Jésus est il Dieu 12-18

1. niryna ( 19/11/2012 17:35)
Anjarantsika hoe no manao fanakafankana araka io youtube io .

http://www.youtube.com/watch?v=T0Ak9aYD1Mo&NR=1

Ary ity iray ambany ity indray dia manambara fa nahita an'i Messiah izy
http://www.youtube.com/watch?v=k0DTT3u2JZ8
novalian'i Nehemiah ny 07/12/2012 07:03
2. leva2 ( 19/11/2012 18:27)
Velona Jesosy!

Tsy nojereko hatramin'ny farany ilay video!
Te hiteny fotsiny aho oe :
Mitandrema namana, fa tsy misy azo antoka fa milaza ny marina afatsy ny tenin'Andriamanitra dia ny baiboly ihany.
Fa raha araka ny Soratra Masina dia Andriamanitra Jesosy Kristy : Jao 01/01.

Mahereza daolo!

3. didi10 ( 20/11/2012 07:48)
Oui Eny Yes Jesus est Dieu
Tsy hoe Jesus est un Dieu mais Jesus est Dieu.

I Jesosy ihany no Jehovah.
4. jojo3t ( 21/11/2012 05:41)
Ray sy zanaka ary fanahy masina, tsy Andrimanitra telo izay iray no tiana resahina eto fa ny hoe samy manana ny dikany sy anjara-toerany mazava ireo telo ireo ao @baiboly :

Ray : Ilay Andriamanitra tokana sy Avo Indrindra eran'izao rehetra izao antsoina hoe Jehovah (Salamo 83 : 13 - Eks 3 : 15 - Jaona 17 : 16)

Zanaka : i Jesosy Kristy, ary izy mihitsy no nilaza ny tenany hoe zanak'Andriamanitra izy (Jaona 10 : 36 - Matio 16 : 15-17).

Fanahy masina : hery hampiasain'Andriamanitra (Salamo 104 : 30 - 2 Pet 1 : 21 - Asa : 4 : 31).
5. Tefigasy ( 21/11/2012 06:14)
jojo3t:

Tsy misy diso ireo saingy tsy ampy satria notsongatsongaina fa tsy ny baiboly rehetra no nalaina. Misy fanampiny vitsivitsy ireto, ampiako tsikelikely isaky ny mandeha .

Fanahy Masina :
Jao.4:24 : Andriamanitra dia Fanahy ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana
IIKor.3:17-18 : ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.

Zanaka :
Isa.9:5 : fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika ary ny fanapahany dia eo antsorony ary ny anarany dia atao hoe mahagaga, mpanontsaina, Andriamanitra mahery, rain’ny mandrakizay, andrian’ny fiadanana
Jaon.1:1,14 : tamin’ny voalohany ny teny ary ny teny tao amin’Andriamanitra ary ny teny dia Andriamanitra. Ary ny teny dia tonga nofo kanonina tamintsika
Jao.20:28 : Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro.

Ray :
Jao.10:30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany

>> Raha fintinina : Toa Andriamanitra daholo ireo, Toa miseho amin'ny endrika telo, nefa hamafisina sy voasoratra fa tokana ihany, Andriamanitra tokana. Tsy afa-misaraka satria tokana na dia miseho amin'ny endrika telo aza, ary raha sarahina dia ....
6. didi10 ( 21/11/2012 07:01)
Marina izany namana Tefy

Io Fanahy Masina io tokoa no fanalahidin'ny fahalalàna an'Andriamanitra.
Andriamanitra dia Fanahy (Fanahy Masina), i Jesosy dia napetraka tao amin'i Maria nalaina avy amin'ny Fanahy Masina, ary ankehitriny kosa isika dia mila manana ny Fanahy Masina ho tombonkase hahafantarana fa Azy isika.
7. leva2 ( 21/11/2012 12:59)
Velona Jesosy!

Efa noroitina lava be teto ity resaka ity!

Mankasitraka namana Tefigasy!
8. jojo3t ( 22/11/2012 03:35)
Marina zany fa efa nororitina lava be teto ny resaka hoe fanahy masina izay hery miasa fa tsy vatan'Andriamanitra, afangarontsika le hoe Andriamanitra dia fanahy, ataoko copie coller eto ambany le efa noresahana tany aloha momba io, tsy miresaka mihitsy ny baiboly fa io fanahy masina io no vatan'Andriamanitra miala tsiny fa resaka Jesosy no resahana eto fa fanazavana fotsiny anefa ity, na ny momba an'i Jesosy aza efa lava dia lava ny dinika momba azy teto :

Ny fanahy masina :
Mampalahelo be namana raha ianao hoe mandalina ny baiboly no tsy hahalala hoe hery hampiasain'Andriamanitra ny fanahy masina, hafangaronao le izy, hampiako le Romana lazainao ao amin'ny Asan'ny Apostoly 2 : 17 : homeko ampahany amin'ny fanahiko izy... io no mahatonga anao tsy ahalala fa hery miasa ny fanahy masina fa hoe ampahany amin'ny vatana mandrafitra an'Andriamanitra.

Zao namana, efa nolazainao fa Andriamanitra dia fanahy, ny vatany dia fanahy esprits mitovy amin'ny an'i Jesosy sy ireo anjely maro be any an-danitra, tsy ampahany velively amin'ny vatany ny fanahy masina fa hery, hazavaiko eto ambany :

Enao io dia manana hery ao anatinao ao, tsy ampahany amin'ny vatanao io fa hery tsy hita maso, io no ahafahanao manao zavatra, sy hanatanterahanao ny zava-drehetra ataonao, toy izany ny fanahy masina, maro be ny andininy mampiseho ato fa vitsy2 ihany no omeko :

Vao manomboka ny baiboly dia izao :
Genesisy 1 : 1,2 : "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano, tsy ny ampahany vatany mihitsy no nalefany tety fa ny fanahy masina, na ilay hery hampiasainy, mety hozy enao hoe tsy milaza fanahy masina izy eo fa fanahy fotsiny, araho ny tohiny.

Hampisainy amin'ny zavatra rehetra kasainy hatao io fanahy masina io, Asan'ny Apostoly 2 : 4 : "Samy feno fanahy masina izy rehetra ka niteny tamin'ny fiteny samy hafa, niendrika lel'afo ny fanahy masina tamin'ny pentekosta 33, rehefa nilatsaka tamin'ireo mpianatra, nampiasain'Andriamanitra hanampiana azy ireo ny heriny na ny fanahy masina, fa tsy hoe ny ampahany tamin'ny vatany.

2 Timoty 3 : 16, 17 : "Ny soratra masina dia avy amin'ny herin'ny fanahy masin'Andriamanitra", nampiasa ny fanahy masina Andriamanitra mba ahafahan'ireo mpanoratra hanoratra ny baiboly.

2 Korintianina 12 : 4-11 : "fanahy iray ihany no nampiasain'Andriamanitra tamin'izy rehetra dia ny fanahy masina, na mpaminany, na mpanasitrana, na mpampianatra sns..." Io fanahy masina io no nampiasain'Andriamanitra hatramin'ny famoronana ka hatramin'zao mbola iainantsika izao, na i Jesosy aza nomena an'io hery io tamin'izy teto an-tany : araho ny tohiny.

I Jesosy mihitsy no milaza eto hoe inona le fanahi'Andriamanitra nampiasainy, ampahany tamin'ny vatan'Andriamanitra sa fanahy masina :
Matio 12 : 22-31 : Vakio tsara inty : "Namoaka demonia i Jesosy, nefa nolazain'ireo Fariseo fa avy amin'ny demonia ihany no namoahan'i Jesosy ilay demonia, dia nilaza Jesosy eo amin'ny andininy 28 hoe : "avy amin'ny alalan'ny fanahin'Andriamanitra no namoahany ilay demonia", dia hazavainy eo amin'ny andininy faha-31 amin'zay hoe, ny fanahy masina io fanahin'Andriamanitra notevatevain'ny fariseo io, ka tsy hahazoan'izy ireo famelan-keloka intsony.

Tsy haiko hoe inona no iantsonareo an'io fanahy masina io, mazava tsara aminao ngamba zao ny maha-hery miasan'Andriamanitra ny fanahy masina eo, na ny mpamaky aza tsy ho sarotra aminy mihitsy ireo andininy ireo, zai no hilazako foana hoe halalino namana ny baiboly fa zany ve de tsy hitanao tao amin'ny baiboly mihitsy. copie coller tany alou io.
9. jojo3t ( 22/11/2012 03:48)
Ny momba an'i Jesosy indray, andininy vitsy dia vitsy no miresaka hoe Andrimanitra i Jesosy, ka tsy azontsika ny dikany, tsy ataoko copie coller eto ntsony fa lava loatra, anaram-boninahitra nomena an'i Jesosy ireo ary tsy midika velively fa manana anjaran toerana hitovy amin'Andrimanitra izy, ary ny dikan'io hoe izaho sy ny Ray dia iray ihany io dia efa nazavaina teto koa, raha mandalina sy mijery ny teny manodidina isika dia tokony ahalala izany, 7000 eo hoe anefa ny andininy miresaka an'ilay Andriamanitra Rain'i Jesosy ao amin'ny baiboly, ka mahagaga be hoe toa tsy fantatsika mpandalina baiboly zany, tsy ho voatanisa eto mihitsy ireo andininy maro be ireo.
10. didi10 ( 22/11/2012 06:30)
Izaho manoro hevitra anao namana Jojo hoe aza mitompo teny fatratra momba ny Fanahy Masina fa sady tsy fantatrareo izany no tsy iainanareo. Tsy tanisa tanisa toko sy andininy fotsiny ny fahafantarana ny Fanahy Masina fa fiainana andavanandro io:
- Tsy hainareo izany fanomezan'ny Fanahy Masina izany
- Tsy misy ao aminareo izany fitenenana amin'ny Teny tsy fantatra izany
- Tsy fantatrareo izany fiasan'ny Fanahy Masina sy ny heriny izany manoloana ny aretina, ny tromba, ny hozona eny fa na dia amin'ny fahafatesana aza.

11. jojo3t ( 22/11/2012 07:52)

didi10:

Sarotra be namana didi10 raha olona no hitsara hoe miasa ao amin'ny olona iray ny fanahy masina na tsia, fa azoko lazaina anao fotsiny hoe miasa amiko ny fanahy masina ary mangataka izany isan'andro, ny hazavaiko etsy ambony dia tsotra be, tsy apaham-mbatan'Andriamanitra ny fanahy masina fa hery, miasa ato amiko ny heriny toy ny niasany tamin'ny mpanompony rehetra hatramizay, manampy ahy hanao tsara foana, tsy mitompo teny fantatra amin'ny tenako ah namana fa mitompo teny fantatra amin'ny baiboly ary mampiahatra fa tsy mitanisa fotsiny.
12. bor2lais ( 22/11/2012 10:57)
Lasa resaka Trinité indray angaha izy ity ? :-)
13. niryna ( 24/11/2012 04:49)

bor2lais:

Lasa resaka Trinité indray angaha izy ity ? :-)
hi.hi Angaha ita aky fa tsy mitatra toy ny sima misioka indraindray an ha,ha
14. niryna ( 24/11/2012 06:43)
jojo3t:

Ray sy zanaka ary fanahy masina, tsy Andrimanitra telo izay iray no tiana resahina eto fa ny hoe samy manana ny dikany sy anjara-toerany mazava ireo telo ireo ao @baiboly :
inona indray re izany tsy trinite izany e ? liana mba te ahalala aho an

Ray : Ilay Andriamanitra tokana sy Avo Indrindra eran'izao rehetra izao antsoina hoe Jehovah (Salamo 83 : 13 - Eks 3 : 15 - Jaona 17 : 16)

Zanaka : i Jesosy Kristy, ary izy mihitsy no nilaza ny tenany hoe zanak'Andriamanitra izy (Jaona 10 : 36 - Matio 16 : 15-17).

Fanahy masina : hery hampiasain'Andriamanitra (Salamo 104 : 30 - 2 Pet 1 : 21 - Asa : 4 : 31).

Andao aza hiverina kely amin'ilay tantara isika e.
Jaona 1: 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ary hitanay ny voninahiny. dia voninahitra mendrika ho an'ny Lahitokana. avy tamin'ny Ray,sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Jaona 1: 1-4 Tamin'ny voalohany ny Teny .ary ny Teny tao amin'Andriamanitra ,ary ny Teny dia Andriamanitra] . Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany Izy no naharian'ny zavatra rehetra,ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahary izao zavatra rehetra izao na dia iray aza

Jaona 1:32- 34 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala teo amboniny.ary izaho tsy nahalala Azy, fa izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nanao hoe:" Izay ho hitanao idiran'ny Fanahy sy itoerany dia izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina ary nahita aho ka nanambara fa Izy no Zanak'Atra.
Jaona 10: 24 Dia notangoronan'ny jiosy Izy ka ka nanontaniany hoe: Raha hianao no Kristy dia lazao marimarina aminay Ary Jesosy namaly hoe : Efa nilaza taminareo ihany aho nefa tsy mino hianareo, Ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Ray no manambara Ahy Kanefa hianareo tsy mino fa tsy mba isan'ny ondriko ......
Jaona 10: 28 ..fa ny Ray no ato amiko ary izaho ao amin'ny Ray
15. niryna ( 24/11/2012 18:10)
leva2:

Velona Jesosy!

Tsy nojereko hatramin'ny farany ilay video!

Te hiteny fotsiny aho oe :
Mitandrema namana, fa tsy misy azo antoka fa milaza ny marina afatsy ny tenin'Andriamanitra dia ny baiboly ihany.
Fa raha araka ny Soratra Masina dia Andriamanitra Jesosy Kristy : Jao 01/01.

Mahereza daolo!
Ka tsy nijery ireo video ireo hatramin'ny farany anie izany hianao dia tsy nahita ny tena votoantin-dresaka e.Raha ity iray amin'ny teny anglisy ity izao dia azoko hazavaina kely ihany ny tiany ho ampitaina

http://www.youtube.com/watch?v=k0DTT3u2JZ8
Ity resaka ity dia nitranga tamin'ny 30 aprily 2007 izay niseho tao amin'ny gazetin' Israely ka nanambarana fa nilaza ny jiosy ilay mpitondra fivavahana iray fa Mesia dia tsy iza fa Jesosy izay antsoina amin'ny teny hoe YEHOSHUA NA YESHUA amin'ny teny hebreo na Jesus.Izay atao ho Famonjena na Salvation . 108 taona io rangahy io sady mpampianatra no mptondra fivavahana (Rabbi) nandritra ny fotoana maro ary mpanoratra boky ihany koa Rabbi Yitzhak Kaduri .Tonga nitsidika azy avokoa ny olona noho izay manana fahendrena.Mitady fanasitranana ihany koa ny olona ary fahagagana maro no niseho tamin'izany.Olon'ny fahendrena sy fahamarinana no niantsoin'ny olona azy .Talohan'ny nahafatesany dia nilaza ny mpianany izy ka nampitalanjona azy ireo ny fitantarany fa efa niseho taminy ny Mesia ary nilaza izany koa ny zanany fa efa niseho tamin'ny rainy i kristy tao anatin'ny fahitana ary nanambara izy fa ho avy i kristy. Nitovy ny fahitan'i Saoly an'i kristy tao Damaskaosy ny nitranga tamin'i Rabbi Kaduri.

Izay ilay izy raha fitinina kely ary tazana ao ihany koa ny akanjo anaovan'ny jiosy amin'ny fandevenana,ho an'ny olona milaza fa jiosy no niavian'ny malagasy. Jereo eo ampovoany ny video eo ry zareo lehilahy mandevina miakara ny fomba fitafy hatramin'izay nahagola ka hatramin'izao izay fa tsy miova io na aiza na aiza no misy jiosy. ooops ,lasa Hs kely
16. moustaraf ( 25/11/2012 13:10)
salama namana,
Misy zavatra mampahalikiliky anao ngah @ filazany fa Hebreo ny Malagasy? Ka isaka izay sujet mitranga dia occasion hanaovana fanarabiana,...asakasakao aloha fa ireo olona lazainao fa miakanjo TSY MIOVA ireo no efa MANAKY fa taranaka hebreo IZAHAY;

Ary averiko aminao foana fa TSY IZAY FITAFIANA no famantarana ny taranak'i Abrahama!!!! fa ambony lavitra noho izany.

Mampalahelo ity adihevitra mandeha ity:
Ny Rouha Kodesh dia tsy voadikan'ilay teny hoe FANAHY MASINA, na Saint Esprit,....
-Ny teny Fanahy masina, izay nadika @ baiboly malagasy dia nalaina avy @ fanompoana tromba= Fanahin'ny Masina (nivavahan'ny Andriana, sy ny Ntaolo)
-Ny anarana Elohym dia tsy azo adika Atra = fatina mpanjaka nivavahan'ny Ntaolo
_Ilay Yesho'a dia tsy Jesosy na jesus izay nalaina avy @ sampy grika , sy Kristos (kristi) mpitaritafika malaza.

fehiny:
Atra = Jesosy = Fanahy Masina = fanompoana Fanahin'ny Maty = telo izay iray!
Ampiankohofan'ny satana an'izao tontolo izao: manov fiainana, manasitrana, mampibebaka,....

17. leva2 ( 26/11/2012 21:16)
Velona Jesosy!

Tonga indray ianao namana Moustaraf am'ty famaritana antematemaka :

Ny teny Fanahy masina, izay nadika @ baiboly malagasy dia nalaina avy @ fanompoana tromba= Fanahin'ny Masina (nivavahan'ny Andriana, sy ny Ntaolo)

Tena manao tsinontsinona ireo mpandika ny baiboly malagasy avy tamin'ny teny grika mihitsy ianao, mba miangavy anao ary aho hoe inona no teny malagasy mahalaza izany raha tsy mahadika azy ny filazana hoe FANAHY MASINA?
Raha ny marina namana, rehefa teny ratsy sy teny maloto no heverinao ho dikan'ny hoe Fanahy Masina, dia hahaloto anao tokoa ny fanononana izany, satria efa nolotoina tamin'izany ny sainao. Fa aza lotoina amin'izany ny sain'ny hafa sy ny finoan'ny hafa.

Ny anarana Elohym dia tsy azo adika Atra = fatina mpanjaka nivavahan'ny Ntaolo

Izaho manokana namana raha miantso ny Raiko hoe "Ray ô" dia mamaly ahy ny Raiko, satria fantany aho, ary Izy mahafantatra ahy. Ary tsy mila faritana akory hoe "Jehovah Ray ô".
Toy izany koa, ny Andriamanitra inoako sy ny andriamanitra nalentika tao an-dohanao dia tsy mitovy, fa ny anao fatina mpanjaka, fa ny ahy Andriamanitra Ray na Jehovah nahary izao tontolo izao.

Ilay Yesho'a dia tsy Jesosy na jesus izay nalaina avy @ sampy grika , sy Kristos (kristi) mpitaritafika malaza.

Hay ve ka niteraka sampy grika i Maria sy Josefa? avy eo dia hay ka mpitari-tafika malaza ity nohombohina teo amin'ny hazo fijaliana?

Tena te hihomehy aho namana nefa mampalahelo ianao ny tena marina fa dia mahereza.
18. didi10 ( 27/11/2012 06:12)

moustaraf:

salama namana,
Misy zavatra mampahalikiliky anao ngah @ filazany fa Hebreo ny Malagasy? Ka isaka izay sujet mitranga dia occasion hanaovana fanarabiana,...asakasakao aloha fa ireo olona lazainao fa miakanjo TSY MIOVA ireo no efa MANAKY fa taranaka hebreo IZAHAY;

Ary averiko aminao foana fa TSY IZAY FITAFIANA no famantarana ny taranak'i Abrahama!!!! fa ambony lavitra noho izany.

Mampalahelo ity adihevitra mandeha ity:
Ny Rouha Kodesh dia tsy voadikan'ilay teny hoe FANAHY MASINA, na Saint Esprit,....
-Ny teny Fanahy masina, izay nadika @ baiboly malagasy dia nalaina avy @ fanompoana tromba= Fanahin'ny Masina (nivavahan'ny Andriana, sy ny Ntaolo)
-Ny anarana Elohym dia tsy azo adika Atra = fatina mpanjaka nivavahan'ny Ntaolo
_Ilay Yesho'a dia tsy Jesosy na jesus izay nalaina avy @ sampy grika , sy Kristos (kristi) mpitaritafika malaza.

fehiny:
Atra = Jesosy = Fanahy Masina = fanompoana Fanahin'ny Maty = telo izay iray!
Ampiankohofan'ny satana an'izao tontolo izao: manov fiainana, manasitrana, mampibebaka,....

Tsy haiko aloha ny définition 'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina aminao namana Moustaraf fa mivavaka ho anao aho mba ho voavela ihany ny helokao.
19. RBNIR ( 27/11/2012 07:35)
Faly miharahaba namana isany,

Anjara birikiko amin'ity resaka anarana ity : http://en.wikipedia.org/wiki/Holy_Spirit_(Judaism)

Ny an'ny angilisy sy ny frantsay nadika avy amin'ny teny hebreo :
ruach ha-kodesh ( hébreu : רוח הקודש) = Holy Spirit = Saint Esprit,

Avy eo ny an'ny gasy nadika avy amin'ny teny angilisy sy teny frantsay :

Spirit = Esprit = Fanahy
Holy = Saint = Masina

Tsy hitako izay olana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,

20. niryna ( 28/11/2012 17:26)

Tsy haiko aloha ny définition 'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina aminao namana Moustaraf fa mivavaka ho anao aho mba ho voavela ihany ny helokao.
blasphemy amin'ny teny anglisy no fahalalako azy an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0764