Iza no hitsara ny olona !!! Jehovah sa Jesosy?

1. didi10 ( 18/07/2012 09:50)
Jao 5,22-23
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

Iza no hitsara?
Jesosy

Inona no tanjona?
Mba hanajan'ny olona rehetra ny zanaka tahaka ny fanajana ny Ray

Mibebaha, ekeo ho Tomponao sy Andriamanitrao Jesosy.
novalian'i Miharena ny 27/07/2012 09:37
2. RBNIR ( 18/07/2012 10:52)
AMEN!
3. Miharena ( 18/07/2012 16:27)
Raha ny fahazoako izay voalaza dia tsy mitsara Andriamanitra ary namafisin'i Krsity izany tamin'ny fotoana nampianarany fa tsy mitsara Izy fa ny teny voambarany no hitsara. Mazava io resaka io satria izay fahatomombanana voalaza tokony harahin'ny olona ka laviny no hitsara izay hataony sy halehany.
4. leva2 ( 18/07/2012 17:13)

Miharena:

Raha ny fahazoako izay voalaza dia tsy mitsara Andriamanitra ary namafisin'i Krsity izany tamin'ny fotoana nampianarany fa tsy mitsara Izy fa ny teny voambarany no hitsara. Mazava io resaka io satria izay fahatomombanana voalaza tokony harahin'ny olona ka laviny no hitsara izay hataony sy halehany.

Velona Jesosy!

Tokony ho tsapantsika rehetra fa maro ireo zavatra niova momba an'i Jesosy Kristy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty. Fa anisan'ireny tiako ho marihina aminao ry Miharena ity : " Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany" Mat 28/18; sy ny hoe: "Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka" Jaona 05/22. Mazava be io raha mamaky ny bokin'ny Apokalipsy ianao.

5. Maranatha ( 19/07/2012 05:45)

didi10:

Jao 5,22-23
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

Iza no hitsara?
Jesosy

Inona no tanjona?
Mba hanajan'ny olona rehetra ny zanaka tahaka ny fanajana ny Ray

Mibebaha, ekeo ho Tomponao sy Andriamanitrao Jesosy.

Misy adinonao ( didi10) sy mitady hifangaro

Ny olona masina ( ireo voavonjy)dia : Ny Ray no Mpitsara araka ity toko sy andininy ity Daniela 7:9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.

Ny hitsarana dia ny lalàn'ny fahafahana: Jakoba 2:12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.
Mpisolovava Ny Mesia I jaona 2:1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
sy ny zakaria 3:3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto(=fahotana) ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana (=fahamarinan' Mesia) ianao.

Ny Mpiampanaga i satana zakaria 3:1 [Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.

Ireo boky no vavolombelona.

Ho an'ireo very na olona na ry losifera sy anjeliny kosa dia i Jesosy sy ireo olom-bonjena no mitsara azy Apok 20:4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.

I kor 6:2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.

Didy10 tsara raha hampiorenina tsara ny fahamarinana rehetra mba tsy hitenenana ratsy ny anaran' Avoindrindra.Mahereza!
6. jojo3t ( 19/07/2012 06:55)
Marina ny voalazan'ny namana, nomena fahefana hitsara i Jesosy Kristy, ary hitsara hiaraka aminy koa ireo 144000 ao amin'ny fanjakana arivo taona, koa Andriamanitra koa ve izany ireo 144000, namana didi10, raha nomen'i dadanao hitsara ny mpiasanao enao dia mijanona ho zanaka foana enao fa tsy lasa dada, ka hoe samy dada enao sy ny dadanao.

Nomena fahefana i Jesosy, fa zanak'Andriamanitra foana izy, aoka tsy hatao tsinontsinona ny Ray.

Fanontaniana ho an'i didi10 ihany, rehefa nomena fahefana i Jesosy, nilaza ve izy fa izy indray no Andriamanitra, ary izy indray no ivavahana, fa atao any ambadika ny Ray? Avaho tsara ny hoe Andriamanitra ivavahana sy ny anjaran'ny Zanaka nomena fahefana.
7. didi10 ( 19/07/2012 07:02)

Maranatha:

Misy adinonao ( didi10) sy mitady hifangaro

Ny olona masina ( ireo voavonjy)dia : Ny Ray no Mpitsara araka ity toko sy andininy ity Daniela 7:9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.

vao maika manamafy ilay teny tetsy ambony fa Andriamanitra no mihitsy no nitsara ary izany dia tamin'ny andron'ny fanatitra nodorana
Salamo 50 6-8
6 Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany;
fa Andriamanitra no Mpitsara.
7 Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho;
Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho;
Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
8 Tsy ny fanatitrao no ananarako anao,
ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao
.

Ankehitriny kosa efa nomena an'i Jesosy ny fahefana rehetra (Mat 28,18).

Maranatha:

Ny hitsarana dia ny lalàn'ny fahafahana: Jakoba 2:12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.

lalàn'ny fahafahana = fitiavana
Araka ny fandehanana amin'ny fitiavana (Ef 5,2) no hitsarana ny oloNY fa tsy amin'ny lalàna, ireo mpanota mahalala ny lalàna no hotsaraina araka ny lalàna fa izay mpanota tsy manana ny lalàna kosa dia ho very tsy manana ny lalàna.(Rom 2, 12)

Maranatha:

Mpisolovava Ny Mesia I jaona 2:1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
sy ny zakaria 3:3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto(=fahotana) ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana (=fahamarinan' Mesia) ianao.

Ny Mpiampanaga i satana zakaria 3:1 [Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.

Ireo boky no vavolombelona.

Ho an'ireo very na olona na ry losifera sy anjeliny kosa dia i Jesosy sy ireo olom-bonjena no mitsara azy Apok 20:4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.

I kor 6:2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.

Didy10 tsara raha hampiorenina tsara ny fahamarinana rehetra mba tsy hitenenana ratsy ny anaran' Avoindrindra.Mahereza!

Averiko ilay lohahevitra

Didi10:

Jao 5,22-23
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

Iza no hitsara?
Jesosy

Inona no tanjona?
Mba hanajan'ny olona rehetra ny zanaka tahaka ny fanajana ny Ray

Mibebaha, ekeo ho Tomponao sy Andriamanitrao Jesosy.

Aiza ho aiza eo ilay TENY RATSY lazainao namana Maranatha?
Mazava ny Teny ary tsy i Paoly no niteny na ny Apostoly i Jesosy en personne sa i Jesosy no lazainao fa miteny ratsy NY AVO INDRINDRA?
8. Maranatha ( 19/07/2012 12:28)

didi10:

Aiza ho aiza eo ilay TENY RATSY lazainao namana Maranatha?
Mazava ny Teny ary tsy i Paoly no niteny na ny Apostoly i Jesosy en personne sa i Jesosy no lazainao fa miteny ratsy NY AVO INDRINDRA?

Tsy hianao no miteny ratsy na i jesosy fa izao : diniho tsara ny fampianarana omena ny olona raha mbola tsy tena hanana traikefa tsara dia aleo aloha mandalina. Mahita mantsy aho teto @ forum fa misy milaza fa efa tena lasa lavitra ianao amin'ny fandalinana soratra masina. Ka raha sanatria hianao miteniteny foana na mampianatra diso eto amin'ny fizarana eto dia ho lasa hanitry ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana. Ary handinika ny olona dia lasa hitenenany ratsy an'A/tra.

Tsikariritro hoe mbola tsy voamasakao tsara ny fandalinana ny amin'ny fitsarana dia izay no somary nidirako sy nanitsiako izay diso mba ho voninahitr'Avo indrindra sy ho raisin'ireo izay mandalina sy tia ny fahamarinana. Gaga nefa aho fa toa somary ohatry ny tezitra ianao. ka dia hifonana. Na izany aza anefa ny tena fahamarinana tsy maintsy lazaina. Mahereza ise!
9. Maranatha ( 19/07/2012 12:29)

10. RBNIR ( 20/07/2012 06:38)
didi10:

Mahita mantsy aho teto @ forum fa misy milaza fa efa tena lasa lavitra ianao amin'ny fandalinana soratra masina.

Faly miarahaba ry namana isany,

Tsy tokony hahita an-tsika ny olona ry namana isany (Jesosy irery ihany no tokony ho hitany) Ny tanjona tsy ny hampitolagaga ny olona amin'ny fahaizana (izay tsy an-tsika fa Azy) fa kosa ny hampitoetra ny tenin'Andriamanitra ampitaina any am-pon'ny tsirairay avy.
Raha misy milaza ny marina ankaherezo izy satria marina no lazainy.
Raha misy kosa milaza diso ahitsiho (2 Tim.3:16) izy satria ny hizara ny marina no tanjona mba hahatanteraka ity teny manaraka ity « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1Jao.3:7)

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany

11. didi10 ( 20/07/2012 10:49)

Maranatha:

didi10:

Aiza ho aiza eo ilay TENY RATSY lazainao namana Maranatha?
Mazava ny Teny ary tsy i Paoly no niteny na ny Apostoly i Jesosy en personne sa i Jesosy no lazainao fa miteny ratsy NY AVO INDRINDRA?

Tsy hianao no miteny ratsy na i jesosy fa izao : diniho tsara ny fampianarana omena ny olona raha mbola tsy tena hanana traikefa tsara dia aleo aloha mandalina. Mahita mantsy aho teto @ forum fa misy milaza fa efa tena lasa lavitra ianao amin'ny fandalinana soratra masina. Ka raha sanatria hianao miteniteny foana na mampianatra diso eto amin'ny fizarana eto dia ho lasa hanitry ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana. Ary handinika ny olona dia lasa hitenenany ratsy an'A/tra.

Tsikariritro hoe mbola tsy voamasakao tsara ny fandalinana ny amin'ny fitsarana dia izay no somary nidirako sy nanitsiako izay diso mba ho voninahitr'Avo indrindra sy ho raisin'ireo izay mandalina sy tia ny fahamarinana. Gaga nefa aho fa toa somary ohatry ny tezitra ianao. ka dia hifonana. Na izany aza anefa ny tena fahamarinana tsy maintsy lazaina. Mahereza ise!

Tsara aloha rehefa nahitsinao ilay fanendrikendrehana fa tena lasa tafahoatra loatra amin'ny hevitra tianao havoaka ny teninao, miala tsiny raha somary nangatam-panazavana taminao fa amiko izany miteny Ratsy ny Avo indrindra izany dia miteny ratsy ny Fanahy Masina izay tsy hahazoana famelan-keloka mandrakizay.(Mar 3,29)

Marina fa nisy nitoraka voninkazo ahy teto saingy tsy mbola nirehareha tamin'izany aho satria an'Andriamanitra irery ny voninahitra, indrindra ny Baiboly no miteny fa raha manana ny fahalalana rehetra sy ny zava-miafina rehetra aza ka tsy manam-pitiavana dia zava-poana izany rehetra izany.
Tena am-pitiavana namana no itoriako ny Teny tsy misy Kilema eto a! tsy ho ahy fa mba hahatonga ny mpanota hibebaka, samy sarotiny isika namana amin'ny fahamarinana fa aza dia manao teny maharary loatra fa mariky ny tsy fitiavana izany.
Misaotra
Ny Tompo homba anao.

12. Miharena ( 21/07/2012 07:43)
Mahatsapa aho fa mivily daholo ny lohahevitra noho ny fisian'ny fitsarana fanehoan-kevitra.

Ny tsara dia manao izay tsy ananana hevitra efa raiki-tapisaka (préjugé) alohan'ny hanadihadiana hevitra na io ao anaty Baiboly na tsia.

Ny hany mba mahavaka dia ity, zary lasa atao préjugé ilay teny ao anaty Baiboly rehefa zaraina amin'ny lafiny tsy tokony handraisana azy na tsy misy idirany amin'ilay loha-hevitra mihitsy aza.

Raha ity lohaheitra ity ohatra dia mbola tsy tafavoaka mazava hoe iza marina no hitsara ?

Ireto no valinteny napoitra:

Ny Ray sa ny Zanaka? sa ny Teny?

Alohan'ny hipoiran'ny fanondroana dia tokony ho fantatra hoe HANAO inona no nanirahana ny Zanaka? Inona no ASA efa nataon'ny Ray? Ary inona no anjaran'ny olona niasana?

Raha tena mandinika isika dia heverina fa ivelany hatrany ilay Mpitsara.

Hoy anefa Andriamanitra ao amin'ny Isaia hoe ...hosoratako ao am-pon'ny olombelona ny lalàKO...

Hoy koa i Kristy hoe : Ny Teny izay ambarako no hitsara

Hoy kosa anefa ireo anjely hoe : I Krsity no Mpitsara Lehibe ary Izy irery ihany no mendrika ny hitsara ao amin'y Apokalypsy.

Fa ireo teny ireo dia tokony hampifamenoina ahafahana maka tsoa-kevira matotra iray.

Hoy i Kristy: Izaho sy ny Ray dia iray ihany ary ny tanjona dia ny hahairay antsika ao amin'i Krsity toy naha-Iray Azy sy ny Ray.

Raha io no zohina lalina dia tsy ivelany intsony ny fitsarana fa anaty. Ny maha-Kristy ny tsirairay no mitsara azy ary tokana io dia ny fisian'ny Ray ao amin'ny zanaka izay entin'ny tsirairay fony mbola tsy notorontoronina akory izy satria izany no nanaovana izao rehetra izao, mba isehoan'ny voninahitr'Andriamanitra ao amin'ny natiora tsirairay avy.
13. niryna ( 22/07/2012 02:51)
jojo3t:

Marina ny voalazan'ny namana, nomena fahefana hitsara i Jesosy Kristy, ary hitsara hiaraka aminy koa ireo 144000 ao amin'ny fanjakana arivo taona, koa Andriamanitra koa ve izany ireo 144000, namana didi10, raha nomen'i dadanao hitsara ny mpiasanao enao dia mijanona ho zanaka foana enao fa tsy lasa dada, ka hoe samy dada enao sy ny dadanao.

Vereno vakiana tsara ny baibolin'ny kristiana fa tsy ny anareo no vakiana satria hianareo nanova ny baiboly ka ny anareo no heverinareo ho marina
Tsy mino an'i kristy ho Atra,tsy miditra ny fiangonan'ny olona fa mamporisika ny olona hiditra ny watchtower nareo.Tsy manome ra,tsy mandevina ny fianakaviana na manatrika ny mariazin'ireo fianakaviana niala teo aminareo(aiza ilay Ray o ,mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay ? ) ary tsy miditra ny tranony na mamela heloka azy ireo .Tsy mino ny Jaona1:1-4 izay manambara fa Kristy no Atra.Na maty dangy eo aza ny zanaka na ny fianakaviana dia tsy mety ary tsy manome ra ho azy hianareo ( raha hilaza isika fa tia an'Atra ,atao ahoana moa no fitia ilay Atra izay tsy ita maso kanefa ny rahalahintsika na ny rahavavintsika aza tsy tiantsika? " Izay ataoanareo amin'ireny madinika ireny no efa nataonareo tamiko koa " hoy Kristy .Ampiharo amin'ny fiainana ny fampianarana e

Eny e,izay no nampianarina anareo dia izay ihany fa tsy sahy mamaky na mandaly ny baibolin'ny kristiana hianareo Ndrrrryyyy mampalahelo e!

iza ireo olona 144000 ireo,dia lazao indray hoe fa hianareo ireo ooops
Dia lazao indray koa fa tsy maintsy mitety trano mitory ny filazantsara hianareo fa raha tsy izany tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra,ny paradisa aza moa lazainareo fa tsy misy fa izao efa misy antsika izao no paradisa k'nou
Misy ihany finoana hafa fa ny mifandahatra aminareo no tena sarotra be indrindra satria tsy mety resy dohika fa manao tsianjery maimbo ka ny ataoko ihany no ataoko hoy ilay olona izay.

raha vao miteny hianao hoe samy dada enao sy ny dadanao dia logique amin'ny olombelona izany indrindra fa amin'ny finoanareo izay tena sarotiny sy mihevitra fa ny anareo irery no marina na tsy mijery ny an'ny hafa sy manao ny an'ny hafa ho tsy izy eny fa na fianakaviana izao aza no mivadika tsy mandeha ao aminareo intsony dia toy tsy misy izy ireo aminareo ary na misy fahoriana aza dia tsy mety miditra ny fiangonan'ny olona hianareo fa miandry ery lavidavitra ery..Logique ve izany? aminareo dia logique satria izay no fototry ny fampianarana nampianarina anareo sy noratovinareo ary nanasana ny lohanareo fa ho an'ny olona ety ivelany dia manaraka ny hafatry Kristy hoe mifankatiava hianareo toy ny nitiavako anareo ka tsy logique amin'ny hafa izany ilay logique aminareo

Aminareo indray dia nosoloina andriamanitra ilay Andriamanitra ao amin'ny Jaona 1:1-4 kanefa Kristy ilay Andriamanitra tonga nofo no resahina eto ary ny zavatra logique amin'Atra izay manambara fa moa ve sarotra amiNy ny anao izany? ny lanitra ,ny tany ,ny rivotra vao miTeny fotsiny izy dia misy fahefana feno avy amin'ny feoNy ary dia mora amiNy izany ka inona no mahagaga anao an'izany? satria tsy Andriamanitra hianao
IZAHO SY NY RAY DIA IRAY IHANY hoy Kristy ka raha tsy mitombona aminareo (ny finoanareo)izany voasoratra ao anaty Baiboly dia izay izy izany
ka tsy azonareo esorina na analana na andaingaina na fafazana lainga ny olona ok
VITA TOMPOKO

Nomena fahefana i Jesosy, fa zanak'Andriamanitra foana izy, aoka tsy hatao tsinontsinona ny Ray.
ka tsy ilay hoe fahefana no olana fa ny tsy fahazakanareo fa Kristy dia Andriamanitra no olona .Tsy afaka hilaza isika hoe mandray an'i kristy raha tsy mino izay Teny rehetra nolazaiNy ary anisan'izany ny teny nomeny fa Izy sy ny Ray dia iray ihany.Ok

Fanontaniana ho an'i didi10 ihany, rehefa nomena fahefana i Jesosy, nilaza ve izy fa izy indray no Andriamanitra, ary izy indray no ivavahana, fa atao any ambadika ny Ray? Avaho tsara ny hoe Andriamanitra ivavahana sy ny anjaran'ny Zanaka nomena fahefana.

Valio hono izany ry didi10 a hi,hi dia tena mampalahelo mihitsy hianareo an,rahoviana re hianareo no mba andray an'i kristy e.Tadidio fa mbola nomeny fotoana feno foana isika ankehitriny ny mba hiverenantsika aminy.....TSY MISY AFAKA MANKANY AMIN'NY RAY RAHA TSY AVY AMIN'NY ALALAKO izy tompoko no intermediaire.ny mpanelanelana antsika amin'ilay Ray,tadidio fa tsy misy afaka mahita ny tavan'ny Ray isika.Vereno vakio indray ny baiboly nanambara ny vohaNy rehefa nitady ny te hiaona Azy i Mosesy
Averiko indray ny zavatra heverintsika ho tsy logique dia logique amin'Atra ka aoka re tompoko tsy mitady haka ny toeran'Atra isika e. Raha naka ny toeran'Atra mantsy isika efa vita ny fitoriana teny amin'izao fotoana izao.
Satria hoy aho ombieny ombieny, ireo foana no hitadiavanareo fisarahana ny mpino an'i kristy rehetra ary dia izay no masohan'ny sainareo mba tsy ilazana hoe fampianarana diso nomena anareo ,dia ireo foana no fototra handresehanareo lahatra ny olona.Averiko indray ,vereno vakiana ny baibolin'ny kristiana fa tsy ny anareo satria maro ny teny izay nesorinareo tao anatin'ny baibolin'ny kristiana.

Mivavaha ka mangataha ny fanahy masina mba anokatra ny masompanahintsika ka tsy ho voafitaka isika .Raha tsianjery maimbo dia miaiky ahy fa izay no fampianarana nomena ny an'ny sasany fa raha resaka hoe kristy no Atra dia e,e ,tsy mety ho resy dohika eo hianareo na aniry nify aza ny akoho.
Te andray Azy isika? Matokia ary mino ny Teny izay nomeNy satria Izy ilay Teny tonga Nofo ary ampiharo amin'ny fiainana izany ,mila mino isika ary mila mijery sy mamaky ny baiboly ihany koa ka mandalina izany ary mino izay teny rehetra nomeNy ao fa ao no fanalahidin'ny finoana Azy
Miala tsiny fa lava ary ifonako raha toa ka mety manafitohina anao ny teniko,aza ny tenako no ariana fa ny teniko no verimbereno raha mahasoa anao dia raiso e,raha tsy mahasoa dia ataovy kopia dia rovito an

Misaotra tompoko ary mahereza

14. didi10 ( 22/07/2012 15:04)
Calme ihany namana Niryna an!! Tsy dia tsara loatra ny manao sendoatra be rehefa handresy lahatra TJ fa entina am-pitiavana ihany. :-)

nanontany manokana ahy izy dia hovaliako am-pitiavana.
15. moustaraf ( 22/07/2012 15:50)
Shalom daholo e!
Mahafinaritra ilay adihevitra (fifanakalozan-kevitra) fa saingy toa lasa hibirioka fotsiny. Raha nandalo teto aho in-1 mandeha dia nilaza hoe " aoka mba ho toerana ifanakalozana marina itony toerana itony" fa tsy toerana itoriana akory, satria dia mazava fa tsy hitovy mihitsy ny fomba nandraisana ny TENY. Dans la bible in n'y a pas de démocratie; tsy izay maro mpanaraka akory no MARINA ka tsy maintsy itompoana teny fatratra, efa voalaza sy voasoratra fa "Tery ny làlana , ka vitsy no mahita azy", tsy miandany na @ iza na @ iza izany teniko izany fa mba hahatsara ny fifanakalozana. Aoka mba samy hanana toe-po vonona hifampizara(manome sy mandray ihany koa), fa tsy hiaro be fahatany izay heviny "Izany no maha FORUM ny FORUM".
Amiko manokana dia misy hevitra vaovao izay mety azo raisina tsara ity:
1-Izay mino dia tsy hotsaraina (intsony); mino=mihinana = mandray (??)
2-Ny fitsarana ho an'ny mino dia efa vita t@ fihinanana sy ny fisotroana (??)
3-Nalefa aloha ny fitsarana azy satria , HITSARA ny andrianan'izao ttlo izao izy miaraka @ zanaka (???)
Somary maika ka aza tsiny raha tsy afaka ny hiditra @ antsipirihany
Shalom
16. ledala ( 22/07/2012 23:53)
tsara ilay adihevitra ary dia tena mahalina tokoa fa izao no mba tiako ho ambara: rehefa mamakafaka teny ao amin' ny baiboly toy io dia misy fepetra tokony ho fantatra sy arahina aloha:
1- iza ilay mpanoratra, ny momba azy, ny fahaizany, ny manavanana azy,mapiasa sari-teny ve izy rehefa manoratra, ny fomba fanorany, zay rehetra fantatra mahakasika azy.
2- ovina ny vanim-potoana namoahana ilay lahatsoratra( nisy ady ve, sa fanenjehana, kristianina, sa nilamina be sa ....)
3- ho an'iza ilay hafatra tamin'izany? gadra ve, mpitondra fanjakana ve? mpamory hetra sy mpanora-dalana ve, vahoka tsy mpino ve? kristianina ve?......
4- avy amin'ny teny inona no nandikana ilay teny( language) teny frantsay ve, teny anglisy ve, grika, sa latinina, .....
5- inona no ifandraisan'ireo rehetra ireo sy ilay voasoratra amin'ny vanim-potoana ankehitriny?
........................
--farany vao mamoka izay hevitrao.
FA TSY NY TENY NA AMPAHA-TENY AO AMIN'NY BAIBOLY NO TERENA HANARAKA FOTSINY IZAO NY HEVITRA TINA HO AMPITAINA

17. bor2lais ( 23/07/2012 07:01)
moustaraf:

Amiko manokana dia misy hevitra vaovao izay mety azo raisina tsara ity:
1-Izay mino dia tsy hotsaraina (intsony); mino=mihinana = mandray (??)
2-Ny fitsarana ho an'ny mino dia efa vita t@ fihinanana sy ny fisotroana (??)
3-Nalefa aloha ny fitsarana azy satria , HITSARA ny andrianan'izao ttlo izao izy miaraka @ zanaka (???)

Ka "iza" no antsoina eto hoe "andrianan'izao tontolo izao" ?

Toa niteny mantsy Izy raha tsy diso aho fa ny tsy mino dia efa voaheloka izay midika fa efa voatsara amiko ... sa diso fandray i bor2lais ?

Ny tiana ahatongavana : hitsara an'iza marina moa Izy izany raha toa ka ny mino tsy ho tsaraina (hoy moustaraf) intsony ary ny tsy mino efa voaheloka rahateo ! ;-)

Sao dia hitsara ny "sadasada" kosa aza : milaza mino nefa tsy mino na koa lazaina fa tsy mino nefa mety mino tokoa ! Izany hoe ny "fitsarantsika" olombelona no ho tsaraiNY ! ;-)
18. didi10 ( 23/07/2012 07:07)

jojo3t:

Fanontaniana ho an'i didi10 ihany, rehefa nomena fahefana i Jesosy, nilaza ve izy fa izy indray no Andriamanitra, ary izy indray no ivavahana, fa atao any ambadika ny Ray? Avaho tsara ny hoe Andriamanitra ivavahana sy ny anjaran'ny Zanaka nomena fahefana.

Jao 6,44
Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray izay naniraka Ahy.

Voalohany, na inona na inona fitoriana atao eto kanefa mbola tsy tonga taminao ny antson'i Jehovah dia tsy ho resy lahatra na oviana na oviana ianao hanatona an'i Jesosy, hanaiky ny fahefaNY ho TOMPO sy mpamonjy anao.

Kor I 12;3
Tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo raha tsy amin'ny Fanahy Masina

Maniry aho namana mba ho tonga aminao tokoa ny Fanahy Masina hampanaiky anao fa Jesosy dia Tompo Andriamanitrao.

Raha izao toerana misy anao izao dia mijanona ho formule magique fotsiny ny anaran'i Jesosy.
Hitanao ireny mpanao magie ireny? rehefa miasa izy dia misy teny ampiasainy ohatra "abracadabra" , tsy misy lanjany loatra io teny io fa ilay nanome azy ilay teny no tena ao am-badika.
Dia toa izany ve no fiheveranao an'i Jesosy Kristy ilay maty hamonjy anao?

Fil 2,5

5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, 10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, 11 sy HANEKEN'NY LELA REHETRA FA JESOSY KRISTY NO TOMPO HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA RAY.
19. zazamaroroka ( 23/07/2012 08:51)
Aiza e,manararotra kel ny bandy alou fa otran mahalana be vo afaka mkozy eto, efa mba ela iany no nitsirihako hevitra tato fa le an'i nyrina tonga de masiso be, marina ny kozin'i ramoustafa hoe fifanaka-lozakevitra no atao eto,ra misy kozy ts zakan'i nyrina amin'ny TJ dia aleo ts atao eto fa komika be, na misy kiana ary eto ho an'ny piadi hevitra ts mbol nisy kozi otranio, ka lasa simba le dinika, enao zao lasa parasyte be, microba manimba anle revy miainga ato nefa enao tsy manan angovo hoentina mihitsy, za ts maka hevitr'iza na iza, na hoe mitsara aza sy hoe miditra ts kwa fa ts maints mkozy ihany satria misy tsy nianatr savoir vivre, iverenako le lohahevitra, za oà ts mpandalina fa mpamaky mafatrapo eto, ary manaraka logika, ra koboiko doly zao le kozy miainga eto atramzao, ts mbola maharesy lahatra mitsy le hoe iza no itsara, iza marina no Andriamanitra, tsy manazava mits nareo hoe, ty Andriamanitra fa zao sy zao, na hoe ty tsy izy fa zao sy zao, na hoe mitovy reo fa zao sy zao, fa miainga amin'ny iray foana le izy, dia iny no hazavainareo fa tsy miainga aminle contre mitsy. okay, kopéta doly ry akama isany a!Siora.
20. jojo3t ( 24/07/2012 03:21)

niryna :

jojo3t:

Marina ny voalazan'ny namana, nomena fahefana hitsara i Jesosy Kristy, ary hitsara hiaraka aminy koa ireo 144000 ao amin'ny fanjakana arivo taona, koa Andriamanitra koa ve izany ireo 144000, namana didi10, raha nomen'i dadanao hitsara ny mpiasanao enao dia mijanona ho zanaka foana enao fa tsy lasa dada, ka hoe samy dada enao sy ny dadanao.

Vereno vakiana tsara ny baibolin'ny kristiana fa tsy ny anareo no vakiana satria hianareo nanova ny baiboly ka ny anareo no heverinareo ho marina
Tsy mino an'i kristy ho Atra,tsy miditra ny fiangonan'ny olona fa mamporisika ny olona hiditra ny watchtower nareo.Tsy manome ra,tsy mandevina ny fianakaviana na manatrika ny mariazin'ireo fianakaviana niala teo aminareo(aiza ilay Ray o ,mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay ? ) ary tsy miditra ny tranony na mamela heloka azy ireo .Tsy mino ny Jaona1:1-4 izay manambara fa Kristy no Atra.Na maty dangy eo aza ny zanaka na ny fianakaviana dia tsy mety ary tsy manome ra ho azy hianareo ( raha hilaza isika fa tia an'Atra ,atao ahoana moa no fitia ilay Atra izay tsy ita maso kanefa ny rahalahintsika na ny rahavavintsika aza tsy tiantsika? " Izay ataoanareo amin'ireny madinika ireny no efa nataonareo tamiko koa " hoy Kristy .Ampiharo amin'ny fiainana ny fampianarana e

Eny e,izay no nampianarina anareo dia izay ihany fa tsy sahy mamaky na mandaly ny baibolin'ny kristiana hianareo Ndrrrryyyy mampalahelo e!

iza ireo olona 144000 ireo,dia lazao indray hoe fa hianareo ireo ooops
Dia lazao indray koa fa tsy maintsy mitety trano mitory ny filazantsara hianareo fa raha tsy izany tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra,ny paradisa aza moa lazainareo fa tsy misy fa izao efa misy antsika izao no paradisa k'nou
Misy ihany finoana hafa fa ny mifandahatra aminareo no tena sarotra be indrindra satria tsy mety resy dohika fa manao tsianjery maimbo ka ny ataoko ihany no ataoko hoy ilay olona izay.

raha vao miteny hianao hoe samy dada enao sy ny dadanao dia logique amin'ny olombelona izany indrindra fa amin'ny finoanareo izay tena sarotiny sy mihevitra fa ny anareo irery no marina na tsy mijery ny an'ny hafa sy manao ny an'ny hafa ho tsy izy eny fa na fianakaviana izao aza no mivadika tsy mandeha ao aminareo intsony dia toy tsy misy izy ireo aminareo ary na misy fahoriana aza dia tsy mety miditra ny fiangonan'ny olona hianareo fa miandry ery lavidavitra ery..Logique ve izany? aminareo dia logique satria izay no fototry ny fampianarana nampianarina anareo sy noratovinareo ary nanasana ny lohanareo fa ho an'ny olona ety ivelany dia manaraka ny hafatry Kristy hoe mifankatiava hianareo toy ny nitiavako anareo ka tsy logique amin'ny hafa izany ilay logique aminareo

Aminareo indray dia nosoloina andriamanitra ilay Andriamanitra ao amin'ny Jaona 1:1-4 kanefa Kristy ilay Andriamanitra tonga nofo no resahina eto ary ny zavatra logique amin'Atra izay manambara fa moa ve sarotra amiNy ny anao izany? ny lanitra ,ny tany ,ny rivotra vao miTeny fotsiny izy dia misy fahefana feno avy amin'ny feoNy ary dia mora amiNy izany ka inona no mahagaga anao an'izany? satria tsy Andriamanitra hianao
IZAHO SY NY RAY DIA IRAY IHANY hoy Kristy ka raha tsy mitombona aminareo (ny finoanareo)izany voasoratra ao anaty Baiboly dia izay izy izany
ka tsy azonareo esorina na analana na andaingaina na fafazana lainga ny olona ok
VITA TOMPOKO

Nomena fahefana i Jesosy, fa zanak'Andriamanitra foana izy, aoka tsy hatao tsinontsinona ny Ray.
ka tsy ilay hoe fahefana no olana fa ny tsy fahazakanareo fa Kristy dia Andriamanitra no olona .Tsy afaka hilaza isika hoe mandray an'i kristy raha tsy mino izay Teny rehetra nolazaiNy ary anisan'izany ny teny nomeny fa Izy sy ny Ray dia iray ihany.Ok

Fanontaniana ho an'i didi10 ihany, rehefa nomena fahefana i Jesosy, nilaza ve izy fa izy indray no Andriamanitra, ary izy indray no ivavahana, fa atao any ambadika ny Ray? Avaho tsara ny hoe Andriamanitra ivavahana sy ny anjaran'ny Zanaka nomena fahefana.

Valio hono izany ry didi10 a hi,hi dia tena mampalahelo mihitsy hianareo an,rahoviana re hianareo no mba andray an'i kristy e.Tadidio fa mbola nomeny fotoana feno foana isika ankehitriny ny mba hiverenantsika aminy.....TSY MISY AFAKA MANKANY AMIN'NY RAY RAHA TSY AVY AMIN'NY ALALAKO izy tompoko no intermediaire.ny mpanelanelana antsika amin'ilay Ray,tadidio fa tsy misy afaka mahita ny tavan'ny Ray isika.Vereno vakio indray ny baiboly nanambara ny vohaNy rehefa nitady ny te hiaona Azy i Mosesy
Averiko indray ny zavatra heverintsika ho tsy logique dia logique amin'Atra ka aoka re tompoko tsy mitady haka ny toeran'Atra isika e. Raha naka ny toeran'Atra mantsy isika efa vita ny fitoriana teny amin'izao fotoana izao.
Satria hoy aho ombieny ombieny, ireo foana no hitadiavanareo fisarahana ny mpino an'i kristy rehetra ary dia izay no masohan'ny sainareo mba tsy ilazana hoe fampianarana diso nomena anareo ,dia ireo foana no fototra handresehanareo lahatra ny olona.Averiko indray ,vereno vakiana ny baibolin'ny kristiana fa tsy ny anareo satria maro ny teny izay nesorinareo tao anatin'ny baibolin'ny kristiana.

Mivavaha ka mangataha ny fanahy masina mba anokatra ny masompanahintsika ka tsy ho voafitaka isika .Raha tsianjery maimbo dia miaiky ahy fa izay no fampianarana nomena ny an'ny sasany fa raha resaka hoe kristy no Atra dia e,e ,tsy mety ho resy dohika eo hianareo na aniry nify aza ny akoho.
Te andray Azy isika? Matokia ary mino ny Teny izay nomeNy satria Izy ilay Teny tonga Nofo ary ampiharo amin'ny fiainana izany ,mila mino isika ary mila mijery sy mamaky ny baiboly ihany koa ka mandalina izany ary mino izay teny rehetra nomeNy ao fa ao no fanalahidin'ny finoana Azy
Miala tsiny fa lava ary ifonako raha toa ka mety manafitohina anao ny teniko,aza ny tenako no ariana fa ny teniko no verimbereno raha mahasoa anao dia raiso e,raha tsy mahasoa dia ataovy kopia dia rovito an

Misaotra tompoko ary mahereza

Tsotra no hamaliako an'i niryna, efa mahazatra sy tsy mahagaga ny toe-javatra toy izao, ary mahatanteraka faminaniana dia inty : Matio 10 : 22 : "Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako".

Tsy hanenjika olona nefa, na hamaly an'izay manenjika no ataoko eto fa hanome fanazavana ho an'ny mpamaky, inty ny andininy omeko anao noho izany : Matio 5 : 44 "Tiavo ny fahavalonao ary mivavaha foana ho an'izay manenjika anao". Tapitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0481