Nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana samy hafa isika rehetra

1. niryna ( 14/02/2013 07:12)
Dia mbola miarahaba ny rehetra ihany ny tenako ary misaotra an'Andrimanitra lehibe hatrany aho fa mbola nomeny fotoana hizarana ny Teniny isika tsirairay avy.
Aleo ary tonga dia hazava araka ny hafatra nomeko eo ambony io fa nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana samy hafa isika rehetra

kristy no lohan'ny fiangonana ary izay rehetra manana ny fiangonana dia tokony ho kristy no lohany raha hoe kristiana izy izany an.
Misy fizarazarana ny vatan-tsika ka hita ao na maso na sofina na tongotra na vava na ny tanana.
Tsy afaka misaraka ireo fa mifandray avokoa.Hoy ny fanazavana ao anaty baiboly hoe : moa ve ny tongotra hiteny ny maso hoe tsy mila anao aho na ny vava hiteny ny sofina hoe tsy mila anao aho?
Samy nomen'Andriamanitra fahasoavana avokoa isika ary tsy ary mitovy izany,toy izany koa ny fiangonana,tsy mitovy ny fiangonana fa ny rafitra dia ny hoe finoana an'i kristy ho Mpamonjy antsika .Samy mino fa tonga tety an-tany koa izy ary naka ny endrintsika ilay Andriamanitra.
Hoy ny 1 Korintiana 12 ary manao hoe : ..fantatrareo fa fony jentilisa hianareo dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe Voahozona Jesosy ary tsy misy mahay manaiky hoe Jesosy no tompo ,raha tsy amin'ny Fanahy masina.

Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana , nefa ny Fanahy dia iray ihany ,zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana nefa ny Tompo dia iray ihany,ary zarazaraina ho samy hafa ny asa nefa Andriamanitra dia iray ihany Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.

Amin'ny maha kristiana antsika izany,inona no tiako ho tenenina amin'ireo fanoharana ,sofina maso, tongotra ireo ?
Moa ve misy fiangonana na finoana sahy hilaza fa ny azy irery ihany no marina fa ny an'ny hafa dia diso avokoa? Sahy hiteny izany ve hianao e ? Porofy ary e
Misaotra antsika rehetra
Niryna
novalian'i niryna ny 22/02/2013 06:23
2. Maranatha ( 14/02/2013 08:02)

niryna:

Satria ami-nao(reo) dia misy marobe ny fiangonan' i Tsitoha????
Hoy ny tonokira 6:8 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
Maro ny karazany hita amin'izao vanim-potoana izao satria efa hataon'ny olona Bizna ny tenin'i Tsitoha. Hevitry satana ihany koa izany mba hahafanina ireo izay tsy mikaroka ny marina, tahaka ny harena nafenina . Raha mbola mpanara-drenirano aloha dia tsy hahita ny marina mihintsy. Na hianaoa za ve tsy mahita hoe misy zavatra maro mifanohitra @ Tenin'i Tsitoha ao ampiangonanareo ao??? fa mba hahatanterakaity teny ity
Isaia 4:1 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso.
Dia mody hantsoina hianareo hoe Kristiana fa tsy mpanara-dia ny Tompo mihintsy.

Ny fiangonanan'i Tsitoha dia iray ihany ary ao ampiangonany no hahitana ireo fanomezam-pahasoavana ireo. ireo membre ao ampiangonana no vatan'i Kristy, ny sasany maminany, ny sasany mpampianatra, ny sasany mpiandry sns....
3. Nehemiah ( 14/02/2013 08:27)
Ka mipetraka izany ny fanontaniana : Iza no tena fiangonan'i Tsihoha araky ny Teniny ?
4. tsitialainga ( 14/02/2013 10:12)

Nehemiah:

Ka mipetraka izany ny fanontaniana : Iza no tena fiangonan'i Tsihoha araky ny Teniny ?

Azo antoka aloha fa tsy ireny misy vehivavy mipataloha sy mampiseho fisasaha-nono mitalesaka ireny e! Ary ny tena tsy hisalasalana dia tsy ireny misy vadina pasitera manao minijupe ireny ka ny hafa no mahita ny miafina alohan'ny tena tompony, izany hoe raha @ maso dia hitambarana ilay rafotsy fa any an-tokantrano ihany izy no an-drangahy!
Hi!hi!hi!!!!!!!!!!!!!!!
5. Maranatha ( 14/02/2013 10:30)

Nehemiah:

Ka mipetraka izany ny fanontaniana : Iza no tena fiangonan'i Tsihoha araky ny Teniny ?

Toroako hevitra hianao raha te hahita azy.
1-Angataho foana aloha ny Fanahy masina tsy hisaraka aminao, hanazava ny sainao, hanoro lalana anao, aza mikely soroka koa mianatra ny tenin'i Tsitoha. Ataovy tahaka ny fitrandraka harena nafenina izany, Aza malaky manakiana ny hafa raha tsy efa notrandrahanao sy hitanao ary hamafisin'ny Fanahy masina ao anatinao fa tsy mety ny fampianarany .

2-Raha tsapanao fa misy tsy mety ao amin'ny fiangonanao rehefa avy nandalina ny soratra masina hianao dia aza menatra mihintsy manitsy azy. Raha mihaino anao izy dia arahaba soa arahaba tsara, raha tsy mihaino moa izy dia aza miombona ota aminy (manana ny Dogma-ny izy izany ary tsy azo hovana intsony ireny, indrindra raha efa manerana ny tany ilay fiangonana).

3- Manana zo amin'izay hianao hitety ireo fiangonana rehetra ireo ka izay hitanao mifanaraka tsara araky ny tenin'i Tsitoha no haraho. Aza mivoady @ fiangonana mihintsy fa rehefa hitanao fa tsy izy io ka voaporofon'ny soratra masina dia miala tao . sao maty ao.
Ilay teny hoe tano mafy izay hanananao mba tsy hiisy haka ny satro-boninahitrao dia Teny natao ho an'ny olona ao amin'ilay fiangonana marina io. Mba hitazonany mafy ireo fahamarinana rehetra izay efa nomena azy ka haharetany amin'izany ( ahoana moa no hitazonana zavatra efa fantatra fa diso). Tsarovy fa tsy moramora akory izany mitondra ny anarana hoe Kristiana. Asa 14:22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Raha vonona hitady ny marina hianao dia ho hitanao ny marina ary ny marina hanafaka anao tsy ho andevo.
Mahereza!
6. bor2lais ( 14/02/2013 11:13)
tsitialainga:

Azo antoka aloha fa tsy ireny misy vehivavy mipataloha sy mampiseho fisasaha-nono mitalesaka ireny e! Ary ny tena tsy hisalasalana dia tsy ireny misy vadina pasitera manao minijupe ireny ka ny hafa no mahita ny miafina alohan'ny tena tompony, izany hoe raha @ maso dia hitambarana ilay rafotsy fa any an-tokantrano ihany izy no an-drangahy!

Zany an ! :-)
7. smileyah ( 14/02/2013 12:51)
Ny marina ve?
Hoy i Jesoa tamin'i Simona: Ary ianao ry Simona dia tsy hantsoina intsony hoe Simona fa i Piera(zany hoe vatolampy no dikany), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no anorenako ny fiangonako ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy.
Koa dia tokana ihany ny fiangonana fa tsy misy fiangonana mitsitokotoko etsy sy eroa izany.Tsy naorin'iza n'iza na tamin'iza na tamin'iza fa naorin'i Kristy eo ambonin'i Piera irery ihany.
8. Nehemiah ( 14/02/2013 15:06)
Diso anie izany interprétation izany : ny vatolampy resahana eo dia i Kristy mazava ho azy fa tsy i Petera.
9. hery ( 14/02/2013 15:41)
fandikana avy aiza ilay an'i Nehemiah, sa ny marimarina kokoa baiboly avy aiza? :-)
10. mirananirina ( 14/02/2013 16:23)

bor2lais:

tsitialainga:

Azo antoka aloha fa tsy ireny misy vehivavy mipataloha sy mampiseho fisasaha-nono mitalesaka ireny e! Ary ny tena tsy hisalasalana dia tsy ireny misy vadina pasitera manao minijupe ireny ka ny hafa no mahita ny miafina alohan'ny tena tompony, izany hoe raha @ maso dia hitambarana ilay rafotsy fa any an-tokantrano ihany izy no an-drangahy!

Zany an ! :-)

lol raha ny tena izy anie dia miboridana eh!
Ary izay vao azoko ilay finoanareo, fa tany mada dia nitsangantsanga izahay dia feno mpianatra maro be teny dia manao jupe lava daholo ny vhv dia mba nanontany aho dia hoe tsy mahazo manao pataloha izahay
11. tsitialainga ( 14/02/2013 16:50)

smileyah:

Ny marina ve?
Hoy i Jesoa tamin'i Simona: Ary ianao ry Simona dia tsy hantsoina intsony hoe Simona fa i Piera(zany hoe vatolampy no dikany), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no anorenako ny fiangonako ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy.
Koa dia tokana ihany ny fiangonana fa tsy misy fiangonana mitsitokotoko etsy sy eroa izany.Tsy naorin'iza n'iza na tamin'iza na tamin'iza fa naorin'i Kristy eo ambonin'i Piera irery ihany.

Raha azoko tsara zany dia ny fiangonana any vatican no tena izy satria any no misy ny masin-dahy piera an.
12. Nehemiah ( 15/02/2013 05:58)

hery:

fandikana avy aiza ilay an'i Nehemiah, sa ny marimarina kokoa baiboly avy aiza? :-)

Ny ahy ary no mba lojika kokoa : jereo fotsiny ny Gal. 2:11-14 : manana toerana ambony nohon'i Paoly ve i Kefasy raha ny fahitanao azy ?

Fa ny tena tokony banjinana dia Ef. 5:23 (i Kristy no lohan'ny Fiangonana), 1 Kor. 3:11 (tsy misy fiorenana hafa afa-tsy Izy), ary Is. 44:8 (tsy misy Vatolampy ankoatra Azy).

Ka rehefa zohina izay dia ny vatolampy resahan'i Kristy @ Mt. 16:16-18 dia ny finoan'i Petera an'i Kristy, ary izay koa no fandraisan'i Md Augustin azy.
Katesizinareo:

"Guidé par la grâce du Saint Esprit qui ainsi nous attire au Père, nous croyons en Jésus-Christ et confessons que;’Tu es le Christ, le Fils du Dieu vivant’ Sur le rocher de sa foi tel que confessé par Saint-Pierre, Christ a bâti son Église. (paragraphe 424)."

I Petera, mpiandry ny Fiangonana iray manontolo ?
Raha zohina aloha ny 1 Pet. 5:4, angamba tsy d'accord @ izany i Petera raha tafaverina aty @tsika.

Ka inona no mari-drefy ahafahanao manao hoe tsy mitombina nohon'ny interprétation-nao ny interprétation-ko ? Ny ahy aloha dia ny Baiboly 1 manontolo no hany ataoko mari-drefy sy fahefana faratampony, ary manentana anao hanao tahak'izay koa fa tsy voatery ny an'i Mompera ihany no marina.
13. didi10 ( 15/02/2013 06:24)

niryna:

Moa ve misy fiangonana na finoana sahy hilaza fa ny azy irery ihany no marina fa ny an'ny hafa dia diso avokoa? Sahy hiteny izany ve hianao e ? Porofy ary e
Misaotra antsika rehetra
Niryna

Ef 2;20
Miorina amin'ny fanorenan'ny Apostoly ary i Jesosy no fehizoro indrindra

Izay fiangonana milaza azy ho Kristiana kanefa miala amin'io foto-panorenana io dia; tsy dia tiako loatra ny milaza hoe diso satria tsy ny fampianarana rehetra no diso; fa ny tena mahalaza azy kokoa dia hoe manan-kilema na fiangonana kilemaina satria tsy mitory ny fampianarana tsy misy kilema.
14. smileyah ( 15/02/2013 07:44)

Nehemiah:

Diso anie izany interprétation izany : ny vatolampy resahana eo dia i Kristy mazava ho azy fa tsy i Petera.
Raha izay no tian'io teny io hambara dia tsy mila novaina akory ny anaran'i Simona ka natao hoe Piera ( pierre= vato). Fa rehefa tsy metimety aminareo le marina dia tsy maintsy mitady hevitra amin'ny fomba rehetra hanazavana azy amin'izay metimety aminareo.
Ao amin'Andriamanitra tsy misy fisaraha-bazana izany fa fiombonana no ao aminy, firaisan-kina, fifankatiavana. "tahaka Anao Ray sy Izaho izay iray ihany no aoka aha iray azy ireo koa". Ho valan'ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.Koa raha mitory fiombonana ny ao amin'Andriamanitra dia tokony tsy hisy fifampiandaniana na tsy fifankazahoan-kevitra mahatonga fitsitokotokoana sy fisaraham-bazana izany izay hevitra voizin'ilay ratsy mba hahatonga ny zanak'Andriamanitra hiparitaka etsy sy eroa hanaraka ny fihevitry ny fony fa tsy hankato ny fiangonana tokana izay naorin'i Jesoa Kristy. Io lay foto-kevitra hoe zarazarao hanjakana . dia nipoitra tsikelikely ny fiangonana isan-karazany satria tsy mitovy firehan-kevitra. Dia izao hitantsika ankehitriny izao fa tsy mety tapitra ny fananganana fiangonana tsy mitovy hevitra etsy sy eroa. Ka na ry zareo milaza fa manana ny fahamarinana hono dia mbola misy miala ao aminy ihany ary manangana fiangonana metimety aminy.
15. smileyah ( 15/02/2013 07:45)

16. smileyah ( 15/02/2013 07:45)

17. Nehemiah ( 15/02/2013 08:46)
Tsy toherinao na dia kely ary ny hevitra napetrako.

Hoy ianao hoe : "tokony tsy hisy fifampiandaniana na tsy fifankazahoan-kevitra mahatonga fitsitokotokoana sy fisaraham-bazana izany izay hevitra voizin'ilay ratsy mba hahatonga ny zanak'Andriamanitra hiparitaka etsy sy eroa hanaraka ny fihevitry ny fony fa tsy hankato ny fiangonana tokana izay naorin'i Jesoa Kristy". Dia voarara izany ny miady hevitra @ fitadiavana ny fahamarinana ? Inona no fahamarinana ? Tsy ny Tenin'Andriamanitra ?

Ianao manko manao argumentation par l'émotion fa tsy azon'izany aho, sady tsy fomba fiadian-kevitra mitombina rahateo izany. Raha tena matoky ianao fa manana ny fahamarinana dia tsy matahotra ny miady hevitra momba an'izay ka hainao foana ny manohitra ny hevitry ny olona tsy miombon-kevitra aminao. Ny adi-hevitro aloha dia miainga avy @ Baiboly, ary fantatro tsara fa Baiboly=Tenin'Andriamanitra, ka araky ny fiteniko : raha marina aho, tongava saina. Raha diso aho, asehoy aho ny fahadisoako.
18. smileyah ( 15/02/2013 12:09)

Ianareo aloha dia mahay manodikondin-dresaka e. Izay zavatra tsy mba nampianarina anay na nianaranay. Mazava anie ny tena foto-kevitro hoe avoitra ny hevitra etsy sy eroa mba hanakorontanana ny sain'ny vahoakan'Andriamanitra amin'izay dia miparitaka fa tsy mivondrona tahaka ny fanirian'i Kristy izay arahintsika. Ny fampisaraham-bazana dia tsy avy amin'Andriamanitra satria tsy misy an'izany ao aminy fa ilay ratsy no manana izany hevi-petsy izany mba hanjakany amin'izay manaraka azy. Io le zarazarao anjakana. Satria raha mivondrona ho fiangonana iray ny zanak'Andriamanitra dia midika faharesena ho an'ilay ratsy izany. Fa raha mbola misy izao fampisaraham-bazana izao dia mbola hanjaka foana izy.Ka matoa Jesoa efa niteny mialoha hoe eo ambonin'i Piera (pierre=vato) no hanorenany ny fiangonany dia efa tsinjony izao zavatra mitranga ankehitriny izao. Fananganana fiangonana etsy sy eroa. Ary efa niteny koa izy hoe ny mpanompo tsy ambonin'ny Tompony. Dia izao fanenjehana ny fiangonaNy izao izay efa nihatra tamin'izy Tompo.
19. Nehemiah ( 15/02/2013 12:46)

smileyah:

Ianareo aloha dia mahay manodikondin-dresaka e. Izay zavatra tsy mba nampianarina anay na nianaranay.

Nampianarin'olombelona mpanota mety diso.
smileyah:
Mazava anie ny tena foto-kevitro hoe avoitra ny hevitra etsy sy eroa mba hanakorontanana ny sain'ny vahoakan'Andriamanitra amin'izay dia miparitaka fa tsy mivondrona tahaka ny fanirian'i Kristy izay arahintsika.

Ka raha Izy no arahina dia tsy maintsy ny teniny no arahintsika ka tsy ahodikodintsika. Ka izay no ilàna ny hermeneotika : ny Soratra Masina ihany no ahafahana anazavàna ny Soratra Masina.
smileyah:
Ny fampisaraham-bazana dia tsy avy amin'Andriamanitra satria tsy misy an'izany ao aminy fa ilay ratsy no manana izany hevi-petsy izany mba hanjakany amin'izay manaraka azy.

Dia ahoana ny anazavanao ny tranga tany Babela ?
smileyah:
Io le zarazarao anjakana. Satria raha mivondrona ho fiangonana iray ny zanak'Andriamanitra dia midika faharesena ho an'ilay ratsy izany. Fa raha mbola misy izao fampisaraham-bazana izao dia mbola hanjaka foana izy.Ka matoa Jesoa efa niteny mialoha hoe eo ambonin'i Piera (pierre=vato) no hanorenany ny fiangonany dia efa tsinjony izao zavatra mitranga ankehitriny izao. Fananganana fiangonana etsy sy eroa. Ary efa niteny koa izy hoe ny mpanompo tsy ambonin'ny Tompony. Dia izao fanenjehana ny fiangonaNy izao izay efa nihatra tamin'izy Tompo.

Ka inona no fanafodin'izany ? Miverina @ fampianaran'ny Baiboly. Ary averiko indray mandeha : raha samy manaraka ny vontoatin'ny hermeneotika dia tsy nisy izao olana izao.

Nefa tsy misy zavatra halako toy ny dialogue de sourds, ka izao no ataovy. Vakio aloha ny zavatra nosoratako etsy ambony. Dia avy eo tohero tsirairay ny hevitro. Raha tsy izay ho lany andro fotsiny aho hiresaka aminao.
20. smileyah ( 15/02/2013 13:11)

Tsotra ange le fanontaniana napetrakao e; iza izany ny fiangonan'ny Tsitoha?
Ilay fiangonana naorin'i Jesoa Kristy eo ambonin'i Masindahy Piera(vato). Noir sur blanc ao amin'ny Baiboly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0836