Jésus est il Dieu 12-18

21. Miharena ( 05/12/2012 16:30)
Moustaraf:

salama namana,
Misy zavatra mampahalikiliky anao ngah @ filazany fa Hebreo ny Malagasy? Ka isaka izay sujet mitranga dia occasion hanaovana fanarabiana,...asakasakao aloha fa ireo olona lazainao fa miakanjo TSY MIOVA ireo no efa MANAKY fa taranaka hebreo IZAHAY;

Ary averiko aminao foana fa TSY IZAY FITAFIANA no famantarana ny taranak'i Abrahama!!!! fa ambony lavitra noho izany.

Mampalahelo ity adihevitra mandeha ity:
Ny Rouha Kodesh dia tsy voadikan'ilay teny hoe FANAHY MASINA, na Saint Esprit,....
-Ny teny Fanahy masina, izay nadika @ baiboly malagasy dia nalaina avy @ fanompoana tromba= Fanahin'ny Masina (nivavahan'ny Andriana, sy ny Ntaolo)
-Ny anarana Elohym dia tsy azo adika Atra = fatina mpanjaka nivavahan'ny Ntaolo
_Ilay Yesho'a dia tsy Jesosy na jesus izay nalaina avy @ sampy grika , sy Kristos (kristi) mpitaritafika malaza.

fehiny:
Atra = Jesosy = Fanahy Masina = fanompoana Fanahin'ny Maty = telo izay iray!
Ampiankohofan'ny satana an'izao tontolo izao: manov fiainana, manasitrana, mampibebaka,....


Efa misy fahazoana azy vaovao mihitsy izay efa mipongatra momba ireo anarana lazainao ireo namana Moustaraf. Ny Rouah Ha Kodesh dia ireo soavaly efatra ao amin'y Apokalyspy izay samy manana ny anjara asany eo amin'ny endrika efatra mamorona izao rehetra izao dia ny afo, ny rano, ny rivotra ary ny tany.
Ny Fanahy Masina dia ao anatintsika tsirairay avy ary mitaiza ny mahanofo antsika.
Ny Fanahy hafa izay atao hoe Esprit sy Ame dia izay mandrafitra antsika ka ny Esprit no ilay tsy miova mandrakizay fa ny Ame dia miovaova satria mandray ireo karazam-piainana ianantsika ka miteraka fikorontanana na filaminana arakaraka ny fitaizan'ny Fanahy Masina ny maha-nofo.

Misy koa ny Fanahy maha-Kristy sy ny fitambaran'ny Fanahy roa ambin'ny folo izay mandrafitra ny Yerushalaim izay nilazan'i Jesoa tamin'y androny hoe : ho rava ity tempoly ity ary atsangako ao anatin'ny Telo andro (ny Tenany no notondroiNY tamin'izay).

Izay nandatsahaNY ny Fanahy Masina dia manaraka AZY mandrafitra ireo rehetra foalaza eo ambony ireo/

Ka raha hilaza isika hoe Kristy ve Andriamanitra na hoe Yeshua ve Elohim, dia midika izany fa ireo firefitra ireo no mitambatra maha-Elohim AZY.
Ny olombelona tsirairay koa rehefa nilazaNY hoe ; Ho iray ihany anie izy rehetra toy maha-IRAY ao amin'ny RAY, dia mpanaraèdia an'i Kristy (=Hamashihara) izay.

Ireo dia iainana fa tsy hanaovana tsilalaonteny satria fantatra fa mira rafitra na Hindoue, na Silamo, na Boudhiste sns... raha mbola olombelona izy. Ny anjely dia endrika Fanahy izay tsy mety ho nofo nefa io endrika io no tena endri(panahin'ny olombelona teny ampiandohany. Izay no nilazan'Andriamanitra hoe andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika. Izany hoe olona tsy nofo fa fanahy mitondra nofo.

Asa hoe aiza ho aiza ny fahalalàna eo amin'ny Jiosy Malagasy eo anatrehan'ireo fahalalàna atosaka ireo? (Azo jerena ny message Autres dimensions raha mba manokatra aterineto ihany isika raha te-handalina tsara ireo).

Raha ampifandraisina koa amin'ny hafatra napetrak'i Andry zanak'i Mahaleo ilay izy dia hoe hipongatra avokoa ny tsiambaratelon'ny boky Apokalypsy ankehitriny, dia ao amin'io rohy lazaiko io no hahitana izany marina. Ny sisa rehetra araka ny fandalinana nataoko dia fiheveran-javatra tsy dia misy vontoatiny matotra avokoa.

22. niryna ( 07/12/2012 06:09)

leva2:

Velona Jesosy!

Tsy nojereko hatramin'ny farany ilay video!
Te hiteny fotsiny aho oe :
Mitandrema namana, fa tsy misy azo antoka fa milaza ny marina afatsy ny tenin'Andriamanitra dia ny baiboly ihany.
Fa raha araka ny Soratra Masina dia Andriamanitra Jesosy Kristy : Jao 01/01.

Mahereza daolo!


Mitovy hevitra aminao koa aho .Eny Atra Izy ary hita taratra izany izay manomboka ao amin'ny fiandohan'ny Baiboly Testamenta Taloha ka hatramin'ny fiafaran'ny Testamenta Vaovao ny taratra maha Atra Azy
23. niryna ( 07/12/2012 06:10)

didi10:

Oui Eny Yes Jesus est Dieu
Tsy hoe Jesus est un Dieu mais Jesus est Dieu.

I Jesosy ihany no Jehovah.
misaotra didi10 a
24. niryna ( 07/12/2012 06:21)
moustaraf:

salama namana,
Misy zavatra mampahalikiliky anao ngah @ filazany fa Hebreo ny Malagasy? Ka isaka izay sujet mitranga dia occasion hanaovana fanarabiana,...asakasakao aloha fa ireo olona lazainao fa miakanjo TSY MIOVA ireo no efa MANAKY fa taranaka hebreo IZAHAY;
oddrry,inona no hidiran'ny maha taranaka hebreo anareo ny sujet-ko?


Ary averiko aminao foana fa TSY IZAY FITAFIANA no famantarana ny taranak'i Abrahama!!!! fa ambony lavitra noho izany.
aminay kristiana ,izay miteny fa Kristy no Mpamonjy,kristy no Mpanjakan'ny mpanjaka,Kristy dia fitiavana dia tsy misy idiran'izay taranaka Abrahama izany ny resako eto ,fa maninona no manitatra zavatra hafa kosa e.Tiavo ny fahavalona ary manaova soa ny fahavalonao dia ametraka vain'afo eo amin'ny tampon'ny lohany hianao.Tsy izay sujet rehetra mikasika an'i kristy dia ampidirinao foana fa hebreo hianao ok
Hoy hianao hoe
Mampalahelo ity adihevitra mandeha ity:
Ny Rouha Kodesh dia tsy voadikan'ilay teny hoe FANAHY MASINA, na Saint Esprit,....
-Ny teny Fanahy masina, izay nadika @ baiboly malagasy dia nalaina avy @ fanompoana tromba= Fanahin'ny Masina (nivavahan'ny Andriana, sy ny Ntaolo)
-Ny anarana Elohym dia tsy azo adika Atra = fatina mpanjaka nivavahan'ny Ntaolo
_Ilay Yesho'a dia tsy Jesosy na jesus izay nalaina avy @ sampy grika , sy Kristos (kristi) mpitaritafika malaza.

fehiny:
Atra = Jesosy = Fanahy Masina = fanompoana Fanahin'ny Maty = telo izay iray!
Ampiankohofan'ny satana an'izao tontolo izao: manov fiainana, manasitrana, mampibebaka,....

Tandremo fa ny manompa na mandainga na manao zavatra tsy mety amin'ny olona toa anao na izaho dia ho voavelan'Atra ny heloka an. Ny manompa ny Fanahy Masina kosa dia tsy misy famelahankeloka an,mila mitandrina mba tsy hanenenana ny teny atao an
25. niryna ( 07/12/2012 06:31)

[quote=jojo3t]
Marina zany fa efa nororitina lava be teto ny resaka hoe fanahy masina izay hery miasa fa tsy vatan'Andriamanitra, afangarontsika le hoe Andriamanitra dia fanahy]/quote] izaho indray dia mino an'izany hoe Fanahy dia tsy vatan'Atra fa fanahin'Atra izay mampianatra antsika hibebaka,mampahatsiahy antsika fa manao ny tsy mety isika ka mifona ,mampahatsiahy antsika koa io Fanahy io rehefa misy vavaka ataontsika na zavatra hafa ataontsika ka mila fanampiana isika,manadio antsika .Eny tena mibitsika amintsika io Fanahin'Atra io.
26. niryna ( 07/12/2012 06:34)

jojo3t:

Ny momba an'i Jesosy indray, andininy vitsy dia vitsy no miresaka hoe Andrimanitra i Jesosy, ka tsy azontsika ny dikany,
izany ve tsy hafahafa be ,raha niteny ny baiboly fa Atra Jesosy na iray fotsiny ihany aza dia efa ny fanahy masina no nanambara izany amintsika fa Atra Izy izany.

Raha ho averiko eto manomboka amin'ny Genesisy ka hatramin'ny Fiafarana no miresaka an'i kristy dia tsy ho tapitra ity resaka ity.
27. niryna ( 07/12/2012 06:38)
leva2:

Velona Jesosy!

Tonga indray ianao namana Moustaraf am'ty famaritana antematemaka :

Ny teny Fanahy masina, izay nadika @ baiboly malagasy dia nalaina avy @ fanompoana tromba= Fanahin'ny Masina (nivavahan'ny Andriana, sy ny Ntaolo)

Tena manao tsinontsinona ireo mpandika ny baiboly malagasy avy tamin'ny teny grika mihitsy ianao, mba miangavy anao ary aho hoe inona no teny malagasy mahalaza izany raha tsy mahadika azy ny filazana hoe FANAHY MASINA?
Raha ny marina namana, rehefa teny ratsy sy teny maloto no heverinao ho dikan'ny hoe Fanahy Masina, dia hahaloto anao tokoa ny fanononana izany, satria efa nolotoina tamin'izany ny sainao. Fa aza lotoina amin'izany ny sain'ny hafa sy ny finoan'ny hafa.

Ny anarana Elohym dia tsy azo adika Atra = fatina mpanjaka nivavahan'ny Ntaolo

Izaho manokana namana raha miantso ny Raiko hoe "Ray ô" dia mamaly ahy ny Raiko, satria fantany aho, ary Izy mahafantatra ahy. Ary tsy mila faritana akory hoe "Jehovah Ray ô".
Toy izany koa, ny Andriamanitra inoako sy ny andriamanitra nalentika tao an-dohanao dia tsy mitovy, fa ny anao fatina mpanjaka, fa ny ahy Andriamanitra Ray na Jehovah nahary izao tontolo izao.

Ilay Yesho'a dia tsy Jesosy na jesus izay nalaina avy @ sampy grika , sy Kristos (kristi) mpitaritafika malaza.

Hay ve ka niteraka sampy grika i Maria sy Josefa? avy eo dia hay ka mpitari-tafika malaza ity nohombohina teo amin'ny hazo fijaliana?

Tena te hihomehy aho namana nefa mampalahelo ianao ny tena marina fa dia mahereza.

hay ve hianao mba mahatsampa izany koa e,ny azy ihany anie no marina e.Mifanohitra ny ao anatin'ny baiboly avokoa ny fampianarana azony .Akory atao e .Avy eo indray dia HS ilay izy dia resaka maha hebreo azy indray no lazainy satria toa lazainy fa manindrotsindrona ny fihaviany foana ny tena ooops
28. Nehemiah ( 07/12/2012 07:03)
Mba te-hanampy ny eritreritro amin'ity lohahevitra ity aho, na dia tsy afaka nijery ny vidéo. I Jesoa no mpampianatra ara-moraly sy ara-pitondrantena goavana indrindra t@ tantaran'ny olombelona. Nefa kosa niteny mazava tsara fa Andriamanitra izy. Tsy hita anaty Baiboly i Jesoa manonona hoe : "Andriamanitra aho", fa kosa namerina imbetsaka ny hoe : "Je Suis" (aleo ataoko teny frantsay mba hampazavazava an'ilay izy. Kanefa izay "Je Suis" no anarana nomen'Andriamanitra t@ Mosesy ho an'ny tenany t@ tendrombohitra Horeba. Ka nilaza ny teniny ho Andriamanitra mihitsy i Jesoa rehefa namerimberina hoe : "Je Suis". Izay mihitsy no nahatonga ny Josy nitady hitora-bato Azy @ Jn. 8:58-59 : i Jesoa sy ny mpanohitra azy dia samy Josy ka samy nahafantatra tsara ny tiany teneniny : Ilay Andriamanitra Andriananahary namorona an'izao tontolo izao izy, ka neverin-dreo ho blasfemia.

Nohon'izay izany dia safidy 3 no ananantsika : na adala izaitsizy Izy, na mpamitaka vahoaka tsy vanona Izy, na tena Andriamanitra tokoa (izay no atao hoe "trilemne de C.S. Lewis", ilay mpanoratra ny tohibokin'i Narnia). Nefa aiza koa no hisy mpamitaa vahoaka hampianatra fitondrantena sy moraly tsara sy lanto tahak'izao ? Aiza no hizy adala hampiseho toetra rationnel tahak'izao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.3381