Ekiomenisma : mahasoa ve ?

21. vonynive ( 09/02/2011 08:40)

niryna:


bor2lais:

Misaotra an'i rijadolly amin'ny valinteny.
rijadolly:

... mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika ...
... mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy ...

Raha ireo no jerena akaiky izany dia "unité trinitaire" ilay tadiavina amin'ny ekiomenisma raha ny fahazoako azy !


Ka eo indrindra isika ry rijadolly : firaisana ao anatin'ny fahasamihafana ve izany ilay izy sa firaisana mba ho tokana ?
miarahaba anao indray
Tena tsy azoko ilay izy fa hialako tsiny
ahoana izany firaisiana ao anatin'ny fahasamihafana izany?
firaisana mba ho tokana?
ny fantatro fotsiny dia hoe raha misy roa na telo no mivavaka ka mangataka zavatra amin'ny anaraKO( kristy io an) dia eo afovoany Aho ..sa tsy misy idiran'izany aloha?

miarahaba antsika,
- mety hisy ny firaisana @ endriny ivelany : toa ilay tao Babela (tilikambon'i babela) : natao t@ biriky izy io : izany oe zavatra mitovy rafitra avokoa no nampiraisina. mora atao io fampiraisana io.
- misy kosa ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana : toy ny tempolin'i Jerosalema izay natao t@ vato izay tsy mitovy rafitra saingy nampiraisina. sarotra io fampiraisana io ary mila fanefena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2185