Fanangolen'ny devoly:Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra
21. Miharena
(
05/11/2011 04:41)
Miharena
Ny hany mba hitako indraindray eo amin'ny Kristianina dia manao ho Devoly ny fanahy faritany fa tsy mifanaraka amin'ny Baiboly izy fa tsy manadihady lalina alohan'ny hitenenany izany. Ka mba tsy hitenenan-dratsy ny Fanahy Masina no hijerena ny fahamarinan'ny teny voambara aty aoriana.
Ny Fanahy Masina anie Miharena ka hanambara izay an'ny Ray e! Fa tsy hanambara ny hevitro na ny fihevitrao. Tsy afaka mamorina mihitsy isika satria efa teto i Kristy izay avy any amin'Ray, dia izay ilay hoe mifanaraka ny tenin' Kristy ve izany lazain' Fanahy izany sa tsia? Fa tsy hoe Kristy miteny hoe MATIO 10 : 28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo., nefa ilay fanahy milaza hoe: "tsy ho very any amin'helo izany ny isika na dia tsy mibebaka aza satria silak'Andriamanitra." Takonana ao amabadik'ilay silak'Andriamanitra ilay fanoherana an' Jesoa Kristy, sy ny fisitomana ny olona ho very any amin'helo satria lasa manao ambanin-javatra ny fibebahana.
Fandalinana moa izy ity Rijadolly ka mba tiako hazavaina kely sao tsy tafita izay tiana ambara eo ambony.
Ny fitiavana voalohany dia ny fahafantarana fa endrik'Andriamanitra na iza na iza. Rehefa tsy mitozo amin'izay ny faharesen-dahatry ny Kristiana dia tsy misy tokony hinoany ny Baiboly ary tsy ho tanteraka mihitsy izay asa nampanaovina an'i Kristy.
Rehefa manana firehana isika fa IZY no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay dia tokony horaisina fahamarinana tanteraka izany ary zaraina tsy amim-piahmbahambana.
Ny fanadiovana no itozoana fa tsy fitsarana ary isika tsy afaka mitsara araka ny voasoratra hoe aza mitsara mba tsy hotsaraina.
Ilay resaka hoe ambanin-javatra ny fibebahana lazainao dia tsy hoe fanenenana ny ratsy natao no tadiavina fa fiverenana amin'ny fitiavana voalohany na fiverenana amin'ny amha-endrik'Andriamanitra (=fahaterahana indray).
Eo amin'ny hafatra tonga taorian'ny soratra tao anaty Baiboly, tsy voatery handavaka ao anaty Baiboly ianao dia mahafantatra fa i Kristy no miteny aminao ary manazava ny zava-drehetra ny fanambaraNY. Tokana ny zavatra hitako tazonin'i Krsity dia ny maha-zanak'Andriamanitra ny velona rehetra. Na ny olona tsy mbola nahafantatra an'i Krsity aza dia manana izany firehana tsotra izany : hoy ny Malagasy Ntaolo hoe "toy ny ladim-boatavo ka vahany iray ihany isika rehetra".
Mitozo amin'ny fahatanterahana isika izao ary tsy hanana vahana intsony ireo toetra voatanisanao ao amin'ny Apokalypsy 21:8 ireo. Ny fitanisana ireo eo imason'ny olona mandrakariva dia miteraka fiampangana nefa voasoratra fa efa tsy ao an-danitra intsony ilay mpiampanga lehibe ka sao lahy ka i Kristy indray no lasa atao hoe mpiampanga lehibe fa tsy voatana intsony ilay Teniny tamin'ilay vehivavy janga hoe : Izaho koa tsy manameloka anao.!! (hmm mampieritreritra ny témoignage sasany mitanisa helo eto an!)
Dia miverina amin'ilay resaka ao an-tsaina manazava ireo fifanipahan-kevitra ireo. Hoy i Kristy hoe tsy Izaho no hiampanga azy fa ny Teniko. Ny Teny dia ao anatin'ny olona ary izay fahadisoan-kevitra nangoniny hatrizay dia ho voatsaran'ny Teny izay azo antoka fa fiorenan'ny fanahin'ny tsirairay araka ny maha-endrik'Andriamanitra azy avy. Ka izay ilay ady anaty miteraka fahoriana rehefa diso mitodika ivelany na mitsara ivelany ka mahatsapa fahamaizana amin'ny afo fa miteraka fiadanam-po kosa ho an'iza mahay mijery anaty ka mahay manala ny tsy mety ary mampitoetra ny mety (ao anaty daholo io fa tsy misy ivelany, tsindriana indray).
Ka ilay devoly sy afobe ao an-tsaina lazain'i Kritsy no hazavaiko aminareo dia manjary lazainareo fa diso hatrany ny fandraisaiko ny teny ao anaty Baiboly ka asa na mahazava azy io na tsia aloha. Araho tsara ilay lojika fa miverina amin'ny maha-endrik'Andriamanitra hatrany rehefa miresaka mba hahazoana tsara izay Tenin'i Krsity taty aoriana izay.
Hamafisina indray fa izay mitady AZY anaty dia hahita AZY tokoa ary izay mitady ny devoly 'antontam-pahadisoana nangonina) anaty no mahafaka azy. Io no mahatanteraka ilay filazani' Krsity hoe avia aty Amiko izay miasa fatratra sy mavesatr'entana fa Izaho hanome fitsaharana. Io fitsaharana io dia fiadanam-po ary azo iainana dieny anio fa tsy hiandry ho any an-danitra vao hanantena izany. Isika tsy tompon'ny ampitso rahateo fa ny anio no omena antsika.
22. rijadolly
(
06/11/2011 21:58)
Hoy i Miharena:
Ny fitiavana voalohany dia ny fahafantarana fa endrik'Andriamanitra na iza na iza. Rehefa tsy mitozo amin'izay ny faharesen-dahatry ny Kristiana dia tsy misy tokony hinoany ny Baiboly ary tsy ho tanteraka mihitsy izay asa nampanaovina an'i Kristy..
Tahaka ny endrikaNy fa tsy Andriamanitra, Tsy Mivavaka amin' ny Baiboly mihitsy ka Fa mino ny TENINY ary mitory izany TENINY izany, Tsy maintsy tanterahana ny asaNy mba tsy ho very izay rehetra Mino AZY fa hanana fiainana mandrak'izay.
23. Miharena
(
07/11/2011 12:55)
Rijadolly:
Tsy maintsy tanterahana ny asaNy mba tsy ho very izay rehetra Mino AZY fa hanana fiainana mandrak'izay.
Sao dia lasa fanerena indray izy eto Rijadolly raha miteny hoe tsy maintsy ianao. Ny tena izy dia misy hery manosika hanao ny asa mihitsy ao anatin"ny tsirairay ary IZY ao anaty no mahatonga ny tsirairay hizara.
24. rijadolly
(
07/11/2011 15:23)
Miharena:
Rijadolly:
Tsy maintsy tanterahana ny asaNy mba tsy ho very izay rehetra Mino AZY fa hanana fiainana mandrak'izay.
Sao dia lasa fanerena indray izy eto Rijadolly raha miteny hoe tsy maintsy ianao. Ny tena izy dia misy hery manosika hanao ny asa mihitsy ao anatin"ny tsirairay ary IZY ao anaty no mahatonga ny tsirairay hizara.
Na inona filazan'se azy na inona dia tsy maintsy tanterahana iny asaNy iny satria tiaNY ny olona rehetra manerana izao tontolo izao mba tsy hisy ho very na iray aza. Ary hamafisiko fa "Mba tsy ho very izay rehetra MINO AZY fa hanana Fiainana mandrakizay" . Anjaranao ny misafidy na mandray na tsia, asakasakao, asakasakao e!
25. niryna
(
07/11/2011 17:31)
Miharena:miarahaba anao ary misaotra anao naharitra niandry ny valinteny.
Amin'ireo rehetra ireo Niryna, mila faritana izay nanao ny asa.
Naleoko aloha mba nilaza ny heviny ny olona dia izay aho vao mba mamaly ok
Iza no manao ny asa ary fanahy iza no nitondra an' i kristy tany an'efitra?
Andao ary velabelarintsika araky ny ao anatin'ny baiboly fa tsy araka ny saim-pantantsika fa manjary lasa maka ny asan'Atra isika
Alohan'izany aloha dia tsara ho fantatra : Iza no nanao izao tontolo izao? ATra
An'iza izao tontolo izao? An'ilay nahary ary tompony sy manana fahefana feno amin'izay mahasoa antsika tsirairay Izy ary nomeny safidy malalaka isika ny hino azy sy anaraka Azy
Vakio ary ny tantara Ny nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy azonao jerena izany ao amin'ny Matio 4:1-12 sy Marka 1:1-13 ary Lioka 4:1-13
Andao ary atomboka ao amin'ny
Ny Ray- Ny Zanaka - Ny Fanahy Masina
Marka 1:1-11 ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy,dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nakeo amboniny.Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako,Hianao no sitrako
Teto izany dia hita ny fisian'ny Ray ,ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
Miharena:
Iza no fanahy nitondra Azy tany an'efitra?
Marka 4 12 -13
Ary tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an'efitra Izy. Ary tany an'efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i satana fanahy,ary teo amin'ny bibidia ,ary ny anjely nanompo Azy.
Eto izany dia manambara fa ny Fanahy Masina no nampandefa azy ho any an'efitra ary satana no naka fanahy Azy.
Manana fifandraisana amin'ny Fanahy masina izany kristy eto a ary io Fanahy Masina io no miaraka amin'izay rehetra mino Azy :ary hita izany ao amin'ny Lioka 11:13 hoy Izy" koa raha hianareo na dia ratsy aza mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo ,tsy maika va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka Aminy
Lioka 4: 1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana,ary nentin'ny Fanahy tany an'efitra efa-polo andro Izy ka nalain'ny devoly fanahy
mbola hitohy
26. Miharena
(
07/11/2011 19:45)
Rijadolly:
Anjaranao ny misafidy na mandray na tsia, asakasakao, asakasakao e!
Raha ny firesahako tsy mitovy ny firesahanao na ny ankamaroan'ny olona momba an'i krsity angaha midika fa tsy mandray AZY ?
Manaraka lojika aho milaza izay fantatro momba AZY sy ny ASANY fa tsy mitsipaka AZY mihitsy.
27. rijadolly
(
08/11/2011 03:24)
Koa ny an'se logikan'manam-pahaizana noho IZY anie dia lasa mandiso ny TeniNy e! Vakio tsara Miharena ny Teniny fa aza manaiky ho fitahin'ny saina sy ny fandalinana te hanandra-tena ho marina. Milefera izay TeneniNY fa maha soa antsika izany satria isika tsy mahatakatra ny zava-miafina. Raha ohatra ka mahatakatra isika dia midika izany fa tsy ho diso mihitsy izay TeneniNY, izay no ahafantarantsika fa avy any amiNY ny fahitana, na fahalalana hazontsika.
28. Miharena
(
08/11/2011 04:38)
Koa ny an'se logikan'manam-pahaizana noho IZY anie dia lasa mandiso ny TeniNy e! Vakio tsara Miharena ny Teniny fa aza manaiky ho fitahin'ny saina sy ny fandalinana te hanandra-tena ho marina. Milefera izay TeneniNY fa maha soa antsika izany satria isika tsy mahatakatra ny zava-miafina. Raha ohatra ka mahatakatra isika dia midika izany fa tsy ho diso mihitsy izay TeneniNY, izay no ahafantarantsika fa avy any amiNY ny fahitana, na fahalalana hazontsika.
Ny fahazoana izay teneniNY no tsy mitovy fa tsy misy manandrantena eto Rijadolly.
29. niryna
(
11/11/2011 23:34)
Miharena:
Faharoa, inona no tiana hahatongavana ka horaisin'ny mino hofahamarinana? ?
Inona no tiana ahatongavana ? dia ny fahampahafantarana ny fanangolen'ny devoly izay tsy vatana miady amin'ny vatana fa fanahy roa samy hafa dia ny Fanahy avy amin'Atra izay nomeny ireo izay mino Azy dia ny Fanahy Masina izany ary ny iray dia ireo fanahy manimba .mamitaka,mandainga,mangalatra ,mitsiriritra,mandromba ny fandriampahalemana ka tsy mitsahatra afatsy ny hamotraka ireo zanak'Atra .
Ohatra iray ny fanahin'ny fijangajangana- fanahy izay mibitsika miresaka ao anatin'ny sain'ny olona ary sarotra ho an'ny olona ny hanavaka izay fanahy miteny ao anatiny ao ka mahatonga andeha amin'ny tsy tokony aleha.
Ao anatin'ny saintsika dia maheno feo isika ka anjarantsika no mihaino ny feo izay mibitsika ao ary anjarantsika no mahafantatra na andeha amin'ny marina isika na tsia.Atra tsy mamitaka antsika ka raha mandeha amin'ny tsy tokony alehantsika isika dia fanahy iza no arahitsika?
fa angaha mino ny fisian'ny devoly indray hianao? raha manana asa mantsy izy dia misy izy izany an ?
Ny asan'ny Devoly izay fantatra fa tsy maharitra sa ny fijoroana tsy ho voarebirebin'izany
Ny fijoroany tsy ho voarebirebiny? ka raha lazaina fa tsy misy izy maninona no manaiky ho arebirebiny? Tadidio fa tsy afaka ny andeha irery isika ka izay no hivavahana mba hiaraka amintsika Atra dia ny Fanahy masina izay noresahin'i kristy hoe angatahiny amin'ny Rainy izany .
--------------------------------------------------------------
Ireo fanontaniana nomenao ahy ireo dia mba valio hoe azafady?
ka ny olona dia ity ,lazainao fa tsy misy izy ka ahoana no hamaliako an'izany ? tsy toy ny miresaka amin'ny rivotra fotsiny aho izany ?
Aiza no miasa ny Devoly ary iza no mitahiry ny asany? Ny olona izay mihaino fitaka ve ka mampirina izany ao an-tsainy?
tsia tsy mitovy izany ny hevitro.
Ka raha hoy ianao hoe ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra dia marina tokoa izany fa io no samborin'ny olona hataony ao an-tsainy araka ny tenin"i Jesoa notanisaiko tatsy ambadika hoe ao an-tsain'ny olona no mitoetra ny Devoly.
Ary satria notsongoiko tao anaty baiboly io teny io dia mi-base amin'ny baiboly ihany koa no amaliako azy.(Vereno vakiana anie ao amin'ny : Efe 6:11-12 "[b] Tafio avokoa ny fiadian'Atra mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly [color=red].Fa isiska tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra,fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao ,dia amin'ny fanahy ratsy any amin'ny rivotra
-raha misy olona manao ny tsy mety aminao izao ohatra dia tonga miresaka ilay olona iny hianao ary mampahafantatra aza fa tsy mety izany. Ao amin'ny baiboly nanambara fa maso solon'ny maso-izany hoe manao izao ahy dia ataoko toa izao koa dia samy vita hatreo.Tsy mahazo manao zavatra mihoatra an'izany mba ho fantany fa tsy mety ny ataony.Saingy rehefa tonga tety an-tany kosa kristy dia nampianatra antsika ny famelankeloka ka tsy hamaly ratsy ny ratsy fa tsy antsika izany fa Izy no hamaly an'izany
Saingy isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra hoy ny baiboly fa fanahy eny amin'ny rivotra ary io dia tsy hitsahatra ny androba ny olona mandra-pahatonga ny farany.
30. niryna
(
11/11/2011 23:36)
LazaDaddy:izaho mba gaga,resy teo izy dia any amin'izay olona mpino Azy indray no ataony sa ahoana ?
Miharena:Resin'i Kristy i Satana. Tsy midika anefa izany fa "tsy misy" i Satana. Misy tokoa i Satana ary dia miady mafy amin'ireo mpanara-dia an'i Kristy izy ambara-pahatongan'ny fotoanany, sady mikaroka (toy ny liona) ireo izay harombany.
efa resy teo ambony hazo fijaliana efa ela Satana
31. niryna
(
11/11/2011 23:39)
Miharena:Ny ampinga no hiadiantsika azy ka,tsy vitantsika irery anefa izany raha tsy miaraka amin'i kristy isika ary ny anjeliNy no miaro antsika sy miambina antsika amin'izany." Antsoy aho dia ho vonjeko hianao"
Ny fe-potoana na ny hery omena an'i Satana dia isika izay miara-dia ami'n'i iKrsity no mahafoana azy. Ka asa hoe zaraina toy ny ahoana ny FahasoavaNY tsy hampanan-kery na dia tandindona fotsiny ao amintsika aza ny momba an'i Satana?
Eto no tiako tsindriana kely hoe manam-pahefana isika olombelona fa fahefana mandringa raha tsy mitana ny MAZAVA tanteraka tsy misy fe-potoana fa rehefa ENY dia ENY, Tsia dia Tsia.
32. niryna
(
11/11/2011 23:54)
Miharena:ka ahoana moa no ahitana taratra azy? misy fitaratra hitarafana azy io angaha? ny rivotra ve hita maso?
Rehefa hita taratra ny momba azy sy fototra nahatongavany dia mazava fa zava-poana sy ady amin'ny rivotra no natao hatrizay ary ialàna dia resy ny Devoly (= antontam-pahadisoam-piheverana voangon'ny olona teo amin'ny fiainany). Rehefa fantatra izany dia miaina ao amin'ny mazava dia tsy voarebireby intsony mihitsy.
Izay izy amiko aloha Rijadolly. Tsy mila hery ivelany fa mandini-tena dia mampiorina ao anaty ny Fahazavana.
Rehefa niteny ny baiboly fa isika tsy miady amin'ny nofo aman-dra fa amin'ny fanahy izay mivezivezy eny amin'ny rivotra dia izay ilay izy fa tsy hoe hatrizay teny amin'ny rivotra fa ankehitriny kosa aiza? aoka re fa lasa manana filozofia hafahafa hianao izany an ,tandremo ny miantehitra amin'ny fahalalana?
Vakio ny [b] 2 Kor 10: 3-4 " Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay,dia tsy mba miady amin'ny nofo (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa fa mahery amin'Atra handrava fiarovana mafy)
33. niryna
(
12/11/2011 01:50)
Miharena:hay maka sopapa atsy sy eroa toi izany fa tsy mifikitra ny ao anaty Baiboly.
Mbola mihevitra mandrakariva moa Niryna fa atsanga tsy aman'orana ny teny zaraina. Raha ara-Baiboly lazainao dia hitako tsara fa mifanaraka amin'ny vavaka nataon'i Krsity ao amin'ny Jaona 17 avokoa ny zava-boalaza ao amin'ny boky novakiako naharesy lahatra ahy.
Izany anie no antony nampisaraka ny fiangonana e-samy milaza ny marina avokoa ny olona ,ny sasany aza moa manana Jesosy hafahafa fa tsy Jesosy avy any Nazareta k'nou
mampisara-bazana,mampisaraka olona ,ny anay ihany no marina,ny fiangonana ihany no izy sns ..Mila mitandrina fa fifandraisana amin'i kristy no tadiavintsika fa tsy fihevitry ny olona a o an-tsainy-taloha izao ary ankehitriny kosa dia izao indray
maro aloha no nilaza fa noentin'i kristy tany amin'ny helo,marobe ny zavatra ratsy nolazai'izy ireo itany tany ,iny indray dia tsy hidirako satria tsy izaho no nandeha tany ary raha nandeha tany ary aho mety misy tsy mino ka anjaran'ny tsirairay no hino na tsia ary lozan'izay hiavian'ny fanafitoinana hoy ny tenintsika ka anjaran'izay mandrara-teny raha tsy misy izany kanefa lazaina fa misy.Izao foana ataovy ao an-tsaina fa Atra tsy manome antsika fanahy hampisaraka na hampamirifiry antsika ,fa Fanahy manome fiadanana sy famonjena no omeny antsika
Dia mametraka fanontaniana koa aho àry ny amin'ny témoignage aty aoriana, tena i Kristy ve no nilaza ireo fanjakana roa mifanipaka ireo ary
IZY ve no namorona ny Helo natokana ho an'i Satana nefa nahasarika olona hivarina any?ny helo dia natokana ho an'i satana sy ny miaramilany ary araka ny voalazan'ny baiboly dia any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify ( Matio 22: 13),ho an'izay rehetra tsy mino ny fisian'i kristy ,tsy ny ratsy ihany no mankany fa ireo izay nahalala kanefa nandaha ny fisiaNy.( angaha tsy mampalahelo).Ka ireo miaramilan'i satana ireo no irahiny haka ireo olona izay mety voarebirebiny amin'ny fitaka maro tsara lahatra,ampahafantariny fa tsy misy ny helo,tsy maninona raha tsy mino an'Atra.Ny azy tsy kitihiny intsony fa ireo an'Atra no ataony izay hianjerany amin'ny fanangolena sy resaka tsara masaka.
Ny baiboly dia manambara ny helo :
1- Matio 10: 27-28 " Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina ,dia ambaraoeo amin'ny mazava,ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambon'ny tampon-trano. Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo "
2- Apokalypsy 20:10-15 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy
afo sy solifara , izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa ary hampijaliana andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo . 15 Ary raha misy tsy hita voasoratra teo anatin'ny boki'ny fiainana dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy
Sarotsarotra ny manakatra ny Apokalypsy fa vakio hatrany amin'ny voalohany 20 izay mitantara 'Ny ami'ny famatorana an'i satana sy ny amin'ny fitsanganana voalohany ary ny arivo taona "
omenao safidy ve izany aho sa ahoana? Izaho tsy momba an'iza na iza fa ny ahy hoy aho aminao mi-base ao anatin'ny baiboly ihany aho fa tsy hoy pasitera hoe na hoy ity rangahy nanoratra boky ity hoe.
Inona no safidy azonao ombana Niryna, ilay milaza fa tsy misy ny helo sa ilay milaza fa raha latsaka ao amin'io zavatra noforoniko ho an'i Satana io ianao rehefa mody mandry dia tsy hoheveriko akory izay aminao fa eto an-tany ihany no misy famindram-po?
Miharena a> tsara dia tsara ny mandalina fa mila mitandrina foana isika mba tsy ilay fampianarana nomen'ny olona no arahina fa ilay teny izay voasoratra ao anatin'ny baiboly ok
mahereza
Misaotra anao nizara .Jesosy avy any Nazareta dia ilay Jesosy notorotoroina tamin'ny fanahy masina ary nateraky Maria virjiny.Izay efa teto hatrizay raha mbola vao tsy niforona akory izao rehetra izao,Izy ilay teny tonga nofo( Jaona 1: 1-4 ,14 ,Izy ilay nandalo fahoriana ,fijaliana ary fanenjehana maro kanefa dia tsy mba namaly faty fa niaritra ny mangidy rehetra( fanoharana izay hita ao amin'ny Isaia 53:3-5 .Izy no nanehoan'Atra ny fitiavany ary Izy no nanaovana sorona hanalana ny fahotan'izao tontolo izao.( Jaona 3:16) Efa voalaza tany amin'ny Testamenta taloha ny momba Azy rehetra ( Isaia,Salamo sns) ary dia tanteraka avokoa izany rehetra izany ao amin'ny Testamenta Vaovao. Jesosy izay nohombohona teo amin'ny hazofijaliana ary nidina tany amin'ny fiainana tsi-hita( eto no manambara fa na ny fahafatesana aza dia tsy naharesy Azy-eto koa no anambarana fa naharesy ny ady tamin'i satana izy )
Vaka ihany ny tena amin'ireo rehetra ireo Niryna ary tsy fantatra intsony hoe IZA no Jesosy avy any Nazareta
ka samy mbola mandalina avokoa anie isika e,mijery sy mandalina ny ao anatin'ny baiboly no tena tsara raha izaho no angatahinao toro-hevitra.Marobe ny finoana ankehitriny ary misy aza miziriziry ny amin'ny heviny,tsy manome hasina an'ilay Kristy izay Mpamonjy fa mbola misy mpanelanelana lazaindry zareo eo.Mampalahelo ihany saingy rehefa mamakafaka sy mamaky ny baiboly isika dia ao ihany no ahitana ny marina.Mangataka amin'Atra ihany koa mba omeny fahazavan-tsaina ahatakatra ny hevitra tiany ambara ao anatin'ny baiboly fa Izy no anampy antsika ary hanome fanazavana . Ok mahereza
ka aleoko mandray izay hitako fa mitantara ny FAHAZAVANA tsy misy fangarony.
