Ny konfesy

1. hery ( 27/08/2010 23:07)
Inona ny Konfesy?

Ny konfesy dia fomba katolika izay entina hanehoana indrindra ny indrafon'Andriamanitra. Tsy ny halemen'ny mpanota no tena banjinina fa ny haben'ny famelan-keloka omen'Andriamanitra. Rehefa hikonfesy izany ny olona iray dia tsy mikombona amin'ny tenany fa misokatra kosa amin'Andriamanitra.

Io toe-panahy io no manintona ny olona hikonfesy. Raha toa misy katolika tsy dia mazoto mikonfesy dia matetika manadino an'io lafiny io. Andriamanitra no miantso fa tsy isika no manatona.

Ahoana ny fomba fikonfesy?

Ny konfesy dia tsara raha atao mialohan'ny handraisana ny Eokaristia. Fo madio no handraisana ny Vatana sy Ran'i Jesoa. Ny didin'ny Eglizy izay manambara hoe tokony hanao komonio tsara farafaharatsiny amin'ny Paka, dia mamehy hoe farafaharatsiny indray mandeha isan-taona dia tokony hikonfesy.

Misy fomba roa azo anaovana ny konfesy.

Ny fomba voalohany dia matetika fanao rehefa maro olona mpikonfesy (andro fety, andro alahady, programa any am-piangonana). Manatona ny pretra ny kristianina dia mandohalika ary milaza ny fahotàna. Azon'ny pretra atao sy adidin'ny pretra ny manoro ny fomba fikonfesena ho an'ny kristianina tsy zatra mikonfesy.

Ny fomba faharoa dia malakaka kokoa. Mifanao fotoana amin'ny pretra, izay mahafaka azy, dia atao mandritra ny fifampiresahana aminy ny konfesy. Tsy voatery mandohalika, ary afaka miresaka maharitra. Mila marihana tsara fotsiny ny fanombohan'ny konfesy, izany hoe lazaina amin'ny pretra fa hanomboka ny konfesy mba tsy hampifangaro azy amin'ny resaka natao teo aloha.

Ity fomba faharoa ity, izay amporisihana be be kokoa taorian'ny Konsily Vatikana faharoa, dia tsy mionona fotsiny amin'ny fitanisana ny fahotana. Azo atao ny mandray lahatsoratra iray ao amin'ny Tenin'Andriamanitra dia avy amin'iny no anaovana fandinihan-tena. Mety ho lavalava kokoa izany ity fomba ity ka izay no ilàna ny fakàna fotoana mialoha amin'ny pretra. Azo atao matetika ihany koa ity fomba faharoa ity. Ny relijiozy na pretra sasany izay mampiasa ity fomba ity dia misy mikonfesy isanandro... satria ny zavatra lehibe tena atao dia ny fibanjinana ny famindram-pon'Andriamanitra. Tsy tokony hatahotra raha toa tsy voalaza daholo ny fahotana rehetra satria mety tsy voakasik'ilay tenin'Andriamanitra novakiana.

Nahoana no mikonfesy amin'ny pretra?

Fanontaniana matetika miperaka io. Angaha moa tsy afaka mandeha mivantana amin'Andriamanitra ny Katolika no mandalo amin'ny pretra? Afaka dia afaka mandeha mivantana amin'Andriamanitra tokoa ny Katolika, ary isaky ny mivavaka sy mangataka famelan-keloka amin'ny fotoana ankoatra ny konfesy izy dia miresaka mivantana amin'Andriamanitra. Ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo rahateo dia misy hoe "Avelao ny fahotanay". Izany hoe isaky ny mamerina io vavaka io koa dia mangataka famelan-keloka mivantana amin'Andriamanitra. TOMBONY ho an'ny Katolika izany ny konfesy, satria ankoatra ny vavaka mivantana izay itovizany amin'ny hafa, dia nomena fahasoavana manokana koa izy handray ny famelan-keloka amin'ny sakramentan'ny konfesy.

Voavela tokoa ve ny fahotana rehefa mikonfesy?

Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana. Matoky anefa ny olona mandeha mikonfesy raha tena mandeha amin'ny fony tokoa fa miseho mandritra ny sakramentan'ny fampihavanana ny famindrampon'Andriamanitra.

Araka ny baiboly ve ny konfesy?

Anisan'ny teny ao amin'ny Baiboly hakàna ny hevitry ny konfesy ny tenin'i Jesoa tamin'ny mpianany nanao hoe "Izay fahotàna avelanareo dia ho voavela, ary izay tànanareo dia hovoatana". I Kristy izany no mamela ny fahotàna. Ankoatra ny voalaza ao amin'ny baiboly anefa dia efa nifandimbiasan'ny mpino nandritra ny taona mifandimby koa ny konfesy. Ary ny fampianaran'ny Fiangonana ankehitriny dia mbola mamporisika hikonfesy. Ireo toko telo ireo dia ny baiboly, ny lovatsofin'ny mpino, ary ny fampianaran'ny Fiangonana, izay fototry ny finoana Katolika, no fototry ny konfesy ihany koa.

Ahoana ny momba ny asa fivalozana?

Rehefa avy mandray ny famelan-keloka ny mpikonfesy dia asain'ny pretra manao asa fivalozana. Famantarana fotsiny ihany no atolotry ny pretra fa ny tena asa fivalozana dia ny fiovam-po asehon'ny Kristiana. Izay no maha sakramentan'ny fampihavanana ny konfesy. Ny vokatry ny konfesy dia fihavanana amin'Andriamanitra sy ny olombelona.


2. rijadolly ( 28/08/2010 04:01)
Misaotra betsaka Hery nanazava a!
Hery:

Ny fomba faharoa dia malakaka kokoa. Mifanao fotoana amin'ny pretra, izay mahafaka azy, dia atao mandritra ny fifampiresahana aminy ny konfesy. Tsy voatery mandohalika, ary afaka miresaka maharitra. Mila marihana tsara fotsiny ny fanombohan'ny konfesy, izany hoe lazaina amin'ny pretra fa hanomboka ny konfesy mba tsy hampifangaro azy amin'ny resaka natao teo aloha.
Ity fomba faharoa ity, izay amporisihana be be kokoa taorian'ny Konsily Vatikana faharoa, dia tsy mionona fotsiny amin'ny fitanisana ny fahotana. Azo atao ny mandray lahatsoratra iray ao amin'ny Tenin'Andriamanitra dia avy amin'iny no anaovana fandinihan-tena. Mety ho lavalava kokoa izany ity fomba ity ka izay no ilàna ny fakàna fotoana mialoha amin'ny pretra. Azo atao matetika ihany koa ity fomba faharoa ity. Ny relijiozy na pretra sasany izay mampiasa ity fomba ity dia misy mikonfesy isanandro... satria ny zavatra lehibe tena atao dia ny fibanjinana ny famindram-pon'Andriamanitra. Tsy tokony hatahotra raha toa tsy voalaza daholo ny fahotana rehetra satria mety tsy voakasik'ilay tenin'Andriamanitra novakiana.

Fanamarihana kely fotsiny ny ahy...
Amin' Finoana sasany akaotry ny Kato dia maro tokoa no efa nanao io fomba io hatramin' izay, indrindra ho an' ireo olona izay mbola mahatsapa fa osaosa ara-panahy. Tsy fahotana araka izany ny fangataham- bavaka amin' Mpitandrina. Somary nataoko gras ireo anefa no ilaiko fanazavana kely amin' Hery. Azon' Hery hazavaina tsara ve ny maha tsara kokoa amin' ireo safidy izay tsy voatery atao ireo? Misaotra mialoha...
3. rijadolly ( 28/08/2010 04:09)
Mialatsiny indrindra...

NY TSARA no tiako tenenina fa tsy NY MAHA TSARA KOKOA....Misaotra betsaka..
4. Mpanazava ( 28/08/2010 07:00)
Hoy i Hery
Anisan'ny teny ao amin'ny Baiboly hakàna ny hevitry ny konfesy ny tenin'i Jesoa tamin'ny mpianany nanao hoe "Izay fahotàna avelanareo dia ho voavela, ary izay tànanareo dia hovoatana". I Kristy izany no mamela ny fahotàna. Ankoatra ny voalaza ao amin'ny baiboly anefa dia efa nifandimbiasan'ny mpino nandritra ny taona mifandimby koa ny konfesy.


Ny hevitra miainga avy amin'ny fiforonan'ny zavatra iray ohatr'izao no mahafinaritra ahy indrindra satria rehefa mari-pototra ny zavatra iray dia tokony hazava izy. Misaotra an'i Hery aloha e! Merci bcp.
Ny Jaona 20:21-23 izany no basen'i Konfesy. Miresaka betsaka ny tantaran'ireo Apostoly ny boky maro ao amin'ny baiboly. Misy filazana ve ao hoe nampikofery olona ny Apostoly?
5. andrywui ( 28/08/2010 09:55)
Ndrai ndrai ndray hery ....! mikaonfesy ?

-- Dia ozy i Mopera hoe "voavela ny helokao anaka " .... dia tena voavela ve ? dia afaka ny otanao zany ? ka tsy hanao hadalàna daholo ny olona dia hanatona an'i mopera daholo dia hikaonfesy dia any andanitra daholo !!!... dia izany ve dia mba ho mety ?? - hisy olona ho any amin'ny helo intsony zany fa tsy dia efa manantena Lanitra vaovao daholo satria efa afak'i mopera daholo ny fahotana fa efa malalaka ny Paradisa ,,

-- Tadidio anefa ity teny iray ity : Tsy misy olona afaka mankany amin'i Ray raha tsy amin'ny alalako ! - ...ary koa hoe : ny fahotanareo no mampiafina ny Tavako aminareo ka dia tsy Mihaino Aho :(hoy Jehovah io) ka tokony hiaino ihany Jehovah zany satria efa eo i Mopera hanala anle fahotana ! ...

-- Tsy misy mihitsy Teny ao amin'ny Baiboly hoe : Nanatona an'i Piera, na i Matio na i Paoly ... ny mpino dia nampikofeseny dia tonga dia niditra any andanitra ! -

-- Fa ny Bokin'ny Fiainana sy ny Bokin'ny Asa Vita sy Natao ihany no mamaritra ny Lalankizoran'ny tsirairay rehefa miditra amin'ny Fahafatesana sy Fiainana faharoa izy ! ...




.

--
6. hery ( 28/08/2010 10:44)
Mahazo mikonfesy ve ny tsy katolika?

Ny konfesy dia sakramenta ho an'ny Katolika. Mety tsy hisy dikany amin'izay maha sakramenta azy izay ny konfesy ho an'ny olona tsy katolika. Azon'ny tsy katolika atao ny manatona pretra hiresaka aminy sy hitady vahaolana eo amin'ny fiainana. Tsy tafiditra ao anatin'ny konfesy anefa izany fa toa ny resaka rehetra ihany. Tsy azon'ny tsy katolika atao ny mikonfesy.
7. ouioui ( 28/08/2010 12:13)
Ary betsaka ihany izany ny damopra fopla ,raha izany satria ry zalahy ireo ihany no manamboraka avy eo fa hoe misy Malagasy mitetika ny hanafika ny toby [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/U_THIN%7E1.GIF[/IMG]
hery:

Ny fomba voalohany dia matetika fanao rehefa maro olona mpikonfesy (andro fety, andro alahady, programa any am-piangonana). Manatona ny pretra ny kristianina dia mandohalika ary milaza ny fahotàna. Azon'ny pretra atao sy adidin'ny pretra ny manoro ny fomba fikonfesena ho an'ny kristianina tsy zatra mikonfesy.

Misy resaka izay ao @ baiboly ao milaza hoe aza mihakohoka eto anatrehako ianao fa olombelona toa anao ihany aho

hery:

Ity fomba faharoa ity, izay amporisihana be be kokoa taorian'ny Konsily Vatikana faharoa

Fihovana fitsipika ve izany no dikany ,dia hisambotra baolina @ tanàna daholo ny mpanao kitra, tssss, izay no lazaiko fa raha misy fiovana dia ny natsarainy sy ny hampifanarahana hatrany @ discipline ka ny eto ny discipline dia ny baiboly raha resaka fivavahana
8. ikaretsaka ( 28/08/2010 14:22)

Mpanazava:

Hoy i Hery
Anisan'ny teny ao amin'ny Baiboly hakàna ny hevitry ny konfesy ny tenin'i Jesoa tamin'ny mpianany nanao hoe "Izay fahotàna avelanareo dia ho voavela, ary izay tànanareo dia hovoatana". I Kristy izany no mamela ny fahotàna. Ankoatra ny voalaza ao amin'ny baiboly anefa dia efa nifandimbiasan'ny mpino nandritra ny taona mifandimby koa ny konfesy.


Ny hevitra miainga avy amin'ny fiforonan'ny zavatra iray ohatr'izao no mahafinaritra ahy indrindra satria rehefa mari-pototra ny zavatra iray dia tokony hazava izy. Misaotra an'i Hery aloha e! Merci bcp.
Ny Jaona 20:21-23 izany no basen'i Konfesy. Miresaka betsaka ny tantaran'ireo Apostoly ny boky maro ao amin'ny baiboly. Misy filazana ve ao hoe nampikofery olona ny Apostoly?

Eny, misy tokoa
Rehefa nahazo ilay fahefana tao @ Jaona 20:21-23 dia avy eo mbola io no antony nanoratan'i paoly ao @ IIKor 5:11-21
9. Mpanazava ( 28/08/2010 14:51)

Eny, misy tokoa
Rehefa nahazo ilay fahefana tao @ Jaona 20:21-23 dia avy eo mbola io no antony nanoratan'i paoly ao @ IIKor 5:11-21

Mba avokay tsara hoe ranamana fa toa tsisy Apostoly nampikofesy izany ilay kitsipona nomenao.
10. ikaretsaka ( 28/08/2010 15:12)
pro Christo ergo legationem fungimur tamquam Deo

exhortante

per nos obsecramus pro Christo reconciliamini Deo

Koa sady Masoivohon'i Kristy àry izahay no irak'Andriamanitra koa, ka tahaka an'Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan'ny Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin'Andriamanitra
11. andrywui ( 30/08/2010 12:42)

Eny, misy tokoa
Rehefa nahazo ilay fahefana tao @ Jaona 20:21-23 dia avy eo mbola io no antony nanoratan'i paoly ao @ IIKor 5:11-21




ninanenganiinnn tsara zay i Ikaretsaka fa mpitsipona lainga loatra ! heveriny fa tsy hamadika baiboly angamba ny olona fa hianona amin'io versets fopla io fotsiny ! .... tratra Ika zay !! afa-baraka tsara zay , saika hivarotra olona amin'io versets fopla io kay no- verifié n'ny olona le izy !!! zay ataovy ihany dia ho afa-baraka fanindroa ndray Ika ! .... hon hon hon
12. ouioui ( 30/08/2010 22:34)
andrywui:

! afa-baraka tsara zay , saika hivarotra olona amin'io versets fopla io kay no- verifié n'ny olona le izy !!! zay ataovy ihany dia ho afa-baraka fanindroa ndray Ika ! .... hon hon hon

[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/3d-moqueur-rire-3.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/3d-moqueur-rire-3.gif[/IMG]
Tena nataoko ny tsy himé ry ika fa tena taolana ny nify
13. ikaretsaka ( 30/08/2010 23:11)

Mpanazava:


Eny, misy tokoa
Rehefa nahazo ilay fahefana tao @ Jaona 20:21-23 dia avy eo mbola io no antony nanoratan'i paoly ao @ IIKor 5:11-21

Mba avokay tsara hoe ranamana fa toa tsisy Apostoly nampikofesy izany ilay kitsipona nomenao.


ny atao hoe konfesy ange de hoe sakramentan'ny "fampihavanana" e
misy resaka fampihavanana tsara io ka
14. ouioui ( 01/09/2010 22:12)
mpanazava:

Mba avokay tsara hoe ranamana fa toa tsisy Apostoly nampikofesy izany ilay kitsipona nomenao.

Io no fanontaniana bainn fa aza arirarira a[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/I_13SL%7E1.GIF[/IMG]
15. ikaretsaka ( 01/09/2010 22:29)
ao letsy io fa ny an'i lery baibolina TJ a
16. ouioui ( 01/09/2010 22:44)
Koa ny anlah aza mifangaro lovan-tsofina sy tradition zany ve tsy resaka amboamboarina daholo , lasa dogmes daholo sisa no tena fototra[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/U_THIN%7E1.GIF[/IMG]
17. ikaretsaka ( 01/09/2010 22:48)
ka na ny baiboly aza ange lety ka lovan-tsofina sy traditions e.. ;) sao adinon'i laisany...
18. ouioui ( 01/09/2010 22:55)
Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra ve ry leity de tsy nahangony tao @ baiboly daholo izay tiany ampitaina fa elah ve ahoana a??? tsy lojika leisy zany bainn a, resaka fialana bala notaon'ny kato fotsiny izany mba ahafahany manao izao karazana katesizy izao , sady efa niova indray moa izao ny katesizy ,tsss [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Surpris/o_stupid.gif[/IMG]
19. ikaretsaka ( 01/09/2010 22:58)
tsy Andriamanitra mihitsy no nanao ny baiboly fa ny olona ka..
dia aza adino fa ny kato koa ange no nanamboatra ny baiboly voalohany e ;)
20. ouioui ( 01/09/2010 23:08)
De ahoana koa.... tssssss , lasa himezana fotsiny sisa elah bainn ,[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00100.gif[/IMG]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4645