INVITE DU ZOMA 26/08/2011 JENERALY FIDY

1. rijadolly ( 26/08/2011 17:56)
INVITE DU ZOMA 26/08/2011 JENERALY FIDY @ zao ora izao
novalian'i milamm ny 01/09/2011 00:37
2. diloo ( 26/08/2011 23:58)
Tsindrio dia ho itanao ary enoy:


http://blip.tv/tv-plus-madagascar/invite-du-zoma-du-26-08-11-gal-fidy-5500589
3. andrywui ( 27/08/2011 00:13)
tena kozy vrai ny an'i bainn kah merci less bainn aneveriko fa handefa anle kozy ankitifitifitra be ane elah io e hay tena vrai !! nisy fiovana be elah bainn !! zah efa nihevitra oe hisy PS voatsoka ndray niany ty !!!
4. rijadolly ( 27/08/2011 04:14)
Misaotra betsaka Diloo,

Alefaso ary ny ady hevitra, aoka mba analyse matotra tsy amina fandrangitana fa mba misy vahaolana aroso. Ny but antsika dia ny fankatoavana iraisam-pirenena.
5. diloo ( 27/08/2011 08:53)

nisy fiovana be elah bainn !!

Tsia ry rawix an! Atsimo sy avaratra isika mitsama.
Efa nambarako fa ny seraseran-tsika dia sera tena isian'ny demokrasia, fa tsy tahakan'ny madagetotra.
Araka izany, dia rariny raha aseo (misaotra an'i rijadolly) eto daholo ny tantara niseo teto amin'ny firenentsika hafahan'ny be sy ny maro maneo ny heviny.
Koa tsara amiko ireny ezaka nafahan'i Fidy nanadio ny tenany tao amin'ny l'invité du zoma.


Alefaso ary ny ady hevitra

ok rijadolly.

Ny fahitako ny ezaka nataon'i Fidy:

Nisy tsy fifanarahako tamin'i Ratsiraka fony izy filoha, hoy izy. Fa tsy nogadrainy aho.
Nisy tsy fifanarahako an'i rakotobe, dia nanao coup d'éclat ny 2006, fa tsy coup d'état iny (manadio tena izy eto, rehefa tsy nahomby ny tetika), dia nogadraina kosa aho tamin'iny.

Raha tsy nahazo sandam-bola tamin'i ratsiraka izy nafahany manoy ny fitondrana, dia nanolotra fanampiana an'i rakotobe.
Rehefa nanaiky ny fiaraha-miasa taminy i rakotobe nanomboka ny 2002, tamin'ny 2006 kosa, nangataka tarifa ara-bola nafahana nanoizana ny fiaraha-miasa.Saingy tsy nanaiky izany i rakotobe.
Tsy faly i rakotozafy. Dia iny nanao coup d'état tsy nahomby dia nogadraina.

Fitiavana tanindrazana hoy izy, ankehintriny, anefa sakana izay nifanolana taminy, no vaidon-draharahany.
Ny fitsinjovana ny vahoaka kosa, dia secondaire aminy, fa ny hanaovana valy faty an'i rakotobe no maha maika azy.

Izay ve ilay atao hoe éthique tadiaviny ? Inona no idiran'ny resaka Andriamanitra sy ny hoe mpivavaka kristianina protestanta, raha ny hoe : ny fanamboarana an'i rakotobe no hilofony raha hitsena azy eny Ivato?

Marina ilay spirale nambarany, maha tonga ny miaramila tsy misy unité : mihaiky izy fa ao ra-vola ary vola ihany, satria manana contrat avec la mort : Izay tsy itovizana amin'ny mpiasam-panjakana tsotra. Aiza ilay éthique eto?

Raha bangoina :
-Mitovy cas amin'i kolonely sarla izy : Nametraka an'i Ra8 tamin'ny fitondrana tamin'ny 2002 izy, tao aorian'ny isam-batom-pifidianana tsy nifaneken'i radidy sy Ra8. Saingy tsy nahazo fahafahampo ara-bola, dia iny nanao coup d'éclat 2006 , hoy izy, pour ne pas dire coup d'Etat avorté. Dia voagadra. Dia nafahan'ny HAT ankehintriny.
-Toa izany koa i ra-sarla : Nametraka an'i Andry TGV teo amin'ny fitondrana tamin'ny 2009.
Resaka ara-bola ihany koa sy pouvoir FIS contre lylison. Dia nogadraina rehefa saika hanao hetsika ny miaramila teny BANI.

Ny tiako ambara, dia manambany ny tenany sy ny voninahiny samy irery ingahy Fidy, satria en contradiction ny éthique notakiany sy tsy misy hifandraisana amin'ny fitiavan-tanindrazana ny hetsika nataony tamin'ny 2006.
Aiza koa misy miaramila tena tratra nanao coup d'état, dia jerem-potsiny.

Ankehintriny eo anatrehan'ny vahoaka mitaky ny vaha olana amin'ny krizy, mba hisian'ny apaisement, ny affaire personnelle izay hananany manoloana an'i Ra8 no maha maika azy.
Ny famahana ny krizy hisian'ny fifidianana izay tian'ny vahoaka ho fidina (consensuelle, inclusive de toutes les entités existantes y compris les exilés), dia tsy asiany hasina.
Ny vahoaka dia vahoaka. I ra-fidy anisan'ny vahoaka fa tsy sefom-bahoaka. Koa tsy natao hanakana olona tokony ho latsaka ho fidina izy. Ny vahoaka no mitsara amin'ny alalan'ny fifidianana fa tsy i rakotozafy.
Vola vola vola ihany hoy izy no maha repotra ny miaramila,.Rehefa nahazo ny anjarany izy ankehintriny, dia tokony hanaja tena.

Izy,, hoy izy ihany, dia olom-pirenena. Anefa raha nihaino sy nijery azy, dia manao fihetsika sy fomba fiteny jomaka, pas tout à fait éthique. Ny lohany dia miolakolaka ary tsy maha saky mijery an'i Onitiana rehefa hamaly fanontaniana lalina : tsy azo antoka ny olona miola-doha sy tsy mahasaky mijery.
En plus avec fierté, izaho, hoy izy, rehefa manao coup d'état (saingy avorté en 2006), na sarotra dia sarotra ihany hoy izy, dia tsy maintsy mila atao anatin'ny secret et confiance de mes éléments. Nisy olona tonga tsy nasaina nilaza hanampy, dia sorena be aho. Drôle de olom-pirenena ingahy rakotozafy, le référentiel de son propre cas.
Izay rehetra manao coup d'état izany, dia tokony tsy nogadraina. Fa ny mpanao coup d'état no atao hoe olom-pirenena. Bandy mpampiesona koa ingahy rakotozafy kle. Kozy e. tsy misy hamidiny eo.
6. milamm ( 27/08/2011 12:22)
mazava tsara @ rehetra ny hafatra mifangaro(mixed msg) nampitain'i Gal.fidy, tsy famotsorankeloka fotsiny no tedaviny t@ lavanify fa toerana io no alahelony t@ Atoa Ravalomanana 2006 fa natao anjorompatana izy, mbola namafisiny fa taona 2 zao no nitadiavany resaka t@ lavanify sy fihaonana de izy io nanakiana fa tsy mandeha @ laoniny io fitondrana io ( notsipihany fa nahazo antaroby an'i lavanify izy 2 andro talohan'io valandresaka nataony tao @ tvplus io fampitandremana narahana briefing manamboninahitry ny fat @ zay ho lazainy ao anaty fandaharana ). Tanana zatra mivokona tsy afa-mitsotra intsony ny toetra ananany mitady tombotsoa manokana ny tenany fa tsy fitiavantanindrazana izany, ary henatry ny foloalindahy io lehilahy tsy mena mivadika io saosy no tedaviny. Tsy azo antoka fa ireo tafika sy foloalindahy no ambony aminy fa tsy ny vahoaka. Ny kely azo tsoahina voalazany de tsotra ny fampiasana hery dia mitory fahalemena sy fahakanosana iza nefa no nampiasa zany fomba zany sy tompon'andraikitra 30 volana izay ??? tsy ny miaramila mpioko voavidy vola ihany ve !!! iza no niharany famoretana sy vono olona ??? ny vahoaka marobe nampanatenaina tsy misy sy atao takalon'aina mandoa ny karama sy aingitraingitry jiolahy mitana ankeriny fitondrana ve ??? isika rehetra no vavolombelona
ankoatry zay misy fanambarana milaza ny tsy anotaniana voalazany ao mikasika ny mode operatoire fanaony reo mpioko miaramila mpnongana fanjakana ao zay voalazany tsy nahy fa araho tsara ndray mande nge e ...
7. andrywui ( 27/08/2011 18:37)
tsotra be tsisy hazavaina le resaka fa izao no votoatiny e ,, sarotra be ho an'i dada ny hiditra eto amin'ny tanana ,,sady jereo fa misy kozin'i Fidy kou eo oe ,fa raha tena asaina miditra ane i dada io ozizy oe midira ary enao ka tsy sahy miditra eo zan io satria hainy tsara ny hadalàna nataony teto am tanana e donc tsisy adihevitra azo atao eto fa tapina io domy io ,,,ny sisa vahaolana oa azon'ny TIM atao satria ozy ra Fidy ko teo oe sur fa tsy ho rava io TIM io na tsy eo aza i rakotobe e !!!mitadiava leretsy olonkafa a!! tsy vitan'ny taimbava b sy ny ramatahora akory izy ty jereo ze oul mba misymisy qualité de tohanana iny sitrany ahay mbola tsy tara ,, toy izay io antoko tim efa kely aina kely io hiotsana soamatsara eo de ho rava eo nko
8. milamm ( 28/08/2011 00:35)
tsetsa2 tsy aritsa, tsy ampy maina ny mpisera sasany ato de mirediredy leuleu honhonhon ...
saonjo iray tsy ilaozany zay hamarara io, vaky bantsilana les pikatti a, tsy aleo @ zay mba ho fantatsy ny rehetsa ve fa efa nitsotsa tamiko ela io andrywui io vakiko ampahibemaso ao atsimony frantsa toulouse fa izy andrywui no pikatti 2009, tsy mila azavaina ny tsy fisiany atidohany tsy afaka mandinika hevitra lavitsa isika rehetra no vavolombelona zao e mbola malalaka les anjanamasina no sady mora fa modia ela any ho tsaboina papa a ela mo zao tsy mihoatsa ny 40 taona a maimaimpoana ny fitsaboana ...O.K hihihi
za miresaka @ ela le naughtyboy nosakanany hery tato taloha
9. rijadolly ( 28/08/2011 04:47)
Ny hevitro manokana:

mizara telo lehibe ny fahitako azy dia:

1) Ny fiheritreretany fa saro-tahotra Ravalomanana.
Ny 2/3 ny zavatra teneniny dia ny tsy hiverenan'Ravalomanana an-tanindrazana.
Nilaza izy fa efa niresaka tamin' Filohan' HAT alohan'ny nandehanany nihaona tamin' TVplus, Mino aho fa io tsindry hery io dia tafiditra tao, izay hanamafisana fa tsy miaraka an' Ravalomanana ny foloalindahy, ary dia nanome marika mihitsy izy (82% ny foloalindahy).
Notsindriny ihany koa fa mila mifona aminy aloha Ravalomanana, ary dia nosaromany teny hampiandohana fa tsy misakana an' Rakotobe hiverina izy fa mandray azy raha tsy tateraky Ravalomanana io faneken-keloka io.
Nohamafisiny ihany koa fa tsy ho sahy hody eo izany Ravalomanana na asaina mody aza.

Fehin'ny voalohany
- " RAMATAHORA "

2) Izaho Rakotozafy dia
- Aiza ny anjarako, matetika miverim-berina isaky ny misy zava-bitany izy io, izay mihatefa any amin' FAT.
- Fanaratsihana ny CT, CST: izay tokony henoin' FAT ny heviny satria mitarika ny firodanan' FAT. (no sady mandany vola, tsy tokony ho any angamba)
- Tsy izaho intsony ny hanongam-panjakana, fa raha henoko eo, dia halazako an' FAT.

Fehin'ny faharoa
- AZA MISARAKA AMIKO, FA IZAHO ATOKISANA

3) Fankatohavana iraisam-pirenena
- Ny heviny dia Fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena ihany(sans Ravalomanana)
- Nihezaka hatrany izy, ary niala bala ilay fanotaniana hatramin' farany, raha mety ahazo fankatohavana na tsia ilay fanaovana fifidianana.
- Mino izy fa fifidianana tsara indrindra izay natao hatramin' voalohany(fat)izany kasaina atao izany, Izay midika fa "sans qualité" izay natao hatrizay, satria nanamarika izy fa tsy ho 100isan-100 ny fahamarinan'ilay fifidianan kasaina atao io.

Fehin'ny fahatelo
VITAN' NY FAT IRERY NY FAMAHANA NY KRIZY

FEHINY LEHIBE:

Raha fitinina sy alalinina tsara dia ny Foloalindahy no fitaovana iray mba tsy ahavaha ny krizy eto amintsika satria izy ireo no atao ramatahora tsy hiverenan' filoha teo aloha, na ireo vahoaka eto an-toerana na i Rakotobe any ivelany.
Voamarina hatrany ny filazan' Rakotozafy fa nihaona an' filohan' HAT izy vao niresaka satria ny firosona ny fifidianana ihany no tena tsindriany mafy handehanana any amin' fakantohanvana, ary napetrany mazava fa tonga ny hafatra ka tokony ho jerena manokana ny aminy. Dia miomana izany isika fa tsy hisy fankatoavana indray ato ato satria, tsy iraisana io fifidianana tiana atao izay midika fizirizirina irery io.
Voalaza hatrany am-boalohany fa niova fo, Kristianina ny havatsika Rakotozavy. Tsy afaka mamela heloka ilay olona nanao ratsy amitsika ve isika raha tsy mandohalika eo anoloantsika ilay olona? (raha tsy diso aho efa nifona faobe an-dranomaso ravalomanana).Tsy vahaolana ve ny midinika sy mamolavola ny fifidianana iarahana amin'ny maha Kristianina? Nefa dia izay monja no andrasana amintsika dia azo ilay matimatesana FANKATOHAVANA.
10. rijadolly ( 28/08/2011 05:12)
Misy zava-dehibe iray adinoko

Nanambara ny havatsika Rakotozafy fa voavaha ny olana raha manaja tena Rakotobe.

Fanotaniana: Tsy mba voavaha tahaka izany koa ve ny olana raha manaja tena tahaka izany Rakotokely?

Vahaolana: Tsy misy afatsy ny fifamelana, fifanatonana, ary Fifandraisantanana izay midika FIARAHANA hamahana ny KRIZY ny vahaolana fa tsy ny fandehanana irery.
Samy mila mametraka ho eny ivelany ny ambom-pony ny tsirairay fa tsy hoe raha ianona ihany no mamela izany. Esory ao anaty ny fitiavan-tena sy ny kajikajy politika rehetra, sy ny fatahorana na ny fiheritreretana hanao valy faty.
11. mirananirina ( 28/08/2011 07:57)
Aleo ny Malagasy hiady seza eo,fa ry zareo vahiny manangona dia manangona ny tany sy ny harena..(indrindra ny sinoa).@ 2020 manofa tany hipetrahana daholo ny Malagasy na voaroaka ny tanindrazany. Tsy misy na 1 aza hijery ny Malagasy sy hampandroso azy,fa seza ihany aloha,fifanenjehana.aiza ve hoe misy baomba mipoaka atsy(tsy misy maty na 1 aza),misy mitady hanafika ny fitondrana(tsy misy maty na 1 aza)tonga de hoe i Ranonana no nanao an'io fa gadraina....tsisy porofo fa juste hanagadraina mpanao politika hafa fotsiny.
12. andrywui ( 29/08/2011 00:32)
mlamm a merci amlah less nahafantatra ny momba ahy na,, rah tianlah ho hay marina de izaho iany no pikatti less aa izaho no nahatonga anlah rniala tato ry naughtyboys ,,olona iray ihany izaho na pikatti na ouioui na i dadabe ka raha misy tsy aritra ankoatra anizay de afaka miresaka ,,, rah te ahita ahy mo toi de eo bagnolet tsy miova no misy ah fa tsy any toulouse tsony
13. milamm ( 29/08/2011 00:50)
efa fantatso tsara ela fa karazana biby manidina antsoina oe lalimanga ka tsy de misy ivakiko loha
ary io resaka bagnolet-nla de resaketotsa no sady tsy anla ny serasera fa an'i Hery ra tsy diso za, lany sahady ny fotoanako fa zao les a aty tana no misy ahy ka ilazao za refa mandalo ela de mifanena afaka mifankahalala koko any dojo na otranzay no mety atao resadehilahy mazava tsara na raovina2 tinla mety amiko ampianarako anla zv vitivitsy @ fiainanaOKfa ato ambadiky ty clavier ty ela otrany lasa resaka ftsn bye2 les a loooool
14. andrywui ( 29/08/2011 00:55)
aza mbola mande mlamn
15. andrywui ( 29/08/2011 00:59)
mlamm tiko ampahafantarina tsara anlah fotsiny fa mba hainlah mo fa izah pikatti no nampiala aniny PS nlah naughtyboys iny ?? donc rah mbola manotsana anah eto elah de miala ko io mlamm io !!! pikatti lety efa ela no mahery teto atsisy maharesy ah amn politika zany eto ,,, ary tsoriko amlah fa ndraindray ah TIM mpiondana , ndraindray ah manao TGV arakaraka ze PS entiko eto iany rah tinlah ho hay ny secret ko ,,,rah izah pikatti ndray de efa ho 8taona no teto amity serasera ty !! mbola tsy teraka i mlammm tamzany ...ok ve ?? matoria amzay mlamm ary de fet d bon reV bainn
16. andrywui ( 29/08/2011 01:03)
ny hadalanlah no nampiala ny naughtyboys nlah fa tsy avy amiko ,,tadidio fa vo miteny ratsy eto de vita !! donc mila mi gardé sang froid foana eto rah tsy hiotsana ny PS sy ny IP(taty aoriana)
-ok fa koziko amin mesazy atsy i mlamn refa makany M/car zah e !! fa zao alou zah de eto bagnolet no mipetraka rah ijery ah elah ,,, sabine ny anaran'ny vadiko !! roa ny zanako ary samy hafa reniny daolo reo !! zay no maha pikatti ah zay !! rah mila ny tena anarako sy ny num phone ko kou i mlammn de afaka alefako eto ampahibemaso eto !!!
17. rijadolly ( 29/08/2011 03:38)
Mba miangavy anareo kosa aho mba any amin'toerana hafa mifamaly na mifamono fa tsy ny loha hevitry ny hafa no entina hanehoana ny tsy fifanarahanareo fa manjary lasa HS.
Simba mihitsy ny serasera amin'ity fiafenana anarana maromaro ity, mba madio saina fa tssssss............Manao ratsy ve?
Aoka mba tsy hisy an'izao intsony e!
18. pulm ( 29/08/2011 11:53)
lazaina fa tsy matotra i gal Fidy @ tvplus, fa ny pisera sasany mihitsy no tena bordel(miala tsiny) tsy maintsy mifanaratsy foana isaky ny misy lohahevitra ato, indrindry ry.... mahamenatra:
19. sitlo ( 29/08/2011 21:10)
pulm> fanahinina handravana ny adihevitra io fa aza mikorapa amzany
20. andrywui ( 30/08/2011 00:25)
pulm , mlamn rijadolly aaaa !!! zao le kozy e mbola betsaka ny fahavalon'i dada mifofo ny ainy satri nataony ratsy eto amn tanana ;;;;ka na tsisy hery hisambotra sy hamely azy aza ny pokna de ny officiers sy ireo gradeés bedeb naotsany mbola velona miandry azy !!!! jereo fotsiny tamn le oe oavy dada ; oavy dada iny fa kay efa nandrasan'i Gal Fidy tany zany kay i dada iny ka mety vo niditra teo i dada de mety pan pan pan pan pan 5balles en mm temps !!!!!!! saika vita i dada ,,,, innnn ary no aleha aty fa tsy mjannn any ry dada a :!!! any ny sipa lava nono swazilandaise betsaka ka haninn aty reny lalovina klou de refa tofotofoka de maka maizina ndray kuikuikuikuikuikui
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3228