Madagasikara

21. bor2lais ( 30/07/2010 13:19)
Miharena:

Amiko ny zavatra mitranga amin'izao miseho amin'i Madagasikara izao dia ilay feon'ny vahoaka tsy mety tanteraka. Fa ny fangatahany ve marim-pototra sa tsia? azo tanterahana sa tsia? Iza no mangeja azy?


Tiako ampiana ilay fanontaniana hoe :

- ny hetahetan'ny vahoaka ve = mahasoa ny Firenena ?
22. Miharena ( 30/07/2010 13:29)
Raha mirona any amin'ny hetaheta te-hanan-karena ilay izy dia nofinofy ihany izany fa raha toa kosa ka any amin'ny hetaheta hahatsiaro tena ary hahay hiaro ny maha-tany manankarena azy dia hahay hiasa hanasoa izany haren'ny taniny izany ireo vahoaka ireo dia mazava ny lalany.

Tsy ny tany no tokony hahasaro-piaro na ny mpitondra no hangatahana voa-tahamaina fa ny tsirairay no mila mahatsiaro tena dia miasa manasoa ny tandrifiny avy ahafahany mampisongadina ny taniny.
23. rijadolly ( 01/08/2010 13:41)

Tsy ny tany no tokony hahasaro-piaro na ny mpitondra no hangatahana voa-tahamaina fa ny tsirairay no mila mahatsiaro tena dia miasa manasoa ny tandrifiny avy ahafahany mampisongadina ny taniny.
Raha vao ny mpitarika no tsy tonga saina Miharena dia VERY NY HEZAKY NY MADINIKA A!
24. fijo ( 03/08/2010 20:37)
tsoriko hoe rah ambol atsy ampy fahalalan any gasy ,dia tsy handroso.tsy ny finoana ny sikidy sy ny tromba no olana,fa ny tsy fahampiann'y fahalalana.
25. ikaretsaka ( 04/08/2010 12:27)
Miombon-kevitra @ fijo
26. vonynive ( 30/09/2010 09:23)
LazaDaddy:

Raha mbola manjaka eto Madagasikara ny sampy, mosavy, sikidy, tromba, sy ny sisa rehetra mikasika ny firesahana amin'ny razana sy ny fanahin'ny maty ... dia aza mieritreritra akory ny hitsaharan'ny korontana sy hisian'ny fandriam-pahalemana

za kosa tsy mitovy hevitra aminao ka, vakio ange ny 2tantara7 :14 e, voalaza eo fa oe raha ny "oloko"... miala @ ratsy fanaony(oloko), fa Jehovah tsy niteny oe ny mpanompo sampy no miala @ ratsy fanaony an, izany oe isika kristiana miitsy no manao ratsy ka tokony hibebaka sady miala @ zany, ny fitiavambola ange ka sampy e, sns.., de refa miala @ ratsy isika de hihaino antsika ny Tompo, de ho resy ny sampy satria ny fahamasinantsika de mandresy ny fangidiana, ny fahazavantsika de mandresy ny fahamaizinana
raisiko ohatra koa i Jonah (ilay mpaminany ho any Ninive), refa tsy nety nanaiky an'Atra izy de nakorontan'Atra ny sambo, fa refa nanaiky izy de tony ny onja, noho i Jonah no nahatonga ny loza fa tsy ireo tsy mpivavaka niaraka taminy
koa tsy tokony hanilika isika oe iza no mahatonga ny loza eto fa avy amintsika kristiana io !
ambava homana, ampo mieritreritra e

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0071