Iza no hitsara ny olona !!! Jehovah sa Jesosy?

21. jojo3t ( 24/07/2012 03:50)

didi10:


jojo3t:

Fanontaniana ho an'i didi10 ihany, rehefa nomena fahefana i Jesosy, nilaza ve izy fa izy indray no Andriamanitra, ary izy indray no ivavahana, fa atao any ambadika ny Ray? Avaho tsara ny hoe Andriamanitra ivavahana sy ny anjaran'ny Zanaka nomena fahefana.


Jao 6,44
Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray izay naniraka Ahy.

Voalohany, na inona na inona fitoriana atao eto kanefa mbola tsy tonga taminao ny antson'i Jehovah dia tsy ho resy lahatra na oviana na oviana ianao hanatona an'i Jesosy, hanaiky ny fahefaNY ho TOMPO sy mpamonjy anao.

Kor I 12;3
Tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo raha tsy amin'ny Fanahy Masina

Maniry aho namana mba ho tonga aminao tokoa ny Fanahy Masina hampanaiky anao fa Jesosy dia Tompo Andriamanitrao.

Raha izao toerana misy anao izao dia mijanona ho formule magique fotsiny ny anaran'i Jesosy.
Hitanao ireny mpanao magie ireny? rehefa miasa izy dia misy teny ampiasainy ohatra "abracadabra" , tsy misy lanjany loatra io teny io fa ilay nanome azy ilay teny no tena ao am-badika.
Dia toa izany ve no fiheveranao an'i Jesosy Kristy ilay maty hamonjy anao?

Fil 2,5

5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, 10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, 11 sy HANEKEN'NY LELA REHETRA FA JESOSY KRISTY NO TOMPO HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA RAY.

Efa nambara tery ambony fa i Jesosy sy ireo olo-masina na 144000 no hitsara an'izao tontolo zao, tsy asiana adi-hevitra be iny, fa raha ny fahitako azy tsy le hitsara no tianao havoaka eto fa le hoe i Jesosy no Andriamanitra ivavahana, ka hazavaiko kely eto ndray na dia efa maro be aza ny andininy nomeko momba io :

Jaona 16 : 23 :"n'inona n'inona angatahinareo amin'ny Ray amin'ny anarako dia omeny anareo izany" : mba azontsika ve ny dikan'io sa dia ny tsy mahalala indray no hampianatra antsika, mazava be io hoe rehefa mangataka zavatra dia amin'ny Ray no mangataka fa amin'ny anaran'i Jesosy no angatahana azy, tsy miteny mihitsy Jesosy eo hoe n'inona n'inona angatahinareo amin'ny anarako dia omeko anareo zany, zay no mahatonga ny vavaka araka ny nampianariny hoe, Rainay zai any an-danitra Matio 6 : 9, ary faranana amin'ny anarany.

Tohiny : tsy haiko hoe fantatsika milaza ho kristiana ve hoe panalalana i Jesosy, Jaona 14 : 6 : "Izaho no lalana sy fahamarinana, tsy misy makany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako", mazava be io, efa nolazaina teto foana fa mpanelanelana i Jesosy, rehefa mivavaka amin'Andriamanitra enao dia tsy maintsy atao amin'ny alalan'i Jesosy mba ho hankasitrahan'ny Ray, izay no mahatonga ny vavaka tsy maintsy faranana amin'ny anaran'i Jesosy mba ho tafita ny vavaka ataonao, fa tsy milaza mihitsy izy hoe, tsy maintsy izaho no ivavahana, dia inona no makany amin'ny Ray?

Jaona 17 : 21-23 : "Iray izaho sy ianao ary izy ireo koa tiako ho iray ato amintsika dia ho iray isika, ireo voahosotra koa dia nantsoin'i Jesosy ho iray miaraka amin'izy sy ny Ray, koa Andriamanitra mitovy daholo koa zany ireo ? Mieritrereta tsara!

Jaona 20 : 17 : hoy i Jesosy tamin'i Maria "ary mbola tsy niakatra tany amin'ny ray aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny rainareo aho, ary any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo, mazava be toy ny masoandro io, iza no nolazain'i Jesosy fa Rainy sy Andriamaniny, ary iza no nolazainy fa Andrimanitr'ireo mpianany. No comment?

Farany :
Jaona 17 : 1-3 : Vavak'i Jesosy io, ny andininy faha-3 : "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala anao hàny Andriamanitra marina sy Jeso-Kristy izay nirahinao". Iza no hilazan'i Jesosy ny Rainy eo, ilay hàny Andriamanitra marina, na ankizy ary ve dia tsy ahay an'io, ary amin'zai koa vavak'i Jesosy mihitsy ilay izy, tsy nivavaka tamin'ny tenany mihitsy izy.

Ka zao namana a, enao mino sy mitompo teny fantatra manaiky an'i Jesosy io, toa tsy mba manaiky ireo tenin'i Jesosy ireo mihitsy enao, ho faly amin'zany ve i Jesosy hoy ianao. Tsy teniko fa tenin'i Jesosy ary ao amin'ny baiboly, ka mieritrereta ihany ary mbola misy ny fotoana, halalino tsara ny tenin'Andriamanitra mba tsy ho diso ny hampianarina ny olona.

Andininy hafa mihitsy ireo, ary efa maro be ny momba ny tenin'i Jesosy sy modely nomeny ny amin'ny tsy maha-Andriamanitra azy fa toa mody tsy misy mijery ilay izy, hany ka Andriamanitra Ray mihitsy no lasa tsinontsinona.
22. RBNIR ( 24/07/2012 07:50)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Lohateny : Iza no hitsara ny olona!!! Jehovah sa Jesosy.
Tsy ity teny tokana ity v no mahavaly azy ry namana isany?? Toa lasa manitakevitra lavitra loatra isika izany.
« Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, » (Jao.5:22)

Mazava B io, dia mbola mila hazavaina indray v??
Fa ho an'ireo izay mety tsy ho kristianina mamaky eto dia ilay Zanaka dia tsy iza fa i Jesosy (vakio asa.10:36-42).

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany.


23. niryna ( 24/07/2012 16:02)

didi10:

Jao 5,22-23
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

Iza no hitsara?
Jesosy

Inona no tanjona?
Mba hanajan'ny olona rehetra ny zanaka tahaka ny fanajana ny Ray

Mibebaha, ekeo ho Tomponao sy Andriamanitrao Jesosy.
ka eo no olona fa samy milaza azy ho mahay avokoa ny olona ka
24. jajajaly ( 26/07/2012 09:12)
didi10
Jao 5,22-23
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

Iza no hitsara?
Jesosy

Inona no tanjona?
Mba hanajan'ny olona rehetra ny zanaka tahaka ny fanajana ny Ray

Mibebaha, ekeo ho Tomponao sy Andriamanitrao Jesosy.

Misaotra mila ekentsika Tompontsika sy andriamanintsika i Jesosy.

NB: "Car le Père ne juge personne, mais il a remis tout le jugement au Fils, 23 afin que tous honorent le Fils comme ils honorent le Père. Celui qui n’honore pas le Fils n’honore pas le Père qui l’a envoyé."
"Honorer" est different de adorer
Lioka 11:2: «Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô"
Hanaraka ny tenin'i Jesosy ve ianao sa handa hankitsirano ny zavatra asainy atao rehefa mivavaka!



25. RBNIR ( 26/07/2012 10:19)
Faly miarahaba namana,
Atolotro an'i JaJajaly sy ny namana rehetra ampitiavana. Somary HS kely nefa manantena aho fa tsy dia hanome tsiny ahy loatra ny naman-tsika didi10. Ialana tsiny mialoha namana didi10
Raha niankohoka teo anatrehan'ilay anjely ny apostoly jaona dia hoy ilay anjely « Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho. » (Apo.22:9).
Tena marina tokoa fa "Andriamanitra ihany no azo hivavahana" sy hiankohofana arak'io teny io.
Izao anefa, rehefa nahiratra ilay jamba nositranin'i Jesosy dia izao no nataony. « Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. » (Jao.9:38)
TSY NITENY JESOSY (tahaka nataon'ilay anjely ery ambony).
Rehefa nahita ny tanan'ny Tompo koa i Tomasy dia izao no nataony « Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20:28)
DIA MBOLA TSY NITENY IHANY KOA JESOSY HOE TSY AZO ATAO IZANY ZAVATRA IZANY.
Isika rehetra dia mino aho fa samy miaiky fa i JESOSY irery ihany no mahalala indrindra ny azo atao sy ny tsy azo atao.
NEFA DIA TSY NITENY IZY RY NAMANA ISANY.
Satria nahoana tokoa moa ? « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. » (Isa.9:5).
SATRIA EFA VOALAZA HATRAMIN'NY TALOHA FA ANDRIAMANITRA NO HO AVY eto amin'izao tontolo izao.
ANDRIAMANITRA JESOSY RY NAMANA ISANY ARY AZO ATAO TSARA NO MIVAVAKA AMINY SY MIANKOHOKA EO ANOLOANY.
Tadidio ihany koa fa « ...... dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jao.1:33)
Hoy ny teny : « ....... Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:9)
AMIN'IZA NO HANGATAHIN-TSIKA NY FANAHIN'I KRISTY TSY AMIN'ILAY MPANAO BATISA AMIN'NY FANAHY MASINA V?

Atolotra am-pitiavana hoy aho. Voninahitra anie ho an'i Jesosy Kristy Tompontsika izay TIAN-TSIKA ka manoro an-tsika mandrakariva ny marina.

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany




26. jajajaly ( 26/07/2012 11:23)
Faly miarahaba namana,
Atolotro an'i RBNIR sy ny namana rehetra ampitiavana. Somary HS kely nefa manantena aho fa tsy dia hanome tsiny ahy loatra ny naman-tsika didi10. Ialana tsiny mialoha namana didi10

Raha niankohoka HIVAVAKA teo anatrehan'ilay anjely ny apostoly jaona dia hoy ilay anjely « Izaho Jaona no nandre sy nahita izany. Ary rehefa nandre sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo an-tongotr’ilay anjely nampiseho izany tamiko. 9 Hoy anefa izy tamiko: «Tandremo! Aza manao izao! Fa mpanompo toa anao ihany aho, ary mpanompo toa an’ireo rahalahinao izay mpaminany sy toa an’ireo mitandrina ny teny amin’ity horonam-boky ity. Andriamanitra no ivavaho.» (Apok 22:8-9) (Tsy notsindriany hoe sy iankohofy fa aza ampiana izay voasoratra azafady!!! )

Tena marina tokoa fa "Andriamanitra ihany no azo hivavahana" arak'io teny io.
Izao anefa, rehefa nahiratra ilay jamba nositranin'i Jesosy dia izao no nataony. « Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. » (Jao.9:38) (FA tsy nivavaka)
TSY NITENY JESOSY (tahaka nataon'ilay anjely ery ambony satria tsy nivavaka taminy ilay jamba).
Rehefa nahita ny tanan'ny Tompo koa i Tomasy dia izao no nataony « Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20:28)
DIA MBOLA TSY NITENY IHANY KOA JESOSY HOE TSY AZO ATAO IZANY ZAVATRA IZANY SATRIA TSY DISO I TOMASY,I Jesosy mihitsy no naka teny tao amin’ny Salamo, izay nilaza fa nisy olona ambony na mpitsara nantsoina hoe «andriamanitra.» (Jaona 10:34, 35, Prot.; Sal. 82:1-6) Mazava ho azy fa ambony lavitra noho ireny olona ireny i Kristy. Izany no antony iantsoana azy hoe «ilay hany andriamanitra nateraka», ao amin’ny Jaona 1:18 (TV ).

Isika rehetra dia mino aho fa samy miaiky fa i JESOSY irery ihany no mahalala indrindra ny azo atao sy ny tsy azo atao.
NEFA DIA TSY NITENY IZY RY NAMANA ISANY SATRIA TSY NIFANOHITRA TAMIN'NY SORATRA MASINA MOMBA AZY NY ZAVATRA NOLAZAIN'A TAMINY.
Satria nahoana tokoa moa ? « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. » (Isa.9:5).

SATRIA EFA VOALAZA HATRAMIN'NY TALOHA FA ZANAK'ANDRIAMANITRA (= andriamanitra) NO HO AVY eto amin'izao tontolo izao.
ANDRIAMANITRA JESOSY RY NAMANA ISANY TSY AZO ATAO ANEFA NY MIVAVAKA AMINY SATRIA HOY IZY MOMBA NY VAVAKA :
- «Voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’» Lioka 4:8
- Lioka 11:2: «Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô"

Iza io Rainy asainy ivavahantsika io? Io no Andriamaniny. » hoy i Jesosy: «Aza mamikitra amiko fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehana any amin’ny rahalahiko ary lazao aminy hoe: ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.’» Jaona 20:17( fitantarana eo alohakelin'ny Tomasy eo ambony io)

RBNIR
Isika rehetra dia mino aho fa samy miaiky fa i JESOSY irery ihany no mahalala indrindra ny azo atao sy ny tsy azo atao.

Asain'i Jesosy mivavaka amin'i Jehovah rainy irery ihany ary isika ny namana malala, hanaraka ny teniny ve ianao sa handa hankitsirano ny zavatra asainy atao rehefa mivavaka!
27. didi10 ( 26/07/2012 11:26)
AMENA!
Misaotra namana, tsy misy tsiny fa tsy ahy na anao ny Teny fahamarinana tsy misy kilema fa an'Andriamanitra koa omena azy ny Voninahitra, omaly anio ary Mandrakizay.

Fa asakasak'ireo izay sahy hilaza fa manompo sampy izay mivavaka amin'i Jesosy.
28. didi10 ( 26/07/2012 11:57)
Heb 10,28

28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo; 29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? 30 Fa fantatsika izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;"


Miomana ary!
29. jajajaly ( 26/07/2012 13:09)
"ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika. 9 Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, 10 rehefa tonga izy mba homem-boninahitra miaraka amin’ny olony masina sy mba hampitolagaga an’izay rehetra maneho finoana, amin’izany andro izany. Ninoanareo mantsy ny fanambaranay." 2 Tesa 1 :8-10

Tsy tiako ho hiaran'ireo ianareo ry namana isany, sarotra ve ny mankato vaovao tsara momba an'i Jesosy ka hitandrina tsara izay lazainy momba ny vavaka? Nefa raha hiziriziry moa ianareo dia miomana ary!!
30. jajajaly ( 26/07/2012 13:49)
Lioka 11:2: «Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô...


Nasehon'i Jesosy izany tamin'izy tety an-tany. Iza amin'ireo izao no tena tianao atao aminao.
Mivavaha ary amin'ilay Rainao any andanitra.
31. Miharena ( 26/07/2012 15:01)
Mihodinkodina be ihany ilay lohahevitra fa tsy msy farany ry namana isany an!
Mba azon'i Didi10 fintinina mazava ve izy ity?
32. RBNIR ( 27/07/2012 05:08)
jajajaly:

RBNIR
Isika rehetra dia mino aho fa samy miaiky fa i JESOSY irery ihany no mahalala indrindra ny azo atao sy ny tsy azo atao.

Asain'i Jesosy mivavaka amin'i Jehovah rainy irery ihany ary isika ny namana malala, hanaraka ny teniny ve ianao sa handa hankitsirano ny zavatra asainy atao rehefa mivavaka!

Faly miarahaba namana,
Dia raha izany no izy dia mila mianatra tsara ny atao hoe trinité namana dia ho azon'ny namana tsara ny antony nahatonga an'i Jesosy tsy nandrara ny mpianany raha niteny Azy ho Andriamanitra ireo ary koa ho fantatr'i namana tsara ny antony tsy nandrarany ireo mpino Azy hiankohoka teo anatrehany.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
33. jajajaly ( 27/07/2012 06:19)
RBNIR
Dia raha izany no izy dia mila mianatra tsara ny atao hoe trinité

Hianatra an'io tokoa aho ry namana rehefa indrisy ao anaty baiboly io teny omen'ny namana io. Tsy noresahan'ny Fanahy masina an'ireo 40 lahy mahery nampananoratana ny soratra masina mantsy io. Tsy nifanaraka tamin’ny fampianaran’ireo Kristianina voalohany momba an’Andriamanitra koa izy io. Na i Anthanase anisan'ny nafana fo namorona an'io tany Nicée tamin’ny taonjato fahefatra aza voatery namerina ny teniny fa tsy nifanaraka amin'ny soratra masina io finoana io reha nahatsapa tena izy
Ny anay dia ity izay tsy notoherin’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy. tsy inona io fa ilay Fanekem-pinoana ao amin’ny Testamenta Taloha hoe: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Ilay Tompo Andriamanitsika dia Tompo iray ihany’ (Deot. 6:4) (Fa tsy Telo izay iray).
Ajanona eo io fa anokafy lohahevitra vaovao raha ilaiana fa mivaona!!!



34. jajajaly ( 27/07/2012 06:44)
Izao no fomba hamintinako an'ity loha hevitra ity.
Lohahevitra:Iza no hitsara ny olona !!! Jehovah sa Jesosy?
Andinin-teny nomena:

didi10
Jao 5,22-23
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

Valiny nomen'i Mpanao lohahevitra: JESOSY
Valiny omeko : JESOSY
Tsara hofantatra:
I Jehovah Rain'i Jesosy no Mpitsara Fara Tampony: . Hoy ny Isaia 33:22: «Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.»
"Izy (Jehovah) no «Mpitsara ny tany rehetra», koa misy fiantraikany eo amintsika rehetra izany. — Hebreo 12:23.
Sy ny andinin-teny an-jatony tsy voatanisa eto manaporofo izany.
Anjara toeran'i Jesosy:
Ny mpitsara fara-tampony no afaka manendry mpitsara izay tiany mahakasika ny raharaha iray. I Jehovah izany no manana zo hanendry mpitsara, dia nifidy an’i Jesosy ho Mpitsara izay nahafeno ireo fepetra takiny izy. Mariho anie ity lazain'ny soratra masina ity e!:
" Izao no ananarako mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra (Jehovah)sy Kristy Jesosy, izay voatendry (n'i Jehovah) hitsara ny velona sy ny maty, amin’ny alalan’ny fisehoany sy ny fanjakany" 2 Tim 4:1
Ekentsika rehetra ary fa i Jesosy no hitsara
Izay no valin'ny lohahevitra



35. didi10 ( 27/07/2012 07:12)

jajajaly:

Lioka 11:2: «Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô...


Nasehon'i Jesosy izany tamin'izy tety an-tany. Iza amin'ireo izao no tena tianao atao aminao.
Mivavaha ary amin'ilay Rainao any andanitra.



tsy mahagaga raha tsy mety mivavaka amin'i Jesosy ianao satria tsy ao antin'ny "définition n'ny mivavaka kay aminao ny MANGATAKA

Matio 21,22
Ary na inona na inona angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.

Jaona 14,12
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia HATAOKO izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra AMIKO amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.

Tsy niteny izy hoe mangataka zavatra amin'ny Ray amin'ny anarako fa amiko hoy izy.
Mivavaha rahalahy a! mangataha amin'i Jesosy dia homeny anao izany.
36. didi10 ( 27/07/2012 07:21)

Miharena:

Mihodinkodina be ihany ilay lohahevitra fa tsy msy farany ry namana isany an!
Mba azon'i Didi10 fintinina mazava ve izy ity?


Efa mazava ka, samy manaiky fa Jesosy no hitsara, ny olana mipetraka dia ny sasany manao tsinontsinona ny fahefana nomena an'i Krsity fa mihevitra ny hanao "court circuit" ny "system" efa napetrak'i YaHWeH.
37. jojo3t ( 27/07/2012 09:01)

didi10:


jajajaly:

Lioka 11:2: «Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô...


Nasehon'i Jesosy izany tamin'izy tety an-tany. Iza amin'ireo izao no tena tianao atao aminao.
Mivavaha ary amin'ilay Rainao any andanitra.



tsy mahagaga raha tsy mety mivavaka amin'i Jesosy ianao satria tsy ao antin'ny "définition n'ny mivavaka kay aminao ny MANGATAKA

Matio 21,22
Ary na inona na inona angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.

Jaona 14,12
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia HATAOKO izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra AMIKO amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.

Tsy niteny izy hoe mangataka zavatra amin'ny Ray amin'ny anarako fa amiko hoy izy.
Mivavaha rahalahy a! mangataha amin'i Jesosy dia homeny anao izany.

Haveriko eto ambany ity fa tsy hitan'ny mason'i didi10 ngamba fa maika hanoratra izy, ity mahavaly tsara io lazain'i Jesosy ao amin'ny Jaona io, zai le efa hitenenako foana an'i didi10 hoe, aza tsongoina ny andininy fa halalino tsara, nilaza io Jesosy fa tsy noho ny tenany mihitsy fa efa nilaza izy fa ny vavaka dia amin'ny Ray no atao fa faranana amin'ny anarany kosa : Vakio ity ambany ity :

Jaona 16 : 23 :"n'inona n'inona angatahinareo amin'ny Ray amin'ny anarako dia omeny anareo izany" : mba azontsika ve ny dikan'io sa dia ny tsy mahalala indray no hampianatra antsika, mazava be io hoe rehefa mangataka zavatra dia amin'ny Ray no mangataka fa amin'ny anaran'i Jesosy no angatahana azy, efa nazava tsara tamin'ireo mpianatra raha niteny Jesosy ao amin'io andininy nomenao io hoe n'inona n'inona angatahinareo amin'ny anarako dia omeko anareo zany, zay no mahatonga ny vavaka araka ny nampianariny hoe, Rainay zai any an-danitra Matio 6 : 9, vakio, ary faranana amin'ny anarany.

Tohiny : tsy haiko hoe fantatsika milaza ho kristiana ve hoe panalalana i Jesosy, Jaona 14 : 6 : "Izaho no lalana sy fahamarinana, tsy misy makany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako", mazava be io, efa nolazaina teto foana fa mpanelanelana i Jesosy, rehefa mivavaka amin'Andriamanitra enao dia tsy maintsy atao amin'ny alalan'i Jesosy mba ho hankasitrahan'ny Ray, izay no mahatonga ny vavaka tsy maintsy faranana amin'ny anaran'i Jesosy mba ho tafita ny vavaka ataonao, fa tsy milaza mihitsy izy hoe, tsy maintsy izaho no ivavahana, dia inona no makany amin'ny Ray?
38. Miharena ( 27/07/2012 09:07)
Htan'i Didi10?? Tsy mahavaly ny lohahevitra ihany ny valinteninao eo ambony fa mihitatra ihany ilay izy ity.

Ka inona àry no tiana avoaka Jojo3t amin'io fanambaranao io ka mamaly ilay resaka hoe iza no hitsara?
39. jojo3t ( 27/07/2012 09:14)
Fanazavana nomena an'i didi10 iny fa ny valiny dia efa aller retour be mihitsy hoe i Jesosy no nomena fahefana hitsara an'izao tontolo zao, ary hanampy azy amin'zany ireo mpisorona iaraka aminy.
40. Miharena ( 27/07/2012 09:37)
Ary ilay hoe : "Ny Teny nolazaiko no hitsara azy" nambaran'i Jesosy? Izy teo dia nilaza mihitsy fa tsy mitsara an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0799