Madagasikara

1. LazaDaddy ( 22/07/2010 06:34)
Raha mbola manjaka eto Madagasikara ny sampy, mosavy, sikidy, tromba, sy ny sisa rehetra mikasika ny firesahana amin'ny razana sy ny fanahin'ny maty ... dia aza mieritreritra akory ny hitsaharan'ny korontana sy hisian'ny fandriam-pahalemana
novalian'i vonynive ny 30/09/2010 09:23
2. ikaretsaka ( 22/07/2010 15:32)
rehefa mbola ao @ malagasy koa ny fanatisme.. na endrika inona io na inona... dia tsy tafa io
3. rijadolly ( 22/07/2010 18:08)
Raha vao ny Mpitarika no tsy manana an' Andriamanitra dia korotana sy fahoriana ny mahazo ny vahoakany.
4. AndriambyII ( 22/07/2010 20:42)


Raha vao ny Mpitarika no tsy manana an' Andriamanitra dia korotana sy fahoriana ny mahazo ny vahoakany.

Afangaro ny politika sy ny finoana ?? Sao tsy mety izany !!
5. LazaDaddy ( 23/07/2010 01:45)
Rijadolly> tsy asiana resaka mpitondra akory fa raha mbola ny kristianina mitondra ny Anaran'i Kristy no manao ireo fahavetavetana eo imason'Andriamanitra ireo dia mbola ho ela. Ahoana no anantenana ny mpitondra hiova fo raha iretsy milaza azy ho kristianina aza jereo ireo ataony?
6. soanja ( 23/07/2010 14:53)

LazaDaddy:

Raha mbola manjaka eto Madagasikara ny sampy, mosavy, sikidy, tromba, sy ny sisa rehetra mikasika ny firesahana amin'ny razana sy ny fanahin'ny maty ... dia aza mieritreritra akory ny hitsaharan'ny korontana sy hisian'ny fandriam-pahalemana


Velabelaro ary ny ifandraisan'ireo. Amiko ireo mpino ireo lazainao dia tsy mitondra korontana ho an'ny firenena fa ireo izay milaza azy hpo Xtianina aza no tena dridrany manimba ny fandriampahaleman'ny firenana.

Raha matanjaka izany Andriamanitra inoanao izany dia alefaso ary ny vavaka fa toa tsy mandaitra aloha ilay izay hatramin'izao na dia hita eny rehetra eny ny fivavahana momba izany filaminam-pirenana izany. Ivavaho ireo tsy mpino sy mino ny tsy hinoana dia hita eo raha mandaitra ny vavakao ary!
7. Miharena ( 23/07/2010 15:13)
Amiko mila halalinina aloha ireo endrika hampiasana ny vavaka, ny sampy, ny sikidy sy ny sisa. Efa lasa lavitra ve sa voafefin'ny fitiavan-tena? Inona no korontana misy? Toy ny olona miaina anaty dimensions 2 ve ny olona manao ireo zavatra ireo ka ny tampon-dohany aza tsy hitany fa mihodinkodina eo fotsiny izy?

Ny tena olana amiko dia jamba mifananatra sy mifanaritaka ny Malagasy noho ny fitiavan-tena. Tsy vavaka fe vavaka fa fandinihan-tena lalina no ilaina amin'izao fotoana izao.
8. AndriambyII ( 23/07/2010 17:06)
Mpitarika inona moa no tian' i Lazadady tenenina ?
9. rijadolly ( 24/07/2010 13:00)
Efa navilinareo amin' resaka Firenena moa ty resaka ity dia tsy maintsy miteny aho....
Mihevitra ny Malagasy manao ahoana isika eo hanatrehan’ Andriamanitra? Tsy avy any amin’ Andriamanitra ve ny fahefana? Raha avy any aminy, nahoana no raisina na nadika ho «politika maloto» izany fahefana izany? Inoako fa azonareo tsara ny tiako tenenina ny atao hoe politika maloto, fa tsy politika. Tsy tsaroatsika ve ny nahazo ny Israely raha nanao zavatra nifanohitra nolazain’ Andriamanitra I Davida Mpanjaka? Koa raha miteny ny marina voalazan’ Baiboly aho nahoana no sakanana? Tsy marina ary ve izay nolazaiko? Ho safosafoana ve ny marina mba hijalian’ vahoaka eo ambany fahefan’ Mpitondra. Inona ny andraikitry ny Mpino Kristianina eo amin’ izany zava- miseho izany?
isika:

fa raha mbola ny kristianina mitondra ny Anaran'i Kristy no manao ireo fahavetavetana eo imason'Andriamanitra ireo dia mbola ho ela.,

Ny mpitondra ary ve tsy milaza ny tenany ho Kristianina? Nahoana no tsy voakasik’ izany izy eto amin’ ity Lohahevitra nataon’ LazaDaddy ity? ary voamarina ao anaty Baiboly fa anisany tompon' andraikitra 100% ny mahatonga ny vahoaka entiny hibaby fahoriana izy. Azo vakian- tsika tsara ity kitsipona ity, azafady fa somary lavalava kely, nefa tsy maha kivy satria mifandraika betsaka amin' ilay loha hevitra sy ilay nanakana ahy.
TANTARA VOALOHANY 21 : 1 Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely. 2 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento at? amiko ny isany mba ho fantatro. 3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?4 Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy. 5 Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda. 6 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny mpanjaka.7 Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.8 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.9 Ary hoy Jehovah tamin'i Gada mpahitan'i Davida:10 Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.11 Ary Gada nankany amin'i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Mifidia: 12 Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.13 Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.14 Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.16 Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana*.[Heb. lamba malailay]17 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.18 Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.19 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, izay nolazainy tamin'ny anaran'i Jehovah.20 Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin'izay.21 Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.22 Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.23 Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.25 Dia nomen'i Davida sekely volamena lanjan'enin-jato Araona ho vidin'ny tany.26 Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.28 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.29 Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;30 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.


MBOLA HO TSARAINA

Tompon’andraikitra zato isan-jato ianao
Fa tsy hoe olona solafaka e
Iray lalana amin’ny Ponsi Pilato ianao
Fa nandidy sy nanapaka e
Hitondra sy hanompo ianao no nantsoina
Ianao anefa ity no tompotompoina
Ny tena maivamaivana ny aina
Nefa mbola holanjaina

Re hatrany andanitra any anie
Ny kiakan’i Abela sy ny rany
Amoron’ny lanitra ny ety an-tany
Tsy hainao hoe rahoviana ianao no mankany
Hijoro eo anoloan’i Jesosy ianao sakaiza e
Tsy afa-miala na ho aiza ianao na ho aiza
Ny marina zimbazimbaina nefa mbola hotsaraina

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana , ianao no hojerena
Ny fiantraikan’izay rehetra natao
Efa voangona any miandry ny hahatongavanao
Na ianao ao antranon’ny Ray
Na mijaly mandrakizay

Ny fampiasana ny fahefana anie
No ahitana ny fitiavan-tena
Any tsisy ambonin’ny lalana
Na mpitondra fivavahana, na mpitondra firenena
Fa voasoratra ny zava-drehetra
Indray andro any
Ho avy ny fandoavan-ketra
Na ianao toy ny zanaka an-trano
Na ianao hidiran’angano

Ny fahefana anie fanambinana
Andriamanitra no manome
Fa ny fampiasana azy fanadinana
Ny tsy afaka no be dia be
Zava-doza anie izany helo izany
Ianao nefa mihazakazaka mankany
Minia manamaivana ny aina
Nefa mbola hotsaraina

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana, ianao no hojerena
Ny fiantraikan’izay rehetra natao
Efa voangona any miandry ny hahatongavanao
Na ianao ao antranon’ny Ray
Na mijaly mandrakizay

Tsy misy azo hiafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana, ianao no hojerena
Ireo malagasy nohosihosena
Noho ny fitiavam-pahefana sy fitiavan-tena
Hitsangana hanameloka anao
Ahoana no ataonao?

Hitsangana hanameloka anao
Ahoana no ataonao?
10. ikaretsaka ( 25/07/2010 16:11)
... Misy fitenin'ilay mpihira an'i Lendrema iny manao hoe madagasikara dia voatahy sy notahiana ary hotahiana foana, toy izany koa ny malagasy
fa matoa isika toy izao dia ny toe-tsaina
11. cutie ( 25/07/2010 20:21)
LazaDaddy:

Raha mbola manjaka eto Madagasikara ny sampy, mosavy, sikidy, tromba, sy ny sisa rehetra mikasika ny firesahana amin'ny razana sy ny fanahin'ny maty ... dia aza mieritreritra akory ny hitsaharan'ny korontana sy hisian'ny fandriam-pahalemana

Ka tsy maintsy misy foana ny korontana sns raha tsy we lasa any an-danitra daholo nga tsika rehetra :-D
12. Miharena ( 26/07/2010 06:01)
ikaretsaka
... Misy fitenin'ilay mpihira an'i Lendrema iny manao hoe madagasikara dia voatahy sy notahiana ary hotahiana foana, toy izany koa ny malagasy
fa matoa isika toy izao dia ny toe-tsaina


Marina io fa ny olona no mierikerika etsy sy eroa dia tsy mahita ny Fotony.
13. ikaretsaka ( 26/07/2010 14:52)
Atra no nanome
Hoy ny ohabolana
14. niryna ( 26/07/2010 18:33)

LazaDaddy:

Rijadolly> tsy asiana resaka mpitondra akory fa raha mbola ny kristianina mitondra ny Anaran'i Kristy no manao ireo fahavetavetana eo imason'Andriamanitra ireo dia mbola ho ela. Ahoana no anantenana ny mpitondra hiova fo raha iretsy milaza azy ho kristianina aza jereo ireo ataony?
dia anjaran'izay efa manetritena no mivavaka ireo izay mbola ao anatin'ny aiza ka
omeo olombanona aho ananganako firenena vanona. Raha isika tsirairay no manampy ireo izay tsy mbola mahalala an'i kristy dia hiova ny firenena,anjarantsika no mivavaka ireo izay mbola tsy nandray azy
tsy misy resaka mpitondra tokoa io fa na ny ao anatin'ny tokantranontsika ny fianankaviantsika aza dia efa mitondra olona avokoa izany
15. ikaretsaka ( 26/07/2010 18:52)
Raha vao ny tsy mitovu aminareo no ivavahanareo hitovy aminareo dia vavabava-poana izay amiko.
Karaha le mivavaka hoe ' ataovy homan fatiny any ireo olona tsy mitovy firehana aminay Atra o"
16. AndriambyII ( 27/07/2010 00:23)
Izay ilay atao hoe vavaka mampody mandry .Na lelalelan' olona tsy fantam-pinoana aza dia ekena , indrindra ireo ireo artista profane toa an' ny tarika mahaleo .Dieu avait prevenu ceux qui emettent des prejugées et des discredits envers ses semblables , qu'ils seront redevables à tout acte revenchard lors du jugement premier .Les prieres ne font pas le croyant , la croyance ne sacralise point , tout depend de la foi .
17. Prime ( 29/07/2010 10:28)
Itoviako hevitra hianao LD, ny fanjakan'ireo voalazanao ireo dia miteraka ozona ary anisany ny korontana sy ny tsy fandriam-pahalemana...
18. ikaretsaka ( 29/07/2010 14:44)
prime koa ve iznay sanatria manao ilay mpivavaka hoe" ataovy mihinan'ny fatony any izay tsy mitovy aminay . de hozony faty any Atra o"?
19. bor2lais ( 29/07/2010 14:58)
Manararaotra ny fahatongavan'i prime eto hamerenana ny voalazany tany aloha tany raha vao nanomboka izao zava-mitranga amin'ny Firenena izao. Miala tsiny mialoha raha toa ka mety mahatohina ny tompon-kevitra.

(copier/coller)
5. Mpandefa : prime [ Valio ] 13-02-2009 13:07:04
Lohateny : Re : Inona moa ny toeran-dra8 eo @ lafiny fiangonana????

Mampieritreritra ny zava-misy ankehitriny ary mampandinin-tena lalina...

[bor2lais> Manaja ny hevitrao aho ary manaiky fa fahefana nomena avy amin'Andriamanitra no natolotra ny filoha Ravalomanana...]

Fa mampandinin-tena ny zava-misy ankehitriny ary tsy itsarana azy velively fa mba handinihan'ny tsirairay tena... fa Saoly Mpanjaka (Andriamanitra no nanendry sy nanosotra azy) rehefa nialan'Andriamanitra dia nanamafy fo sy nanamarin-tena... fa rehefa tonga tamin'ny tsy azo nanoharana intsony vao nieritreritra ny hiverina ka nahavita niantso ny Mpaminany efa maty mba hivavaka ho azy saingy indrisy... ny Farao rehefa nilazan'Andriamanitra ny tsy maintsy handefana ny vahoakany ho afaka dia Andriamanitra mihitsy no nanamafy ny fony hiziriziry tsy hamela ny Zanak'Israely nefa indrisy... tsy vitsy ny ohatra maneho ny fiasan'Andriamanitra amin'ny olona omena na ampindramin'Andriamanitra fahefana...

Ny endrika isehoan'ny asan'Andriamanitra voalohany dia ny asan'ny fanahin'ny fibebahana amin'izay tiany... indrisy nefa fa hamafisam-po no mbola misy ankehitriny...

Izaho dia mananatra mandrakariva antsika mpino kristiana mba tsy homba ny atsy na ny aroa ary raha mivavaka dia tsy ny ijanonan'ny olona amin'ny fahefana indramina na ny andrombahan'ny olona ny fahefana avy amin'Andriamanitra fa ny mba iasan'ny fanahin'ny fibebahana sy ny fahendrena...

Miala tsiny aho raha hilaza ireto ambarako ireto na dia FJKM aza ny tena ary mbola fitiavana no ilazana izao :

- mila mibebaka ny filoha Ravalomanana fa arakaraky ny hanamafisany fo no hahaloza ny fianjerany (izaho nefa tsy mahalala ny asan'Andriamanitra ndrao Izy mihitsy no manamafy ny fony)

- mila mibebaka ny fiangonana sy ny filoham-piangonana, ny FFKM, ny FJKM indrindra indrindra fa ndrao tsy nijoro tamin'ny asany ka mahatonga ny mpanompon'Andriamanitra miziriziry toa izao... ary indraindray aza mahavaka mihitsy fa toa tsy manan-kambara ny amin'ny tsy fahamarinana sy ny loza sy ny zavatra tsy mety rehetra eto amin'ny firenena ny fiangonana (mampatsiahy indrindra ny zava-nisy tamin'ny andron'i Hitler tamin'ny fahanginan'ny fiangonana teo anoloan'ny habibiana sy ny herisetra)...

- mila mibebaka ny mpino kristiana fa ndrao tsy mijoro amin'ny fanarahana an'i Jesosy ka dia manaiky sy manaraka ivoho ny itarihan'ireo filoham-piangonana mitarika azy ireo, tsy mandinika araka ny asan'ny Fanahy Masina ka tonga voazarazaran'ny hevitra eto amin'izao tontolo izao... manana adidy ny vahoakan'Andriamanitra hampijoro ny fahamarinana sy ny filazantsara...

Izaho dia miteny mandrakariva amin'ny namana rehetra, fa raha marary ny vahoaka dia tsy avelan'Andriamanitra amin'izao izany satria ny fahefana izay omen'Andriamanitra ny olona sahaza izany dia natao hanompoana ny vahoaka sy ny fikatsahana ny irosoan'ireo amin'ny fihainoana sy fankatoavana an'Andriamanitra... i Andry Rajoelina dia azo heverina ho tsy misy akory... ary tsy izy no olana (betsaka isika no diso hevitra ny amin'io fa handeha atao hoe samborina izy dia gadraina dia apetraho ao amponao ny fanontaniana hoe hilamina va ny vahoaka??? dia hanaiky ny maharary azy va ny vahoaka???)... satria na tsy izy aza no hijoro hilaza ho mpitondra ny hevi-bahoaka dia tsy ilaozan'izay iray hafa hijoro misolo azy eo... ilay vahoaka mihitsy no efa nikotrika aretina efa elaela ary nitroatra rehefa nisy tafahoatra ny tokony zakany ny niseho...

Handeha isika mianakavy tsy hihatsaravelatsihy, fa fantatsika ny zava-nisy sy ny zava-misy ary miara-miaiky isika fa misy zavatra tsy mazava saingy notakonantsika ny masontsika sy ny sofintsika na dia mihamahantra aza ny vahoaka, satria isika ihany no nametraka io fitondrana io... ka rehefa miseho ny marina na dia tsy amin'ny fahafenoany aza dia ahodinkodintsika ny marina ka na efa mibaribary aza ny tsy mety dia tsy mba nisy nijoro nananatra na nanoro hevitra na nirotsaka an-tsehatra mihitsy amin'ny fitiavana hanampy ny fitondrana... fa toa nampirisika aza... (na dia fantatra koa aza nefa fa izay sahisahy foana dia any am-pigadrana na voaroaka tsy miditra eto amin'ny Nosy intsony)

Koa ny hany ambarako dia ny tsy itsaharana mivavaka mba anehoan'Andriamanitra marina ny heviny ka aneken'ny olona rehetra ny voninahiny sy ny fandaharany...

Ho an'Andriamanitra anie ny voninahitra ary ho amintsika ny fiadanana ao amin'i Jesosy Zanany... mahereza daholo...
(copier/coller - tapitra)
20. Miharena ( 30/07/2010 06:33)
Misaotra an'i bor2lai nandefa io copier coller io fa marina sy mazava ny resaka rehetra voalaza ao.

Amiko ny zavatra mitranga amin'izao miseho amin'i Madagasikara izao dia ilay feon'ny vahoaka tsy mety tanteraka. Fa ny fangatahany ve marim-pototra sa tsia? azo tanterahana sa tsia? Iza no mangeja azy?

Amiko dia ny fitiavan-tena no manosika ny olona hamingana ny hafa. Tsy hita ilay FITIAVANA manome tsy misy takalony eo amin'ny tsirairay. Dia saritaka no misy.

Fa raha mivondrona ny olona mahitsy fo ka miasa mangina sy mivavaka dia handresy ny haizina isika rehetra.

Ny vavaka hataontsika dia ny fahaveloman'ny Fanahy Masina ao amin'ny olon-drehetra fa tsy ny gasy ihany satria ny firenena mangeja koa mila olona mahalala tsara ny Tompony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0765