Misy tokoa i Satana sy ny devoly ary ny helo/afobe
21. Miharena (
09/11/2011 09:11)
Marina dia marina ny teninao Kotobelouh ary manaiky zato isan-jato aho. Ny fampitoerana an'i Krisity ao anaty no ahafahana manala ny asan'ny bibidia. Dia io ilay miady ao amin'ny feon"ny fieritreretana.
Ka raha hitaiza tena dia mampandroso AZY dia manazava ny hafa. Tsy laitran'ny haizina na hirona any intsony amin'izay.
Ilay fanapahan-kevitra tsoahiana avy amin'ny sedra rehetra no tsy ampy dia miverimberina ilay devoly nokolokoloina tao amin'ny feon'ny fieritreretana hatrizay ela izay teto ambonin'ny tany. Mila hita hoe aiza ilay devoly. Ao an-tsaina hoy i kristy, dia izay no handinihan-tena amin'ny zava-drehetra heverina sy atao.