Fanangolen'ny devoly:Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra

1. niryna ( 28/10/2011 16:46)
Matetika isika dia mitady porofo hatrany fa tsy misy ny asan'ny satana-tsy misy ny devoly,tsy misy ny demony ,tsy misy ny afobe-tsy misy ny paradisa.Satria ahoana no mahatonga izany?
omen'ny olona izao ohatra rehetra izao,porofo itany ,dia misavorivory manontany tena hoe misy tokoa ve ireo e? Tsotra ny valiny-raha tsy misy ireo dia tsy misy ny baiboly satria ao anatin'ny baiboly avokoa izany -Eny,kristy ,izay Atra velona hita-maso aza nanehoan'ny satana ny heriny ,nitady porofo ny fisian'ny fanjakan'ny lanitra- Inona no namalian'i kristy azy? Araka ny voasoratra : .....

Ahoana koa izany? Andao anie jerena ao anatin'ny Lioka 4 : 1-13 Ny nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy - mbola ita ihany koa izany ao amin'ny Marka 1: 12-13 , Matio 4 :1-11

_ nentin''ny Fanahy tany an'efitra efapolo andro Izy ...tapitra izay dia noana Izy ka hoy ny devoly hoe: Raha zanak'Atra marina hianao dia teneno io vato io mba ho tonga mofo
hmmm! mitady fahagagany ra devoly ka ny vato no tiany hovaina mofo -vitan'i kristy izany saingy hoy ny teny hoe aza omena ny kisoa ny vatosoanao fandrao mandrongatra izy ....
saingy kristy kosa dia tsy nampiseho izany fahagagana izany tamin'ilay devoly fa ny tenin'Atra no nambarany azy- Voasoratra hoe : tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona -teny any amin'ny Deo 8:3 io

Dia tohizo vakiana anie ireo soratra masina ireo e ?
- homeko anao daholo izao rehetra izao( fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao- fa efa natolotra ho ahy izany- oops mahatonga saina an ) raha miankohoka amiko hianao (midika izany fa misy olona miankohoka amin'i satana an )
Jesosy namaly azy Efa voasoratra fa Jehovah Atrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no ho tompoinao- Deo 6:13 ( midika koa izany fa misy manompo atra hafa any ho any)

-Ary eto amin'ity ohatra farany ity kosa dia tsara ho fantatra fa na satana aza dia mahafantatra ny tenin'Atra an ( izay no nahatonga ny Tompo niteny hoe tsy izay rehetra manao tompoko tompoko .....)
Hoy satana taminy hoe Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao

ary dia namaly azy Jesosy Aza maka fanahy an'i Jehovah Atrao

Noho ireo tantara voalaza ao anatin'ny baiboly ireo dia mazava ho azy ny fisian'ny devoly ,ny asan'ny satana .
Ny zavatra tsara ho fantatra dia isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra ,fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra Efesianina 6:12

Mba misy hafaka hanazava izany hevitra izany ve isika e?
misaotra mialoha
-


novalian'i niryna ny 12/11/2011 01:50
2. Miharena ( 29/10/2011 06:00)
Amin'ireo rehetra ireo Niryna, mila faritana izay nanao ny asa. Iza no fanahy nitondra Azy tany an'efitra?

Faharoa, inona no tiana hahatongavana ka horaisin'ny mino h ofahamarinana? Ny asan'ny Devoly izay fantatra fa tsy maharitra sa ny fijoroana tsy ho voarebirebin'izany?

Aiza no miasa ny Devoly ary iza no mitahiry ny asany? Ny olona izay mihaino fitaka ve ka mampirina izany ao an-tsainy?

Ka raha hoy ianao hoe ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra dia marina tokoa izany fa io no samborin'ny olona hataony ao an-tsainy araka ny tenin"i Jesoa notanisaiko tatsy ambadika hoe ao an-tsain'ny olona no mitoetra ny Devoly.

Ilay fanamarinana azy amin'ny lojika tsotra fotsiny no omeko hoe tourment daholo ireo eritreritre rehetra ireo fa ny maha-fanahy ny olona no manan-danja kokoa ka tokony iainana feno.
3. rijadolly ( 30/10/2011 03:46)
HS kely ity: Indray mandeha izay aho bedin'ny mpisera iray izay, fa na dia ny filazana ny solotena tapisaka "ny" ka raha vao Jesoa Kristy na Andriamanitra na Fanahy Masina no tiako ho lazaina amin'io dia ataoko sora-dehibe tahaka izao "NY". Noho ny fanajana Azy hoy aho no antony iray. Raha Andriamanitra Jehovah koa dia ataoko "A" fa raha andriamani-kafa dia ataoko "a". Koa nahoana aza no ataoko "D" ny devoly nefa ny andriamaniny aza ataoko "a"? Fanamarihina an' tenako io Miharena fa tsy milaza an'se aho a! Ataovy "D" foana ny devoly tsy maninona, fa araka ilay filazan' se dia samy ho voavonjy avokoa na io devoly io aza./
_________________________________________________________________________________

Niryna a! Ilay teny ao anaty Baiboly mihitsy anie no tsy eken' Miharena e! Noforonin'Jesoa sy ireo rehetra Mpanoratra Baiboly izany araka ny fahazoako ny filazany. Jesoa mpandainga no nilaza izany izany.

4. Miharena ( 30/10/2011 20:12)
Diso ihany Rijadolly raha milaza fa izaho no mandà ny teny ao anaty Baiboly.
Maneho izay voalaza araka ny témoignage na ny marimarina kokoa ny fihaonan'ny ekipan-dry Baird Spalding tamin'i Jesoa aho ary io zavatra io no nolazaiNY tamin'izany. Izany hoe 1800 taona taty aorian'ny niakaraNY tany an-danitra.

Ataoko fa tamin'io fe-ppotoana io koa no nisehoan'i Jesoa tamin'ny mpifoha Malagasy. Ny an'i Nenilava ohatra dia nampiadiaNY tamin'ny Dragona izy ary resiny ny dragona rehefa nasaina nanetry tena izy.

Ka raha ny fahazoako ny filazan'i Kristy io hoe ao an-tsain'ny olona ihany no misy ny Devoly dia manana isika noho ny fahadisoana rehetra nangonintsika ary ny Devoly dia an'ny tsirairay fa tsy itambarana amin'iza na iza.

Mety atao hoe tena ota ny Devolintsika.

Ka asa aloha hoe mahazo lesona ve isika sa tsia raha ilazana io vaovao nolazain'i Krsity io?

Raha ampifandraisiko amin'ny nahazo an'i Angelica sy ny maro isehoan'i Kristy dia mino marina aho fa fampahafantaran'i Krsity amn'izy ireo ny singa maizina ao aminy no nanehoana ny Helo. Misy io ary ao anatin'ny sain'ny tsirairay fa tsy itambarana. Ka raha mitodika ao mandini-tena dia afaka mijery izay mandringa ao anaty ary manaala izany ka mampitoetra an'i Kristy ahafahana miteny fa zanak'Andriamanitra isika.

Eo amin'ny resaka fakam-panahy an'i Jesoa voalaza eo ambony moa dia mazava amiko ny procédure: nasain'Andriamanitra nifady hanina Jesoa 40 andro ary izany dia niteraka ireo eritreritra ireo. Dia tonga ny fakam-panahy tamin'ny hanovana mofo ny vato satria olona noana ve tsy hi-délira hanao izany? Toy ny mresaka amin'ny Tenany ihany Krsity amin'ireo ohatra ireo raha toa ka marina ny teniNY tamin'ny fanambarany tamin'ny Baird fa ao an-tsaina ihany ny Devoly fa tsy manan-toeran-kafa. Toy izany koa ny amin'ny fandohalihana sy ny filazana fa efa nomena ny Devoly daholo izao rehetra taza-mazo izao. Angaha moa tsy i Krsity no manana ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany? Ny miondrika amin'ny voninahitry ny tena na fitiavan-tena no fandrika aseho eto ary raha niondrika i Krsity dia diso fa toy ny niondrika tamin'ny fitiavan-tenaNY (=Devoly hoy ny Baiboly) Izy.

Ka asa na izaho no manolaka ny Tenin'Andriamanitra na hafa fandalinana dia milaza Rijadolly hoe tsy eken'i Miharena ny Baiboly.

Mety tsy mitovy ny fomba famakiantsika ny Baiboly no fahazoako ny famosahan-kevitra eto.

Ny ahy dia miainga ao anaty hatrany aloha fa tsy mijery ivelany ary hanome tsiny izay hery ivelan'ny tena noho izay fahadisoana mety mahazo ny tena ary koa ny fahazoana ny Mazava izay maha-Kristy dia izay fitodihana anaty izay avokoa. Ka raha mamaky io Baiboly io aho na mihaino toriteny dia izay hatrany aloha no endrika raisiko hoe raha i Krsity nyo ato anatiko, inona no azoko lazaina sy raisina amin'ny toriteny sy ny Soratra Masina ary inona no tsoa-kevitra mba itoeran'ny MAZAVA tys misy pentina ao anatiko ary mety ho azon'ny olona iresahako?

Ka aiza ho aiza amin'ireo no mitsipaka ny Baiboly ?


5. rijadolly ( 31/10/2011 02:28)
Efa namaky ilay fijorona vavolombelon'i Yves ve aloha Miharena sa tsia e? Raha tsia dia vakio indray ity aloha izay vao manolo-kevitra momba izay fa manjary mifanohitra be ilay fijorony vavolombelona sy ilay hevitra tian'se ho vohizina, nefa ataon'se botolo be fotsiny hifanaraka. http://agape1.fr/?p=2014

Alefako eto daholo indray ve ireo tenin'Jesoa Kristy izay lavin'se milaza ny fisian' ny devoly sy ny helo e? Ary ny mahagaga ahy hatramin'izao dia tsy sahy manamarina ilay TENY se no tsy sahy milaza fa heo diso fa miolakolana be fotsiny.

6. niryna ( 31/10/2011 16:00)

rijadolly:

HS kely ity: Indray mandeha izay aho bedin'ny mpisera iray izay, fa na dia ny filazana ny solotena tapisaka "ny" ka raha vao Jesoa Kristy na Andriamanitra na Fanahy Masina no tiako ho lazaina amin'io dia ataoko sora-dehibe tahaka izao "NY". Noho ny fanajana Azy hoy aho no antony iray. Raha Andriamanitra Jehovah koa dia ataoko "A" fa raha andriamani-kafa dia ataoko "a". Koa nahoana aza no ataoko "D" ny devoly nefa ny andriamaniny aza ataoko "a"? Fanamarihina an' tenako io Miharena fa tsy milaza an'se aho a! Ataovy "D" foana ny devoly tsy maninona, fa araka ilay filazan' se dia samy ho voavonjy avokoa na io devoly io aza./
hay ve, izaho koa aza mba gaga amin'ity D ataony foana.Milaza izy fa ao am-pon'ny olona ilay D kanefa dia ampitoviany amin'Atra indray ny fanoratra azy e

Niryna a! Ilay teny ao anaty Baiboly mihitsy anie no tsy eken' Miharena e!
itako

[quota] Noforonin'Jesoa sy ireo rehetra Mpanoratra Baiboly izany araka ny fahazoako ny filazany. Jesoa mpandainga no nilaza izany izany.
[/quote] mazava anie izany Rija e, tsy misy olona manana tompo roa ka na izy miaraka Aminy na izy tsy miaraka Aminy.
Dia indraindray atao masobe tsy mahita ilay heviny hi,hi
7. niryna ( 31/10/2011 16:14)

Miharena:

Diso ihany Rijadolly raha milaza fa izaho no mandà ny teny ao anaty Baiboly.

dia lavo hatrany fa tsy misy olana izany.
Anjaran'ny tsi11 no mihaino sy mamaky ary mandray izay tiany satria samy mizara izay fantany ny rehetra
mizara ny tenin'ATra no ataonay eto ka raha lavinao hatrany ilay izy dia efa izay izany ka

Maneho izay voalaza araka ny témoignage na ny marimarina kokoa ny fihaonan'ny ekipan-dry Baird Spalding tamin'i Jesoa aho ary io zavatra io no nolazaiNY tamin'izany. Izany hoe 1800 taona taty aorian'ny niakaraNY tany an-danitra.
izany ve? dia niaraka ta@ 'i kristy izany ry zareo dia lasa niova indray izany ny Teny nomen'i kristy tao anatin'ny Baiboly? dia lasa ireo teny nomeNy azy ireo indray izany dia niova tanteraka tsy mitovy ny tao anatin'ny Baiboly ?

8. niryna ( 31/10/2011 16:49)
Miharena:

Diso ihany Rijadolly raha milaza fa izaho no mandà ny teny ao anaty Baiboly.
Maneho izay voalaza araka ny témoignage na ny marimarina kokoa ny fihaonan'ny ekipan-dry Baird Spalding tamin'i Jesoa aho ary io zavatra io no nolazaiNY tamin'izany. Izany hoe 1800 taona taty aorian'ny niakaraNY tany an-danitra.

Ataoko fa tamin'io fe-ppotoana io koa no nisehoan'i Jesoa tamin'ny mpifoha Malagasy. Ny an'i Nenilava ohatra dia nampiadiaNY tamin'ny Dragona izy ary resiny ny dragona rehefa nasaina nanetry tena izy.
ny fahalalako azy raha nisehoan'i kristy i Nenilava dia tsy nahita kosa aho tao anatin'ny bokiny ny teny mifanohitra ny tao anatin'ny baiboly .Noho izany mety nifanindry ilay taona fa tsy midika mihitsy izany hoe araho izay miteny hoe tompoko tompoko,mila mitandrina isika an

Ka raha ny fahazoako ny filazan'i Kristy io hoe ao an-tsain'ny olona ihany no misy ny Devoly dia manana isika noho ny fahadisoana rehetra nangonintsika ary ny Devoly dia an'ny tsirairay fa tsy itambarana amin'iza na iza.
dia nanohitra ny teniNy tao amin'i Lioka nomeko eo ambony io indray ve izany Kristy raha ny filazanao azy io an

Mety atao hoe tena ota ny Devolintsika.
iza no niteny izany ? ny eritreritrao ve sa Izy no nilaza izany ? dia tsy naka fanahy an'i kristy indray izany satana raha izany an.

Ka asa aloha hoe mahazo lesona ve isika sa tsia raha ilazana io vaovao nolazain'i Krsity io?
inona no lesona azo amin'izany ? nampandainga an'i kristy?


Eo amin'ny resaka fakam-panahy an'i Jesoa voalaza eo ambony moa dia mazava amiko ny procédure: nasain'Andriamanitra nifady hanina Jesoa 40 andro ary izany dia niteraka ireo eritreritra ireo. Dia tonga ny fakam-panahy tamin'ny hanovana mofo ny vato satria olona noana ve tsy hi-délira hanao izany?
gay ? moa ve sarotra aminy ny hanova ny vato ho mofo izany raha tiany izany? hafahafa be izany hoe Atra midelira izany

iza no te hanova ny vato ho mofo ? kristy sa ilay satana no nitady fahagagana?


Ka asa na izaho no manolaka ny Tenin'Andriamanitra na hafa fandalinana

dia efa nilaza tsy nanontaniana hianao eto ka
dia milaza Rijadolly hoe tsy eken'i Miharena ny Baiboly.
hianao irery ihany dia afaka mamaly izany

Mety tsy mitovy ny fomba famakiantsika ny Baiboly no fahazoako ny famosahan-kevitra eto.

Raha fanahy iray ihany no tadiavintsika dia tokony hitovy ny fandraisana ny tenin'Atra ary raha samy mangetaheta ny tenin'ATra isika dia aza mitsahatra ny mangataka amin'Atra ny fanahy masina hanazava azy amintsika ny teniNy fa raha Izy no tena tadiavintsika dia ahafantatra ny teny nomeny ao anatin'ny Baiboly isika fa tsy anohitra ny teny ao anatin'ny baiboly velively

9. Miharena ( 31/10/2011 20:04)

Raha fanahy iray ihany no tadiavintsika dia tokony hitovy ny fandraisana ny tenin'Atra ary raha samy mangetaheta ny tenin'ATra isika dia aza mitsahatra ny mangataka amin'Atra ny fanahy masina hanazava azy amintsika ny teniNy fa raha Izy no tena tadiavintsika dia ahafantatra ny teny nomeny ao anatin'ny Baiboly isika fa tsy anohitra ny teny ao anatin'ny baiboly velively

Aza matahotra ianao Niryna fa marina tokoa ny filazanao ary tsy manohitra ny teny ao anaty Baiboly velively aho fa manazava ny bitsiky ny Fanahy Masina amiko ankehitriny ihany. Toy ilay mpitory teny izay renesin'ny olon-drehetra ihany rehefa mivavaka any am-piangonana ka heverina fa ny Fanahy Masina no mampiteny azy ho renesinaka handraisan'ny olona hafatra.

Ary aza raisina avy hatrany hoe mifanohitra izay hazavaina fa famenony ihany fa tsy mifanohitra mba ahafahan'ny olona amin'ny fisainana mifendrofendro.

Raiso ny ampinganao dia esory izay manelingelina ny fahazavanao dia ho fantatrao fa efa resy teo ambony hazo fijaliana efa ela Satana fa raha mbola tahirizinao dia mbola hiaina amin'izany ihany ianao. Raha laingako izany dia avereno ho ahy ary raha marina dia iaino tsotra fotsiny dia ho fantatrao ny fahazavana. Tsy manery aho an!
10. LazaDaddy ( 01/11/2011 01:33)

Miharena:
efa resy teo ambony hazo fijaliana efa ela Satana
Resin'i Kristy i Satana. Tsy midika anefa izany fa "tsy misy" i Satana. Misy tokoa i Satana ary dia miady mafy amin'ireo mpanara-dia an'i Kristy izy ambara-pahatongan'ny fotoanany, sady mikaroka (toy ny liona) ireo izay harombany.
11. Miharena ( 01/11/2011 03:31)
Ny fe-potoana na ny hery omena an'i Satana dia isika izay miara-dia ami'n'i iKrsity no mahafoana azy. Ka asa hoe zaraina toy ny ahoana ny FahasoavaNY tsy hampanan-kery na dia tandindona fotsiny ao amintsika aza ny momba an'i Satana?

Eto no tiako tsindriana kely hoe manam-pahefana isika olombelona fa fahefana mandringa raha tsy mitana ny MAZAVA tanteraka tsy misy fe-potoana fa rehefa ENY dia ENY, Tsia dia Tsia.
12. rijadolly ( 01/11/2011 03:48)
Fa hono tokoa wa ry Miharena, Ahoana aminao ny fomba an-dresena izany devoly izany e?
13. Miharena ( 01/11/2011 15:30)
Rehefa hita taratra ny momba azy sy fototra nahatongavany dia mazava fa zava-poana sy ady amin'ny rivotra no natao hatrizay ary ialàna dia resy ny Devoly (= antontam-pahadisoam-piheverana voangon'ny olona teo amin'ny fiainany). Rehefa fantatra izany dia miaina ao amin'ny mazava dia tsy voarebireby intsony mihitsy.

Izay izy amiko aloha Rijadolly. Tsy mila hery ivelany fa mandini-tena dia mampiorina ao anaty ny Fahazavana.
14. niryna ( 01/11/2011 16:40)
Miharena:


Raha fanahy iray ihany no tadiavintsika dia tokony hitovy ny fandraisana ny tenin'Atra ary raha samy mangetaheta ny tenin'ATra isika dia aza mitsahatra ny mangataka amin'Atra ny fanahy masina hanazava azy amintsika ny teniNy fa raha Izy no tena tadiavintsika dia ahafantatra ny teny nomeny ao anatin'ny Baiboly isika fa tsy anohitra ny teny ao anatin'ny baiboly velively

Aza matahotra ianao Niryna fa marina tokoa ny filazanao ary tsy manohitra ny teny ao anaty Baiboly velively aho fa manazava ny bitsiky ny Fanahy Masina amiko ankehitriny ihany.
ka raha fanahy masina mitovy ny an'i kristiana rehetra ny anao ,maninona no milaza antsanga tsy aman'orana ,ooops!
Raha kristy no mitantara amintsika ny fakan'ny devoly fanahy azy ao anatin'ny baiboly ,nahoana no lazainao fa tsy misy ny devoly fa ny saintsika no mamorona azy ao anaty.Mila mitandrina fa maro no mba te hanaraka ny dinika ka mila mizara ny fahamarinana hatrany isika ary mi-base ao anatin'ny baiboly fa tsy ao anatin'ny saintsika an
Toy ilay mpitory teny izay renesin'ny olon-drehetra ihany rehefa mivavaka any am-piangonana ka heverina fa ny Fanahy Masina no mampiteny azy ho renesinaka handraisan'ny olona hafatra.
mety ho marina ny teninao satria maro ny olona no voaantson'ATra kanefa rehefa tsy naharitra ny vola dia voaviraviran'ilay satana ka dia mivadika amin'Atra.Iny aloha tsy hidirako fa azy sy ny Mpanao azy no hifandahatra amin'ny andro farany

Ary aza raisina avy hatrany hoe mifanohitra izay hazavaina fa famenony ihany fa tsy mifanohitra mba ahafahan'ny olona amin'ny fisainana mifendrofendro.
hafa ny mifameno ary hafa dia hafa mihitsy ny mifanohitra satria ny ao anatin'ny baiboly mihitsy no toherinao ka aiza amin'izany no mifameno e? oooops


Raiso ny ampinganao dia esory izay manelingelina ny fahazavanao dia ho fantatrao fa efa resy teo ambony hazo fijaliana efa ela Satana fa raha mbola tahirizinao dia mbola hiaina amin'izany ihany ianao.
ka ilay ampinga hoentina miady anie dia ny tenin'ATra e,hiady amin'ny inona raha mila ampinga dia efa mahafantatra avy hatrany fa misy fahavalo ka miaro tena,raha efa resy efa ela izy -satana izay lasa olona indray izy eto izany kanefa lazainao fa ota ao anaty saina- ahoana indray re izany e
Raha laingako izany dia avereno ho ahy ary raha marina dia iaino tsotra fotsiny dia ho fantatrao ny fahazavana. Tsy manery aho an!
ka atsipy ny tady any an-tandroky ny omby ,atsipy ny teny ao am-po mahalala- mi-base amin'ny baiboly ihany no izy ra namana an
ny teny ao dia manambara mazava tsara fa ' aza miantehitra amin'ny sainao na ny herinao ....fa amin'ny zavatra rehetra atao dia ankino amin'Atra ny fiainanao-ny dianao-ny zavatra rehetra izay ataonao fa Izy no hiaro anao ary hanoro mazava tsara aminao ny lalana izay efa nomeny anao mialoha- teny nomeko io an fa mitovy amin'izany ny heviny ao amin'ny baiboly
[b] " trust in the Lord with all your heart,do not lean on your understanding.In many ways,aknowledge him and he will guide your path"
Jereo ny Ohabolana 3:5 ary ataovy ao am-po mandrakariva izany;" Matokia an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra,fa aza miankina amin'ny fahalalanao.Maneke azy amin'ny alehanao rehetra, fa Izy andamina ny lalanao"[b]



mbola ho valiako ny hafatrao eo ambony fa aoka kely aloha hamaly ny ato an
15. Miharena ( 02/11/2011 04:51)
Niryna:

ka raha fanahy masina mitovy ny an'i kristiana rehetra ny anao ,maninona no milaza antsanga tsy aman'orana ,ooops!


Tsy izaho anie Niryna no milaza hoe tsy misy ny Devoly sy ny Helo fa i Jesosy izay nanontanian'ny mpikaroka niaraka tamin'i Baird Spadling tamin'ny taona 1800 e! Ary rehefa nodinihiko tsara dia marina ny fanambarana nataoNY ka tokony hahafaka soa aman-tsara ny fihetsehana manjo ny olona tsy mahalala ankehitriny.

Raha miresaka Satana ianao dia hoy aho hoe misy Satana ary taizany ianao io sy izaho noho ny fahadisoan-kevitra mifandimbiasan'ny olona nandray taminy ka nilazana fa antokon'ny Devoly izy (jereo ny lohahevitra hoe zanak'i Satana daholo). Izay no ataoko hoe faritana tsara izay fantatra fa diso dia hay ny miala aminy rehefa mampitoetra ny Marina ao anaty.

Ary tsy manambara aminao mihitsy aho hoe aza miankina amin'Andriamanitra fa ny fiankinako TAMINY mihitsy no nahazoako be dia be mahafantatra ny momba AZY sy ny fandresena ao amin'ny Mazava izay ao AMINY. Raha tsy miaiky fa tsy misy afa-tsy IZY dia tsy hahay hamaky izay Teniny na ao anaty Baiboly na hafatra aty aoriana manambara ny Mazava tanteraka.
16. niryna ( 02/11/2011 15:00)
Niryna:

ka raha fanahy masina mitovy ny an'i kristiana rehetra ny anao ,maninona no milaza antsanga tsy aman'orana ,ooops!
Miharena:


Tsy izaho anie Niryna no milaza hoe tsy misy ny Devoly sy ny Helo fa i Jesosy izay nanontanian'ny mpikaroka niaraka tamin'i Baird Spadling tamin'ny taona 1800 e!
dia tsy Jesosy kristy avy any Nazareta izany no niresaka taminy fa olona hafa naka ny toeraNy
Ary rehefa nodinihiko tsara dia marina ny fanambarana nataoNY ka tokony hahafaka soa aman-tsara ny fihetsehana manjo ny olona tsy mahalala ankehitriny.
nataon'iza? ilay nilaza nahita an'ilay kristy hafahafa ? satria raha ny nambaran'ny baiboly dia hoe ny lanitra no ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona.Noho izany izay voasoratra ao anatin'ny baiboly dia tsy azo anampiana ary tsy azo analana-Izay manao izany dia mpanohitra an'i kristy avokoa na nilaza aza fa nahita azy ka mila mitandrina isika izay fampianarana tovozona ,jereo foana hifanaraka ny baiboly ok

Raha miresaka Satana ianao dia hoy aho hoe misy Satana ary taizany ianao io sy izaho noho ny fahadisoan-kevitra mifandimbiasan'ny olona nandray taminy ka nilazana fa antokon'ny Devoly izy (jereo ny lohahevitra hoe zanak'i Satana daholo).
efa novakiako iny fa ny toa ireny aho tsy mandany fotoana,mijery izay fahamarinana aho ary mizara izay mba nomena ahy fa ny hoe zanak'i satana No! zanak'Atra aho fa tsy an'i satana-nandevozon'ny ota ny olona fa rehefa niala tamin'ny ota ka nanaiky an'i kristy ho tompo dia tsy andevozin'ny ota intsony( vakio ny 1 kor 3 )
Izay no ataoko hoe faritana tsara izay fantatra fa diso dia hay ny miala aminy rehefa mampitoetra ny Marina ao anaty.
ka izay koa no hilazaiko anao mandrakariva hoe tsy hinoanoampoana daholo akory izay fampianarana mivilana fa diniho tsara ary base-o foana ao anatin'ny baiboly fa raha tsy misy izany ao anaty baiboly dia ny miala amin'ny fampianaran-diso no tsara sy haingana ka miverina 360 degres amin'Atra amin'izany ok

Ary tsy manambara aminao mihitsy aho hoe aza miankina amin'Andriamanitra fa ny fiankinako TAMINY mihitsy no nahazoako be dia be mahafantatra ny momba AZY sy ny fandresena ao amin'ny Mazava izay ao AMINY.
dia mbola vakio indray ary ny 1 kor 2 fa ao no hanazava be dia be koakoa aminao ny tokony ho atao e
Raha tsy miaiky fa tsy misy afa-tsy IZY dia tsy hahay hamaky izay Teniny na ao anaty Baiboly na hafatra aty aoriana manambara ny Mazava tanteraka.
izay no tsy ahay hamaky teny ? araka ny toerana misy azy sy ny teny izay notazaina azy fa ilay hoe moa mba fantatra ve ny teny tian'ATra tenenina amiko sy aminao ,eo no olana . Nahita olona aho niteny fa efa in5 izy no namaky ny baiboly kanefa mbola tsy azony foana izay tena votoatiny ao ...dia mbola vereno vakiana indray ny 1kor 2 ka mangataha amin'Atra hatrany mba omeny ny herin'ny fanahy masina hianao ahalala ny Teny ao anatin'ny baiboly fa raha tena mangetaheta izany fitiavan'Atra sy fifandraisana aminy izany hianao dia tena ho resy lahatra tokoa ka hiverina hi-baser amin'ny baiboly. ok
Mahereza hatrany fa izay mitady azy dia ahita ny asa mahagaga ary anehoany fitiavana sy fahamarinana ka hizara izany ny hafa izay mbola tsy mahalala na diso lalana
hoy ny teniNy : izay mangetaheta dia omeny rano tsy mety ho ritra
Koa mivavaha ka mangataha amiNy raha tena hianao tokoa ry Tompo no miasa ato anatiko dia asehoy ahy ny voninahitrao hiderako anao . ok
17. Miharena ( 02/11/2011 16:17)
Mbola mihevitra mandrakariva moa Niryna fa atsanga tsy aman'orana ny teny zaraina. Raha ara-Baiboly lazainao dia hitako tsara fa mifanaraka amin'ny vavaka nataon'i Krsity ao amin'ny Jaona 17 avokoa ny zava-boalaza ao amin'ny boky novakiako naharesy lahatra ahy.

Dia mametraka fanontaniana koa aho àry ny amin'ny témoignage aty aoriana, tena i Kristy ve no nilaza ireo fanjakana roa mifanipaka ireo ary IZY ve no namorona ny Helo natokana ho an'i Satana nefa nahasarika olona hivarina any? Izy no milaza io ao amin'ny témoignage nataon'i Angelica fa tsy izaho an! Ara-Baiboly ve izany? ary raha tsia dia ariana tanteraka sa tsia?

Inona no safidy azonao ombana Niryna, ilay milaza fa tsy misy ny helo sa ilay milaza fa raha latsaka ao amin'io zavatra noforoniko ho an'i Satana io ianao rehefa mody mandry dia tsy hoheveriko akory izay aminao fa eto an-tany ihany no misy famindram-po?

Vaka ihany ny tena amin'ireo rehetra ireo Niryna ary tsy fantatra intsony hoe IZA no Jesosy avy any Nazareta ka aleoko mandray izay hitako fa mitantara ny FAHAZAVANA tsy misy fangarony.
18. rijadolly ( 03/11/2011 17:54)
Hoy i Miharena:

Mbola mihevitra mandrakariva moa Niryna fa atsanga tsy aman'orana ny teny zaraina. Raha ara-Baiboly lazainao dia hitako tsara fa mifanaraka amin'ny vavaka nataon'i Krsity ao amin'ny Jaona 17 avokoa ny zava-boalaza ao amin'ny boky novakiako naharesy lahatra ahy.

Antsanga tsy aman'orana satria mifanohitra izay lazain'Jesoa Kristy. Fa ny tsy fisian'ny helo sy ny devoly fanahy ratsy ve mifanaraka, samy voavonjy avokoa na io devoly io aza, mifanaraka amin' hevitry Jesoa Kristy ve izany? ary voalaza ao anaty Baiboly?
Miharena:

Dia mametraka fanontaniana koa aho àry ny amin'ny témoignage aty aoriana, tena i Kristy ve no nilaza ireo fanjakana roa mifanipaka ireo
Averina tanisaina eto daholo ve ireo teniny manambara izany fa misy?

ary IZY ve no namorona ny Helo natokana ho an'i Satana

Navahana tsy hiaramonina Aminy ny mpijangajanga, mpanao ody ratsy, ..., fa eny ivelan' ilay Fanajakan'Andriamanitra. Samy manangana sy manamboatra ny toerany ireo fanjakana roa ireo, Matoa misy ny tsy nampidirina dia miseho ao anatin'ilay fanavahana ny toeran'ilay tsy nampidirina ao amain'Fanjakan'Andriamanitra.

Ara-Baiboly ve izany?

Ny tsy fisian'ny helo sy ny devoly ve aminao no ara-Baiboly? Dia izay foana no maha tonga ahay miteny hoe mampandainga an'Jesoa Kristy ianao. aza mamaky boky hafa mihitsy raha tsy mazava tsara ny ao anaty Baiboly, mangataha fanazavana avy amin' ny Fanahy Masina fa aza manaiky fitahin' boky hafa hoe silak'Andrimaanitra dia izay mampety pety ilay hevitrao no marina fa izay lazain'ny Baiboly dia aolana ho diso na hanaraka bontolo be ny hevitr'olombelona.

Inona no safidy azonao ombana Niryna, ilay milaza fa tsy misy ny helo sa ilay milaza fa raha latsaka ao amin'io zavatra noforoniko ho an'i Satana io ianao rehefa mody mandry dia tsy hoheveriko akory izay aminao fa eto an-tany ihany no misy famindram-po?

Ka ilay miteny hoe tsy misy ny helo anie ry Miharena no tsy ao anaty Baiboly e! fa ny hoe mitandrema sy mihambena ianreo mba tsy ho voafitaka fa mitady izay arapany ilay ratsy no ao.
Miharena:

Vaka ihany ny tena amin'ireo rehetra ireo Niryna ary tsy fantatra intsony hoe IZA no Jesosy avy any Nazareta ka aleoko mandray izay hitako fa mitantara ny FAHAZAVANA tsy misy fangarony.

Ahoana no tsy ahaizanao ny manavaka ny Jesoa avy any Nazareta, dia raindraisina fahatany tsy misy test ve izany Izy aminao? Mora fitahina ny olona tsy mi-test ny FANAHY. Dia mety hilaza ianao hoe ahaona koa izany mi-test Fanahy izany? Tsy izay rehetra milaza aminao fa miaraka an' Jesoa kristy akory dia ok! daholo. Vakio ao anaty Baiboly ny TeniNY ary mangataha Fanahy Masina hanazava aminao izany TeniNY ao izany. Izay mifanaraka ny TeniNY ao no ahafantaranao fa avy any AMINY ilay Fanahy. Fa raha vao mifanohitra dia ialao bala., Hoy izy ohatra aza mangalatra. nefa hoy ilay fanahy, tsy manino na dia mangalatra aza fa tiaNY anie isika ka tsy ho hariaNY izany e!
19. Miharena ( 04/11/2011 03:34)
Ny an'ise Rijadolly dia mandray zavatra tsy mifanaraka loatra amin'ny fanazavana entina.

ity teny ity ohatra dia tsy mifanaraka mihitsy ; Hoy izy ohatra aza mangalatra. nefa hoy ilay fanahy, tsy manino na dia mangalatra aza fa tiaNY anie isika ka tsy ho hariaNY izany e!
Ny Fanahy tsy nilaza io mihitsy ary tsy hilaza resaka toy io mandrakizay fa raha hiteny IZY dia hoe Zanako avokoa ny olon-drehetra na iza na iza. Raha ara-Baiboly, voalaza tokoa ny hoe aza mamono olona fa inona no setrin'ny namantsihana AZY? Tsy nilaza va Izy hoe : Ray o! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony?

Inona no tanjon'i Kristy? Tsy ny hampiray ao amin'ny Ray ve? Ary miova izy io sa tsy miova? Sa rehefa hita fa mafy hatoka ny olona dia miova indray ilay tanjona?

Mila tsaroana tsara fa alohan'ny nahatongavan'i Kristy dia nihevitra diso ny olona momba an'Andriamanitra ka na tsy mangalatra aza ny Fariseo sy ny Sadoseo dia tsy nahaleo ny finoan'ny Samaritana akory ary voatsikera hatrany teo amin'ny foto-pisainany. Ny olona no diso fijery hatrizay nahalavo azy. Ka raha miteny i Kristy hoe ny devoly dia ao antsain'ny olona, tsy manambara ny marina ve IZY?

Ny hany mba hitako indraindray eo amin'ny Kristianina dia manao ho Devoly ny fanahy faritany fa tsy mifanaraka amin'ny Baiboly izy fa tsy manadihady lalina alohan'ny hitenenany izany. Ka mba tsy hitenenan-dratsy ny Fanahy Masina no hijerena ny fahamarinan'ny teny voambara aty aoriana.

Mazava moa fa ny miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny mitsipaka izay mahavelona ny tena na koa hoe mitsipaka ny maha-Endrik'Andriamanitra ny tena, izay tsy misy afa-tsy IZY no mahavelona. Toy ny miady amin'ny tenany ilay olona ka tsy misy zavatra manjary. Ka mila mahatsiaro fa zanak'Andriamanitra dia afaka ny fiadiana amin'ny fototr"ain'ny tena.

Io maha-zanak'Andriamanitra io no miteraka ny famindram-po sy ny fitiavana ny fahavalo izay tsy iza fa zanany avokoa nahafahan'i Jesoa nilaza hoe avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony sy ny hoe tiava ny fahavalonareo.

Farany, raha resaka devoly dia ny famaritana ataontsika noho ny fitaizan'i Satana efa ela - indrindra fa ny milaza ho Krsitiana - no niteraka azy ka izany no maha-ao an-tsaina azy araka ny filazan'i Kristy ao amin'io boky io. Olona maizina no nahatongavaNY teto ary manohy manazava IZY sy ny Anjeliny maro. Anisan'izany Anjely izany Mikaela izay voalaza ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy. Andro farany izao ka asa hoe aiza ho aiza no fahafantaranao ny fanambarana ny marina satria hovakiana bantsilana avokoa ny fahadisoam-piheverana rehetra. Anisan'izany ny toeran'ny helo izay tsy manana anjara intsony rehefa tanteraka ny MAZAVA.
Ka katsaho ny Mazava fa aza mitaredretra amin'izay efa miala aina ary mitoria ny Mazava dia ho afaka aingana ny maro.
20. rijadolly ( 04/11/2011 17:37)
Hoy MIHARENA:

Ny an'ise Rijadolly dia mandray zavatra tsy mifanaraka loatra amin'ny fanazavana entina.

ity teny ity ohatra dia tsy mifanaraka mihitsy ; Hoy izy ohatra aza mangalatra. nefa hoy ilay fanahy, tsy manino na dia mangalatra aza fa tiaNY anie isika ka tsy ho hariaNY izany e!
Ny Fanahy tsy nilaza io mihitsy ary tsy hilaza resaka toy io mandrakizay fa raha hiteny IZY dia hoe Zanako avokoa ny olon-drehetra na iza na iza. Raha ara-Baiboly, voalaza tokoa ny hoe aza mamono olona fa inona no setrin'ny namantsihana AZY? Tsy nilaza va Izy hoe : Ray o! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony?

Dia izay hitan'se mifanaraka raisina e! ary fanahy miatomboka amin'ny "f" anie io fa tsy Fanahy Masina e! Ary io fanahy io no fanahy mpamitaka olona, izay milaza ohatry ny marina izany.
Dia izany hoe samy voavonjy daholo ve ny olon-drehetra amin'se satria efa nofantsihina teo amin'ny hazo finjaliana ny otan'izy rehetra? Ny fandraisanao ny teniny izany, fa ny fandraisako azy dia efa nahalala aho, efa notoriana tamiko IZY, ary fantatro sy nolazainy tamiko fa tsy maintsy mibebaka aho. Mibebaka amin' iza?
APOKALYPSY 2 : 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jirona hiala amin'ny fitoerany; raha tsy mibebaka hianao.
LIOKA 13 : 4 Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?5 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.6 Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanimboalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.7 Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanimboaloboka: Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?8 Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;9 angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
Miharena:

Inona no tanjon'i Kristy? Tsy ny hampiray ao amin'ny Ray ve? Ary miova izy io sa tsy miova? Sa rehefa hita fa mafy hatoka ny olona dia miova indray ilay tanjona?

Raha mamaky tsara io LIOKA 13: 4-9 io sy mangataka Fanazavana avy amin' Fanahy Masina se dia mahita fa tsy misy dikany io fanontanianao io. Vakio tsara in-telo mihitsy.
Miharena:

Ny hany mba hitako indraindray eo amin'ny Kristianina dia manao ho Devoly ny fanahy faritany fa tsy mifanaraka amin'ny Baiboly izy fa tsy manadihady lalina alohan'ny hitenenany izany. Ka mba tsy hitenenan-dratsy ny Fanahy Masina no hijerena ny fahamarinan'ny teny voambara aty aoriana.

Ny Fanahy Masina anie Miharena ka hanambara izay an'ny Ray e! Fa tsy hanambara ny hevitro na ny fihevitrao. Tsy afaka mamorina mihitsy isika satria efa teto i Kristy izay avy any amin'Ray, dia izay ilay hoe mifanaraka ny tenin' Kristy ve izany lazain' Fanahy izany sa tsia? Fa tsy hoe Kristy miteny hoe MATIO 10 : 28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo., nefa ilay fanahy milaza hoe: "tsy ho very any amin'helo izany ny isika na dia tsy mibebaka aza satria silak'Andriamanitra." Takonana ao amabadik'ilay silak'Andriamanitra ilay fanoherana an' Jesoa Kristy, sy ny fisitomana ny olona ho very any amin'helo satria lasa manao ambanin-javatra ny fibebahana.
Miharena:

Mazava moa fa ny miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny mitsipaka izay mahavelona ny tena na koa hoe mitsipaka ny maha-Endrik'Andriamanitra ny tena

Tsy manaiky izany aho; fa ny mitsipaka an' FANAHY MASINA dia mitsipaka ILay Naniraka Azy(FM), satria IZY dia hanambara izay an' Ray sy hanazava izay efa nolazain'Kristy.
Miharena:

Io maha-zanak'Andriamanitra io no miteraka ny famindram-po sy ny fitiavana ny fahavalo izay tsy iza fa zanany avokoa nahafahan'i Jesoa nilaza hoe avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony sy ny hoe tiava ny fahavalonareo.

Ho an'izay efa Zanak'Andriamanitra(efa nateraka indray), ary hoe tiava ny fahavalonareo fa tsy hoe ataovy izay ataon'ny fahavalonareo(anisany iray fitiavana azy ny mitory azy ny Filazantsaran'Kristy)

Farany, raha resaka devoly dia ny famaritana ataontsika noho ny fitaizan'i Satana efa ela

Efa tsara aloha rehefa mahafantatra ny fomba fiadin'satana. Rehefa mahafantatra ny attaqueny mantsy dia mahay ny fiarovana entina miady aminy.
Miharena:

Olona maizina no nahatongavaNY teto ary manohy manazava IZY sy ny Anjeliny maro. Anisan'izany Anjely izany Mikaela izay voalaza ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy. Andro farany izao ka asa hoe aiza ho aiza no fahafantaranao ny fanambarana ny marina satria hovakiana bantsilana avokoa ny fahadisoam-piheverana rehetra. Anisan'izany ny toeran'ny helo izay tsy manana anjara intsony rehefa tanteraka ny MAZAVA.
Tokony ho fatarina hoe anjara aiza no tsy ananany, Mazava fa izay ao amin'MAZAVA dia tsy hananany fahefana intsony. Fa izay ao amin' maizina dia APOKALYPSY 21: 8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0727