Ny mahasamihafa an'Andriamanitra sy Lucifer

21. Miharena ( 10/05/2011 12:02)
Ka eo indrindra Rekinbleo no tiana ahatongavana, ny karazana famaritana nataonao no aoka iaingana kely ary:

fanahy mahavelona = essence de vie ilay voalohany hoy ianao: raha tsy hiverina any amin'i Adama sy Eva aloha isika fa tonga dia hijery ny maha-antsika antsika ankehitriny dia vao teraka ny zaza dia efa "âme" anankiray izy izay ary tokony hitombo arakaraka ny sitrapon'Andriamanitra mpamorona izay Tompon'io âme io.

Ny hoe Fanahy Masina voafaritrao dia asa na io marina no manome famaritana azy fa raha izaho no mijery azy io dia io no souffle divin tokony hananan'ny âme tsirairay izay fizarazaran'ny tenan'Andriamanitra. Io no ahafahana manana fifandraisana akaiky amin'ny FOTOTRA dia ny Trinité originelle, mba ho iray saina sy iray vava amin'Andriamanitra, io no maha-Kristy ny tsirairay hitenenan'i Paoly hoe tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny. Olona mifoha no manana io, izany hoe mahatsiaro tena tsara fa manana ny toetran"i Krsity Zanaka araka ny tenin'i Krsity hoe "tsy hataoko hoe mpianatro intsony ianareo fa ataoko hoe rahalahy" (tamin'ny fanasana tongotra ny mpianatra izy no nizara izany). Io no tanjon'i Kristy nanome hafatra dia ny hilazany aty aoriana hoe : hiara-hipetraka Amiko eo ambony seza fiandrianana rehefa tonga ny fampakarana.
Dieny ety an-tany anefa dia tokony ho efa fantatra izany hoe rahalahy sy anabavin'i Kristy izany isika rehetra.
Izay no mahatonga ny mpitari-pivavahana raha manomboka ny fotoam-pivavahana hanao hoe hoa anareo olom-boafidy sady voantso no masina ho an'ny mpiara-mivavaka. Eo isika no mila manana fierté hoe zanak'Andriamanitra daholo.
Dia tokony hifankatia rehefa mahatsiaro izany zavatra tsotra izany.

Fa matetika maka sarotra dia manjary mikombona ilay fanahy tokony hivelatra tsara mandrafitra antsika. Mandrafitra no itenenana azy satria izay rafitra izay no very rehefa tsy fantatra izany hatao hoe fanjakan'Andriamanitra izany.

Isika tsirairay mihitsy no nampitoerina ny Mazava ao anatintsika ao fa matimaty izy io rehefa totofana izao resaka tsy mitombina rehetra izao toy ny filazana fa mety maty izy io izay ampifandraisina amin'ny fandaozana ny nofo; sy ny hoe very izy io nefa tenan'Andriamanitra izay Lehibe manerana izay tsy ho very velively fa hitombo araka ny Sitrapony aza.
Io ilay mahatonga an'i Kristy hiteny hoe : ny voalohany no ho farany ary ny farany no ho voalohany. Miditra mira lenta izy tsinona rehefa tonga eo anatrehan'Andriamanitra dia teraka io resaka io fa tsy afaka hilaza ny voalohany hoe voalohany ary tsy afaka hilaza ny farany hoe farany rehefa eo anatrehan'Andriamanitra, izany hoe rehefa miaina ara-panahy.
Miaina resaka potentiel isika rehefa mahatsapa izany, izany hoe manana io potentiel io isika rehetra izay mitovy nomen'Andriamanitra fa ny fotoana no mamaritra ny traikefa azon'ny tsirairay izay hasandratra rehefa tonga ny fampakarana. Mety ilaina io traikefa azo io amin'ny fitomboam-piainana any aoriana ao amin'Andriamanitra araka ny resak'i Kristy momba ny sekely izay nanomezany fanapahana ho an'ny mpanompo mahatoky tsirairay.
22. rekinbelo ( 11/05/2011 12:54)
ame hoy enao ny olona iray, izay mitsy satria ny vatana+esprit=âme
jereo anefa fa samy fanahy avoko any andikan teny gasy azy 2 ireo hoe esprit = fanahy
âme= fanahy;ny vatana tsy misy fanahy anefa dia maty, tsy ilay esprit na fanahy mitovy @ Fanahy masina akory io lazaiko io fa ilay hery mamelona ny vatatsika olombelona mihitsy.na ny biby aza dia manana io fanahy io mba ahavelona azy.
jereo ny mpitoriteny 3:18-22
23. Miharena ( 12/05/2011 05:58)
Raha resaka fanavahana ireo no jerena Rekinbelo dia aoka angamba isika hampifandraika ny âme ho ambiroa ary ny fanahy ho esprit. Ilay voalohany dia ilay tsy miova ary ilay faharoa no mihetsika sy mitombo na mihena arakaraka ny eritreritra (mental). Ireo telo ireo no miasa manome ny personne iray ary miteraka ny personnalité.

Rehefa ampifandraisina amin'ny Trinité izy dia misy hevitra Universel ao izay mandrafitra ny fomba fiainan'ireo telo voatanisa etsy ambony. Lasa miditra ao amin'ny Erana LEHIBE dia ny FOTOTRA ny fiasan'ireo ka afaka manana antoka fa milomano ao amin'ny MPAMORONA TSIMIOVA. Ray=âme, Zanaka=personne, Fanahy Masina=Esprit. Ilay personne no Kristy velona ao anaty eto ary miasa miaraka amin'ny Ray sy ny Fanahy Masina.
Lasa iray Teny ary mandray anjara ao anatin'ny famoronana (mety ho mazava na mitsilopy arakarak'ilay mental (eritreritra) entin'ny nofontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0422