha-Andriamanitra velona sy Mahery Azy.

Io ilay oharin'ny Tompo amin'ilay hoe mamoa avo telopolo heny, enimpolo heny, zato heny, ilay mandeha manao ny asa ka mitaona ny olona ho amin'ny famonjena.

Mahereza namana fa be ny asa andrasan'ny Tompo amintsika, fa efa nomeny hery isika amin'izany!
5. Tefigasy ( 04/03/2013 04:29)
bor2lais:

Isan'ny boky mahasarika ny saiko io boky iray io ao amin'ny Baiboly raha ny eo amin'ny endriny (forme) no jerena : misy fampidirana saingy tsy misy fiafarany (mazava). Misy heviny ara-panahy ve izay araka ny fandraisantsika azy ?

Voalaza eo amin'ny Asa 1.8 "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."

Azo raisina ho Asan'ny Apostoly mbola tsy vita (mandraka ankehitriny) ve io hafatra io ? Ahoana ny hevitrao ? :-)

Ny tena marina angamba dia hoe "Asan'ny Fanahy Masina" no tokony hilazana azy fa tsy "Asan'ny apostoly (mpianatra)". Noho izany tsy hifarana mihitsy izany asan'ny Fanahy Masina izany raha tsy miala eto ambonin'ny tany Izy.
6. toriteny ( 04/03/2013 07:59)

Tefigasy:

+1 Asan'ny Fanahy MAsina mihitsy no tokony ho izy fa tsy asan'ny Apostoly fa manjary ilay Apostoly indray no lasa misandratra nefa maniraka ny iraky ny FAnahy MAsina tahaka antsika ihany izy ireo. LAsa mamitaka olona mantsy ka lasa misy apostoly asandratry ny olona nefa tokony Jersosy sy ny Fanahy MAsina ihany no hasanndratra
7. Nehemiah ( 04/03/2013 08:03)
Raha ny marimarina kokoa izany dia ny Fanahy Masina no niasa t@ Apôstôly ary @ alalan'ny Apôstôly (sady izay rahateo no lohahevitry ny Asan'ny Apôstôly iray manontolo).
8. bor2lais ( 04/03/2013 09:52)
Misaotra anareo amin'ny fanamarihana ! Iombonako ilay resaka hoe asan'ny Fanahy Masina tamin'ny apostoly no ambaran'io boky io ! Tsy iadiako hevitra ny amin'iny, fa ny tiana avoitra fotsiny dia ilay boky tsy misy "conclusion" izay azo heverina tsy mbola fahavitan' ny asa iraka nampanaovin'ny Tompo !

Io mbola tsy fahavitan'ny asa iraka io no itarihana ny saintsika mba hanana fahamalinana satria METY irika idiran'ilay ratsy ihany koa ! Ary izay no antony izahan-toetra mandrakariva ny fanahy raha tena Izy marina na tsia ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa izay ka mba tiako zaraina ! ;-)
9. Miharena ( 04/03/2013 11:39)

irika idiran'ilay ratsy ihany koa !

Ny fizahan-toetra ny fanahy dia isika ihany no manao azy hoy ilay resaka eto! dia ahoana no hahafantarana fa izy ilay fanahy na tsy izy? Mba zarao ilay fomba fijerinao namana a!
10. toriteny ( 04/03/2013 12:14)
Ianao ve izany tsy mbola nizaha toetra fanahy?

Ny fanahy tsy izy:
-Tsy manaiky an'i Jesosy ho Tompo sy ho famonjena tokana (tonga nofo, maty, nalevina, nitsangana tamin'ny maty)
-Tsy manaiky iny fanekem-pinoana kristianina iny
-tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny baiboly ny zavatra teneniny

Tadidio fa tsy évident ohatran'ny taloha intsony ny zana-tsipikan'ilay ratsy an. Nisy olona izay nanome tsiny an'i Adama sy Eva hoe mba tsy misaina koa ry zareo efa hita hoe tsy izany ny sitrapon'Andriamanitra dia mbola nihinana ilay paoma ihany nefa ny paoma sy ny fruit feno nanerana ny saha maninona raha noana no tsy naka voankazo tany an-kafa?

Mora amintsika ny miteny an'izany fa ny olona dans 2 siècles koa raha mbola tsy tonga eny amin'ny raon'ny lanitra Jesosy mety hiteny koa hoe inona ary no tsy handraisan'ireo olona tamin'ny 2013 ireo ny famonjena sy hanaovana ny sitrapon'Andriamanitra nefa mora anie ny miditra ao é. Tsy haiko exemple fotsiny iny.

Ny tiako tenenina dia fetsy satana fa miambena dia zahao toetra foana ny fanahy ary mampiasa ruse tsy ho takatry ny sainao mihitsy satana hisitomana olona ho any aminy
11. bor2lais ( 04/03/2013 12:17)
miharena:

dia ahoana no hahafantarana fa izy ilay fanahy na tsy izy?

Amiko kosa aloha ny fanahy mampiteny an'i Jesoa fa tsy misy ny devoly dia mahavelom-panontaniana (mba tsy ilazana hoe tsy Izy) ihany a ! ;-)
12. toriteny ( 04/03/2013 12:27)
ampiako kely, satana mahay tsianjery baiboly an!! Ary izay no mahasolafaka ny olona maro, izay miheritreritra fa satana tsy hiteny ny anaran'i Jesosy mihitsy, tsy hiteny baiboly.

Fa mahay baiboly satana fa tsy hankatoaviny ny ao anaty baiboly dia ireo eo ambony ireo
13. Miharena ( 04/03/2013 12:51)
Bor2lais:

miharena
dia ahoana no hahafantarana fa izy ilay fanahy na tsy izy?

Amiko kosa aloha ny fanahy mampiteny an'i Jesoa fa tsy misy ny devoly dia mahavelom-panontaniana (mba tsy ilazana hoe tsy Izy) ihany a !

Toriteny:

ampiako kely, satana mahay tsianjery baiboly an!! Ary izay no mahasolafaka ny olona maro, izay miheritreritra fa satana tsy hiteny ny anaran'i Jesosy mihitsy, tsy hiteny baiboly.

Fa mahay baiboly satana fa tsy hankatoaviny ny ao anaty baiboly dia ireo eo ambony ireo

Dia tena mampiahiahy ireto valinteninareo satria izay voalaza ao anaty Baiboly ihany hoy ianareo no hanaporofoana fa diso ny filazana fa tsy misy ivelany ny devoly fa ao anatin"ny olona ihany (hoy Ilay Kristy arahiko io an!). Ianao anefa Toriteny dia manamafy fa mahay Baiboly koa anie Satana e! Hainy tanteraka io hoy ianao! Ka sao dia ianao mahay Baboly antsipirihany io izy koa dia mizara ami'ny hafa eto!

Fa raha tena zohina anie izany, samy devoly ihany zaiho sy ianareo e! samy mahay mamafy avy amin'ny Baiboly arakaraka ny filtren-tsika avy. Samy mahay manavaka hoe diso izatsy ary marina izaroa araka ny "Baiboly", samy mahay mandiso ny namana avy. Fa fanahy inona moa io entintsika mitsara ny namantsika io àry! Tsy fanahin-devoly ve, sa fanahy masina?

Dia hatraiza no fahamarinan'ny tenin'i Krsity Tompoko (fa tsy anareo an!) amin'izay voalaza izay?

Mila mandini-tena aloha vao mahafantatra hoe marina sa diso izay voalaza raha hizaha toetra ny fanahy ihany.
14. Nehemiah ( 04/03/2013 12:58)
Hermeneotika, hermeneotika, averiko hatrany hatrany...

Avelao i Andriamanitra hiteny. Manana hevitra ny Baiboly fa tsy izay tiantsika anaovana azy (ary valable ho an'i Miharena indrindrindrindra izany).
15. bor2lais ( 04/03/2013 13:57)
miharena:

Fa raha tena zohina anie izany, samy devoly ihany zaiho sy ianareo e!

Sanatria, tsy mbola nilaza mihitsy bor2lais fa devoly i miharena a ! :-) Ny fanahy miasa ao aminao ao in-1 no tsy fantatro ! ;-)
16. Miharena ( 04/03/2013 14:02)
Tsy aleo ve tenenina ny marina hoe : hermeneotika = fahaizana mitory teny e!

Aza asiana fijery ambadika io namana Nehemia fa izay no izy. Na iza na iza mihevitra fa mahay mitory teny, ary izaho sy ianao io mihitsy no lehibeny amin"izany ary ireo mpitarika isan-tokony rehetra.

Fa izany eo ihany fa ny olombelona rehetra izay nandalo teto ambonin'ny tany dia efa samy nandika izay fiandraisany izany atao hoe famoronana izany, izany hoe asan'Andriamanitra.

Fa ny tena mamandrika indrindra dia ny fandraisana teny ao anaty baiboly nefa maningotra anao sy ny namanao noho ny tsy fahaizanao nitory azy.
Ohatra iray : raha toa ka teny tsotra milaza ami'n namanao fa miaina ao anatiny ANdriamanitra araka ny andininy izatsy na izaroa no tokony holazainao, dia any amin'ny teny manalavitra Azy ny fon'ny namanao no ventesinao lalandava, dia tsy misy tombony ho anao sy ny namanao akory ny nitorianao teo satria mametraka enigme amin'ny namanao fotsiny no ataonao.
17. Nehemiah ( 04/03/2013 14:15)
Dia tsy azonao mihitsy ny dikan'ny hoe hermeneotika ? Ny hermeneotika dia fitambaran'ny fizotra enti-manatsoaka ny hevitra tena tian'ilay mpanoratra ampitaina. Namerina an'izay injato aho. Ny Soratra Masina ihany no azo anazavàna ny hevitry ny Soratra Masina, fa tsy azo atao ny mampiditra hevitra izay tsy ao anatin'izay tian'ny mpanoratra ampitaina.

Izaho moa tsy mba tonga lafatra, fa miezaka aho hametraka ny lohahevitro @ fomba takatry ny daholobe, mampiasa teny tsotra, fa saingy zavatra mitombina sy mari-pototra tanteraka no ezahako apetraka.
Nefa mba te-hanamarika etoana aho fa tompon'andraikitra @ hevitra voizin'ny teniko ihany aho, fa tsy mba tompon'andraikitra @ interprétation fôpla anaovan'ny olona azy.
18. Miharena ( 04/03/2013 14:45)
Nehemiah:

Nefa mba te-hanamarika etoana aho fa tompon'andraikitra @ hevitra voizin'ny teniko ihany aho, fa tsy mba tompon'andraikitra @ interprétation fôpla anaovan'ny olona azy.

Marina ny anao fa tompon'andraikitra tokoa na izaho na ianao fa rehefa mahita interprétaion fôpla koa dia manitsy e! Ny olana fotsiny dia raha tsy tonga lafatra tsy afaka manao ilay an'ny hafa hoe fôpla.
Mila mitandrina ihany an!!
Mandini-tena aloha eo!!

Sa ahoana?
19. bor2lais ( 04/03/2013 14:54)
HS kely
etsy ambony:

interprétation fôpla

Tandremo fa mety manindrona ny namana sasany ny voambolana tahaka itony a ! ;-)
20. toriteny ( 04/03/2013 15:01)
Miharena:

Dia tena mampiahiahy ireto valinteninareo satria izay voalaza ao anaty Baiboly ihany hoy ianareo no hanaporofoana fa diso ny filazana fa tsy misy ivelany ny devoly fa ao anatin"ny olona ihany (hoy Ilay Kristy arahiko io an!). Ianao anefa Toriteny dia manamafy fa mahay Baiboly koa anie Satana e! Hainy tanteraka io hoy ianao! Ka sao dia ianao mahay Baboly antsipirihany io izy koa dia mizara ami'ny hafa eto!

Ka zay anie hoa no teneniko é. Izahao toetra ny fanahy na izaho na olon-kafa. FA aza mahatoky fotsiny hoe efa pasitera io ka marina foana no teneniny, efa mompera io, efa pape io fa marina foana ny teneniny.

Raha tsy mifanaraka amin'ny baiboly ny zavatra teneniko fa mitarika ny olona hivona amin'ny baiboly aho ka tsy mankato ny baiboly dia tsy izy izany ny fanahy ato anatiko. Saingy fakafakao tsara aloha vao miteny fa sao dia hiteny ratsy ny FAnahy MAsina eo ianao ny hiafarany. Raha izaho manko no enjehinao, efa niomana an'izany aho vao nanaiky Azy teo amin'ny fiainako fa raha ilay FAnahy izay mampiteny ahy... sao lahy hanenenana e!!!

Miharena:

Fa raha tena zohina anie izany, samy devoly ihany zaiho sy ianareo e! samy mahay mamafy avy amin'ny Baiboly arakaraka ny filtren-tsika avy. Samy mahay manavaka hoe diso izatsy ary marina izaroa araka ny "Baiboly", samy mahay mandiso ny namana avy. Fa fanahy inona moa io entintsika mitsara ny namantsika io àry! Tsy fanahin-devoly ve, sa fanahy masina?

Fa iza no mitsara é. Omeo ahy hoe ny passage nitsarako anao?

Ary ny tiako tenenina amin'ny hoe ny devoly mahay tsianjery baiboly fa tsy mankato ny lazainy ao ohatra dia Jesosy raha nalain'ny devoly fanahy ao amin'ny MAt47:1-11 dia tenin'Andriamanitra no nampiasainy hangalana fanahy Azy.

Ohatra hoy ny devoly tamin'i Jesosy rehefa noana Izy: "Raha Zanak'Andriamanitra ianao , dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto" Hain'i devoly anie hoe misy an'izany ny baiboly é fa saingy tsy hankatoaviny ilay maha zanak'Andriamanitra an'i Jesosy raha tsy izany tsy no-tester ny sy nalainy fanahy tamin'izany maha zanak'Andriamanitra an'i Jesosy izany izy

Dia hanontaniako ianao firifiry moa amin'izao ny fiangonana mitory teny nefa tsy manaiky sy mahafantatra an'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra akory?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8933