Ireo extra-terrestre, azo jerena ara-Baiboly ve?

1. Miharena ( 02/07/2012 13:01)
IAo anaty Baiboly dia misy ireo resaka momba ny anjely sy ny toerana misy an'Andriamanitra. Nefa ny mahagaga dia maro ireo fampianarana no milaza fa tsy misy olombelona ankoatry ny tany fonenantsika ity. Be dia be anefa ankehitriny no mijoro vavolombelona fa nahita ET.

Aiza ho aiza no fahalalan'ny olona ny mopba ireo ? Ho an'ireo izay milaza fa ny Baiboly no mahasahana ny zava-drehetra, mba azo tsoahina ao ve hoe inona ny momba ireo ET ireo?
novalian'i Miharena ny 10/07/2012 09:08
2. jojo3t ( 03/07/2012 04:31)
Mazava ho azy fa tsy azo jerena ara-baiboly ny ET satria tsy miresaka momba izany mihitsy ny ao raha ao tsika no hijery azy, ny famoronana hita ao amin'ny baiboly dia ny famoronana ireo zava-boary ara-panahy any an-danitra, ireo anjely araka ny sokajiny avy, ary ny famoronana ny zavamanaina sy zavaboary ety an-tany, ny tany ihany no nataon'Andriamanitra ho fonenana fa tsy ny planeta hafa, tsy namorona ET mihitsy izy, ary na ny mpahay siansa sy ny manampahaizana maro aza izay efa teny amin'ny planeta mbola tsy namoaka porofo na nilaza mivantana fa misy ET monina eny, fa resaka, film, ary zavatra foronina fotsiny ny hoe misy ET zany.
3. Tefigasy ( 03/07/2012 04:54)
Alohan'ny hitondrana hevitra ary dia farito aloha ny atao hoe ET. Raha manaiky ianao fa ny atao hoe ET = "désigne toute forme de vie existant ailleurs que sur la planète Terre." dia misy ary voalaza tsara ao anaty baiboly izany !
jojo3t:

Mazava ho azy fa tsy azo jerena ara-baiboly ny ET satria tsy miresaka momba izany mihitsy ny ao raha ao tsika no hijery azy, ny famoronana hita ao amin'ny baiboly dia ny famoronana ireo zava-boary ara-panahy any an-danitra, ireo anjely araka ny sokajiny avy, ary ny famoronana ny zavamanaina sy zavaboary ety an-tany, ny tany ihany no nataon'Andriamanitra ho fonenana fa tsy ny planeta hafa, tsy namorona ET mihitsy izy, ary na ny mpahay siansa sy ny manampahaizana maro aza izay efa teny amin'ny planeta mbola tsy namoaka porofo na nilaza mivantana fa misy ET monina eny, fa resaka, film, ary zavatra foronina fotsiny ny hoe misy ET zany.

Mahantra indrindra ianao raha eto amin'ity tany feno fahalovana ity no hanantenanao ny fiainana mandrakizay !
HS: Nisy temoins anakiroa izay niresaka tao anaty bus indray asabotsy: nahita trano tsara terehy izy roalahy dia niteny ny iray fa izy hono no ho tompon'io trano tsara tarehy io rahatrizay. Tena tsy tanako ny fihomehezako tamin'izay a!
4. jojo3t ( 03/07/2012 07:06)
Hekeko ilay dikan'ny ET lazainao. Ny zava-manaina ankoatra ny ety an-tany anefa dia any an-danitra ny fonenany, fa ny fahafantaran'ny olona hatrami'zay ny ET dia hoe mipetraka eny amin'ny planeta hafa ankoatrany tany sady tsy any an-danitra ka raha mahita porofo amin'zany enao na andininy miresaka an'zany dia aposahy eto mba ahalalan'ny maro azy f'aza ny hevitra fotsiny no avoaka.

Ny fiainana mandrakizay, mampalahelo ahy enao satria tsy fantatrao ny marina sy ny lazain'ny baiboly, de tsy fantatrao mihitsy ve ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny tany, sy ny hoe aiza ny fiainana mandrakizay, sy ny hoe firy no ho any-danitra ary hanao inona any, lazain'ny baiboly mazava tsara zany sady mivantana be, raha tsy hoe tsy mino ny baiboly angaha enao, zai ndrai dia tsy miditra aho, tsy mahita andinin-teny ao enao na iray aza fa enao dia ho any andanitra ary any ny fiainana mandrakizay ho an'ny olona.

Tsy aleho aloha ianarana tsara ny baiboly zay vo mamoaka hevitra fa manjary tsy mirindra le famoaboasan-kevitra, midira enao ao amin'ilay lohahevitra hoe "Ny Paradisa, ahoana ny aminy fa efa misy adi-hevitra momba an'io ao dia ho fantatrao ao, andinin-teny maro be no ho hitanao ao.
5. Tefigasy ( 03/07/2012 07:49)
Tsy izay rehetra mamaky sy minatra ny baiboly akory no mahalala sy mahafantatra ny ao anatiny ao. Ny mapalahelo ary dia toa ireo milaza fa fatra-pandinika izany ary mamoaka boky kely maro samy hafa no tena mamadika izay voalaza ao anaty baiboly ao !
Ny Andriamanitra hivavahany aza moa tsy fantany akory !
6. jojo3t ( 03/07/2012 08:12)
Efa voalazako tery aloha fa tokony hanompe porofo mazava enao, za miresaka momba ny paradisa ao amin'ilay loahevitra nasaiko novakianao, misy porofo maro be ao ara-baiboly fa tsy hoe navadika na namboarina akory, enao zao hatreto mbola tsy namoaka hevitra mari-pototra sy mazava ary porofo amin'izay lazainao mihitsy fa fanakianana fotsiny zao no hitako hatramizao, maro be ny olona miditra mijery eto, ka raha tena vonona handray anjara amin'ilay lohahevitra enao dia aleho mba mamoaka sy mamoafy hevitra ho an'ny maro fa tsy manakiana fotsiny, hitanao, na ilay lohahevitra momba ny ET tery amboalohany aza zao lasa niova ho TJ ndray, manjary tsy any amin'ilay tian'ny mpanoratra havoaka le hevitra dia tsy mety, azonao tsara ngamba ny tiako hambara, aleo miverina amin'ny lohahevitra.
7. Maranatha ( 03/07/2012 08:15)
Mba mahagaga ihany raha isika milaza fa mandinika soratra masina sy mandalina ny baiboly no tsy mahita ET ao anatiny.
FAntaro aloha ny atao hoe ET. fa angaha ny anjely avy eto antany?? ny devoly koa angaha tsy fantatrareo fa avy any an-danitra no natsipy teto an-tany??

ankoatra ireo te hanontany anareo aho hoe aiza i Enoka amin'izao fotoana izao???
Minoa izay lazain'ny mpaminany dia hambinina hianao.Tsy ary ho voasoratra ao anaty baiboly avokoa izay nitranga rehetra( fa ny ivon'ny baiboly dia mifototra amin'ny drafitry ny famonjena)

Eny amin'ny Planeta hafa i Enoka miaraka amin'ireo zava-boaharin'A/tra izay nankato azy. Tsarovy fa misy zavaboahary hafa izay tsy nanaiky nandray ny devoly eny amin'ireo planeta hafa ireo.
8. Tefigasy ( 03/07/2012 08:18)
jojo3t:

fa ny fahafantaran'ny olona hatrami'zay ny ET dia hoe mipetraka eny amin'ny planeta hafa ankoatrany tany sady tsy any an-danitra ka raha mahita porofo amin'zany enao na andininy miresaka an'zany dia aposahy eto mba ahalalan'ny maro azy f'aza ny hevitra fotsiny no avoaka.

Miala tsiny aloha raha nivaona tokoa ny lohahevitra satria ianao no namoaka izany talohako ary nanaraka ilay navoakanao aho mba hirindran'ny fanehoankevitra !
Aleo ary hahiratro ny masonao mba hahita tsara izay voalaza ao anaty baiboly ao e, fa mialoha izany aloha de farito amiko ny tianao hatongavana amin'ny hoe lanitra:
Gen.1:1 : « Au commencement, Dieu créa les cieux et la terre»
Mariho tsara fa Pluriel ny lanitra eto izany hoe misy lanitra maro namboarin' andriamanitra
Any amin'ny Gen.1:6-8 vao mitantara ny nanamboarana ny tany sy ny lanitra miaraka aminy. Ary hamarinin’ny siansa izany fa misy galaxy maromaro amin’ny zavatra noharian’Andriamanitra ary galaxy iray fotsiny no misy ity lanitra sy tany hitatsika ity.
Dia holazaiko anao eto ambany izay voalaza ao anaty baiboly fa misy olona nalefa tany ain'ireny lanitra maro samihafa noharian'andriamaintra ireny:
2.Kor.12:1-4:"Mahalala olona anankiray ao amin’i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay-na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala-ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo"
Aleo aloha marihina fa efa tsy eto amin'ny galaxy misy ity tanitsika ity intsony io lanitra fahatelo lazaina io ary efa tafiditra ao amin'ilay antsoina hoe ET izy eto.
9. jojo3t ( 03/07/2012 08:36)
Hitanao fa mahafinaritra rehefa mivoaka hotrizao ny hevitra a, efa nekeko hatreny amboalohany le mahakasika ny any amin'ny lanitra, fa somary tsotra no hamaliako azy, ny lanitra aloha mazava ho azy fa noforonin'Andriamanitra honenan'ireo zavaboary ara-panahy tsy hita maso rehetra, ary io lanitra faha-3 io dia mbola lanitra iany io fa tsy planeta hafa akory, ary manaiky tsara za fa ET reo, fa ny ET resahako aminao anie dia le ET lazain'ny olona sy hataony film le mipetraka eny amin'ny planeta hafa fa tsy planete terre e, le mitondra vaisseaux spatiales, raha misy olona mijery manko zao eto dia io no tonga ao antsainy, ka izay no hamoaboasan-kevitra eto, le olona ratsy tarehy be sy ratsy saina ireny no fantany aminzany ET zany, fa tsy haiko aloha zay tian'i Miharena havoaka amin'ilay ET fa so za no tsy mahazo, ialako tsiny dieny mialoha, aona ny hevitrao amin'io ET voalazako io, misy tokoa ve ireo sa tsisy.
10. AndriambyII ( 03/07/2012 08:40)
Izaho izao sûr mihintsy fa efa nahita ET !!lol . @ saina tsy miangatra , tsy manaiky ve ianareo fa misy tokoa ny ET ? I sika irery ve no ao anatin" ity multivers goavana be tsy mana-pahataperana sy tsy hita farany ity ?
11. jojo3t ( 03/07/2012 08:44)
Izay indrindra no ilàna hevitr eto, raha ny ao amin'ny baiboly aloha dia ireo any an-danitra no ET, fa ireto mitondra vaisseaux ireto, aiza marina izy ireo, misy ve, manao ahoana ny heriny, aona ny hevitry ny mpahay siansa momba azy ireo?
12. didi10 ( 03/07/2012 09:33)
Mety hihomehy ianareo raha teneniko fa ny Temoin de Jehovah sy izay tsy mino ny Paradisa sy ny Helo no "terrestre" fa ny ankoatra izay dia "extra-terrestre" avokoa.

Raha mino ianao fa fanahy mitondra nofo dia mahafanatra fa mpivahiny ianao no eto fa mbola hisaraka ny nofo sy ny fanahy ary handeha amin'ny vokatry ny fitsarana ianao (ny fanahinao).

Ny fahitana hita maso miseho etsy sy eroa (OVNIE, EXTRA-TERRESTRE) dia asan'i Satana entina hanafoanana ny finoana an'Andriamanitra sy ny Teny rehetra voalazan'ny Baiboly momba ny famoronana.
13. AndriambyII ( 03/07/2012 10:36)
Misy ny ET et ET ouz fa tsy mifototra @ petrakevitra naloaky ny vavan' olona iray na na vondron' olona no ahatsapana izany .Efa lasa lavitra ny fikarohan'ny mpikaroka sy siantifika ny @ izany resaka izany , na dia tsy nandingana indray mandeha monja aza ny @ tokony fahalalàna azon-draolombelona avy @ natiora .
14. milamm ( 03/07/2012 21:42)
salama dolidoly, fa misy ahoana kalo azavao tsara na tsara lahatra aza ny fanazavana nefa tsy ampy porofo ka tonga oazy ny kiana .... loool efa mitapo ve sa niresaka nareo sa mifamkahita sa voakasik' izy reny mivantana ny fiainanareo
15. jojo3t ( 04/07/2012 03:32)
Hafatra manokana ho an'i didi10 ity :
Asa aloha na inona no tsy zakan'i didi10 amin'ilay hoe TJ fa toa manenjika be sy manakiana izy, misy zavatra tsy zakanao ve sa hoe ahoana? enao aloha zao tsy fantatro hoe miangona aiza na aiza fa tsy tiako koa ny ahafantatra azy mba tsy hitsarako sy hanenjehako anao toy ny ataonao,
tsy aleo ve fanazavana omena mari-pototra sy mazava ara-baiboly toy izay hanonona ny an'olona foana, enao iany anie no hita miharihary eo hoe manenjika fa tsy zahay e.

Manomeza enao porofo mazava ao amin'ny baiboly, enao mihambo ho any an-danitra io, mba valio ireo an-dininteny maro be napetrako momba ny paradisa an-tany ao amin'ny lohahevitra hoe paradisa io raha hendry enao sy raha voavalinao, ny ahy misy fanazavana tsara mari-pototra sy ara-baiboly sady tsy voavalinao fa nenao tsy misy hevitra mazava hoe sy mari-pototra hoe aiza no milaza fa enao io dia ho any an-danitra, sa iza no nampianatra anao an'izany, nataotao foana ve le 144000 voasoratra ao amin'ny baiboly hoe ireo ihany no iaraman-jaka amin'ny kristy any an-danitra, voalaza tsara ao amin'ny apokalipsy io ary koa ny hoe olona manao ahoana ireo, sa enao misoratena ao anatin'io 144000 io, raha izany no izy dia diniho tsara sy zahao ny toetranao raha mitovy amin'ilay voalaza ao enao.

Mialatsiny amin'ny namana sasany aloha fa fanazavana kely iny fa lasa tsy any amin'ny lohahevitra noho ny ataon'ny hafa.
16. Miharena ( 04/07/2012 04:11)
Miarahaba ny rehetra indray !

Tsy misy tsiny Jojo3t sy Didi10 fa izy ity moa dia fantatra fa rehefa hozongozonin'ny hafa ny vatolampy atsagan'ny tsirairay momba ny finoana dia marary ihany ny afero. Rehefa tena zohina dia mila fotorina tsara tokoa ny vatolampy izy aorintsika tsirairay avy va o mahita hoe misy tsy mety izy izany na tsia. Fa izy io koa moa dia raha tsy misy mikitikitika mihitsy dia hihevitra hatrany isika fa marina izay inoantsika fa tsy misy fandinihina intsony ka lasa azo lazaina fa finoana anjambany no misy avy eo.

Fa izany eo ihany fa tafiditra amin'ny fijerena ny fahaiza-mandinika ny Baiboly isika amin'ity lohahevitra nosokafana ity.

Raha mitanisa ny momba ireo 144000 izao i Jojo3t dia mbola milaza zavatra ho avy. Amin'ny Anjely anefa izy io dia efa any an-danitra ireo ary efa manao ny asany miaraka amin'i Kristy. Azo tadiavina izany amin'y hafatra azon'ny olona maro avy amin'ny Arkanjely (izay miparitaka amin'y site web maro ankehitriny).
Raha zohina izao izany resaka izany dia mametraka avy hatrany fa efa lany andro ny finoana mbola manambara fa mbola zavatra ho avy ny voalaza ao amin'ny Apokalypsy.

Raha hiverina indray isika amin'y ET, dia mazava fa rehefa tsy eto ambonin'ny planeta tany dia ivelany. Ny olona izay nodimandry izany dia efa azo lazaina fa ET. Ny Anjely rehetra miaraka amin'Andriamanitra dia ET. Ny Anjely nivadika dia lasa terrien fa tsy ET raha ny Baiboly no zohina. Nefa tsy faka isika hanambara fa tsy misy terrien koa ira o Anjely miaraka amin'Andriamanitra izay nidina tety an-tany niaraka tamin'ireo olombelona nanome ny Nefilima ao amin'ny Genesisy.

Raha ny Genesisy dia manambara mazava fa nisy be dia be ny fifaneraseran'ny anjely sy ny olona. Na ny faminaniana maro aza dia efa azo lazaina fa fifaneraserana tamin'ny ET.

Ny fahazoan'i Didi10 azy amin'ny hoe isika dia mpivahiny ihany no ety dia manambara fa voary hafa isika fa tsy ny vatantsika fotsiny akory. Noho izany dia azo raisina ny fanambarana ataon'i Kristy hoe ianareo dia tsy olon'izao tontolo izao na eto amin'izao tontolo izao aza. Mponin'ny lanitra izany isika tsirairay avy raha zohina fa saingy nanana finiavana hiaina ara-nofo. Toa an'i Krsity ihany izany, zanak'Andriamanitra nefa tonga nofo. Izy no ohatra ary nanome toro-lalana ny momba izany dia ny fivoaran'ny fanahy tsirairay izay Andriamanitra no nipoirany.
17. jojo3t ( 04/07/2012 05:05)
Ny mahakasika ny 144000 resahiko aloha mazava tsara ny ambaran'ny baiboly fa tsy anjely ireo fa olona nalaina avy eto an-tany, tsy lany andro koa izy ireo satria hambara ao ihany fa fotoana maharitra no hanangonana azy ireo ary hisy mbola hahatratra ny fahoriana lehibe sy Ara-magedona lazain'ny baiboly izy ireo.(vakio mihitsy ny Apokalypsy manontolo) eny e, na any amin'ny testamenta taloha aza miresaka betsaka an'ireo fa ao apokalypsy ny ankabeazany.

Nisy tokoa ny tamin'ny andron'ny Nefilima zanak'ireo Anjely nivadika izay lasa demonia, ireo Nefilima anefa ringana tao amin'ny safodrano, any amin'ny Genesisy ndray nareo mahita zany.

Ny tsy anisan'izao tontolo izao dia mazava, tsy amin'ny hoavy io fa nampirisika tsara Jesosy amin'zao fotoana zao fa tsy tokony ho anisan'izao tontolo zao ny mpianany, azonareo ve zany, tsy isaraka tanteraka amin'zao tontolo zao no tiany holazaina, fa kosa tsy hanao ny fanaon'izao tontolo izao ary tsy hanana ny toe-tsaina ratsin'izao tontolo zao fa tokony hiavaka kosa ny mpianany, tafiditra amin'zany ny tsy fandraisan'anjara amin'ny rahahan'ity tontolo ity, ny ady, ny politika, fanindrahindrapirenena, sns... ary mbola nanamafy izany ny Apostoly Paoly.

Hoy iany Jesosy : tsy avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako fa avy amin'zao tontolo dia ho niady ny mpanompoko, ny fanjakan'Andriamanitra io noresahiny io zay izy no ho mpanjakan'io, ary nasainy nangatahina ny hahatongavan'io tamin'ilay vavaka nampianariny, nanome famantarana maro be izy ny maha-akaiky an'io fanjakana io, ary milaza ny zavatra hataony alohan'ny hahatongavan'io ary miandry ny baiko farany avy amin'Andriamanitra amin'ny fanantaterahana izany rehetra zany, mirindra tsara sy voalaza ao amin'ny baiboly zany fa tsy voatanisako eto tsony fa efa nalefako any amin'ny lohahevitra paradisa ny sasany amin'zany, mbola ho avy no resahan'ny baiboly fa tsy hoe any ankoatra any ilay izy.
18. didi10 ( 04/07/2012 06:45)

jojo3t:

Hafatra manokana ho an'i didi10 ity :
Asa aloha na inona no tsy zakan'i didi10 amin'ilay hoe TJ fa toa manenjika be sy manakiana izy, misy zavatra tsy zakanao ve sa hoe ahoana? enao aloha zao tsy fantatro hoe miangona aiza na aiza fa tsy tiako koa ny ahafantatra azy mba tsy hitsarako sy hanenjehako anao toy ny ataonao,
tsy aleo ve fanazavana omena mari-pototra sy mazava ara-baiboly toy izay hanonona ny an'olona foana, enao iany anie no hita miharihary eo hoe manenjika fa tsy zahay e.

Manomeza enao porofo mazava ao amin'ny baiboly, enao mihambo ho any an-danitra io, mba valio ireo an-dininteny maro be napetrako momba ny paradisa an-tany ao amin'ny lohahevitra hoe paradisa io raha hendry enao sy raha voavalinao, ny ahy misy fanazavana tsara mari-pototra sy ara-baiboly sady tsy voavalinao fa nenao tsy misy hevitra mazava hoe sy mari-pototra hoe aiza no milaza fa enao io dia ho any an-danitra, sa iza no nampianatra anao an'izany, nataotao foana ve le 144000 voasoratra ao amin'ny baiboly hoe ireo ihany no iaraman-jaka amin'ny kristy any an-danitra, voalaza tsara ao amin'ny apokalipsy io ary koa ny hoe olona manao ahoana ireo, sa enao misoratena ao anatin'io 144000 io, raha izany no izy dia diniho tsara sy zahao ny toetranao raha mitovy amin'ilay voalaza ao enao.

Mialatsiny amin'ny namana sasany aloha fa fanazavana kely iny fa lasa tsy any amin'ny lohahevitra noho ny ataon'ny hafa.


Misaotra ny namana JojofreeT

Miala tsiny aho raha voatonoko matetika ny anaran'ny fikambanana misy anao satria tsy mba mpiatsara velatsihy ny tenako ka mbola hanambitamby anao kanefa ianao mivoy fampianaram-piangonana mifanohitra amin'ny Teny tsy misy kilema eto.

Ny amin'ny resaka Paradisa sy 144000 dia efa nanazava aho fa ny avy amin'ny Zanak'Israely ireo (Apok 7,4) fa tsy izy rehetra akory, ny fanontaniana napetrako aminao fa tsy novalianao dia hoe, Taranak'iza amin'ny zanak'Israely ianao? satria nomena ny isa fa 12000 ny amin'ny taranak'i Joda, 12000 amin'ny Benjamina...
Ny tombokase anie namana ka ny Fanahy Masina e! (Ef 1,13), ahoana koa moa no hampisy tombokase anareo kanefa ary ianareo tsy mandray ny Fanahy Masina, efa nohazavain'ny Baiboly koa anie ny antony tsy mahatonga anareo hanaiky an'i Jesosy ho Tompo e!!!
Kor I 12,3
3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.

Tsy hitsitsitsitsy amin'izay disoa làlana mihitsy aho namana fa minoa ahy fa fitiavako anao mba ho voavonjy no hanaovako izany, raha tsy manana ny FanahiNY ianao dia tsy Azy.

Tsy mbola nitondra ny olona mihitsy aho tato hoe ndao hivavaka aty aminay aty an'anona satria tsy fampianaram-piangonana no netina eto fa ny Teny fahamarinana izay tsy misy kilema.
19. Tefigasy ( 04/07/2012 06:46)
Courage daholo nareo izay te-hijanona eto an-tany feno fahalovana sady efa andalan'ny faharavana ity.
Apok.7:9 "Rehefa afaka izany , dia hitako fa , indreo , nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry , niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany"
20. jojo3t ( 04/07/2012 08:06)
Tsy tadidin'i didi10 fa efa resaka efa nolazaiko azy io zanak'Israely io, manana fampianarana tsy misy kilema ve enao dia tsy fantatrao hoe nivadika tamin'Andriamanitra ny zanak'Israely ka nanao fifanekena vaovao tamin'ny hafa firenena izy, antsoina hoe "Israely ara-panahy ireo" ary efa nolazaiko anao koa fa tsy manana tombo-kase ao io aloha raha izaho manokana, resaka efa nandeha doly zany fa lasa aller retour le izy.

Raha ho any and-anitra doly nareo, nareo anie zany iaraman-jaka amin'i Jesosy doly e, tsy misy hoentina zany eto fa hanjaka doly any an-danitra, diso doly zany le faminaniana rehetra momba ny paradisa an-tany ao amin'ny baiboly, nefa tsy misy kilema hozy didi10 ny fampianarany.

Raha hampianatra ny olona zany enao, tsy ho very daholo ve zany ny marina momba ny ho avy.

Tsy mety voavaly mihitsy le momba an'i Jesosy sy Jehovah sy ny vavaka.

Mbola haveriko ihany fa afaka miantso an'i Jesosy hoe Tompo sy Andriamanitra izahay, fa tsy mety azonareo mihitsy le izy sady tsy voavalinareo, tsy mivavaka amin'ny Jesosy izahay, manontany an'i Tefigasy za, nivavaka tamin'ny Jesosy ve i Tomasy na niantso azy hoe Andriamanitra aza izy, valio io, ankoatran'i Tomasy, iza koa, dia le baikon'i Jesosy hoe mivavaha amin'ny Ray oà mba valio koa fa tsy misy valiny mihitsy, ary hita marina fa tsy fantatrareo mihitsy i Jehovah matoa tsy azonareo ny dikan'ilay hoe iray ihany izaho sy ny Ray, mahagaga sy mampieritreritra ihany nefa nareo milaza manana fampianarana tsy misy kilema, ilay tena Andriamanitra Avo Indrindra ary tsy fantatrareo, mampalahelo ! Tsy izany ve ri didi10 no tena hantsoina hoe mpiatsaravelatsihy. Hoy i Jesosy ho an'ireo mpiatsaravelatsihy ka mba toro-hevitra ihany ny ahy ry namana isany : tsy izay rehetra miantso ahy hoe Tompo... no iditra... fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko. Ilay Rainy aza nefa tsy fantatrareo akory koa ahoana nefa no hanaovanareo ny sitrapony, ny sitrapon'ny Ray zao dia ny hivavahanareo aminy sy hanomponareo azy, ary ambetin-tenin'i Jesosy zany, nefa aiza tsy misy novakianareo le andininy nomeko, izahay zao dia sady mankato an'i Jesosy no mankato an'ilay Rainy, fa ianareo tsy mino ilay tena Andriamanitra, ka tsy hianareo ve no ho voa mafy ka sao de ho very ry rahalahy malala, toy ny hoe mitsipa-doha laka-nitana ihany nareo amin'zany, ianaro tsara aloha hoe iza marina i Jehovah, dia iza i Jesosy dia ho voavalinareo ny tsy maha iray azy roa ireo.

Ianaro tsara koa ny fanahy masina, samihafa ny hoe iasan'ny fanahy masina sy ny hoe voahosotry ny fanahy, ny kristiana tsirairay dia mila mangataka ny fanahy masina mba hiasa ao aminy, ny hoe voahosotry ny fanahy dia ireo "ondry vitsy" ho any an-danitra na ireo 144000, tsy haiko na fantatri didi10 zany fa izy toa vetesiny foana io fanahy io, io fanahy io nefa dia herimiasan'Andriamanitra ary Jesosy koa nomeny an'io mba ahafahany manao zavatra, nefa io Andriamanitra io ary toa tsy fantari didi10 akory, tsy misy kilema ve zany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0458