Olana eo anivon'ny Fivavahana, Finoana
1. miarana
(
21/03/2012 20:07)
Mahay Tenin'Andriamanitra loatra isika, manankarena fahalalàna Soratra Masina isika. Any ny olana araka ny mpandinika iray.
novalian'i Miharena ny 27/03/2012 08:11
2. RBNIR
(
22/03/2012 05:55)
miarana:
Mahay Tenin'Andriamanitra loatra isika, manankarena fahalalàna Soratra Masina isika. Any ny olana araka ny mpandinika iray.
Faly miarahaba namana,
Tsy mihezaka ny hahay no tena tanjona fa sady hahay no hanantanteraka.
Ary ny mafy sy sarotra indrindra dia ilay faharoa (fanantanterahana na ny fanaovana ilay Sitrapon'Andriamanitra). Tsy maintsy miroso anefa na ety dia ety tokoa aza satria : Fiainana mandrak'izay no loka. nefa koa afo maharitra kosa ho an'izay tavela.
Finoana no ilaina ary koa fahatokisana an'Andriamanitra dia hoe « Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. » (1 Korintiana 10:13)
Mahereza daholo, Tena tian-tsika Andriamanitra.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
3. miarana
(
22/03/2012 08:48)
miarana:
Mahay Tenin'Andriamanitra loatra isika, manankarena fahalalàna Soratra Masina isika. Any ny olana araka ny mpandinika iray.
Eo indrindra no tiako hambara oe Fanatanterahana ve no mahatonga ireo Fiangonana maro mitsangaga ary izay rehetra mijoro dia milaza ny azy ho marina.
4. didi10
(
22/03/2012 10:06)
Mat 5 : 20 - 21
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.
Katsaho ny fahamarinana namana fa zava-dova ny miandry ny tsy marina:
Matio 5 47
47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tyao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; 48 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. 49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, 50 dia hatsipiny any amin'ny fandorana lahibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

5. Miharena
(
22/03/2012 14:46)
Didi10:
Katsaho ny fahamarinana namana fa zava-dova ny miandry ny tsy marina:
Ny olana dia ny fisian'io fomba fitorian'i Didi10 io fa tsy mampianatra tsara ny momba an'Andriamanitra Mpahary Be famindram-po sy ny tantara marina mahatonga ny tsy fahalalàna.
7. Miharena
(
22/03/2012 15:27)
any amin'ny tsirairay ny olana ary te hamaha ny olana Andriamanitra.
Izany no ilazan'i Kristy hoe ao anatintsika ihany ny devoly noforonintsika hiadivantsika.
8. didi10
(
22/03/2012 16:21)
Miharena:
any amin'ny tsirairay ny olana ary te hamaha ny olana Andriamanitra.
Izany no ilazan'i Kristy hoe ao anatintsika ihany ny devoly noforonintsika hiadivantsika.
Tsy misy Baiboly milaza an'zany fa Kristy sandoka zany
9. miarana
(
22/03/2012 22:23)
Ndao ne tsy hifamaly an-tsoratra fa Hilaza ny hatsaran'Andriamanitra an-tsoatra e. Izay nataony tamintsika omaly iny fotsiny ihany.
« Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy. » (Romana 12:21)

10. miarana

11. miarana
(
22/03/2012 22:27)
miarana:
Ndao ne tsy hifamaly an-tsoratra fa Hilaza ny hatsaran'Andriamanitra an-tsoatra e. Izay nataony tamintsika omaly iny fotsiny ihany.
« Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy. » (Romana 12:21)
« Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, ... » (Salamo 103:1-3)
12. Miharena
(
23/03/2012 04:25)
Tsy misy Baiboly milaza an'zany fa Kristy sandoka zany
Tsy misy koa Baiboly milaza hoe manaova batisa amin'ny ranobe na amin'ny rano atete fa hoy Izy hoe manaova Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Asa hoe iza no sandoka amin'ity resaka ity Didi10. Izay salovanin'ny olombelona sa izay voalaza mivantana avy AMINY?
13. didi10
(
23/03/2012 07:35)
miarana:
Ndao ne tsy hifamaly an-tsoratra fa Hilaza ny hatsaran'Andriamanitra an-tsoatra e. Izay nataony tamintsika omaly iny fotsiny ihany.
« Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy. » (Romana 12:21)
Fit 3,22-24
22 Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
25 Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
Isaia 1,24
24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
Ilay Maherin'ny Isiraely:
E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho
Ary hamaly ny fahavaloko.
25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho,
Ka hodioviko amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao,
Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany;
Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe:
Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27 Ziona havotana amin'ny fitsarana,
Ary izay efa mibebaka* ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota,
Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
Eny tsara Jehovah, be famindram-po izy fa tsy hitsitsitsitsy kosa ho an'ireo mitsangana ho fahavalony dia ireo mpiodina sy mpanota.
14. miarana
(
23/03/2012 08:11)
Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. (Fil 4:5)
15. didi10
(
23/03/2012 08:31)
Marina izany namana ny fandeferana dia toetra tena exigen'ny Soratra Masina fa ity iray ity kosa dia sanatria ny handefitra aminy:
Apo 2,20
19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena aterina tamin'ny sampy
Mahereza namana amin'ny fitoriana!.

16. miarana
(
23/03/2012 08:42)
Misaotra anao namana.
Andriamanitra anie hampitombo ny fahendrena izay ao anatinao ho voninahitry ny Anarany.

18. Miharena
(
23/03/2012 16:28)
Eny tsara Jehovah, be famindram-po izy fa tsy hitsitsitsitsy kosa ho an'ireo mitsangana ho fahavalony dia ireo mpiodina sy mpanota.
Dia hazavao tsara namana ilay hoe "mpihodina" sy "mpanota" fa aza dia tonga dia mampitahotra be toy io ianao momba ny asan'Andriamanitra Be famindram-po.
19. didi10
(
25/03/2012 12:49)
Aleo averiko ilay Tenin'Andriamanitra dia vakio tsara dia ho azonao.
Isaia 1,24
24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
Ilay Maherin'ny Isiraely:
E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho
Ary hamaly ny fahavaloko.
25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho,
Ka hodioviko amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao,
Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany;
Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe:
Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27 Ziona havotana amin'ny fitsarana,
Ary izay efa mibebaka* ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota,
Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
Isaia 1,24
24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
Ilay Maherin'ny Isiraely:
E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho
Ary hamaly ny fahavaloko.
25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho,
Ka hodioviko amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao,
Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany;
Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe:
Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27 Ziona havotana amin'ny fitsarana,
Ary izay efa mibebaka* ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota,
Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
20. Miharena
(
25/03/2012 16:00)
Misaotra amin'ny famerenana namana.
Io tokoa ny teny ao amin'nyTestamenta taloha namana. Ny baiko azo ankehitrny kosa dia hoe : izay avelanareo dia ho voavela ary izay hotazoninareo dia ho voatana.
Ka mifamelà heloka izany no voaloham-pahendrena namana fa tsy ny manamafy hatrany fa handringana Andriamanitra. Inona no fanantenana azon'ny olona itoriana raha toa ka io fanomezan-desona io hatrany no hatao? Mazava ny antony nahatonga an'Andriamanitra tsy hanao intsony ny fandringanana toy ny natao tao Sodoma sy Gomora namana. Dia ny hitodihan'ny olona rehetra tsy ankanavaka tamin'y nandefasaNY ny Zanany ho fantsihin'ny tsy mahalala AZY mba hipoiran'ny teny hoe : Ray o! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony.
Zanak'Andriamanitra mamono Zanak'Andriamanitra ny olombelona rehefa tsy mahalala. Izay no hampahafantarana azy fa zanak'ANdriamanitra izy avy ary omena ny Teny fampanantenana.