Ekiomenisma : mahasoa ve ?

1. bor2lais ( 25/01/2011 11:13)
Ho an'ny mpino kristiana maro dia ao anatin'ny herinandro antsoina hoe "semaine de prière pour l'unité des chrétiens" isika izao.

Eo amin'io teny "unité" io indrindra no tiako hitondrana ny dinika. Aminao inona moa no antsoina hoe ekiomenisma, inona ny tanjony, ilaina ve sa teny poak'aty izy io ?

Misaotra mialoha amin'ny fandraisanao anjara !
novalian'i vonynive ny 09/02/2011 08:40
2. rijadolly ( 25/01/2011 17:35)
JAONA 17 : 11................Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
Voavalin' io avokoa ny fanotaniana amiko.
3. rijadolly ( 25/01/2011 17:57)
fanampiny JAONA 17 :20 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
4. bor2lais ( 25/01/2011 18:41)
Misaotra an'i rijadolly amin'ny valinteny.
rijadolly:

... mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika ...
... mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy ...

Raha ireo no jerena akaiky izany dia "unité trinitaire" ilay tadiavina amin'ny ekiomenisma raha ny fahazoako azy !

Ka eo indrindra isika ry rijadolly : firaisana ao anatin'ny fahasamihafana ve izany ilay izy sa firaisana mba ho tokana ?
5. mandefitra ( 26/01/2011 11:29)
Fijeriko ity :
1/Ilaina ny firaisana anaty fahasamihafana raha toa samy mino ny Zanaka'Andriamanitra voahombo teo @ Hazo fijaliana.
2/Mety hitera bokatsoa, raha toa ka manaiky hiasan'ny Fanahy Fampiraisana
6. bor2lais ( 26/01/2011 13:15)
mandefitra:

1/Ilaina ny firaisana anaty fahasamihafana raha toa samy mino ny Zanaka'Andriamanitra voahombo teo @ Hazo fijaliana.

Miombon-kevitra amin'i mandefitra aho eto.
Amiko, ilay fahasamihafana dia toerana omena ilay Fanahy Fampiraisana voalazanao mba iasaNY !
mandefitra:

2/Mety hitera bokatsoa, raha toa ka manaiky hiasan'ny Fanahy Fampiraisana

Eto angamba no tsara fantarina tsara ny atao hoe asaNY sy ny tsy Azy !
7. rijadolly ( 26/01/2011 20:16)
bor2lais :

Ka eo indrindra isika ry rijadolly : firaisana ao anatin'ny fahasamihafana ve izany ilay izy sa firaisana mba ho tokana ?
Tena tsy tao antsaiko indray in ry se, ny tato antsaiko hatram'zay dia ilay firaisana mba ho tokana. iray ny saina, iray ny fo, iray ny Tompo

Somary mangataka fanazavana kely aminareo aho mikasika ilay "fahasamihafana" eto. Somary sahirana kely aho amin'ilay firaisan-kevitrareo mikasika ilay izy satria no tsindrin' Mandefitra tsara hoe : " raha toa samy mino ny Zanaka'Andriamanitra voahombo teo @ Hazo fijaliana." Izany hoe tsy tokony any amin'ny tsy finoana na finoana ny Zanak' Andriamanitra voahombo izany ilay tsy fitoviana fa any amin' inona???
8. mandefitra ( 27/01/2011 06:53)

Ilay tsy fitoviana ve? ny Dogme ka (zay ve no filaza azy?)
Ilay niandohan ilay fiangonana mihitsy , ka manjary hiverina any @ 500 taona lasa isika na mihoatra raha hanao "remise en cause" an izany.
Fantatra ihany fa nisy "interet" tao na fahadisoan kevitra na fiziriziriana matoa niparitaka marobe toa io ny karazam piangonana, saingy tsy manakana ny firaisana izay @ ilay fototry ny finoana, dia i Kristy voahombo.
Aza adino fa sombitsombiny ny fahalalantsika, ka tsisy afaka hitompo teny fatratra ho manana irery ny "Fahamarinana".

9. bor2lais ( 27/01/2011 16:50)
Fanampiny kely amin'ny voalazan'i mandefitra (izay mazava tokoa amiko) fotsiny.

Amiko ilay izy dia tahaka ny mpirahalahy mety samy manana ny toetrany na dia mitovy aza ny RAD nipoirana (fototra dia iray ihany : ny finoana Ilay voahombo teo amin'ny hazo fijaliana, saingy samy manana ny fomba na làlana iainany izany finoana izany !).

Fomba fijeriko ihany anefa izay !
10. ngovitra ( 28/01/2011 15:57)

bor2lais:

Ho an'ny mpino kristiana maro dia ao anatin'ny herinandro antsoina hoe "semaine de prière pour l'unité des chrétiens" isika izao.

Eo amin'io teny "unité" io indrindra no tiako hitondrana ny dinika. Aminao inona moa no antsoina hoe ekiomenisma, inona ny tanjony, ilaina ve sa teny poak'aty izy io ?

Misaotra mialoha amin'ny fandraisanao anjara !

Tsy teny poak'aty kosa angamba na dia tsy mety ho tratra "arak'olombelona" aza ny tanjona ao anatiny. misy hevitra roa mifanohitra ao raha ny fahalalako :
- raha katôlika no miteny hoe hitambatra ho iray dia hoe miverina ho katôlika ny mpino an 'i Jesoa Kristy maty sy nitsangana t@ maty, zay no haiko an!!!
- nefa dia A/tra tsy ny ady, ny fisarahana , nefa koa tsy voatery ho ny katôlika ihany no voavonjy (supposant hoe niezaka niaina ny maha kristianina azy le olona) fa izay rehetra mihaino sy manatanteraka izay lazain'ny Fanahy Masina azy ka miezaka ho tia sy hanampy ny hafa eo @ ny fiainany.
ny azo antoka dia ezaka lehibe ny fiaraha-mivavaka @ antoko-pinoana samy hafa, satria fantatrao fa misy @ firenen-kafa miady mifamono ny Katô sy ny Protestant , etc...
11. bor2lais ( 28/01/2011 17:27)
ngovitra:

- raha katôlika no miteny hoe hitambatra ho iray dia hoe miverina ho katôlika ny mpino an 'i Jesoa Kristy maty sy nitsangana t@ maty, zay no haiko an!!!

Misaotra an'i ngovitra mandray anjara sady milaza ny heviny (asa na hevitry ny katôlika tokoa io aloha).

Zava-baovao amiko tokoa io lazainao io.

Amiko manokana dia toa misy fifangaroana ihany ilay teny.

Ny fiheverako azy mantsy ny hoe katôlika dia "universel" no dikany. Ka raha miteny aho hoe "mino ny Fiangonana masina manerana izao tontolo izao" dia io Eglise Katolika io no tian-ko lazaina fa tsy ny Katôlika Romana akory !

Asa anefa fa fijeriko ihany izay !
12. rijadolly ( 30/01/2011 03:15)
rijadolly:

Tena tsy tao antsaiko indray in ry se, ny tato antsaiko hatram'zay dia ilay firaisana mba ho tokana. iray ny saina, iray ny fo, iray ny Tompo

Mandefitra:

Ilay tsy fitoviana ve? ny Dogme ka (zay ve no filaza azy?)
Ilay niandohan ilay fiangonana mihitsy , ka manjary hiverina any @ 500 taona lasa isika na mihoatra raha hanao "remise en cause" an izany.
Fantatra ihany fa nisy "interet" tao na fahadisoan kevitra na fiziriziriana matoa niparitaka marobe toa io ny karazam piangonana, saingy tsy manakana ny firaisana izay @ ilay fototry ny finoana, dia i Kristy voahombo.
Aza adino fa sombitsombiny ny fahalalantsika, ka tsisy afaka hitompo teny fatratra ho manana irery ny "Fahamarinana".

Bor2lais:

Fanampiny kely amin'ny voalazan'i mandefitra (izay mazava tokoa amiko) fotsiny.

Amiko ilay izy dia tahaka ny mpirahalahy mety samy manana ny toetrany na dia mitovy aza ny RAD nipoirana (fototra dia iray ihany : ny finoana Ilay voahombo teo amin'ny hazo fijaliana, saingy samy manana ny fomba na làlana iainany izany finoana izany !).

Fomba fijeriko ihany anefa izay !
Ny fijeriko ilay hevitrareo dia mitongilana any amin'ilay niheritreretiko voalohany ihany. Ny tanjona dia ilay vavaka nangatahan' Ilay voahombo ao amin' JAONA 17 io ambony io, izany hoe atao any anaty valisen'se ny ankaotra izay( izay midika hoe: fanetretena, tsy malady hiteny,tsy atao ao antsaina akory,...), mba hanantateraka ilay FIRAISANA.
13. ngovitra ( 31/01/2011 11:24)
bor2lais:

Misaotra an'i ngovitra mandray anjara sady milaza ny heviny (asa na hevitry ny katôlika tokoa io aloha).

Zava-baovao amiko tokoa io lazainao io.

Amiko manokana dia toa misy fifangaroana ihany ilay teny.

Ny fiheverako azy mantsy ny hoe katôlika dia "universel" no dikany. Ka raha miteny aho hoe "mino ny Fiangonana masina manerana izao tontolo izao" dia io Eglise Katolika io no tian-ko lazaina fa tsy ny Katôlika Romana akory !

Asa anefa fa fijeriko ihany izay !

Amiko, mitovy ihany ny hoe Eglise Katolika sy ny Katolika Romana, satria ny katolika orthodoxe efa antsoina hoe orthodoxe tout cours, fa ny hoe "Fiangonana masina manerana an'izao ttl izao " dia tsy voafaritra mazava, mety hoe Eglise katolika ihany angamba, na zay rehtra mino tokoa an'i Jesoa ho A/tra sy manaraka ny etc... tsy mazava e!
14. bor2lais ( 05/02/2011 10:02)
rijadolly:

Ny fijeriko ilay hevitrareo dia mitongilana any amin'ilay niheritreretiko voalohany ihany. Ny tanjona dia ilay vavaka nangatahan' Ilay voahombo ao amin' JAONA 17 io ambony io, izany hoe atao any anaty valisen'se ny ankaotra izay( izay midika hoe: fanetretena, tsy malady hiteny,tsy atao ao antsaina akory,...), mba hanantateraka ilay FIRAISANA.

Izaho angamba no tsy nahazo tsara ny tian'i RD lazaina fa amiko izany, ilay firaisana dia zava- misy fa tsy tanjona intsony, saingy toa tsy dia tsapan'ny tsi11 in11.
15. niryna ( 06/02/2011 00:25)

bor2lais:

Misaotra an'i rijadolly amin'ny valinteny.
rijadolly:

... mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika ...
... mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy ...

Raha ireo no jerena akaiky izany dia "unité trinitaire" ilay tadiavina amin'ny ekiomenisma raha ny fahazoako azy !

Ka eo indrindra isika ry rijadolly : firaisana ao anatin'ny fahasamihafana ve izany ilay izy sa firaisana mba ho tokana ?
miarahaba anao indray
Tena tsy azoko ilay izy fa hialako tsiny
ahoana izany firaisiana ao anatin'ny fahasamihafana izany?
firaisana mba ho tokana?
ny fantatro fotsiny dia hoe raha misy roa na telo no mivavaka ka mangataka zavatra amin'ny anaraKO( kristy io an) dia eo afovoany Aho ..sa tsy misy idiran'izany aloha?
16. niryna ( 06/02/2011 00:47)

ngovitra:

- nefa dia A/tra tsy ny ady, ny fisarahana , nefa koa tsy voatery ho ny katôlika ihany no voavonjy (supposant hoe niezaka niaina ny maha kristianina azy le olona) fa izay rehetra mihaino sy manatanteraka izay lazain'ny Fanahy Masina azy ka miezaka ho tia sy hanampy ny hafa eo @ ny fiainany..
ny famonjena dia ho antsika rehetra;Jaona 3:16 fa 'izay rehetra mino ny nirahina dia i kristy izany ilay Mpamonjy ny olona rehetra ihany no ho voavonjy satria nomena safidy isika na hino azy na tsia
Ao amiNy Irery no ahazoana Famonjena,tsy misy ny famonjena na iray aza ka avy any ivelan'ilay famonjena nomen'i kristy ,tsy ny asa no mahavonjy fa ny finoana an'i kristy irery ka mila mitandrina izany isika ho an'izay mandray na manome fampianarana diso sao lasa diso fanantenana eo an
Tsy ny asa atao no mahavonjy antsika,misy mampianatra koa io
Ny finoana dia miaraka amin'ny asa.
Nomena antsika maimaimpoana ny famonjena ho an'izay mandray azy satria mino Azy
Ny fitiavan'Atra no nanomezany antsika ilay Mpamonjy ka raha mitady vonjy isika dia mitady ilay mpamonjy antsika dia izy irery ihany izany.

1- MIno an'i kristy fa Zanak'Atra velona izy
2- MIno Azy fa Atra Izy
3- Mino Azy fa maty teo ambonin'ny hazofijaliana Izy hamonjy ahy sy hianao
4- Mino koa fa nitsangana tamin'ny maty izy ary mino ihany koa fa mbola hiverina izy hitsara ahy sy hianao,ny velona sy ny maty.

Dia araho asa amin'izay ary ilay finoana an'ilay Atra velona ka mibebaha,miaike ny heloka rehetra vita,mangataka famelankelola amiNy fa izy no hitondra ny helontsika,hitalaho any any amin'ny Rainy ny fahotantsika rehetra mba ho diovina ,,mamela koa ny heloky ny hafa fa soratra masina no efa nampianatra antsika fa raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika dia tsy afaka hamela ny helontsika koa ny ray izay any an-danitraa.
Ireo rehetra ireo anefa dia tsy ho pli-vava fotsiny fa mivavaha ary mangataha amin'Atra mba omeny ny Fanahy masina ampianatra antsika ny teniny rehetra

Ary raha miezaka miaina amin'ny maha kristiana indray dia tsy ho tonga lafatra velively isika fa isan'andro dia manota foana,ka raha iray fotsiny aza no dinganina dia diso amin'ny didy rehetra isika,ny teny koa efa manambara fa tsy misy marina na iray aza ,koa noho izany mila mitandrina tsara fa tsy hoe kristiana dia tonga dia ahazo famonjena,ny FINOANA AN'ILAY KRISTY IRERY IHANY NO MAHAVONJY ANTSIKA satria IZY NO MPAMONJY
17. lagoon ( 06/02/2011 13:16)
vive la difference.
io ilah nouvel ordre mondial tadiavin'ireo illuminatis satria atao tokana daholo eran-tany ny vola,ny gvt,ny banky dia ny fivavahana koa izao.

nataon'Andriamanitra tsy mitovy isika ary samy nomeny fomba koa maninona no tadiavin'ireto illuminatis ho hatambatra daholo my fomba sy ny fisainana?
dia mihevitra marina ve ianareo fa hamonjy anareo Andriamanitra nefa tsy nisy nitahiry ny lova navelany t@ razambe?
tsy hoe lasa kristianina akory dia lasa mivoatra,ary tsy hoe oecumenisme akory dia a la mode.vao maika ary mitontongana ny toe-tsaina.
18. hery ( 06/02/2011 13:38)
1. Ho an'i ngovitra. Ny katolika romana dia tsy maniry ny rehetra ho katolika romana.
2. Ho an'i ngovitra. Ny dikan'ny teny hoe Katolika dia maneran-tany izay ao anatin'ny fiekempinoan'ny protestanta (FJKM sy FLM no fantatro) koa
3. Ho an'i ngovitre. Ny hoe katolika dia tsy ny katolika romana ihany izay eo ambany fitarihan'i Benoit 16 amin'izao fotoana izao. Misy ny katolika coptes, misy ny katolika hafa... ary ny protestanta koa dia katolika fa tsy katolika romana fotsiny.

Hoy i lagoon: Vive la difference.

Ao anatin'ny difference tokoa no itadiavana ny unité. Unité na firaisana no tadiavina fa tsy uniformité na fitoviana. Fantatra fa kristy no mampiray, Andriamanitra iray hiany no ivavahana ka izay no katsahina. Fa tsy hitovy mihitsy akory ny fombafomba hivavahana amin'izay Andriamanitra izay.

Izany hoe tsy ny fitovian'ny fombafomba (uniformité) no tanjona fa ny fitovian'ny foto-kevitra.
19. swann ( 07/02/2011 10:43)
ary nazotozoto b tonton tato ho ato zay namaly lohahevitra a !...

sa tsa nisy rezo i dago d manala vokina kely klouni ...marn zan e
20. bor2lais ( 07/02/2011 18:06)
niryna:

ahoana izany firaisana ao anatin'ny fahasamihafana izany?
|/quote]
[quote=izaho]
fototra dia iray ihany : ny finoana Ilay voahombo teo amin'ny hazo fijaliana, saingy samy manana ny fomba na làlana iainany izany finoana izany !
|/quote]
[quote=niryna]
firaisana mba ho tokana?

Tahaka ity ambaran'i ngovitra ity (izay lazain'i hery fa tsy marina velively a !) :
ngovitra:

raha katôlika no miteny hoe hitambatra ho iray dia hoe miverina ho katôlika ny mpino an 'i Jesoa Kristy maty sy nitsangana t@ maty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5758