Ahoana tokoa re izany e?

21. niryna ( 24/03/2012 18:48)
Miharena:

Tsy hainao angaha fa ny tantara dia nisy ny fitaka natao tamin'i Eva ary izany no nitenenan'i Krsity fa Devoly no arahin'ny olona? Izany hoe lainga no arahiny no dikany fa tsy ny marina.

Izany hoe teraka tao am-pon'ny' olona ny fahadisoana fa tsy misy devoly hiditra ao aminy akory fa izy ihany no manana ny devoliny avy ao anatiny vokatry ny lainga na finoana lainga. Aiza àry izany no tokony hiadivana ilay devoly? Ao anaty ihany. Io ilay hoe mandini-tena sy manala ny andry be eo anoloan'ny maso vao maka ny sombin-kazo amin'ny namana.

Ary rehefa mamaky izay soratana Niryna dia mba vakio tsara fa tsisy nilaza teo hoe Jehovah no devoly fa ny Fariseo tsy nitsahatra ny namaky isanandro ny horonam-boky izay miantso mandrakariva an'i Jehovah no voapetaky ny resak'i Krsity hoe devoly rainareo. Izany hoe tsy Jehovah no tena voavakiny fa izay fomba famakiany azy no tsy mifanaraka amin'ny hitsin'i Kristy.
ha,ha, bedin'i Lza eto aho fa tsy tokony hamaly intsony ,hi,hi
DEVOLY = LAINGA INDRAY HONO no hilazana azy,lasa tsy maka toeran'ny olona intsony indray ilay izy fa ao anatin'ny olona an.
Ny anarany tokoa anie ry Miharena ka tranon-dainga e,mpamitaka,mpaniratsira e,mpaka ny toeran'Atra e.
Aleo aloha hazava tokoa fa fiteny ny hoe satana, demony ary ny devoly an
Izay mpaniraka ny iray ,izay lehiben'ireo miaramilan'i satana izany
Misy indray anefa ireo izay fanahy izy ka tonga ao anatin'ny olona ary maka ny feon'ny olona tokoa,toy ireny olona amin'ny fotoan'ny tromba ireny izay miova feo ilay olona tongavany ka milaza izay tiany tenenina. Eo amin'ny fametrahan-tanana koa no ahenoana azy mivadika olona hafa ny ao anatiny.Noho izany ry Miharena dia aza miziriziry amin'ny hevitrao hianao fa sao ao anatinao ao ilay izy ka mahatonga anao hilaza fa tsy misy izy .

ary raha miteny kristy hoe raha hianareo ratsy aza mahay manome zavatra ho an'ny zanakareo ka maika fa ny ray any an-danitra: dia mampiseho koa fa misy ny olona izay tsara ary misy ny ratsy sa tsy izany
raha miteny izy hoe ny devoly rainareo: dia midika izany fa miresaka ireo izay olona tsy mihaino ny tenin'Atra Rainy izy ireo satria ahoana,ny devoly no rainy ,izany hoe satana no arahiny sa ? Tsy mbola naheno kosa aloha aho olona niteny hoe mpanaraka an'i satana ilay olona,ny zavatra ataony no ahalalana azy: ny fanaovana joro,ny famonoana biby ka mandatsa-dra,ny finoanoam-poana izay tsy avy amin'Atra dia avy amin'i satana izany mazava ho azy satria ny teniNy no nanambara fa na manaraka ahy hianareo na tsia satria tsy misy olona afaka hanompo tompo roa
22. Miharena ( 25/03/2012 16:35)
Vakio tsara indray aloha ilay fanazavana vao mitsara ianao Niryna a! Aza malaky mitsara hoy aho.

izaho izao mahalala tsara fa devoly ny tato anatiko ary nofoanako rehefa nandray an'i Kristy aho ary IZY no nanazava izany tamiko. DIa inona no diso amin'izany?

Ireo olona nalàna Devoly rehetra angaha tsy fantatsika fa mitondra ao anatiny ao ?

Teny tsotra anie no lazaiko fa tsy manana endrilka tanisaina aho Niryna e! Ianao ve ohatra tsy mahalala fa dieny mobla kely dia efa mahay mandainga? Iza no heverinao fa mampianatra anao izany? Teraka ao anatinao io fandaingana io fa tsy misy mampianatra anao hanao izany velively. Toy izany koa ny tsy fahombiazana rehetra mihatra amin''ny olombelona, efa toetra.

Vao nahazo toriteny moa androany momba ilay voankazo voarara dia mbola nilaza i Adama hoe ny vehivavy no nanome ahy sy ny an'i Eva hoe ny menarana no namitaka ahy.

Fialana bala ny tsy fahalalanao fa miompy ny devolinao ianao. Anjaranao ny manala izany fa tsy manilaka any aminn'y menarana na Satana.

Tsy eny ivelany ny fitandremana momba ny fandrika Niryna fa ao anaty dia ao anaty ihany.

Asa na mazava izany na tsia.

Hanazava anao anie ny Fanahy Masina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0378