Ahoana tokoa re izany e?

1. niryna ( 12/03/2012 05:42)
Matio 13 37: 39
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona ,ny tanimbary dia izao tontolo izao,ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana,ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy, ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly,ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao,ary ny mpijinja dia ny anjely.

Matio 25: 41 ary dia hilaza indray amin"izay eo amin"ny ankaviany kosa Izy hoe;Miala amiko hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay,,izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;



Matio 12 43- 45 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto ,dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy.,mitady fitsaharana,fa tsy mahita .Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho ,ary nony tonga izy ,dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy ;dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany.ary dia toa izany koa ny amin' ity taranaka ratsy fanahy ity

Resaka famafazana,fijinjana no resahina eto
Ny toerana misy ny devoly eto dia mitovy ny olona e ? Toy ny Rabe ,Ralay, Iketaka
Ny demony kosa dia fanahy izy eto. Toy ny hoe fanahy maloto,maditra ratsy sa ahoana
Izany hoe ny devoly izany no mpaniraka ary ny demony kosa izany no irahina sa ahoana?
.

novalian'i Miharena ny 25/03/2012 16:35
2. laloanany ( 12/03/2012 09:32)
Izao no azoko amaliana ny fanontanianao:
Ny devoly dia tsy iza fanahy IRAY. Ny anarana nomena ny devoly dia i Satana. I Losifera dia tsy iza fa i Satana saingy anarana nentiny fony izy mbola tany andanitra. I Belzeboba kosa dia anarana napetaka nampiasaina entina nanondro an'i Satana. Raha ny tena marina dia samy hafa i Belzeboba sy i Losifera saingy nentina nanondroana fanahy iray (dia i Satana) ihany ireo raha ny Baiboly no jerena.
Ny demony dia anjely niaranikomy t@ i Satana (devoly). Ny demony dia azo antsoina hoe mpiasan'ny devoly.

Azonao hamarinina ao @ Baiboly ireo fa kamo be za hitady andinintSoratra Masina mikasika azy ireo ka tsy nosoratako eto.
3. kiriah ( 12/03/2012 13:07)
Satàna dia ilay antsoin ny baiboly hoe " Rain ny lainga " na Losifera taloha fony izy mbola mpitarik andro, ary araky ny voalazan ilay namana eo ambony dia misy ireo anjeliny niara nikomy taminy ka tonga karazana governemantan ' ny Satana , manana ny andraikiny ireo anjely nivadika ireo ary mizara telo miavaka tsara :
- misy ireo irahin ny Satàna maka fanahy , mitaona ny olona hiala amin ny lalàn Andriamanitra ka hanao ny ratsy, zany hoe mpampirisika.( miriaria ety antany ireo)
-misy ireo zay mpamatotra ireo zay voataona ka niala tamin ny lalàn Andriamanitra , ireo ilay mamatotra ny olona amin ny fahazaran-dratsy, toy ny fisotroan-toaka, fitiavan-tena, fijangajangàna ...sns( ao anatin ny olona ireo)
-ary misy kosa ireo izay lazain ny soratra masina hoe "" eny amin ny rivotra"" na eny amin ny habakabaka , ireo indray ilay MPANAKANA ny vavakin ' ny olona tsy hiakatra na ny valim-bavaka tsy hihidina , ireo fanahy eny amin ny rivotra ireo dia tsy itsika olombelona no miady aminy fa ny anjelin Andriamanitra toa an-ndry Gabriely sy ry rafaely.

ary amaranako azy dia zao : ilay fanahy maloto resahanao eo ambony dia ireo andian ny faharoa , refa esorina izy ireny dia tsy faly ka mitaona namana hafa , karazana angaredona , ka raha tsy mitandrina tsara itsika dia ho voany tokoa.
4. didi10 ( 12/03/2012 13:51)
Niryna a!
Misy ny devoly, misy ny afobe, tazomy ny finoanao dia aza miditra amin'ny jeux n'i Miharena ianao fa efa baiboly hafa ny baiboliny fa tsy mitovy amin'ny antsika, efa be izay fananarana natao taminy izay fa arakaraky ny iadianao hevitra aminy no mampivoaka ny fampianarana hafa toriany.
Mehereza.
5. Miharena ( 12/03/2012 16:14)
Miarahaba antsika indray àry ary tsy mitsahatra ny miteny satria manana lazaina sy ambara raha momba ity lohahevitra ity no resahana. Aza dia heverinao koa Didi10 hoe tsy miresaka momba ny faharatsiana aho fa mametraka tsara hoe ahoana sy ahoana no tena fahitan'i Kristy azy sy ny toetoetrany ary ny antony.

Ianareo moa dia efa namelabelatra araka ny fahazoanareo azy avy fa mba tiako ny mandray anjara manazava izay fantatro noho ny fanontaniana hoe : Ahoana tokoa re izany e!


Matio 13 37: 39
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona ,ny tanimbary dia izao tontolo izao,ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana,ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy, ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly,ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao,ary ny mpijinja dia ny anjely.

Matio 25: 41 ary dia hilaza indray amin"izay eo amin"ny ankaviany kosa Izy hoe;Miala amiko hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay,,izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;

Matio 12 43- 45 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto ,dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy.,mitady fitsaharana,fa tsy mahita .Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho ,ary nony tonga izy ,dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy ;dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany.ary dia toa izany koa ny amin' ity taranaka ratsy fanahy ity


Ireo moa dia asan'i krsity ary ampahafantariNY tsara amin'ny olona fa manitsy koa IZY momba io asaNY io ka hoy IZY hoe:

ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament
245. Craignez-vous de parler avec vos frères de la réincarnation de l'esprit? Ou n'étes-vous paut-étre pas persuadés de la justice d'amour qu'elle renferme? 246. Comparez cette forme de restitution avec celle du châtiment éternel dans les flammes perpétuelles de l'enfer, forme utilsée par les hommes pour effrayer l'esprit de l'humanité. Dites-Moi laquelle de ces deux formes vous donne l'idée d'une justice divine, parfaite et misericordieuse. 247. L'une révèle de la cruauté, de la rancoeur illimitée, de la vengeance; l'autre ne contient que pardon, charité, et espoir d'atteindre la vie éternelle. Que mes enseignements ont souffert de déformations à cause de mauvaises interprétations!

Dia mba tokony harahina fanazavana ny marina izany ilay izy fa tsy hilaza fotsiny hoe ny devoly dia izao sy izao nefa tsy misy teny hoe ahoana no hialàna amin'izany.

Dia io voalaza io moa ilay valinteny ary voatsipika tsara ny fomba fizaràna ataon'ny olona aty aoriana ary tiana hamaly n yfanontaniana mipetraka koa ianareo.

Araka io dia mitohy ny teny amin'ny finjinjana satria na iza na iza dia tian'Andriamanitra satria VoariNY ary jinjaina rehefa tonga ny fotoana, ka na nandray na tsy nandray dia manome tatitra satria Fanahin'Andriamanitra no entin'ny tsirairay. Dia tonga eo amin'ny fametrahana ny fanahy amin'ny toerana misy azy avy rehefa tonga ny fotoana ary ireo inray no afafin'i Krsity ami'ny réincarnation mba hitombo fahendrena, dia toy izay hatrany hatrany mandra-pahadion'izy rehetra. Izay ilay asan'i Kristy ar ataoNY hatramin'ny farany fa tsy amin'ny ampahany akory dia hijanona Izy.

Manome ny lalam-panahy Izy hatramin'ny Soratra teo aloha ka hatramin'ny Soratra taty afara izay fanampim-panazavana.

6. LazaDaddy ( 13/03/2012 04:03)

Miharena:
ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament
ialao faingana ...
7. Miharena ( 13/03/2012 04:17)
ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament

LazaDaddy: ialao faingana ...

Fa misy inona ao amin'ny 3e Testament no hialàna? manazava lay hoe Ahoana tokoa re izany izy io ko!
8. niryna ( 13/03/2012 16:03)
laloanany:

Izao no azoko amaliana ny fanontanianao:
Ny devoly dia tsy iza fanahy IRAY. Ny anarana nomena ny devoly dia i Satana. I Losifera dia tsy iza fa i Satana saingy anarana nentiny fony izy mbola tany andanitra. I Belzeboba kosa dia anarana napetaka nampiasaina entina nanondro an'i Satana. Raha ny tena marina dia samy hafa i Belzeboba sy i Losifera saingy nentina nanondroana fanahy iray (dia i Satana) ihany ireo raha ny Baiboly no jerena.
Ny demony dia anjely niaranikomy t@ i Satana (devoly). Ny demony dia azo antsoina hoe mpiasan'ny devoly.

Azonao hamarinina ao @ Baiboly ireo fa kamo be za hitady andinintSoratra Masina mikasika azy ireo ka tsy nosoratako eto.
misaotra anao nanazava
Demony sy Devoly izay no izy e
tsy Belzeboba iahny ve no losifera e,samy satana avokoa ireo sa ?
Nisy fandaharana izany mitantara ilay Ambondrobe : matetika moa dia mivavaka ny mpiandry rehefa anao asa fampaherezana( na mivavaka olona,na manasitrana ,na manala ny asan'ny maizina rehetra( ny fanahy maloto ).Fa tamin'iny tantara iray iny indray dia ilay pasitera no miantso ireo fanahy ratsy hoe aiza avy hianareo? gaga be aho aloha ary tsy miantso ny anaran'i kristy avy any Nazareta mihitsy koa izy fa hafahafa ny fomba fiteniny azy.
Ny nahavariana ahy dia manontany ireo olona hipetrahan'ny fanahy ratsy izy ary dia niteny ilay vavy kely hoe betsaka ry zareo no ato,belizeboba,losifera. Ahoana koa izany ? legiona izany no ao sa ?
9. niryna ( 13/03/2012 16:06)

kiriah:

Satàna dia ilay antsoin ny baiboly hoe " Rain ny lainga " na Losifera taloha fony izy mbola mpitarik andro, ary araky ny voalazan ilay namana eo ambony dia misy ireo anjeliny niara nikomy taminy ka tonga karazana governemantan ' ny Satana , manana ny andraikiny ireo anjely nivadika ireo ary mizara telo miavaka tsara :
- misy ireo irahin ny Satàna maka fanahy , mitaona ny olona hiala amin ny lalàn Andriamanitra ka hanao ny ratsy, zany hoe mpampirisika.( miriaria ety antany ireo)
-misy ireo zay mpamatotra ireo zay voataona ka niala tamin ny lalàn Andriamanitra , ireo ilay mamatotra ny olona amin ny fahazaran-dratsy, toy ny fisotroan-toaka, fitiavan-tena, fijangajangàna ...sns( ao anatin ny olona ireo)
-ary misy kosa ireo izay lazain ny soratra masina hoe "" eny amin ny rivotra"" na eny amin ny habakabaka , ireo indray ilay MPANAKANA ny vavakin ' ny olona tsy hiakatra na ny valim-bavaka tsy hihidina , ireo fanahy eny amin ny rivotra ireo dia tsy itsika olombelona no miady aminy fa ny anjelin Andriamanitra toa an-ndry Gabriely sy ry rafaely.

ary amaranako azy dia zao : ilay fanahy maloto resahanao eo ambony dia ireo andian ny faharoa , refa esorina izy ireny dia tsy faly ka mitaona namana hafa , karazana angaredona , ka raha tsy mitandrina tsara itsika dia ho voany tokoa.

hay ve e, misaotra ra kala a .
be raharaha tokoa anie ry zalahy izany e
dia mahafantatra ve ny olona misy azy ireo hoe hipetrahan'ny fanahy maloto ?
10. niryna ( 13/03/2012 16:08)

didi10:

Niryna a!
Misy ny devoly, misy ny afobe, tazomy ny finoanao dia aza miditra amin'ny jeux n'i Miharena ianao fa efa baiboly hafa ny baiboliny fa tsy mitovy amin'ny antsika, efa be izay fananarana natao taminy izay fa arakaraky ny iadianao hevitra aminy no mampivoaka ny fampianarana hafa toriany.
Mehereza.
ka eo indrindra isika izao k'nou! Misaotra anao
Mila mitandrina tokoa isika fa be ny fampianarana milaza azy ho fampianarana marina ka aleo zaraina ireo izay tsy mahalala ,tsy vitan'izany ihany koa fa miankina ny ao anatin'ny baiboly foana,foana no hanambarako ny olona ny fisian'ireo ,misaotra ry toi
11. niryna ( 13/03/2012 16:27)
Miharena:

Miarahaba antsika indray àry ary tsy mitsahatra ny miteny satria manana lazaina sy ambara raha momba ity lohahevitra ity no resahana. Aza dia heverinao koa Didi10 hoe tsy miresaka momba ny faharatsiana aho fa mametraka tsara hoe ahoana sy ahoana no tena fahitan'i Kristy azy sy ny toetoetrany ary ny antony.
misaotra anao mizara
Miharena:

Ianareo moa dia efa namelabelatra araka ny fahazoanareo azy avy fa mba tiako ny mandray anjara manazava izay fantatro noho ny fanontaniana hoe : Ahoana tokoa re izany e!
tsia, tsy araka ny fahazoanay fa araka ny voasoratra ao amin'ny Testamenta taloha sy ny Testamenta vaovao no zarainay sy ambaranay

Matio 13 37: 39
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona ,ny tanimbary dia izao tontolo izao,ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana,ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy, ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly,ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao,ary ny mpijinja dia ny anjely.

Matio 25: 41 ary dia hilaza indray amin"izay eo amin"ny ankaviany kosa Izy hoe;Miala amiko hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay,,izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;

Matio 12 43- 45 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto ,dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy.,mitady fitsaharana,fa tsy mahita .Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho ,ary nony tonga izy ,dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy ;dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany.ary dia toa izany koa ny amin' ity taranaka ratsy fanahy ity


Ireo moa dia asan'i krsity ary ampahafantariNY tsara amin'ny olona fa manitsy koa IZY momba io asaNY io ka hoy IZY hoe:

ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament
245. Craignez-vous de parler avec vos frères de la réincarnation de l'esprit? Ou n'étes-vous paut-étre pas persuadés de la justice d'amour qu'elle renferme? 246. Comparez cette forme de restitution avec celle du châtiment éternel dans les flammes perpétuelles de l'enfer, forme utilsée par les hommes pour effrayer l'esprit de l'humanité. Dites-Moi laquelle de ces deux formes vous donne l'idée d'une justice divine, parfaite et misericordieuse. 247. L'une révèle de la cruauté, de la rancoeur illimitée, de la vengeance; l'autre ne contient que pardon, charité, et espoir d'atteindre la vie éternelle. Que mes enseignements ont souffert de déformations à cause de mauvaises interprétations!
[/quote] Miharena a raha mba tsy manahirana anao kely hoe azafady;Testamenta Vaovao no nojongoiko nizarako ny fisian'i satana sy ny helo dia mba alaivo ao amin'io Testamenta vaovao io na Taloha koa ny valiny raha hanamporofo ny tsy fisiany hianao.Na farafaharatsiny dia hazavao amin'ny teny gasy araka ny fieritreretanao ny testamentanao sy ny fahalalanao ny teny baiko nomenao anay ,misaotra tompoko .

Dia mba tokony harahina fanazavana ny marina izany ilay izy fa tsy hilaza fotsiny hoe ny devoly dia izao sy izao nefa tsy misy teny hoe ahoana no hialàna amin'izany.
mbola ho hazavaiko amin'ny antsimpirihany fa aza taitra hianao fa aleo kely aloha ny namana mba hizara izay fantany na tsia ok

Dia io voalaza io moa ilay valinteny ary voatsipika tsara ny fomba fizaràna ataon'ny olona aty aoriana ary tiana hamaly n yfanontaniana mipetraka koa ianareo.
hay va re e

Araka io dia mitohy ny teny amin'ny finjinjana satria na iza na iza dia tian'Andriamanitra satria VoariNY ary jinjaina rehefa tonga ny fotoana, ka na nandray na tsy nandray dia manome tatitra satria Fanahin'Andriamanitra no entin'ny tsirairay.
ka hatreo ihany ny fampianarana mafonja nanasany ny sainareo dia io foana foana no hamalianao na resaka devoly ity na resaka famonjena ity na inona na inona,izany ve tsy midika hoe manao tsianjery maimbo ooops sorry!

Dia tonga eo amin'ny fametrahana ny fanahy amin'ny toerana misy azy avy rehefa tonga ny fotoana ary ireo inray no afafin'i Krsity ami'ny réincarnation mba hitombo fahendrena, dia toy izay hatrany hatrany mandra-pahadion'izy rehetra. Izay ilay asan'i Kristy ar ataoNY hatramin'ny farany fa tsy amin'ny ampahany akory dia hijanona Izy.
hi,hi fahendrena inona no azony ka na Izy aza miteny fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana amin'Atra ary ny fehendren'Atra dia hadalana amin'izao tontolo izao.Hazaiko: ho an'ny olona tsy mahalala an'ATra dia ny fahafantarana an'izany fisiaNy izany dia mampihevitra ireo olon-kendrin'izao tontolo izao ho adala ny kristiana.
Dia ahoana no hanohanako ny hevitro amin'izany? dia miainga ao amin'ny baibolinay kristiana ihany aho fa ny adalan 'izao tontolo izao no nirahin'Atra hampahendry ireo hendrin'izao tontolo izao.Ny malemiNy no nirahiny hampantanjaka ireo matanjak'izao tontolo izao.
Misy izany ny olona mihevitra ny fahendreny araka ny fisainany sy ny fahalalany fa tsy araka an'Atra ka rehefa tonga tokoa izay dia ataon'Atra jamba ny masony>manana sofina kanefa tsy andreha,manana maso kanefa tsy ahita ooops mila mitandrina isika ry Miharena a

12. niryna ( 13/03/2012 16:30)

LazaDaddy:


Miharena:
ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament
ialao faingana ...
ka izay no antony hizarana eto sao misy voatarika any amin'ny tsy izy ooops
eny e,iny aloha dia Atra irery ihany no mitondra ny oloha hino Azy na tsia fa mila mitandrina fotsiny isika fa sao tratry ny mpaminany sandoka eot ooops
ny ondriko mahalala Ahy ary izaho koa mahalala ny ondriko hoy ny Tompo,ny ondriko mahalala ny feoKo koa hoy izy .Na izany aza mbola manana ondry maro hafa ao any Ambalanirana (sangisangy ny ahy iny an,misy ondry any ivelany izay taomiNY tokoa)
13. niryna ( 13/03/2012 16:39)
Miharena:

ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament

LazaDaddy: ialao faingana ...

Fa misy inona ao amin'ny 3e Testament no hialàna? manazava lay hoe Ahoana tokoa re izany izy io ko!
any aoriana any dia hisy olona hiteny amin'ny anaraKO ka hilaza azy fa hiraka avy aty amiKo izy .Miala hianao ry satana...
dia hoy satana hoe moa tsy nanao ny asanao va izahay? moa tsy nanasitrana va izahay,moa tsy nanao fomba fahazoana vola maro ho an'ny olona va izahay,moa tsy nanankarena avokoa ireo izay mitady harena,moa tsy sitrana tokoa ireo nanao tampakazo ,ny akohalahy mena sa mainty moa izy izay ,ny omby atao fanatitra,ny dadarabe,moa tsy manasitrana avokoa va ireny ? Moa tsy nampahafantatra ny olona fa tsy misy koa izahay koa dia mino ireo izay tsy mahalala Anao?
inona anefa no vokany? Ny fati-dra amin'ny satana ve no tianao tenenina e ?
izay indrindra: araka ny henoko toy ny manson io an dia marobe ny malagasy no manao fanatitra amin'i satana ary ny fiafaran'ilay izy satria misy fetrany ny heriny dia marary na maty na alainy mihitsy ny olona tian'ilay nanao compact tamin'i satana eny fa na toerana lavitra aza no misy ny zanany dia rehefa tonga ilay fotoana ilainy ilay ra dia alainy tokoa ary dia faty no noentina nody tany dago .Hors sujet kely io fa niniako nozaraina eto izany fisian'ny fanaovana fati-dra amin'i satana izany
izay no izy ry Miharena ka mila mitandrina amin'ity 3e testament ity hianao
14. jesuisla ( 14/03/2012 01:03)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94
Ry zanako Malalako,
Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
15. Miharena ( 14/03/2012 04:00)
Misaotra an'i Niryna amin'ny famoaboasana be dia be fa mandinika tsara ianao matoa miezaka manome valiny antsipirihany momba ny fanohananao fa Satana no ambadiky ny 3e Testament ary ity hatrany moa no teny entinao hanohanana ny hevitrao:

Niryna:

any aoriana any dia hisy olona hiteny amin'ny anaraKO ka hilaza azy fa hiraka avy aty amiKo izy .Miala hianao ry satana...


Mampahatsiahy ahy an'i Krsity nilaza tami'ny Fariseo izay niantso mandrakariva an'i Jehovah tao amin'ny Synagoga izy ity hoe : ny Devoly rainareo no arahinareo fa tsy IZAHO izay avy amin'ny RAY.

Tsarovy fotsiny fa tsy mampiova izay voalaza ao amin'ny boky akory ny fanekena na fandavana azy fa izay voasoratra dia manazava izay mandray ary mahajamba izay tsy mandray. Toy ny Baiboly ihany, mazava izay tena mahay mandray ary maizina izay tsy mahay mandray. Ny tsy mandray moa dia mirihariha eny fotsiny ary ny tsy te-hahafantatra tsara hoe inona marina no tena fonosin'ny Baiboly, raha misy olona milaza aminy fa misy fanazavana mahafintina tsara ny Baiboly izay azon'ny olombelona tamin' iKrsity dia mandà ary manao fa tsy IZY no miteny fa izay fomba nitaizana azy tamin'ny Fiangonany ihany no lazainy fa marina (absolu).

Fa misy lojika mazava hatrany moa ny ahy ny fandalinako ary mahita ny famhana ny olana rehetra aho ao amin'ny boky.

RAha toa ka hitanao fa tena diso ny filazan'ny boky dia vakio aloha vao miteny ianao fa tsy mifanaraka mihitsy amin'ny lalam-pamonjena na lalam-pamohazana no marina kokoa ataon' Andriamanitra ny boky. Toa io resaka ataon'i Jesuislà io ilay izy hoe inona marina no tiana ahatongavana amin'ny vavaka sy ny fizaràna izany. Ny fahazoan'ny olona ny haren'izao tontolo izao sa ny famohazana azy fa manana fiainana mandrakizay izy?

Farany, mba vakio tsara aloha ny fampiasako ny teny rehetra fa mihodina eo amin'ny resaka Famohazana avokoa fa tsy "fiverenana" amin'Andriamanitra satria tsy misy ny olona miverina fa rehefa mifoha izy vao manao ny asa madio rehetra.
16. LazaDaddy ( 14/03/2012 05:59)
Miharena:
ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament

Niryna,
Raha amiko manokana dia tapitra hatreo ny adihevitrao sy i Miharena satria samihafa tanteraka ny zavatra resahinareo. Asakasakao anefa.
17. Miharena ( 14/03/2012 14:06)
LazaDaddy:

Niryna,
Raha amiko manokana dia tapitra hatreo ny adihevitrao sy i Miharena satria samihafa tanteraka ny zavatra resahinareo. Asakasakao anefa


Aoka kosa laoha tsy hosakananao ny olona manome ny heviny Laza an!

Tsy misy zavatra samihafa tanteraka izany koa eo fa azonao hamarinina. Ataoko fa efa olona mijoro amin'ny finoana daholo isika ary ny hampijoro izany tsara kokoa aza no tadiavina raha toa ka mbola anisan'ny mandihy ambony sahafa miaina amin'ny maha-nofo ny tena.
18. niryna ( 14/03/2012 16:14)
Miharena:

Misaotra an'i Niryna amin'ny famoaboasana be dia be fa mandinika tsara ianao matoa miezaka manome valiny antsipirihany momba ny fanohananao fa Satana no ambadiky ny 3e Testament ary ity hatrany moa no teny entinao hanohanana ny hevitrao:
[/QUOTE]
[quote=Niryna]
any aoriana any dia hisy olona hiteny amin'ny anaraKO ka hilaza azy fa hiraka avy aty amiKo izy .Miala hianao ry satana...
Miharena:


Mampahatsiahy ahy an'i Krsity nilaza tami'ny Fariseo tao amin'ny Synagoga izy ity hoe : ny Devoly rainareo no arahinareo fa tsy IZAHO izay avy amin'ny RAY.

ALELOIA ! HAY VE FANTATRAO IHANY ILAY SORATRA MASINA MANAMBARA NY RESAKA NATAON'I KRISTY NY FISIAN'NY DEVOLY RAINAREO E
VITA TOMPOKO -TONGA NY HAFATRA
[QUOTE] izay niantso mandrakariva an'i Jehovah ho devoly rainareo [/QUOTE]
aiza indray re Miharena izany e, Jehovah indray hono no lazainy ho devoly rainay tsss ,tsy miady ilay 3e tetament k'ty ha,ha
19. Miharena ( 14/03/2012 18:22)
Tsy hainao angaha fa ny tantara dia nisy ny fitaka natao tamin'i Eva ary izany no nitenenan'i Krsity fa Devoly no arahin'ny olona? Izany hoe lainga no arahiny no dikany fa tsy ny marina.

Izany hoe teraka tao am-pon'ny' olona ny fahadisoana fa tsy misy devoly hiditra ao aminy akory fa izy ihany no manana ny devoliny avy ao anatiny vokatry ny lainga na finoana lainga. Aiza àry izany no tokony hiadivana ilay devoly? Ao anaty ihany. Io ilay hoe mandini-tena sy manala ny andry be eo anoloan'ny maso vao maka ny sombin-kazo amin'ny namana.

Ary rehefa mamaky izay soratana Niryna dia mba vakio tsara fa tsisy nilaza teo hoe Jehovah no devoly fa ny Fariseo tsy nitsahatra ny namaky isanandro ny horonam-boky izay miantso mandrakariva an'i Jehovah no voapetaky ny resak'i Krsity hoe devoly rainareo. Izany hoe tsy Jehovah no tena voavakiny fa izay fomba famakiany azy no tsy mifanaraka amin'ny hitsin'i Kristy.
20. niryna ( 24/03/2012 18:34)

LazaDaddy:

Miharena:
ao amin'ny pejy 602-603 ! 3e Testament

Niryna,
Raha amiko manokana dia tapitra hatreo ny adihevitrao sy i Miharena satria samihafa tanteraka ny zavatra resahinareo. Asakasakao anefa.
aleloia ,soa ihany fa misy mahafantatra fa tena mifanipaka atsimo sy avaratra tokoa,misaotra Laza a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0911