Misy tokoa i Satana sy ny devoly ary ny helo/afobe

1. LazaDaddy ( 31/10/2011 09:34)
Tsy iadian-kevitra izany fa raha misy olona tsy mino sy mitady porofo dia aseho azy tsy ho ela izany farafahatarany afaka 80 taona
novalian'i Miharena ny 09/11/2011 09:11
2. Miharena ( 31/10/2011 19:51)
Rehefa izay ny finoanao dia tano àry. Ny miain-droa no safidinao ho tanana izany.

Ny tiako ambara fotsiny dia mananatra ihany hoe mandehana amin'ny mazava dieny manana ny mazava ianao ary aoka hilaza toa an'i Rasalama Maritiora hoe hitako ny lalan-tsara ka izorako. Sy toy ny hiran'ny mpitory filazantsara iray izay hoe : eo ianao ry satana fa izaho hanaraka an'i Kristy (Eo akaikin'i Jesosy Tompo ihany no mahatsara ahy).

Ilay fanomezana hery ny Devoly no ataon'ny olona ary lasa maro no mivarina any ny feon'ny fieritreretany ary aseho izany rehefa tsindrian'ny fanahin'i Krsity ny olona iray.Ataontsika hoe diagnostique ny fanahinao no omena anao rehefa sendra io fanehoana io ianao ary mizara amin'ny hafa. Dia mandini-tena daholo no azo atao ary miasa mba ho levona ny zava-poana nanamaizina sy manasaraka antsika amin'Andriamanitra nipoirantsika.

Ho Krsitianina mijoro sy afa-tahotra anie ianao ka sahy hilaza hoe foana manomboka anio ny Devoly ary tsy misy afa-tsy i Kristy dia hiaina mazava sy hahita tsara ny lalan-kombanao ianao ary afaka ho taratry ny namanao izany eo amin'ny fomba firesakao rehetra.
3. LazaDaddy ( 01/11/2011 01:04)

Miharena:
Ho Krsitianina mijoro anie ianao
Misaotra

Miharena:
ka sahy hilaza hoe foana manomboka anio ny Devoly
Tsia, ny Devoly tsy foana raha tsy tonga ny fotoanany. Tsy hevitro io fa voarakitra an-tsoratra ao amin'ny Baiboly ary inoako tanteraka fa marina. Tsy manan-kery amin'ny olon'i Kristy kosa anefa ny devoly (na koa voafetra ny heriny)
4. LazaDaddy ( 01/11/2011 01:39)
Miharena>

1) mino va ianao fa asan-devoly ny famosaviana, ny lainga, ny halatra, ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana?

2) mino va ianao fa mbola misy ary tsy mbola foana ny mpamosavy, ny mpandainga, ny mpangalatra, ny mpanompo sampy sy ny mpijangajanga?

3) Anjaranao ny mandalina ny valineninao amin'ireo fanontaniana roa ireo.
5. rijadolly ( 01/11/2011 03:06)
hoy i Miharena:

Rehefa izay ny finoanao dia tano àry. Ny miain-droa no safidinao ho tanana izany.

Izay ilay fandraisan-kevitra diso be mihitsy. Rehefa mino ve ianao hoe misy ny rivotra dia lazaina indray fa miaina- telo? Aza mampihomehy Miharena a!

Ny finoan'ny Tena Kristianina izay efa nandray an' Kristy arak'io voalazan' i LazaDaddy io dia tsy manan-kery aminy ny satana satria izy manana an'ilay Anarana Mahagaga dia Jesoa Kristy. Andriamanitra mahery.

ASAN'NY APOSTOLY 16 :16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.17 Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo làlam-pamonjena.18 Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary, sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy . Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.

lainga indray io fa ny fihaonan'ny ekipan-dry Baird Spalding tamin'i Jesoa no marina Mpandainga mihitsy ry Apostoly sy ry Yves ireny ka. Miheritrereta ihany Miharena fa ny teny rehetra izay ao anaty Baiboly ka miresaka amin'io fandalinan'se io dia lainga daholo ary dia mino aho fa lasa kamo mamaky Baiboly se io na milaza hoe tsy izany intsony amin'izao fotoana e! efa lany andro izany. Ary ny farany handrovitra Baiboly se atsy ho atsy satria misy fanahy mandrisika hanohitra sy mandiso ny tenin'i Jesoa Kristy.
6. Miharena ( 01/11/2011 03:12)
Misaotra an'i Lazadaddy amin'ny fanontaniana.

1) mino va ianao fa asan-devoly ny famosaviana, ny lainga, ny halatra, ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana?

Ny asan-devoly sy ny fitaizana azo noho ny tsy fahatomombanan'ny fiainana nisian'ireo fandringam-pitondrantena ireo dia aoka avahana tsara. Tsy ny devoly no manao asa fa ilay olona no manao ireo asa mandringa ireo.
Ny Devoly dia izay noforonin'ny saina ka nanjary antontam-pahadisoan-kevitra goavana izay iadivan'ny nofo. Rehefa maromaro no mampiditra io ao an-tsainy dia miteraka vato misakana tsapa tokoa ireo fahadisoana ireo ka omena anarana ary ny mahatsikaiky dia omena fahefana handavo ny olona izy avy eo.

Ka raha miteny ianao hoe asan-devoly dia tsy misy asany ny devoly raha tsy ny olona no manilika any aminy ny asa ataony ka sahy milaza fa tsy nahy taminy iny fa ny devoly no nampanao azy izany.

2) mino va ianao fa mbola misy ary tsy mbola foana ny mpamosavy, ny mpandainga, ny mpangalatra, ny mpanompo sampy sy ny mpijangajanga?

Rehefa mbola kolokoloina ao amin'ny fiarahamonina ireo toetra ireo dia mbola hitohy hatrany saingy misy farany. Ny farany dia tsy voafetran'ny fotoana fa fiovana mitselatra ao am-pon'ny olona tsirairay avy.

3) Anjaranao ny mandalina ny valineninao amin'ireo fanontaniana roa ireo

Fanazavana tsotra no famaliako azy izay ka asa nay fahotanao azy?
7. Miharena ( 01/11/2011 03:13)

Fanazavana tsotra no famaliako azy izay ka asa ny fahitanao azy?
8. Miharena ( 01/11/2011 03:24)
Rijadolly:

Ny finoan'ny Tena Kristianina izay efa nandray an' Kristy arak'io voalazan' i LazaDaddy io dia tsy manan-kery aminy ny satana satria izy manana an'ilay Anarana Mahagaga dia Jesoa Kristy. Andriamanitra mahery.

Manaiky 1000% io voalazanao io aho ary tsy mifanohitra amin'izany mihitsy ny zava-boalaza ao amin'ny boky na serasera hafa vakiako ankoatry ny Baiboly.

Ary ny farany handrovitra Baiboly se atsy ho atsy satria misy fanahy mandrisika hanohitra sy mandiso ny tenin'i Jesoa Kristy.

Aza matahotra se fa tsy ho tonga velively amin'ny fandrovitana Baiboly aho satria tsy manana fanahy manohitra an'i Krsity fa miaraka AMINY tanteraka arak'io teny voambara eo ambony io.
Nandondona IZY dia novohako ary nampidiriko ara-bakiteny tato anatiko ary sahy manambara izay hafatra tiaNY hambara aho.
9. rijadolly ( 01/11/2011 03:38)
Rijadolly:

ASAN'NY APOSTOLY 16 :16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.17 Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo làlam-pamonjena.18 Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary, sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy . Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.

lainga indray io fa ny fihaonan'ny ekipan-dry Baird Spalding tamin'i Jesoa no marina Mpandainga mihitsy ry Apostoly sy ry Yves ireny ka. Miheritrereta ihany Miharena fa ny teny rehetra izay ao anaty Baiboly ka miresaka amin'io fandalinan'se io dia lainga daholo ary dia mino aho fa lasa kamo mamaky Baiboly se io na milaza hoe tsy izany intsony amin'izao fotoana e! efa lany andro izany.

Hadino indray ny namaly an' io devoly noforon'sain' i Jesoa Kristy sy ny Apostoly ao anaty Baiboly io ô!
10. Miharena ( 01/11/2011 03:56)
Aoka àry hazavaina ny fipetrak'io teny ao amin'ny asan'ny Apostoly io. Efa fantatra fa Mpanompon'Andriamanitra Avo indrindra i Paoly sy ny namany dia mbola ankalazain'ilay mpilaza ihany. Heveriny angamba fa izany no hahazoany laza.
Toetra no nesorin'i Paoly tao anatiny dia ny fireharehana satria ny Apostoly dia olona manetri-tena fa tsy mitady laza. Mizara noho ny mampitovy lenta azy amin'ny olona izaràny ary I Kristy aza nanasa ny tongony nefa lazain'ny rehetra fa Tompo. Izy nanetri-tena no raisina ary hitokiana fa izay no tanjoNY dia ny hampitovy lenta AZY sy izaho sy ianao dia mazava ny resaka rehetra tsy misy mankalaza an'izatsy na izaroa.
11. didi10 ( 01/11/2011 04:46)
Miharena

Fantatro fa tena mpadalina ianao saingy mbola lavitra ny lalana alehanao mba hahatonga anao ho Kristianina Actif (manao asan'Andriamanitra, délivrance des démoniaques, fanasitranana sns...)

ireto ny Etape eo amin'ny fiainana maha-kristiana
1- Fianarana
2- Finoana
3- Fibebahana
4- Batisa
5- Fandraisana ny Fanahy Masina
6- Fanaovana ny Asan'Andriamanitra

Raha ny fahitako anao dia ao amin'ny ilay Etape 1 ianao ka mahereza fa mbola lavitr'ezaka ny lalana, any amin'ny Etape 6 ianao dia ho hitanao izany hiady amin'ny Satana amin'ny anaran'i Jesosy izany, vakio tsara ny tenin'i Jesosy rehefa naniraka izy taorian'ny nitsanganany:

Marka 16,15-18
Ary hoy Izy taminy: Mandehana amin'izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao Batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina, ary izao famantaranao izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy, hiteny amin'ny fiteny izay mbola tsy hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy dia ho sitrana ireny.

12. rijadolly ( 01/11/2011 05:18)

Ilay nataoko maintso anie no sujet eto Miharena fa tsy fanazavana ilay tantara e! Mitovy hevitra tanteraka isika raha ilay fisehon'ilay tantara, ary mazava fa nisy fanahy ratsy mpanindraindra tao anatin'ilay vehivavy mba aha solafaka an' Apostoly, dia io fanahy io ilay sujet eto hoe misy ve io sa noforonin'sain'Apostoly fotsiny ihany.
13. Miharena ( 01/11/2011 14:55)
Rijadolly:

ary mazava fa nisy fanahy ratsy mpanindraindra tao anatin'ilay vehivavy mba aha solafaka an' Apostoly, dia io fanahy io ilay sujet eto hoe misy ve io sa noforonin'sain'Apostoly fotsiny ihany.

Eny àry, aoka dia atao fanontaniana ny valin'ity resakao ity. Ataonao ve fa tsy mahatsiaro tena ilay vehivavy milaza io resaka nataony io fa nentin'ny fanahy ratsy fotsiny izy?

Tsy misy foronin'ny Apostoly izay saina ao anatin'io vehivavy io mazava ho azy fa asa izay fandraisanao azy. Ny fandraisako azy dia fantatr'io vehivavy io tsara izay lazainy sy ataony ary tankina izy vao nampangina azy i Paoly.

Didi10:

Fantatro fa tena mpadalina ianao saingy mbola lavitra ny lalana alehanao mba hahatonga anao ho Kristianina Actif (manao asan'Andriamanitra, délivrance des démoniaques, fanasitranana sns...)

Misaotra anao amin'ny fanamarihana. Tsy mitady laza aho fa miasa mizara amin'izay tandrifiko na any am-piangonana na ety amin'ny serasera. Ary tsy dia ao anatin'ny dingana maro araka ny filazanao satria tsy dingana no ahatsapana ny Tompo miasa fa ao anaty ary mivoaka amin'ny alalan'ny teny voalahatra arakaraka izay dinihina momba AZY.

Aoka hoy aho tsy atao hoe ivelany ny fanahy fa ao anaty ary raha tsy afaka hampangina azy moa ny tenan'ny olona izay manana ny mandringa ao aminy dia olon-kafa no manefa izany. Izay ilay fototry ny fanalàna devoly araka ny fanao. Ny olona izay tsy mahatakatra io mécanisme io no hita toy ny ampijalin'ny devoly. Raha fantany tsara anefa fa izy tenany ihany io devoly iadivana io, dia hahay hitondra tena mazava izy ary hahay hanaisotra izay tsy mety ao aminy. Raha tantaraina manko izy hoe manafika anao ny Devoly (avy aty ivelany) dia ho saron-tahotra hatrany izy ary tsy haharesy izay tsy mety ao aminy velively fa mila fanampiana amin'ny hafa hatrany vao ho afaka.
14. fijo ( 01/11/2011 23:00)
za tsy mbola mino ihany ry laza an
15. rijadolly ( 02/11/2011 02:10)

fijo:

za tsy mbola mino ihany ry laza an

Tongasoa Zoky Fijo.
Efa nino se raha teto foana, i Ikaretsaka koa tsy tazana tsony hoe aiza na aiza. Niaraka angaha nareo roalahy sa ahoana?
16. rijadolly ( 02/11/2011 02:42)
Hoy Miharena:

Eny àry, aoka dia atao fanontaniana ny valin'ity resakao ity. Ataonao ve fa tsy mahatsiaro tena ilay vehivavy milaza io resaka nataony io fa nentin'ny fanahy ratsy fotsiny izy?

Iza tamintsika ary no tsy mahatsiaro tena rehefa miteny, fa rehefa mahafantatra fa tsy mety ilay teny, izay vao homehezan' ilay mpanoro hevitra diso, izay vao miala tsiny raha sahy ary dia manamarin-tena hatrany raha mbola ao ilay fanahy ratsy sy tiana ho kolokoloina ao anaty.

Hoy Miharena:

Tsy misy foronin'ny Apostoly izay saina ao anatin'io vehivavy io mazava ho azy fa asa izay fandraisanao azy. Ny fandraisako azy dia fantatr'io vehivavy io tsara izay lazainy sy ataony ary tankina izy vao nampangina azy i Paoly.

Izany hoe lainga ilay fanahy niala tamin'ilay vehivavy? tsy misy akory, Dia izay anaie Miharena ny antony hitenenako eto foana sy hanamarinako ny tenin'se, fa hoe foronin'ny sain' Paoly sy izay Mpanala demonia rehetra izany ireny aminao e!

Ity koa Misy tantara iray, aoka se andinika tsara izay vao mitsara azy ho lainga na tsy marina.

MATIO 8: 28 Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany làlana izany.29 Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga ety va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?30 Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.31 Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo.32 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa;
17. Miharena ( 02/11/2011 04:09)
Rijadolly:

Izany hoe lainga ilay fanahy niala tamin'ilay vehivavy? tsy misy akory, Dia izay anaie Miharena ny antony hitenenako eto foana sy hanamarinako ny tenin'se, fa hoe foronin'ny sain' Paoly sy izay Mpanala demonia rehetra izany ireny aminao e!

Ilay resaka lainga no voambolana tsy mifanaraka loatra amin'ny fanazavana narosoko Rijadolly. Tsy hoe lainga no fandraisana io fa tsy mitovy ny fandraisantsika ny hevitra momba ny devoly.

Raha mijery ny soratra manaraka isika dia misy ny tahotra ao amin'ny devoly rehefa mandalo i Kristy. Ilay toetra tsy mahomby sy ny fahafantarana izany dia miteraka tahotra tokoa toa antsika izay nampanaovin'ny mpampianatra enti-mody nefa tsy nahavita dia mangitakitaka rehefa hiditra ny sekoly na mifanena amin'ny mpampianatra fotsiny aza.
Ny nahatongavan'i Kristy dia ny hanala ny olona ao anatin"ny haizin'ny tsy fahalalàna ary ireo demoniaka dia tafaroboka tamin'izany haizina izany. Ilay olona dia afaka rehefa afaka ireo haizina voatahiriny ireo.

Eto aho dia manamafy ihany hoe na iza na iza mitahiry fahadisoana ary mankamamy izany dia tafaroboka hiaina amin'izany fahdisoana izany mandra-pahitany ny marina momba izany.
Io ilay devolintsika tsirairay avy izay tokony efa ela no nanaovana veloma azy rehefa tafiditra amin'ny fahalalàna ny marina.
Ka asa aloha fa ny ahy ny mazava no raisiko dia tsy manana toerana mihitsy ny haizina na inona na inona sainiko sy ataoko. Izay ilay fomba tsotra.
18. niryna ( 02/11/2011 15:07)

didi10:

Miharena

Fantatro fa tena mpadalina ianao saingy mbola lavitra ny lalana alehanao mba hahatonga anao ho Kristianina Actif (manao asan'Andriamanitra, délivrance des démoniaques, fanasitranana sns...)

ireto ny Etape eo amin'ny fiainana maha-kristiana
1- Fianarana
2- Finoana
3- Fibebahana
4- Batisa
5- Fandraisana ny Fanahy Masina
6- Fanaovana ny Asan'Andriamanitra

Raha ny fahitako anao dia ao amin'ny ilay Etape 1 ianao ka mahereza fa mbola lavitr'ezaka ny lalana, any amin'ny Etape 6 ianao dia ho hitanao izany hiady amin'ny Satana amin'ny anaran'i Jesosy izany, vakio tsara ny tenin'i Jesosy rehefa naniraka izy taorian'ny nitsanganany:

Marka 16,15-18
Ary hoy Izy taminy: Mandehana amin'izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao Batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina, ary izao famantaranao izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy, hiteny amin'ny fiteny izay mbola tsy hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy dia ho sitrana ireny.

misaotra anao nizara taminy sy nilaza ny ezaka mbola ataony.
Anjarany sisa no mangataka amin'ilay Atra tsy toha nanao ny lanitra sy ny tany mba hitari-dalana azy andeha araka ny finoana fa tsy ny fisainana.
19. Miharena ( 02/11/2011 15:58)
Niryna:

misaotra anao nizara taminy sy nilaza ny ezaka mbola ataony.
Anjarany sisa no mangataka amin'ilay Atra tsy toha nanao ny lanitra sy ny tany mba hitari-dalana azy andeha araka ny finoana fa tsy ny fisainana.

Ninia tsy namaly ny resak'i Didi10 aho saingy nampahatsiahivin'i Niryna moa izy ity dia mba asiana resaka kely ihany.

Ny etape 1 moa no misy ny tena hoy Didi10 araka ny fahatsapany. Ekena ary io no hany mba azoko zaraina amintsika hoe mianatra isika ao anatin'ny nofo eto amin'ity tany ity mandra-pandaozana izany. Izay fahamarinana fototra no hany mba zaraina.

Anisan'ny fahamasahana ny finoana tsy mandeha amin'ny fisainana ary tsy fisainana no antony hizaràna fa finoana efa mafy orina.

Fanamarihana ihany no lazaiko mba tsy hahadiso fitsara anareo mametraka mari-drefy.

Ireto filaharana ireto moa dia tsy dia ao anatin'ny lojika loatra
1- Fianarana
2- Finoana
3- Fibebahana
4- Batisa
5- Fandraisana ny Fanahy Masina
6- Fanaovana ny Asan'Andriamanitra

Ny dingana faha-5 voalaza ohatra dia ny fandraisana ny Fanahy Masina nefa raha tsy manana azy io dia azo lazaina fa tsy hahay hianatra akory. Ka ny fangatahana azy no atao voalohany vao mianatra. Raha tsy manam-pinoana anefa dia tsy hahay hangataka ny Fanahy Masina. Ny fibebahana sy ny Batisa ary ny fanaovana ny asan'Andriamanitra dia seho ivelany avokoa fa ny farany no manan-danja satria mizara fa tsy mitana ho an'ny tena fotsiny ihany ny fahasoavana vokarin'ny Fanahy Masina manjaka ao amin'ny tena ary izany dia atosiky ny finoana.

Fehiny, ireo mari-drefy atao dingana dia ara-tsaina fa tsy ara-pinoana, indrindra moa ka mikorontana ny filaharany.
20. kotobelouh ( 09/11/2011 07:59)

Miharena:

Rehefa izay ny finoanao dia tano àry. Ny miain-droa no safidinao ho tanana izany.

Ny tiako ambara fotsiny dia mananatra ihany hoe mandehana amin'ny mazava dieny manana ny mazava ianao ary aoka hilaza toa an'i Rasalama Maritiora hoe hitako ny lalan-tsara ka izorako. Sy toy ny hiran'ny mpitory filazantsara iray izay hoe : eo ianao ry satana fa izaho hanaraka an'i Kristy (Eo akaikin'i Jesosy Tompo ihany no mahatsara ahy).

Ilay fanomezana hery ny Devoly no ataon'ny olona ary lasa maro no mivarina any ny feon'ny fieritreretany ary aseho izany rehefa tsindrian'ny fanahin'i Krsity ny olona iray.Ataontsika hoe diagnostique ny fanahinao no omena anao rehefa sendra io fanehoana io ianao ary mizara amin'ny hafa. Dia mandini-tena daholo no azo atao ary miasa mba ho levona ny zava-poana nanamaizina sy manasaraka antsika amin'Andriamanitra nipoirantsika.

Ho Krsitianina mijoro sy afa-tahotra anie ianao ka sahy hilaza hoe foana manomboka anio ny Devoly ary tsy misy afa-tsy i Kristy dia hiaina mazava sy hahita tsara ny lalan-kombanao ianao ary afaka ho taratry ny namanao izany eo amin'ny fomba firesakao rehetra.

Miharena o! mba jereo kely re ty ah

NY ADY TAMIN’NY BIBIDIA

Nolazain’i Jesosy tamin’i Neny fa tsy maintsy hampiadiana amin’ny Bibidia izy izay antsoina koa hoe : Dragona. Nilaina izany satria hiantoka ny fandreseny amin’ny asa nampanaovina azy. Ny Dragona niadiany dia nolazain’ny Pastora Zakaria hoe : « Ny tarehin’ilay dragona dia tahaka ny voay sady manana volon-doha. Ny tenany manontolo dia feno tsilo maranitra izay tokony ho folo sentimetatra ny halavany. » Tany amin’ny alan’i Bevorotsiky no niadiany tamin’ny bibidia. Jesosy dia teo akaikiny mandrakariva. Telo andro no naharetan’ny ady. Nasain’i Jesosy nadohalika izy tamin’ny ady nataony. Voatery nifanandrina tanteraka mihitsy tamin’ilay bibidia izy (corps à corps) ka niditra tamin’ny nofony ireo tsilo. Noho izany mafy ny ady feno ratra ny tenany, reraka sy vizaka izy nefa dia nandresy noho ny anaran’i Jesosy.

ito ny lien http://www.tsodrano.com/?p=172
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0605