Ny namorona an'Andriamanitra? Valiny

1. ydifas ( 15/10/2010 06:26)
Miarahaba anao,
Amiko dia tsy nisy namorona Andriamanitra fa efa nisy sy mbola hitoetra mandrakizay Izy. Tsy takatry ny sain'ny olombelona ny niaviany satria raha tsy izany dia tsy mitoetra ho amin'izay toerana maha-Andriamanitra Azy izay Izy raha takatsika hoe iza no namorona Azy. Ny fahalalàna dia hery eo an-tanan'izay mahazo sy manana azy. Mandiniha anie ianao hoe: raha fantatrao ny fahalemen'ny fahavalonao dia ho mora aminao ny hamotika azy. Noho izany, tsy natao ho takatsika izany.
Manaraka izany, finoana sy fankatoavana no angatahina amintsika fa tsy hanakatra izay niaviany sy ny hevitr'Andriamanitra.
Farany, isika olombelona no te hamorona andriamanitra ho antsika. Izany no mahatonga ny fivavahana samihafa maneran-tany: misy andriamanitra hafa marobe ankoatra an'i JEHOVAH.
Misaotra amin'ny faharetana
novalian'i vonynive ny 28/10/2010 11:57
2. RAR.DAGO ( 15/10/2010 08:27)
ydifas:

Miarahaba anao,
Amiko dia tsy nisy namorona Andriamanitra fa efa nisy sy mbola hitoetra mandrakizay Izy. Tsy takatry ny sain'ny olombelona ny niaviany satria raha tsy izany dia tsy mitoetra ho amin'izay toerana maha-Andriamanitra Azy izay Izy raha takatsika hoe iza no namorona Azy.

Ekeko tanteraka izay satria betsaka ny zavatra tsy fantatsika dia misy mionona @ izay dia misy manandrana miheritreritra ny ahazo satria izany no mampandroso.

ydifas:

...raha fantatrao ny fahalemen'ny fahavalonao dia ho mora aminao ny hamotika azy. Noho izany, tsy natao ho takatsika izany.

Fa angaha moa ny olombelona sy Atra dia mpifahavalo e?

ydifas:

Manaraka izany, finoana sy fankatoavana no angatahina amintsika fa tsy hanakatra izay niaviany sy ny hevitr'Andriamanitra.

Fa nomena atidoha koa isaina sy hikaroka.

ydifas:

Farany, isika olombelona no te hamorona andriamanitra ho antsika...
Misaotra amin'ny faharetana

Tsy azoko tsara : ianao izany ve milaza hoe isika no namorona an'Atra sa inona no dikan'io fehezan-teny io?

averina aminao am-panajana ny fisaorana

[/quote]
3. mirananirina ( 15/10/2010 09:02)
Nahoana no tsy valiana atsy ambany ny valiny fa ao ny fanontaniana no mipetraka kosa eh
4. andrywui ( 15/10/2010 10:20)
eto alou mora hita be de eto ny tena .....
5. bobimarolahy ( 15/10/2010 13:50)

Ôh ôh, tamin'izaho 13 taona mbola mpianatra katesizy no nametraka izany fanontaniana izany tam Mamanay fa tsy novaliany satria tsy hainy.
nony lehibe aho dia mbola nanitikitika ahy foana io fanontaniana io fa kosa tsy sahiko nanontaniana olona intsony fa hitako hoe toa fiantsina sy fisarihana olona tsy ankasitraka sy tsy hino an'Andriamanitra ka ho loza ho ahy namorona ny fiahiahiana.
nilaza mihitsy aho tamin'izany hoe ekeko fa misy fa avy taiza ary satria ny zavatra rehetra dia nisy fiaviana sy namorona avokoa.
6. fijo ( 15/10/2010 19:27)
ny tahotra sy ny tsy fahalalana no namorona ny fisian'andriamanitra tao an tsaina.rah ahafaka ny tahotra,ary mitombo ny fahalalana dia rava hoazy le fisian'andriamanitra
7. RAR.DAGO ( 15/10/2010 19:33)

fijo:

ny tahotra sy ny tsy fahalalana no namorona ny fisian'andriamanitra tao an tsaina.rah ahafaka ny tahotra,ary mitombo ny fahalalana dia rava hoazy le fisian'andriamanitra

Raha arahina ny hevitrao dia tsy maintsy misy foana Atra satria ilay limite paradigmatique misy ny fahalalana misy foana. Izany hoe misy foana zavatra tsy takatry ny saina. Sa ve diso zany lazaiko izany?
8. fijo ( 15/10/2010 19:50)
hoan'izay miaina ao anatin'io tahotra sy tsy fahalalana io,di amarina fa misy foana izy.fa rah ahoan'ny olona ivelan'izay,dia tsy misy mihitsy izany.
amiko izao ,dia tsy misy mihitsy izany andriamanitra izany
9. RAR.DAGO ( 15/10/2010 19:55)

fijo:

hoan'izay miaina ao anatin'io tahotra sy tsy fahalalana io,di amarina fa misy foana izy.fa rah ahoan'ny olona ivelan'izay,dia tsy misy mihitsy izany.
amiko izao ,dia tsy misy mihitsy izany andriamanitra izany

Zonao tanteraka izany fa na izany aza sarotra ny hiteny hoe fantarao daholo ny zavatra rehetra
10. fijo ( 15/10/2010 19:58)
tsy miteny mihitsy aho hoe fantatro ny zavatra rehetra.aza disoina ny hevitro.za kosa mino,fa mbola ahitana fanazavana daholo ny zavatra rehetra
11. RAR.DAGO ( 15/10/2010 20:06)

fijo:

tsy miteny mihitsy aho hoe fantatro ny zavatra rehetra.aza disoina ny hevitro.za kosa mino,fa mbola ahitana fanazavana daholo ny zavatra rehetra

Ka izay anie ilay hoe limite de la connaissance = Atra
12. fijo ( 15/10/2010 20:10)
izay no nilazako hoe "ny tsy fahalalanano namorona azy."
13. RAR.DAGO ( 15/10/2010 20:16)
Hoy i Fijo hoe "
fijo:

rah ahafaka ny tahotra, ary mitombo ny fahalalana dia rava hoazy le fisian'andriamanitra

Ny olana dia misy limite asymptotique ilay fitombony satria arakaraky ny zavatra hay no mampitombo ny zavatra tsy fantatra hoy einstein izay
14. fijo ( 15/10/2010 20:25)
ie,azavaiko fa tsy maava ngamba ny filazako azy.
isik adia tsy mahalala ny zavatra rehetra.saingy mizara ro any olona.
_misy ny tsy mahalala avy dia mitady anilihana ilay zavatra=andriamanitra ny nahatonga izay.
_misy ny mino fa any ahorian anay mbola ahitan afanazavana io zavatra tsy hay io.dia eto tsy mila andriamanitra
15. RAR.DAGO ( 15/10/2010 20:32)

Misy faha telo fara-faharatsiny :
mino fa mbola hisy fanazavana any aoriana fa mbola mino ihany koa
16. ngaila ( 16/10/2010 12:59)
Ra nisy namorona Andriamanitra,de iz namorona ny namorona azy de ainsi de suite...
17. RAR.DAGO ( 17/10/2010 04:24)
ka misy bug raha izany ko ! Mi-boucle ilay process
18. arialy ( 17/10/2010 11:58)
otry ny mahalasa ny saiko iany ity resaka ity, lasa makany am filozofia ny saiko
oe ny olombelona no namorona ny lalàna sy ny mpitondra sns mba hapizotra ny fiaraha monina,
ary raha nisy namorona koa moa ny fisian' Andriamanitra mba hapizotra ny fiainana anaty ny fandriampahalemana sy fitiavana amin'ny alalan'ny fanajana, finoana sy ny fatahorana azy!?!
misy maharatsy izany ve ?
19. RAR.DAGO ( 18/10/2010 07:42)

arialy:

otry ny mahalasa ny saiko iany ity resaka ity, lasa makany am filozofia ny saiko
oe ny olombelona no namorona ny lalàna sy ny mpitondra sns mba hapizotra ny fiaraha monina,
ary raha nisy namorona koa moa ny fisian' Andriamanitra mba hapizotra ny fiainana anaty ny fandriampahalemana sy fitiavana amin'ny alalan'ny fanajana, finoana sy ny fatahorana azy!?!
misy maharatsy izany ve ?

Eo indrindra isika izao
20. milamm ( 19/10/2010 09:43)
Mampatsiahy ilay tonokalony G. Andriamanantena hoe " Aza avela hahalala ... handrefy ny ampitsy izay Anao ", misy dikany lehibe izay ekeko ihany koa ny voalazany na dia tsy mitsahatra mitady valiny aza ny saina @ ireo fanotaniana samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.447