Mbola mitohy mandraka ankehitriny ve ny asan'ny Apostoly ?
21. Miharena
(
04/03/2013 16:05)
Toriteny:
Ohatra hoy ny devoly tamin'i Jesosy rehefa noana Izy: "Raha Zanak'Andriamanitra ianao , dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto" Hain'i devoly anie hoe misy an'izany ny baiboly é fa saingy tsy hankatoaviny ilay maha zanak'Andriamanitra an'i Jesosy raha tsy izany tsy no-tester ny sy nalainy fanahy tamin'izany maha zanak'Andriamanitra an'i Jesosy izany izy
Dia hanontaniako ianao firifiry moa amin'izao ny fiangonana mitory teny nefa tsy manaiky sy mahafantatra an'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra akory?
Toriteny moa no anarana indrana nentinao ka miala tsiny aminao raha manafintohina anao ny fahitsiam-pitenenako ka hilazanao fa miteny ratsy ny Fanahy Masina aho. Tsy izany velively no tiana hahatongavana rehefa miresaka toy izao.
Fa raha hiverina ny fahazoanao io resaka nifanaovan'ny Devoly io aho dia miverina amin'ny resaka nolazain'i Jesoa hoe ao anatin'ny olona ihany ny devoly. Fantatrao fa rehefa tonga nofo Jesoa dia niaina ny maha-olobmbelona feno AZY koa. Izany hoe ny ratsy koa afaka hiseho ao anatiny. Izay no nahatonga ny fakam-panahy aseho eto.
Samy manana ny fomba fijeriny aloha, fa ny fanontaniako fotsiny dia hoe : Raha fantatrao fa izany no marina kokoa,tsy azonao antoka ve ny fifantohanao kokoa ao anatinao ao ka mandresy ny fakam-panahy, toy izay hiteny fotsiny hoe : ny devoly dia ivelany ary manao amboletra hiditra ao aminao? Ianao no tsy mahay manadio ny tranonao dia ny devoly no omenao tsiny? Mila manana responsabilité ihany isika namana fa aza dia minia mikimpy rehefa atoro ny marina a! Ary ohatra velona io fakam-panahy io arak'i Kristy. Mandresy IZY, dia mandresy izaho sy ianao.
Ary raha hiteny moa ianao hoe tsianjery ny an'ny devoly, dia ianao mihitsy izany no tratran'izany toetra izany fa tsy izaho. Ny ahy manko tsy haiko tsianjey io Tenin'Andriamanitra io fa miaina izy io ary manoro miandalana amiko ny marina rehetra, na io ao anaty Baiboly, na io teneniNY mivantana amin'olona, na io teneniNY mivantana amiko ary azoko tarafina ao anaty Baiboly hatrany izay fahamarinana izay.
Ohatra iray : Mpanota ny olombelona hoy ny Baiboly: Marina izany satria devoly no ampahany ao anatiny, dia manamarina ny filazan'i Kristy hoe tsy ivelany ny devoly fa ao anatin'ny tsirairay ihany.
Koa aza ferana re ny finoana namana fa izahao toetra ny finoanao avy amin'ny fampianarana be dia be mitosaka, na iza na iza nampitondraina izany.
Iray amin'io dia mba jereo kely ny momba ny fanitsiam-pampianarana nataon'i Dadatoa Rakotozandry (tendrenao fotsiny io amin'ny google). Ho hitanao ao fa afaka mandresy ny devoliny avy ny olona tsirairay. Ka Jesosy manao ahoana no niteny taminy izany? Tsy ilay noresahako ihany ve fa saingy tamin'ny olon-kafa tany andafy tany no nitenenany azy? Ary eto dia Gasy nampitondraiNY hafatra no miteny amintsika io fahamarinana io.
Misy fandalinana be dia be aloha vao afaka miteny sy manamarina araka ny teny hoe izahao toetra ny fanahy. Fa raha izay nodiavina izay angamba efa voazaha daholo ihany. Ary aza manao an-tsaina mihitsy ianao hoe misy Tompo ahiko tsy itambrako aminao izany. IRAY ihany no Tompo fa ny mampisaraka ahy sy ianao dia rehefa fefena amin'ny fefy atsangantsika avy ny finoantsika fa tsy iainantsika sy asehontsika araka ny teny hoe : tsy misy manao jiro any ambany vata famarana.
22. Nehemiah
(
05/03/2013 05:44)
bor2lais:
HS kely
etsy ambony:
interprétation fôpla
Tandremo fa mety manindrona ny namana sasany ny voambolana tahaka itony a ! ;-)
Angamba efa azon'ny namana rehetra an-tsaina fa tsy raharahako ny politiquement correct ary tsy raharahako koa ny politiquement incorrect ;).
Ny interprétation fôpla ( :D ) dia izay tsy azo avy @ hermeneotika marim-pototra.
23. Nehemiah
(
05/03/2013 05:47)
N.B. : Raha toa ka misy mahita ahy manao hermeneotika fôpla dia vonona ny hahitsy an'izay aho, fa alohan'izay, diniho tsara ny dikan'izay sy ny fizotra ampiasaina entina hanao an'izay.
24. moustaraf
(
05/03/2013 15:14)
Salama namana,
Asa 1.8 "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."
Faminaniana tena lehibe io ry namana isany, ary io no lalana izoran'ny fampianaranan'ny APOSTOLY na tonjozotra.
Mila mahalala tsara ny tantara sy ny faminaniana isika vao afaka manazava an'io faminaniana io:
Jerosalema sy jodia= fanjakan'i JODA (babo tany Babylona ary efa Nody)
samaria= fanjakana Israely (Babo tany Asyria, mbola tsy nody mandraka ankehitriny)
Araka ny faminaniana (maro) dia lasa any @ faran'ny tany ilay Israely babo tany ASYRIA,
azavaina ao @ bokin'i Zefania, Isai, fa:
faran'ny tany = nosin-dranomasina= nosy lavitra = MADAGASIKARA
Raha niteny an'io teny "faran'ny tany" io ny Mesia dia nahalala tsara, fa "Ireo ondry mbola ivelan'ny vala= israely babo ,lasa lavitra), dia hoangonina ka any @ ilay Nosy lavitra no misy azy ireo; ary any no atao ilay "faninjiran-tanana fanin-droany"

25. Miharena
(
05/03/2013 15:51)
Ka samy efa eto ihany isika namana Moustaraf, fa mety azonao tsara ve ny fiombonan'ny zava-drehetra eto satria efa betsaka ny olona no mahazo faminaniana sy iraka?
Fa ny endrika entinao maneho ilay izy ho ara-paritra no misy kiana kely araka ny fahitako azy. Ny faran'ny tany dia tsy manome faritra no fandraisako azy fa fiafaran'ny fanjakan'ny tany ary fipoiran'ny Fanjakan'ny Lanitra. Ilay Edena Vaovao hifohazan'ny olon-drehetra io lazaiko io ka ho rava ny efitra manasaraka rehetra amin'Ilay Mpahary.

26. toriteny
(
05/03/2013 19:45)
Miharena:
Toriteny moa no anarana indrana nentinao ka miala tsiny aminao raha manafintohina anao ny fahitsiam-pitenenako ka hilazanao fa miteny ratsy ny Fanahy Masina aho. Tsy izany velively no tiana hahatongavana rehefa miresaka toy izao.
:-)Za tsy tezitra izany kah. Sanatria izany. Ny ho faty noho ny Anarany sy ny filazan-tsara aza ho tadiavina maika fa fanenjehina eto amin'ny forum?
Miharena:
Samy manana ny fomba fijeriny aloha, fa ny fanontaniako fotsiny dia hoe : Raha fantatrao fa izany no marina kokoa,tsy azonao antoka ve ny fifantohanao kokoa ao anatinao ao ka mandresy ny fakam-panahy, toy izay hiteny fotsiny hoe : ny devoly dia ivelany ary manao amboletra hiditra ao aminao? Ianao no tsy mahay manadio ny tranonao dia ny devoly no omenao tsiny? Mila manana responsabilité ihany isika namana fa aza dia minia mikimpy rehefa atoro ny marina a! Ary ohatra velona io fakam-panahy io arak'i Kristy. Mandresy IZY, dia mandresy izaho sy ianao.
Za ve niteny hoe ny devoly dia ivelany ary manao amboletra hiditra?
Miharena:
Ary raha hiteny moa ianao hoe tsianjery ny an'ny devoly, dia ianao mihitsy izany no tratran'izany toetra izany fa tsy izaho. Ny ahy manko tsy haiko tsianjey io Tenin'Andriamanitra io fa miaina izy io ary manoro miandalana amiko ny marina rehetra, na io ao anaty Baiboly, na io teneniNY mivantana amin'olona, na io teneniNY mivantana amiko ary azoko tarafina ao anaty Baiboly hatrany izay fahamarinana izay.
:)Ary ilay mizaha toetra fanahy mihitsy kay no tsy azonao. Ny mizaha toetra fanahy dia toy izao:
misy olona tonga ao an-tranonao mitory teny, mitondra baiboly na andeha hatao hoe tori-teny amin'ny télé fa sao de miditra eto jajaly sy ny TJ :).
Tsy tonga dia raisinao ho fampianarana ny zavatra teneniny fa izahanao toetra aloha ilay fanahy miteny ao amin'ilay olona (fa tsy ny fanahinao akory no zahanao toetra :) ) hoe mifanaraka amin'ny baiboly ve ny teneniny, mitory an'i Jesosy maty, nalevina, nitsangana ary niakatra tany an-danitra ve izy, manaraka iny fanekem-pinoana iny ve ny fampianarany sa mivoana, ny sitrapon'Andriamanitra ve no ampitainy sa fampianatra zavatra hafa mihitsy .
Fa tsy matoky tena be fotsiny hoe efa mitondra baiboly, efa masina be ny fijery azy, efa miantso an'i Jesosy (araka ny tenenin'i bord2lais) dia hoe Fanahy MAsina foana no ao aminy ary marina foana ny lazainy.
Dia eo no miditra ilay noteneniko hoe na devoly aza afaka mitondra baiboly, mahay tsianjery ny baiboly fa tsy izay olona mitondra baiboly sy mitory teny antsika rehetra izao akory dia avy amin'Andriamanitra avokoa. Fa izahao toetra foana ny fanahy. NA eto amin'ny forum eto aza
Fa za tsy miteny akory hoe ny fanahinao no tsy izy :) ary hitako ianao tezitra be
27. Miharena
(
06/03/2013 08:07)
Namana Toriteny,
Mitovy ihany anie ireo resatsika ireo e! Tsy misy tsy mahazo izay lazainao mihitsy ka, mitovy amin'y teneniko ihany no nolazainao. Raha mahita fifanipahana ianao, dia mariho tsara.
Ny hany tsindriana fotsiny amin'ilay resakao hoe tonga hono i R.. hitory mitondra Baiboly dia hizahana toetra ny fanahy entiny eo. I R.. anie no miteny eo ary mamerina ny ao anaty Baiboly fotsiny izy fa rehefa manazava izy vao hita hoe : Hay heveriny fa izany kay no voalazan'ny Baiboly fa tsy izao!! Dia iza amin'ireo àry no fanahy zahana toetra, ny anao mandray sa ny azy mizara?

28. toriteny
(
06/03/2013 08:27)
Raha misy olona tonga ao aminao miteny hoe, tsy haiko ohatra talohan'ireny 21 Décembre 2012 ireny hoe andro farany amin'ny 21 décembre 2012.
Dia iza no hizahanao toetra? Ilay mitory ilay faraandro ny 21 décembre 2012 sa ianao mahalala izay lazain'ny baiboly ao amin'ny MAt24:36 hoe "Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala , na dia ny anjelin'ny lanitra aza afa-tsy ny Ray ihany"?

29. bor2lais
(
06/03/2013 08:49)
izaho:
Voalaza eo amin'ny Asa 1.8 "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."
Azo raisina ho Asan'ny Apostoly mbola tsy vita (mandraka ankehitriny) ve io hafatra io ?
Raha mamaky ny fifanakalozana eto amin'ity sehatra ity ny tenako toa mahita fa mbola tsy vitantsika akory kay ny eto "Jerosalema" e ! ;-)
Sa izaho no diso fijery ! :-)
30. Miharena
(
06/03/2013 09:29)
Toriteny:
Raha misy olona tonga ao aminao miteny hoe, tsy haiko ohatra talohan'ireny 21 Décembre 2012 ireny hoe andro farany amin'ny 21 décembre 2012.
Dia iza no hizahanao toetra? Ilay mitory ilay faraandro ny 21 décembre 2012 sa ianao mahalala izay lazain'ny baiboly ao amin'ny MAt24:36 hoe "Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala , na dia ny anjelin'ny lanitra aza afa-tsy ny Ray ihany"?
Efa mivaona isika namana ka hoy Bor2lais hoe hay tsy mbola vita izany ny fitoriana eto Jerosalema matoa tsy mbola fantatsika ihany hoe manahoana izany fanahy zahana toetra izany.
Ny olana mahatonga io namana dia rehefa raisina ilay teny dia manao ping pong ny olona. Dia mihodinkodina eo. Satria rehefa lazainao izy hoe izao no voalazan'ny Baiboly, dia misy mamaly manohana ny heviny koa hoe : ary tsy hitanao angaha ny voalazan'ity andininy ity?
Saika tsy vita ny fifamaliana teo amin'ny namana iray nitory tonga tato an-trano tamin'izay fotoana izay ary nisafoaka fotsiny aza izy avy eo fa tsy hitany mihitsy ilay vahaolana satria tsy voavahan'ny teny tao anaty Baiboly tiany nampitaina ny hafatra tiany hampitaina tamin'izay. Dia loza namana fa hay ity toriteny ity dia mampisaraka rehefa nodinihina. Ka ahoana tokoa àry no hamahana azy io namana Bor2lais fa ilay iraka dia sarotra be mihitsy?
Fa eo ihany isika, hoy ianao moa amin'ny fanontaniana namana Toriteny hoe ahoana ireny 21 12 12 ireny? Tsy nila namaky Baiboly akory dia efa fantatro fa tsy toy izay namaritany azy izany fara andro izany ary tsy toy ny voafaritra ao anaty Baiboly koa ilay izy.
Zava-miafina ny farandro namana ka izany no nilazan'i Jesoa azy arak'io teniny io.
31. toriteny
(
06/03/2013 09:51)
Miharena:
Efa mivaona isika namana ka hoy Bor2lais hoe hay tsy mbola vita izany ny fitoriana eto Jerosalema matoa tsy mbola fantatsika ihany hoe manahoana izany fanahy zahana toetra izany.
Tsy mivoana izany fa efa nisy nitory an'io mihitsy aho tamin'ny voalohandohan'ny décembre. Nefa izy mitory fibebahana dia raha tsy miorina tsara ao amin'ny baiboly ianao sy mizaha toetra ilay fanahy hoe araky ny baiboly ve, araka ny sitrapon'Andriamanitra ve (sitrapon'Andriamanitra hoa fa tsy sitraponao) dia tena azony (tsy azon'ilay olona fa azon'ilay mampiasa ilay olona sy nadresy lahatra ilay olona...fantatrao hoe iza)
Miharena:
Saika tsy vita ny fifamaliana teo amin'ny namana iray nitory tonga tato an-trano tamin'izay fotoana izay ary nisafoaka fotsiny aza izy avy eo fa tsy hitany mihitsy ilay vahaolana satria tsy voavahan'ny teny tao anaty Baiboly tiany nampitaina ny hafatra tiany hampitaina tamin'izay. Dia loza namana fa hay ity toriteny ity dia mampisaraka rehefa nodinihina. Ka ahoana tokoa àry no hamahana azy io namana Bor2lais fa ilay iraka dia sarotra be mihitsy?
MAnitsy sy manome azy ny tenin'Andriamanitra no adidinao fa adinina amin'ny rànao ny fahaverezan'iny olona iny raha tsy nanitsy azy ianao fa rehefa niteny ianao fa tsy nohainoany dia afaka aminy ianao izay. FA raha tsy niteny ianao no diso
Miharena:
Fa eo ihany isika, hoy ianao moa amin'ny fanontaniana namana Toriteny hoe ahoana ireny 21 12 12 ireny? Tsy nila namaky Baiboly akory dia efa fantatro fa tsy toy izay namaritany azy izany fara andro izany ary tsy toy ny voafaritra ao anaty Baiboly koa ilay izy.
Rehefa mitoriteny na mandresy lahatra olona dia tsara foana raha miainga amin'ny ao anaty baiboly fa manjary lasa hevitr'olona no mivoitra
Ny tian'i bord2lais tenenina dia tsy hotafita hatrany am-parantany hoy izy izany ny tenin'Andriamanitra raha tsy raisina ny fampianaran'ilay mitory teny amintsika rehefa hita hoe diso ny lazainy rehefa avy nozahaina toetra ilay fanahy. Dia hoy aho hoe: Fa aiza daholo isiaka manana ny mazava? Isiaka izany no handrasana hitory ny filazan-tsara hatrany amparan-tany
32. Miharena
(
06/03/2013 10:15)
Mbola eo amin'ilay hoe izahana toetra ny fanahy no manitikitika ahy namana Toriteny.
Amiko tsy ny olona tonga ao amiko mihitsy no hitarafako hoe fanahy inona no entiny aty amiko aty. Ny olana manko dia mety kipantsona fotsiny izy, fa tsy misy fanahy mihitsy itoriany amiko eo. Hoy ny Baiboly hoe : na dia miteny toy ny Anjely aza aho, ka tsy manana fitiavana, dia toy ny kipantsona tsara feo.
Dia eo no mitsara tena hoe sao dia izany izaho sy ianao mitory io fa tsy latsa-paka ilay zavatra toriana, na voahadihady tsara hahafahana manana antoka fa feno Fanahy Fitiavana isika miteny io.
Fa ilay hoe zahana toetra ny fanahy, ny fahitako azy dia rehefa misy fanahy (tsy olona) miresaka aminao, dia zahana toetra izy. Ohatra velona, misy ny Mpitan-kazomanga miresaka ami'ny fanahy iray izay manoro azy ny tokony hatao. Mitantara izy ohatra (ohatra marina ity arosoko ity an!) tapitra nodoran'ny olona ny ala fa tonga ny krizy 2009. Nolazain'izy rehetra fa Magro-ny hono ireo ala ireo, dia nodorany mba hahafahany manao saribao tsy ara-dalàna. Niseho ny fanahy tamin'ny Mptitan-kazomanga nilaza hoe : simba ny tany ka mila manavotra azy ianao. Mijoroa fa ilaina ny asanao amin'izao tranga misy izao. Tsy nolazainy ny anarany fa izay ihany no hafany.Dia ahoana àry no hizahanao toetra io fanahy io ? Miaraka amin'Andriamanitra ve izy io sa tsia? Fa ny Kristianina manko dia mandà tanteraka ny asan'ny Mpitankazomanga.
Raha tsy manao fanadihadiana lalina isika dia mety hitsara io fanahy io amin'ny saina bontolo fotsiny araka ny referansa Baiboly alentika tsara ao andohantsika ao.
Ny olana tiana avoitra amin'izany dia mety tsy hanana fanahy afaka manavaka isika raha toa ka mpanao tsianjery.

33. toriteny
(
06/03/2013 12:11)
tsy haiko intsony ny manazava anao ohatran'izay kah. Zavatra simple be izany fa tsy azoko hoe aiza no tsy ahafahanao manakatra azy
34. Miharena
(
06/03/2013 15:35)
Aleo àry averina amin'ilay lohahevitra amin'izay izy ity e!
Ny zavatra hita sy iainana ankehitriny no hamaliana ilay hoe mbola manohy ny asany ve ny Apostoly hatramin'izao?
Dia Eny no valiny. Be dia be izy no efa nifanesy teto amintsika hatramin'ny nidiran'ny fivavahana Kristianina teto. Fa ny talohan'izany koa, dia nisy ny Mpitahiry Soratra tao atsimo andrefan'i Madagasikara tao ary niaraka niasa tamin'Andrianampoinimerina. Ary nony niditra ny Baiboly feno dia mora tamin'ny Malagasy ny nandray azy ary niteraka olomasina maro. Taratry ny asan'ny Apostoly ny ataon'ny Fifohazana ankehitriny. Ary tsy azo tsinontsinoavina koa ireo olona maro nahazo fanomezam-pahasoavana hanasitrana eto amintsika. Ny faramparany malaza izao dia ilay Dahalo niova fo.