Ny mahasamihafa an'Andriamanitra sy Lucifer

1. Miharena ( 08/04/2011 08:00)
Manokatra kely ity loha-hevitra ity indray aloha aho fa mahita fa adino ny mahasamihafa an'Andriamanitra sy Lucifer.

Andriamanitra dia tsy manavaka fa Lucifer dia manavaka. Nahoana hoy ianao? Ny anatra fototra nataon'Andriamanitra dia ny hoe azonao hiinanana avokoa ny hazo rehetra eo amin'ny saha afa-tsy ny hazo fahalalana ny ratsy sy ny tsara. Lucifer indray manao hoe ; Mitovy amin'Andriamanitra ianao raha vao mihinana ilay noranràNY. Izany hoe afaka hitsara ianao (io ilay lainga nafafy hoe mitsara Andriamanitra satria hitovy amin'Andriamanitra hono isika).
Rehefa mandinika isika dia marina tokoa ny niafaran'ny tantaran'ny olombelona fa latsaka tao anatin'ny fitsarana. I Losifera raha naka fanahy an'i Jesosy dia naneho hoe izao no fanjakako ka raha miondrika eo anatrehako ianao dia omeko anao daholo ireo! Inona no noforonin'i Losifera? Fanjakam-pitsarana. Tsy an'i Kristy sy ny Ray izany fanjakana izany.

Ka raha tonga Jesosy mananatra dia io no fanjakaNY, fanjakam-pitiavana fa tsy fanjakam-pitsaràna (=feno lalàna).

Koa mananatra ihany hoe aiza no misy antsika ankehitriny. Mbola ao amin'ilay naorin'i Lucifer sa efa ao amin'ny naorin'i Kristy?
novalian'i Miharena ny 12/05/2011 05:58
2. 0uioui ( 08/04/2011 14:37)


ao amin'ilay naorin'i Kristy isika Miharena a
3. Miharena ( 11/04/2011 06:04)
Marina izany ra-Ouioui ary ataoko fa mahafantatra izany daholo ireo antoko maro. Fa ilay fandravana ilay teti-panasarahana mihitsy no tsy tafita hatramin'izao.

Mila manakatra avoavo kokoa ny olon-drehetra izay vao rava io teti-panasarahana io satria raha tsy mijery avy eny ambony mihitsy tsy mahafantatra hoe tafiditra ao amin'ilay fomba fisainana mitsitokotoko anie izaho izany e!

Raha ny tena izy dia manome fivelarana lehibe izany fanjakan'i Kristy izany satria tena milaza mihitsy hoe azonareo hihinanana daholo ny hazo rehetra mamelona fa ny mamono (dia ny fanavakavahana, ny fitompoan-teny fantatra amin'ny zavatra iray heveriny fa feno nefa tapany ihany rehefa aseho daholo ny zava-drehetra) no tokony tsy horaisina.

Amin'izao fotoana izao moa dia hita fa tafiditra ao anaty vondrona iray manontolo ireo rehetra ireo satria efa tapitra nihinanana izany izy rehetra na ny mamelona na ny mamono ka izay mamelona sisa no hiseho tanteraka satria efa nahita ny hirifirin'ny mamono ny olona.
4. mmmhh ( 12/04/2011 13:04)

sao se tsy rariny kosa e;

Andriamanitra sy Lucifer ve no atao fampitahana?
5. Miharena ( 12/04/2011 13:24)
Tsy rariny hoy mmmmh!

nefa dia ny tantara no manome io fampitahana io fa tsy ny tena akory no tia mampitaha. Nasaina hanana safidy ny olona dia izay no antony hampitahana ireo mba samy hahatsapa fa ny tsy fifankahazoana misy anie ka noho ny tsy fahaiza-manavaka ny toetra roa samihafa toy ireo e!
6. bor2lais ( 12/04/2011 14:49)
miharena >> ny tsi-fahaiza-manavaka ny toetra roa toy ireo anie tsy ho vitan'ny herin-tsaina na herin'ny tena fotsiny e ! Indrindra amin'izao vanim-potoana efa iainantsika izao !

Ny tiako lazaina dia ity : toa tsy dia "réaliste" ihany ilay fomba fijery (mety ho diso aho angamba a !).

Raha nijanona tao "edena" isika dia mety ho azoko ihany, saingy efa roso ho any "Jerosalema vaovao" ny dia (ary efa ho tonga) nefa toa tadiavinao hiverin-dàlana ka hijery ny antsoinao hoe FOTOTRA !

Izany hoe efa nihanaka ilay ota voalohany ka niteraka karazana aratsiana tsy tambo isaina. Ary izay no heveriko fa nandefasaNY ny Fanahy Masina ho an'izay nandray Azy : hanoro, hananatra, ampahatsiahy, sns

Fomba fijeriko ihany anefa io a !
7. Miharena ( 12/04/2011 15:20)
Bor2lais

Marina ny fomba fijerinao ary marina ny hoe Jerosalema vaovao satria tsy miverin-dalana akory ny fiainana fa mandroso hatrany. Ilay atao hoe FOTOTRA fotsiny angamba no hazavaina kely. Ilay mandrafitra antsika no tiana lazaina amin'ny FOTOTRA. Ny sisa, izay nolalovana (faharatsiana araka ny hamaritantsika azy) dia tokony tsy hahalavo ny FOTOTRA. Izany no hampahatsiahivana ny FOTOTRA, raha tsy izay manko dia miongana ho azy izay manadino ny Fototra na hivenjivenjy fotsiny.

Ilay tantara hoe izay manaiky no tafajoro na voavonjy dia azo lazaina hoe izay manaiky tateraka ny fampahatsiahivana ny aha-izy azy no tsy ho voahozongozona. Izay mahalala no mahay manavaka izay izy sy tsy izy raha vao FOTOTRA no resahana.

Fomba fijery miorim-paka no mahatonga ny fanazavàna rehetra anafahana ny famoronan-tsaina mampisaraka izay efa hitantsika fa nolalovan'ny olombelona tsy an-kanavaka tokoa raha vao mandray ny nofo fotsiny izy. Io ilay hoe na ny olom-boafidy aza ho voafitaka raha vao latsaka ao amin'io fanavakavahana io, fa tsy mahalala fa ny FOTOTRA anie no MAMPIRAY sy Mampihetsika ny rehetra.
8. rekinbelo ( 15/04/2011 12:08)
Tsy hoatran'izao ny fiainantsika ra tsy teo lucifer.Izy no nanakorotana ny fiainan'ny olombelona sy niteny ratsy an'Andriamanitra.Vokany: lasa maty sy mijaly sika olombelona.
Raha toa ka tsy nanaiky notaominy Lucifer zao adama de hafa tanteraka mihitsy ny fiainana teto antany.
Soa ihany fa haverin'Andriamanitra tsy ho ela intsony izany ary IO Lucifer io ho ringana mandrakizay ka tsy hisy fijaliana sy fahoriana intsony eto an-tany ka mahereza daholo ary e fa akaiky ny farany.
9. Miharena ( 15/04/2011 13:20)
Rekinbelo:

Soa ihany fa haverin'Andriamanitra tsy ho ela intsony izany ary IO Lucifer io ho ringana mandrakizay ka tsy hisy fijaliana sy fahoriana intsony eto an-tany ka mahereza daholo ary e fa akaiky ny farany


Eto no misy hahitsy kely ary mety tsy hitovisantsika fijery Rekinbelo. I Lucifer dia voary iray izay manana aina mandrakizay ihany koa ary tsy tena nanana loatra hevitra ny hanohitra izy fa nanana fomba fijery hafa fotsiny ihany. Nivaringarina anefa ny fiainan'ny olona noho io principe napetrany io. Niteraka fialonana ohatra ny fametrahana fitsarana hoe izato no tsara ary izaroa dia ratsy. Na koa fanamelohana. Ireo no hahitsy ankehitriny ka izany indrindra no antony hizaran'Andriamanitra fitiavana izay tsy mitsara fa mamoha kosa.

Rehefa mifoha ny olona fa tsy lavon'ny fitsaratsaram-poana intsony dia efa tonga ny fandresena ny fanjakan'i Lucifer ary rehefa manjaka Kristy dia mazava fa tsy hanan-kery intsony Lucifer fa ny hany azony hatao dia miaina arak'izay zava-misy efa nohavaozina eo sisa. Izany hoe ny asan'i Lucifer no ho ringana fa mety hanana ny anjarany izy eo amin'ny fiainana ho avy.

Efa miresaka Apokalypsy ihany moa isika dia indro ny resaka ao amin'ny Apokalypsy 12 hodinidinihina:

1 Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satroboninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,

2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina satria marary fatratra efa hiteraka.

3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.

4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;

5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany.

6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.

7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,

8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.

9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy .

10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.

11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza.

12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.

13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.

14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy.

15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka izy.

16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.

17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy.

Io famantarana io dia milaza ny fanapahana ho avy. Ny mpiampanga dia nazera fa tsy novonoina satria tsy manana izany fahefana izany ny any an-danitra. Ny fanadiovana no fahefana avy any an-danitra ka rehefa tanteraka izany eto an-tany dia mazava fa tsy hanana fahefana intsony Satana sy ny Devoly mpitsaratsara foana. Io asany io no tsy hanan-kery intsony rehefa tonga ilay Zaza teraka hanapaka ao ampon'ny olona (=midika fifohazan'ny olona tsirairay izany ka hanana firaisana am-po tanteraka).

Rehefa mitohy ity dinika ity dia ho hitantsika eo ireo karazana kintana voalaza ireo.
Hevitra aposaka moa izy ity ka ny iangaviana ny maro, dia ny mba hanaraka ny fomba fiasan'ny Mpandray anjara tsirairay ao amin'ny Baiboly izay efa misy hoy aho ireo nanaiky ho fantsona hanambara ireo famantarana ireo.
10. rekinbelo ( 19/04/2011 10:50)
Mamaky Baiboly ve enao? Raiso ny baibolinao de araho tsara. Anjely tsara io Satana (Lucifer hoy enao) io t@ voalohany [Ezekiela 28:12-15] NIvadika t@ Atra anefa izy avieo ka nitaona ny olombelona indray koa.Nivadika ary Adama sy Eva, namoaka faminaniana ar y Jehovah Atra teo hoe: "AMPIRAFESIKO ENAO SY NY VEHIVAVY, NY TARANAKAO SY NY TARANANY IZY HANOROTORO NY LOHAHNAO FA IANAO KOSA HANOROTORO NY OMBELAHITONGONY"

VEHIVAVY: Ilay vehivavy nitafy masoandro itanao ao @ apokalipsy, izy io dia ny fitambaran'ny Anjely mahatoky rehetra tsy nivadika t@ Atra bevoka efa hiteraka
MENARANA: ilay Dragona itanao ao @ apok lazainao io ihany na Lucifer
TARANAK'ILAY VEHIVAVY:Jesosy Kristy sy ny fanjakany izaym hanapaka ny tany mandritry mny 1000ans ary hanafoana ny asan'ny satana sy ny asany.
TARANAK'I SATANA: ireo mpitondra fivavahana izay anisany nampamono an'i Jesosy kristy ary koa ireo Mpitondra fivavahana @ izao fotoana izao tsy manaiky azy na mampiasa ny Baiboly aza
VOATOROTORO NY OMBELAHITONTRA: midika hoe maratra izany , izany hoe t@ Kristy maty nefa natasangana t@ maty avieo
TOROTOROINA NY LOHAN'ILAY MENARANA:Ho vonoina sy horinganina io menarana na I Satana io miaraka @ asany.
Oviana i Satana no nazera tety antany ?efa tany @1914 tany izy no nazera t@ tany ary kely sisa ny androny ka manao izay ho afany izy hamitahana ny olombelona @ fomba rehetra.
Inona no ahazo azy?
Jereo ny Apokalipsy 20:10, 14 izany hoe ho ringana mandrakizay io Satana io de tsisy intsony ny asany eto ant-tany.
Somary sarotra izy io Miharena fa serasera moa ny antsika ary mbola ho lava ka mazoto mamaky sy misera e!
11. Miharena ( 20/04/2011 06:09)
Miarahaba an'i Rekinbelo indray,

Marina ny anao ireo fanazavana ireo raha ferana ara-pamakiana baiboly fotsiny tsy mandray ny vontoatiny, izany hoe tsy mandray ny "principe de vie éternelle". Ny voizina ao anaty Baiboly anefa dia io fiainana mandrakizay io hatrany.
Mahagaga fa hodian'ny olona mitory ankehitriny tsy voizina mihitsy ny fiainana mandrakizay fa zary lasa any amin'ny fandringanana "AINA" hatrany no mahamaika avy hatrany rehefa mamaky Baiboly izy.

Izay no mahasamihafa kely antsika rehefa maneho hevitra eto Rekinbelo.

Araka ny voalaza etsy ambony dia voazera teto an-tany tokoa io "fisainana fahafatesana io" atao hoe satana sy ny forongony. Tsy ny aina satana no maninona fa ny saina satana izay nahazo ny olombelona rehetra. Io dia hodi-javatra ihany satria seho ivelany no handrefesana azy. Ny vontoatiny dia takona tanteraka. Azo lazaina hoe famirapiratana ivelany i Lucifer. Izay no mariky ny fivadihany. Ary izay no mahasarika ny olona ho any amin'ny atao hoe fakam-panahy. Io fakam-panahy io dia ny fivadihana amin'ny maha-tena AINA ny tsirairay ka mitoky amin'ny zavatra ivelany na seho ivelany (sampy, ody).

Tsotra ihany izany fanazavana izany raha akapoka:
1) Aina daholo ny zava-drehetra
2) Nisy fivadihana niteraka fikorontanana = fitsitokoana noho ny tsy fahitana izay tena izy tao amin'ny tsirairay avy
3) Misy fanarenana izany amin'ny alalan'ny famerenana fahatsiarovan-tena na Famohazana.

Rekinbelo:

Jereo ny Apokalipsy 20:10, 14 izany hoe ho ringana mandrakizay io Satana io de tsisy intsony ny asany eto ant-tany.



Ity ilay apok 20 10: Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.

Io dia anisan'ny sarotra sainina amin'ny principe Andriamanitra dia ilay fampijaliana mandrakizay mandrakizay (in-droa miverina mihitsy).
Tsy hoe finiavana hanova io teny io na ahoana fa manana fomba fijery hafa aho ny amin'io.

Misy ny famoronana tena izy eo amin'ny sokajy (1) voalaza eo ambony, ary misy ny famoronana tsy tena izy ao amin'ny sokajy (2) izay ataontsika hoe Lucifer no nametraka azy dia niteraka ireto: Bibidia, mpaminany sandoka, devoly mamitaka (tsy AINA ireo fa sarintsariny). Ny famohazana dia ny famrapiratan'ny tena AINA.
Rehefa tonga ny fanadiovana dia foana ireo tsy tena izy = devoly tsy avy amin'Andriamanitra. Koa Lucifer anefa dia avy amin'Andriamanitra, noho izany dia tsy voaringana fa ny asany no voaringana. Io no fanadiovana farany. Tsy ain'i Lucifer tena izy ireo zava-noforoniny fa zava-poakaty izay mora ringanina ihany.
12. rekinbelo ( 27/04/2011 07:36)
Jereo Miharena tsara aloha le hoe farihy afo sy solifara: gehena no iantsoany Jesosy azy io ary na hoe fahafatesana faharoa,tsy misy indrafo intsonyzany raha vao lasa ao.Toy izany koa i Satana izay namorona fandaminana maro teto an-tany : toy ny hoe bibidia mpaminany sandoka sns.
Pour montrer que la Géhenne représente la destruction éternelle, Jésus dit à ses douze apôtres : «Ne craignez point ceux qui tuent le corps et ne peuvent tuer l’âme, mais craignez plutôt celui qui peut précipiter l’âme et le corps dans la géhenne.» (Mat. 10:28, Glaire). Si l’âme est détruite, comment pourrait-elle étre tourmentée d’une façon consciente dans les flammes et le soufre éternellement ? Durant l’âge des ténèbres, les persécuteurs religieux ne pouvaient brûler éternellement sur le bûcher le corps des prétendus «hérétiques». Le feu ne garde personne en vie.

Il est encore question de la Géhenne dans Matthieu 18:9 ; 23:15, 33 ; Luc 12:5 et Jacques 3:6. Dans tous ces textes, la Vulgate latine de Jérôme utilise le mot gehenna, et non pas infernus. Ceux que Dieu condamne à la destruction éternelle, symbolisée par la Géhenne, sont des individus qui, à l’exemple de Satan le Diable et de ses démons, ne peuvent plus étre redressés ni ramenés à la justice. C’est pourquoi, dans sa parabole des brebis et des boucs, Jésus, s’adressant aux boucs, leur dit : «Allez loin de moi, maudits, au feu éternel, qui a été préparé au Diable et à ses anges.» — Mat. 25:41, Glaire.
13. Miharena ( 27/04/2011 12:38)
Rekinbelo:

Pour montrer que la Géhenne représente la destruction éternelle, Jésus dit à ses douze apôtres : «Ne craignez point ceux qui tuent le corps et ne peuvent tuer l’âme, mais craignez plutôt celui qui peut précipiter l’âme et le corps dans la géhenne.» (Mat. 10:28, Glaire). Si l’âme est détruite, comment pourrait-elle étre tourmentée d’une façon consciente dans les flammes et le soufre éternellement ? Durant l’âge des ténèbres, les persécuteurs religieux ne pouvaient brûler éternellement sur le bûcher le corps des prétendus «hérétiques». Le feu ne garde personne en vie.


Raha zohina ity fanadihadiana voalaza eto ity dia ny fanazavana nataon'i Krsity no azoko raisina fa tsy ny tohiny izay interprétation tsy mitombina loatra. Ny tahotra lazain'i Kristy dia ny mety hahavery ny fanahy ombam-batana any amin'ny lalan'ny fahaverezana, dia ny lalan'ny tsy fahatsiarovan-tena maha-endrik'Andriamanitra antsika.

Ilay fiazana hoe "Le feu ne garde personne en vie" dia ara-materialy ihany fa ny fanahy tsy levon'ny afo velively.
Tsy mandeha any amin'ny fahafoanana izany ny fanahy. Ny fametrahana azy ao amin'ny endrika fampijaliana mandrakizay amin'ny alalan'ny afo no tsy mitombina raha principe de vie no resahana.
Ny mampijaly ireo fanahy ireo dia ny tsy fanekena fa manana fiainana mandrakizay izy. Inona anefa no mahatonga izany tsy fanekena izany? Ny saina no tsy manaiky dia mijaly ilay fanahy. Ny fanahy dia manaiky izay baikoin'ny saina fotsiny ihany ary izany no maha-tompon-tsafidy ny olona tsirairay avy. Ka raha manaiky izy fa mandrakizay ny fanahy dia mazava fa mirindra ao anatin'ny fahamarinana izy. Raha misalasala izy dia tsy ho hitany velively ny tena fanahiny izay velona mandrakizay, mandritra ny androm-pahaveloman'ny nofony izay itoeran'ny sainy. Raha mandao izany nofo izany kosa anefa izy dia ho talanjona mahita ny fanahiny izay velona sy mahatsiaro hatrany. Raha miraikitra amin'ny nofo io fanahy dia ory satria tsy neken'ny nofony mihitsy ny maha-mandrakizay ny fisiany.

Ilay fisainana niteraka fitsarana fa ho lany tamingana ny fanahy no fampianarana nateraky ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy (izany hoe misaim-pitsarana na dualiste). Firaisana anefa no torian'i Kristy fa tsy fisarahana ka izany no tokony handaozana amin'izay ilay toe-tsaina dualiste io fa io no mitarika fitsaratsaram-poana ka mampitombo izao fiheverna tsy mitombina rehetra momba ny fiainana izao.
14. rekinbelo ( 29/04/2011 10:50)
Aiza ry Miharena no tsy misy ZVboahary tsy mety maty izany a!Andriamnaitra ihany anie no tsy mety maty e!Itanao ary iny fa Jesosy maty tety an-tany nefa Zvboary natanjaka be sy natahorany anjely rehetra.Koa maika moa fa anjely kely(Satana) izay mbl i Jesosy aza no nampanamboarina azy no tsy ho faty sy ho ringana.
15. Miharena ( 29/04/2011 12:26)
Ka inona ary no ao anatin'ilay zavaboary Rekinbelo a! Aina sa inona? Heverin'i Rekinbelo fa nofo ilay izy dia izay no antony ilazan'i Rekinbelo fa mety maty izany?
16. rekinbelo ( 03/05/2011 07:51)
na fanahy na nofo dia mety maty avokoa anie,ny anjely izay nivadika dia hovonoin'Atra tokoa.
Isika olombelona maty satria nanota ihany koa.
fantaro fa zavaboary koa ny anjely a nefa mety maty!
17. Miharena ( 05/05/2011 16:42)
Sarotra ny mamelabelatra hevitra momba ny fiainana mandrakizay rehefa eken'ny saina fa mety maty ny fanahy. Aleo aza tsy miresaka fiainana rehefa avy hatrany dia fahafatesana no mibahana ao an-tsain'ny olona iray. Tsy hainy tsinona ny manasaraka ny fiainana sy ny nofo mety miraraka.
18. rekinbelo ( 09/05/2011 07:27)
ka ny definition ny fahafatesana sy ny nahatonga ny fahafatesana anie no tsy ekeny sainao mihitsy nefa efa nohazavaiko tery ambony ny nahatonga ny fafatesana.
ny momba ny atao hoe fanahy koa no tsy azonao ao @ Baiboly.ka raha ireo no tsy mazava tsara de tsy ho azonao mihitsy na momba ny fiainana mandrakizay aza e!
isika tsy noforonina hiaina any an-danitra akory fa hiaina mandrakizay eto an-tany!
19. Miharena ( 09/05/2011 09:15)
Ka ilay fahafatesana fanahy no tsy eken'ny saiko satria tsy noforonina ho faty ny fanahy izay sombin'ain'Andriamanitra.

Manana ny toerana hasiana azy daholo ireo lazainao fa anjely mivadika ireo rehefa tonga ny fipoiran'ny fifohazana fa sombin'ain'Andriamanitra avokoa izy rehetra. Ary ny fahalalàna izany no ahafahan'i Krsity milaza hoe tiavo ny fahavalonao, toy ny fitiavanao ny tenanao sy ny namanao no tokony hitiavanao azy amin'izay, satria fantatr'i Kristy fa IRAY ihany no nipoirana fa tsy misy hafa.
Ny fanolokoloana ny fanalavirana an'Andriamanitra amin'ny fomba fihevitra maro isan-karazany no mahatonga ny olona hihevitra fa maty izy. Raha fantany anefa ny hafatra fototra nomen'i Kristy dia hahalala izy fa sombin'Ain'Andriamanitra ka afaka tsara ny hiaina mandrakizay.
Rehefa mifoha toy izay ny olona dia tsy handairan'ny fampianarana afafin'ny mpamendrofendro intsony fa hitana hatrami'ny farany ny fahatokisana sy ny fiadanam-po ary hahalala tsara fa hevi-dravina daholo ireo fampitahorana rehetra momba ny fahafatesana.
20. rekinbelo ( 10/05/2011 06:59)
ka mila fantarinao ko alo zany ny definition ny fanahy raha izany ko!
fanahy mahavelona = essence de vie énergie izay mahatonga ny vatantsika ho velona sy miaina.io ilay fanahy natsofok'Atra teo @ orony Adama rehefa voavolavola ilay vatana tany.
zvb ara-panahy = manana vatana izy ireo fa tsy hitan'y mason'olombelona ohatra hoe ny anjely, Jehovah, Jesosy, fanahy ratsy na ny demonia
fanahy masina = force sainte de Dieu izay entiny manao zvt maro, nanaovana création ny tontolo ita maso sy ny tsy hita maso, nanomezany ny mpanompony hanaovana fahagagana sns.
raha mahay teny hebreo enao de itanao mazava tsara avokoa ireo ao anaty Baiboly fa ny fandikana ny Baiboly gasy mantsy tonga de ataony bamba iray daolo ny momba ny fanahy!
mila manana Baiboly maromaro ko rehefa mandinika ny soratra fa misy tsy azonao tsara ny tiany ambara ra izany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.059