Olana eo anivon'ny Fivavahana, Finoana

21. didi10 ( 26/03/2012 08:08)
Ny tena mahamaika namana dia hampiditra ireo olona maro mihevitra ny tenany ho zanak'Andriamanitra sy manana an'Andriamanitra ao anatiny kanefa tsy Andriamanitra tsy tafiditra fa mbola mandondona eo ivelany.

Apok 3,20
17 fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; 18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. 19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha. 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.

22. zoheri ( 26/03/2012 12:25)
SALI NAREO RY MANANA REHETRA
23. Miharena ( 26/03/2012 13:20)
Ny tena mahamaika namana dia hampiditra ireo olona maro mihevitra ny tenany ho zanak'Andriamanitra sy manana an'Andriamanitra ao anatiny kanefa tsy Andriamanitra tsy tafiditra fa mbola mandondona eo ivelany.


20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.


Eo indrindra isika izao. Maro no efa nampandroso dia mizara. Dia zaraina amim-pitiavana sy fahatsorana ilay MAZAVA nokolokoloina miaraka AMINY.

Sa ahoana?
24. niryna ( 26/03/2012 16:35)

miarana:

Mahay Tenin'Andriamanitra loatra isika, manankarena fahalalàna Soratra Masina isika. Any ny olana araka ny mpandinika iray.
maka ny toeran'Andriamanitra ihany koa
25. Miharena ( 27/03/2012 08:11)

maka ny toeran'Andriamanitra ihany koa


Raha maka ka mahalala tsara ny sitrapoNY, inona moa ny olana? fa raha maka ka mampiasa izany tsy amim-pitiavana fa manilika ny hafa hatrany amin'ny teny mahery hitany nolazai'ny Ray sy i Kristy dia mazava fa mampikorontana zavatra be dia be sy mamelona fanontaniana be dia be ka hikorontana ambony ambany ka ny mpitazana no valalanina satria ilaozan'ny kristianina miady eo ambavahady, izy tsy miditra, ny hafa voabahana satria tsy voazaran'ny mpifanandrina akory izay tokony hozarainy.

Ary asa na efa mba hitantsika taratra ihany izy io ankehitriny na tsia fa izany no nahatonga ani' Miarana hanao io fanamarihina io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1237