Ireo extra-terrestre, azo jerena ara-Baiboly ve?

21. didi10 ( 04/07/2012 10:41)
jojo3t:

Tsy tadidin'i didi10 fa efa resaka efa nolazaiko azy io zanak'Israely io, manana fampianarana tsy misy kilema ve enao dia tsy fantatrao hoe nivadika tamin'Andriamanitra ny zanak'Israely ka nanao fifanekena vaovao tamin'ny hafa firenena izy, antsoina hoe "Israely ara-panahy ireo" ary efa nolazaiko anao koa fa tsy manana tombo-kase ao io aloha raha izaho manokana, resaka efa nandeha doly zany fa lasa aller retour le izy.


Tsy ampy fandalinana baiboly ianao rahalahy fa variana amin'ny fampianaran'ny tilikambo.
Raiso ny Baibolinao
Rom 11
Soramandry: Ny mbola handraisana ny Jiosy indray rahatrizay

Rom 11,29
25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry hianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa; 26 ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, -araka ny voasoratra hoe:
"Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka,
Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba izy;

Nohamafisin'Andriamanitra ny fon'ny Jiosy tsy handray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany mba hamonjena ny jentilisa (hafa firenena), fa rehefa vita ny fanisana ireo hafa firenena nandray Azy dia hovahana ny fon'ny Jiosy ka avela handray ny tombokase izy.

Mbola manaporofo izany koa anie ny Teny nomen'i Tefy momba ireo olona tsy tambo isaina miakanjo fotsy tonga any an-danitra e! (Apo 7,9)


jojo3t:


Raha ho any and-anitra doly nareo, nareo anie zany iaraman-jaka amin'i Jesosy doly e, tsy misy hoentina zany eto fa hanjaka doly any an-danitra, diso doly zany le faminaniana rehetra momba ny paradisa an-tany ao amin'ny baiboly, nefa tsy misy kilema hozy didi10 ny fampianarany.

Voalazanao; ho mpanjaka tokoa izay voavonjy ary homena satro-boninahitra, fa raha mbola misy ny mpanjakan'ny mpanjaka dia tsy maintsy misy mpanompo sy Tompoina ihany izany ao.

jojo3t:

Tsy mety voavaly mihitsy le momba an'i Jesosy sy Jehovah sy ny vavaka.

Mbola haveriko ihany fa afaka miantso an'i Jesosy hoe Tompo sy Andriamanitra izahay, fa tsy mety azonareo mihitsy le izy sady tsy voavalinareo, tsy mivavaka amin'ny Jesosy izahay, manontany an'i Tefigasy za, nivavaka tamin'ny Jesosy ve i Tomasy na niantso azy hoe Andriamanitra aza izy, valio io, ankoatran'i Tomasy, iza koa, dia le baikon'i Jesosy hoe mivavaha amin'ny Ray oà mba valio koa fa tsy misy valiny mihitsy, ary hita marina fa tsy fantatrareo mihitsy i Jehovah matoa tsy azonareo ny dikan'ilay hoe iray ihany izaho sy ny Ray, mahagaga sy mampieritreritra ihany nefa nareo milaza manana fampianarana tsy misy kilema, ilay tena Andriamanitra Avo Indrindra ary tsy fantatrareo, mampalahelo ! Tsy izany ve ri didi10 no tena hantsoina hoe mpiatsaravelatsihy. Hoy i Jesosy ho an'ireo mpiatsaravelatsihy ka mba toro-hevitra ihany ny ahy ry namana isany : tsy izay rehetra miantso ahy hoe Tompo... no iditra... fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko. Ilay Rainy aza nefa tsy fantatrareo akory koa ahoana nefa no hanaovanareo ny sitrapony, ny sitrapon'ny Ray zao dia ny hivavahanareo aminy sy hanomponareo azy, ary ambetin-tenin'i Jesosy zany, nefa aiza tsy misy novakianareo le andininy nomeko, izahay zao dia sady mankato an'i Jesosy no mankato an'ilay Rainy, fa ianareo tsy mino ilay tena Andriamanitra, ka tsy hianareo ve no ho voa mafy ka sao de ho very ry rahalahy malala, toy ny hoe mitsipa-doha laka-nitana ihany nareo amin'zany, ianaro tsara aloha hoe iza marina i Jehovah, dia iza i Jesosy dia ho voavalinareo ny tsy maha iray azy roa ireo.


Manakiana mafy ny Katolika isika fa ry zareo mangataka sy manao an'i Maria sy ny "saint" ho mpanelanelana lazaintsika fa diso kanefa inona moa no mahasamihafa izany raha manao an'i Jesosy ho mpanelanelana ianareo tsy mitovy ny mivavaka aminy ihany ve izany?

jojo3t:

Ianaro tsara koa ny fanahy masina, samihafa ny hoe iasan'ny fanahy masina sy ny hoe voahosotry ny fanahy, ny kristiana tsirairay dia mila mangataka ny fanahy masina mba hiasa ao aminy, ny hoe voahosotry ny fanahy dia ireo "ondry vitsy" ho any an-danitra na ireo 144000, tsy haiko na fantatri didi10 zany fa izy toa vetesiny foana io fanahy io, io fanahy io nefa dia herimiasan'Andriamanitra ary Jesosy koa nomeny an'io mba ahafahany manao zavatra, nefa io Andriamanitra io ary toa tsy fantari didi10 akory, tsy misy kilema ve zany?


Andriamanitra anie rahalahy Fanahy e! ary izay mivavaka Aminy dia mivavaka amin'ny Fanahy sy ny fahamarinana, ny tenany sy ny tenan'i Kirsty mihitsy no Fanahy Masina ary mizara izany Fanahiny izany izy mba hahatonga ahy sy ianao ho tahaka azy, sanatria tsy olona nomem-panahy Jesosy fa Fanahy Masina tonga olom-belona.
22. Miharena ( 04/07/2012 13:24)
Mivadika resaka Fanahy Masina indray moa ity raharaha ity ka asa hoe ahoana no hampidirana ny Fanahy Masina ao amin'ny ET?

Raha faritana ny Fanahy Masina dia amiko dia rehefa rava ny rindrina rehetra manasaraka ny olona na voary ara-panahy iray dia mamiratra aminy ny Fanahy Masina izay mety voarakotra no manhatonga Azy tsy ho hita taratra amin'ny olona na anjely iray.

Raha ny resaka ifanaovanareo eo manko no dinihina dia resaka fanavahana zavatra samihafa araka ny famaritana izay voafetra ao anatinareo avy.
23. Miharena ( 04/07/2012 13:28)
Tohiny kely fotsiny,

Mampivily lohahevitra ny adihevitra fa tsy mametraka marina hoe inona no azo resahana amin'y loha-hevitra. Ka miangavy anareo aloha samy hahatsiaro tena na hanokatra lohahevitra momba ireo fahasamihafana samy tazoninareo avy ireo amin'y toejavatra iray ihany.
24. jojo3t ( 05/07/2012 03:59)
Marina izany, raha azon'i didi10 atao lohahevitra hafa ny momba an'ireo israely nanaovan'Andrimanitra fifanekena dia tohizany io fanazavany momba ny Jiosy io fa tsy mazava tsara dia tohizana any ndray ny resaka.
25. zazamaroroka ( 06/07/2012 04:01)
Za efa nitondra vaisseau teny amin'ny habakabaka, niaraka tamin'ny razoky namirapiratra be, tonga teny za de nakobo olona ratsy tarehy be, tonga natosina lery iverina tety antany, kai nofy le izy kle aza a,
26. didi10 ( 06/07/2012 07:17)
zazamaroroka:

Za efa nitondra vaisseau teny amin'ny habakabaka, niaraka tamin'ny razoky namirapiratra be, tonga teny za de nakobo olona ratsy tarehy be, tonga natosina lery iverina tety antany, kai nofy le izy kle aza a,


Mitondra vaisseau foana anieo ianao isanandro e! io nofonao io no vaisseau nao.
27. Miharena ( 07/07/2012 04:01)
Rehefa mahatsapa toa an'i Didi10 io dia efa manomboka mahalala ny boaloham-pahendrena na mifoha ny olona.

I Zazamaroroka moa dia manomboka liana matoa miditra mamaky itony finika itony. Io ataony io koa dia efa fiandoham-pifohazana.
28. moustaraf ( 08/07/2012 16:57)
Shalôm, mahafinaritra ity ady hevitra ity fa aoka samy hiaro tsara ny heviny amim-pahatoniana sy fahamaotinana araka an'i Elohim sy Ysho'a Hamasherha zanany.
1-Tsy nanao fanekena tamin'ny hafa firenena mhitsy i Elohim na dia nivadika taminy aza ny zanak'israely (JER 31:31, vakio ny tantaran'ilay vehivavy kananita MATIO 15: 21-25, vakio koa ny MATI 10: 2-25 nanirahan'Yesho'a ny mpianany,....sns...), fa ny FANEKENA VAOVAO dia natao satria RAVA ilay fanekena TALOHA (Elohim sy Avraham),
Tadido fa ilay Israely izay nivadika ka lasa babo dia mbola averina (ny olona afaka miverina dia ny olona efa tao an-trano ihany) DEOT 32:1-2, EZEK 36: 24-27
2-Ny vavahady 12 ao amin'ila YERUSHALAYM KHADASHA dia misy ny anaran'ny foko 12 @ Israely: aiza amin'ireo ianareo no hiditra???
valiny: tsy maintsy atao grefy ny jentilisa ROM 11: 13 / 17 à 21
3-Misarika antsika rehetra tia mandalina sy mamaky baiboly hianatra hamaky ny Version originale (hebreo) fa betsaka ireo toko sy andininy no nodisoina amin'ireo baiboly hafa dikan-teny (grika, romana, sns...malagasy)
Mirary soa daholy Shalôm
29. zazamaroroka ( 09/07/2012 03:39)
Inona n tena marina e, aboahy ny marina ra-mama a,ny pokina rehetra eto an-tany ve no ho lasa extra terrestre any an-danitra atsy ho atsy sa ijanona isonanika amin'ny sakafo be eto an-tany any aoriana any.
30. majesty ( 09/07/2012 06:04)
fantampantatro izany antokom-pinoana mivoy ny ET izany lol!
ny antokom-pinoana @ izao maniry ohatry ny anana dia mitady izay mba hampiavaka azy @ hafa dia samy mitantara izay mba hitany e!
31. Miharena ( 09/07/2012 07:44)
Rehefa tsy misy rindrina intsony antokom-pinoana dia azo lazaina fa efa hanana firaisana izy izay. Izany hoe manala izay mampiavaka azy avy ida manana fomba fijery iray.

Ny tena zava-misy anie dia tsy mijery izay tena zava-mitranga eo amin'ny fifandraisana amin'ny anjely sy Jesoa intsony ny olona fa maro no miondrika anaty boky sy mitady hoe iza no boky milaza ny marina. Ny ankehitriny dia tsy hitany fa tantara no voiziny.

Izay no mampsy ny fiavahana fa raha mandinika tsara ny fototra rehetra iaingan'ny version rehetra dia iray ihany ny antokom-pinoana rehetra miainga any amin'izay efa fahagola indrindra ka hatramin'ny vao haingana indrindra. Ny Silamo moa no mirehareha fa vao haingana. Nefa amin'izao fotoana izao dia efa maro ireo efa tonga saina fa Andriamanitra dia iray ihany ho an'ny olon-drehetra sy ny anjely rehetra ary ny voary ET rehetra.

Raha atao hoe masom-panahy dia iray ihany no ao anatin"izy rehetra fa ny fefy dia ireo hevi-diso mamaritra io masom-panahy iraisana io.
32. didi10 ( 09/07/2012 07:45)

moustaraf:

Shalôm, mahafinaritra ity ady hevitra ity fa aoka samy hiaro tsara ny heviny amim-pahatoniana sy fahamaotinana araka an'i Elohim sy Ysho'a Hamasherha zanany.
1-Tsy nanao fanekena tamin'ny hafa firenena mhitsy i Elohim na dia nivadika taminy aza ny zanak'israely (JER 31:31, vakio ny tantaran'ilay vehivavy kananita MATIO 15: 21-25, vakio koa ny MATI 10: 2-25 nanirahan'Yesho'a ny mpianany,....sns...),


Tsy marina izany rahalahy.
Tafiditra amin'ny fanindraindrana tantaram-pirazanana isika raha milaza izany, mahafinaritra raha voaporofonao fa jiosy ianao, fa tsy izany intsony no zava-dehibe rahalahy a! Raha tena manana an'i Mesia tokoa ianao dia mahalala fa tsy misy intsony na jiosy na jentilisa na grika na andevo na tsy andevo na lahy na vavy fa iray ihany ao amin'i YaHoSHoWaH.
Aminao inona no dikan'ny hoe: Ataovy mpianatro ny firenena rehetra? manaova Batisa azy...


moustaraf:

2-Ny vavahady 12 ao amin'ila YERUSHALAYM KHADASHA dia misy ny anaran'ny foko 12 @ Israely: aiza amin'ireo ianareo no hiditra???
valiny: tsy maintsy atao grefy ny jentilisa ROM 11: 13 / 17 à 21


Tsara isika rahalahy raha manana fanetretena hilaza fa jentilisa novonjena a! ny fanindraindrana tantaram-pirazanana dia miteraka lojika tsotra dia ny fanandevozan'ny lalàna, kanefa raha manana Azy ianao dia tsy mba ambany lalàna fa ambany fahasoavana.

33. Miharena ( 10/07/2012 09:08)
Ny fanavakavahana ara-poko dia isan'ny mampihen-danja ny fahazoana ny maha-Andriamanitra an'Andriamanitra Mpahary. Ka asa tokoa hoe inona no tiana ahatongavana amin'y fivoizana ny maha-zanak'Israely sy ny maha-jentilisa. Raa miova tanteraka ny fomba fijery izay miala mihitsy amin'y fombam-pivavahana vao azo antoka fa tafakambana amin'ny Mpahary tanteraka ny olona na amin'ny fihevitra na amin'ny ara-nofo azy aza.

Ny nanokafana ny hoe ET moa dia ny mba hahalalantsika fa Fanahy iray ihany no niandohan'ny rehetra fa tsy misy hafa. Hevitra avokoa no mampisaraka ireo fa tsy ny tena vontoatiny nanaovana azy hatramin'ny voalohany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0566