ny hira ankehitriny

1. bobimarolahy ( 23/03/2010 20:11)
maninona ny hira ankehitriny no tsy mahari-daza?
misy milaza fa feno tenim-boto nefa raha mandinika aho dia misy hira koa taloha ary mbola be mpitady ankehitriny no misy tenim-boto ohatra LOLO sy ny tariny ry mahaleo, dia efa tsy mitombona iny izany.
misy milaza fa tsy feno ny angola ao anatiny mandalo fotsiny fa tsy mitoetra ao am-pon'ny mpankafy azy , marina ve izany?.
misy koa milaza fa nivadika ho tsena ny hira ka malaza sy hain'ny olona ankaterena dia hadinony vetivety, misy fahamarinany ve izany?.
misy koa milaza fa manenjika tsena ny mpanakanto ka tsy mamorona hira araky ny fony fa mamokatra hira hamidy, ahoana izany?.
aiza ary no tena marina satria raha nodinihina tokoa dia ny hira nivoaka taorian'ny taona 2000 dia nisavoan-danitra avokoa fa tsy nisy nitoetra.
tsapa anefa fa misy ihany ireo mpanakanto no mahavokatra hira ho an'ny taranaka na dia efa taty @ taona 2000 aza saingy ireo mpanakanto zokiny ireo fa tsy ny tanora.
misokatra ny adihevitra.
novalian'i milamm ny 12/04/2010 16:22
2. ikaretsaka ( 23/03/2010 21:04)
fijeriko manokana:

-le resaka arrangement sy rythme ... le "originalite" no tsy misy intsony fa lasa toa faly haka tahaka ny any ivelany fotsiny dia rehefa tsy lamaody any ivelany intsony ilay hira "nangalana inspiraka" dia iny koa fa lasa tsy malaza ho azy ilay hira

-lasa mitady zavatra "complexe" loatra dia tsy voaverin'ny bandikely mpitendry gitara eny ambony tamboho toy ny Lolo sy ny Mahaleo fahiny, na voatendin'ilay mpitendry piano rehefa fetim-pianakaviana..

-Mandeha be ny "karaoke" de tsy mivelatra loatra ny lafiny any @ fitendrena fa lasa maimay hitazona micro aby ny olona, dia very ilay "theorie" sy notion ana mozika
3. bobimarolahy ( 24/03/2010 09:05)
Ny eritreritro iray milaza fa tanora loatra ny ankehitriny dia miditra amin'ireny sehatra ireny ary izay no mahatonga ny hirany manaraka ny taonany, nefa na dia efa miha antitra aza izy ireny dia tsy mahatafavoaka hira natao aharitra mihitsy.
4. ikaretsaka ( 24/03/2010 11:50)
izay koa anisany. ka eo ko ilay hoe te hihira ohatran'i anona (ilay mpanakanto ankafiziny) nefa tsy mbola mahafehy akory.

amiko ny hoe mampateza ny hira 1 dia raha hoe samy vitan'ilay panakanto ny mihira an'iny ohatra hoe miaraka @ gitara iray (tsy asiako olana na izy na olona hafa ilay mitendry) na orkesitra be 1 manontolo le miaraka @ vilons sns ireny ... dia mivoaka foana ilay hira anefa...

ary fantany hoe izao no feo takany de fantany hoe aiza no misy mivalana sns...
5. soanja ( 24/03/2010 15:33)
bobimarolahy:

maninona ny hira ankehitriny no tsy mahari-daza?
misy milaza fa feno tenim-boto nefa raha mandinika aho dia misy hira koa taloha ary mbola be mpitady ankehitriny no misy tenim-boto ohatra LOLO sy ny tariny ry mahaleo, dia efa tsy mitombona iny izany.
misy milaza fa tsy feno ny angola ao anatiny mandalo fotsiny fa tsy mitoetra ao am-pon'ny mpankafy azy , marina ve izany?.
misy koa milaza fa nivadika ho tsena ny hira ka malaza sy hain'ny olona ankaterena dia hadinony vetivety, misy fahamarinany ve izany?.
misy koa milaza fa manenjika tsena ny mpanakanto ka tsy mamorona hira araky ny fony fa mamokatra hira hamidy, ahoana izany?.
aiza ary no tena marina satria raha nodinihina tokoa dia ny hira nivoaka taorian'ny taona 2000 dia nisavoan-danitra avokoa fa tsy nisy nitoetra.
tsapa anefa fa misy ihany ireo mpanakanto no mahavokatra hira ho an'ny taranaka na dia efa taty @ taona 2000 aza saingy ireo mpanakanto zokiny ireo fa tsy ny tanora.
misokatra ny adihevitra.

Ny hira tamin'ny fotoanandrony dia mifandraika foana matetika amin'ny zavanisy na tantara nolalovan'ny momba antsika (Malagasy) na kolotsaina io na politika.
Isika Malagasy dia nanana tokoa SOATOAVINA izay nitambarantsika sy nimatematesantsika tamin'izany ka nahairay sy nahaMalagasy antsika.

Na vitsy aza ny Mpanakanto tamin'izany dia ireo no "KITANA" noheverintsika ho andrandraina amin'ny lafim-piainantsika hanome fahafahana ny fihetsempontsika sarotra niloaka tamin'izany.

Indrisy anefa,

Tsara ny fivoaran'ny Teknolojia saingy manakilema koa izy entiny eo amin'ny fiainantsika.

Zary haka tahaka lava, zary te hisehoseho nefa tsy ampy vokatra tsara omena sy voahevitra na kalitao na hafa, zary mitia zavatra maivana ny mponina satria iny mba manala ny stress eo aloha, zary misidina ny nofintsika fa tsy mitombina amin'ny mahaMalagasy antsika intsony, very ilay soatoavina.....

Tsy isika irery anefa no mandalo izany traikefa izany fa firenana hafa maro. Lalam-piainan'ny izao tontolo izao izany. Mbola sambatra isika Malagasy manana ny tenintsika. Raha mankany Mexico izany ianao dia dila ilay teniny. Dila ny momba azy ireo. Setroka sisa.

Aoka hiezaka lalandava ny tsirairay hanindrahindra izay momba azy fa aoka kosa izay tsara no ho indraindraina fa aza manaiky zavatra tsy hitondra afa tsy amin'ny "fahafahan'ny taranakao".

6. milamm ( 03/04/2010 16:05)
ikaretsaka, tena mifanandrify @ le hira "mandry ve ny ao an-tanana" nohavaoziny jejy music orhestra io koziny zoky io
http://www.youtube.com/watch?v=iwQJcpXSpSE&feature=PlayList&p=7DF202B8287E48BA&playnext_from=PL&playnext=2&index=99
7. ikaretsaka ( 03/04/2010 20:19)
izao mihitsy ry milamm a
8. Ratoa ( 03/04/2010 23:44)
tsara aloha é!!!
Saingy raha ampisafidianina aho dia aleoko ilay nenti-paharazana fa itony efa somary niala amin'ny ba-kira malagy.
9. ikaretsaka ( 05/04/2010 00:38)
ka tsy ny safidinao ange no sujet eo ratoa e.. fa hoe inona no eritreretinao fa mampaharitra sy mampateza ny hira anankiray (izany hoe generations maromaro dia mahay sy mankafy azy aby )
dia ny anay sy i milam dia hoe mety @ ban-kira isankarazany (afaka atao gasigasy, afaka atao jazz, sns) ary afaka tendrena @ fitaovan-javamaneno (instruments) na 1 na maromaro, ka rehefa mandeha kely tsy ampy 1 minitra dia fantatra foana hoe : ilay hira ohatran zao izany
10. milamm ( 05/04/2010 13:39)
amiko ilay hira raha tsotra manintona ny sofina sy tsy mora lefiny fotoana ary tsara rindra,dia tsara izy izay satria maharitra.Eo koa ny fanantontoloina ny mozika sy kolontsaina eran-tany ka ilaina ny fanavaozana(na ban-kira na ny gadona ampanarahina ny toetr'andro)mila amporisihana ny toy ireny ,ny tarika jejy io oh de mitrandraka izany ary ny mpandrindra io hira nataony io dia nandalina conservatoire de musique nanataterahany izany na ny vazha aza dia tsy misy hafa oh(mendrika fampaherezana),tarika sovy(st petersburgh)milalao classic arindra @ gadona swing(jazz),zaraina ho an'ika sy reo mpankafy jazz

http://www.youtube.com/watch?v=v7SwdHZD6sI

http://www.youtube.com/watch?v=98y0Q7nLGWk&feature=related
11. Ratoa ( 06/04/2010 22:52)
Mba anontanio aho aloha hoe inona ny eritreretiko ka maha tonga ahy hisafidy ilay nenti-paharazana fa aza tonga dia manatsafa. Matoa aho milaza fa haleko ny avia noho ny havanana dia misy antony ao.
12. Ratoa ( 06/04/2010 23:02)
efa nisy efa ela itony karazandzavatra asehon'i milamm itony. Dans les années 1970 sns dia tena be dia be tokoa. Tsy mateza itony fa mandalo fotsiny na dia mahafinaritra ny sofina sy ny maso, ary ny saina aza. Satria itony lamaody sy "arrangements". Ny fahaizana hitoetra fa ilay vokatra handalo vetivety fotsiny ihany.
13. ikaretsaka ( 06/04/2010 23:28)
Ratoa:

Mba anontanio aho aloha hoe inona ny eritreretiko ka maha tonga ahy hisafidy ilay nenti-paharazana fa aza tonga dia manatsafa. Matoa aho milaza fa haleko ny avia noho ny havanana dia misy antony ao.

ka tsy izay anefa no sujet

14. Ratoa ( 07/04/2010 00:02)
tsy izay no heverinao ho ilay sujet fa izay ny vokan'ny fandinihana ilay loha hevitra rehefa avy nijery ireto mpanakanto aho: tsy ambarako ny antony hitako na heveriko fa tsy mampa-haritra ny lazan' ny hira ankehitriny: izay ny fahafahako na fisehoan'ny fahafahako.
Ny safidiko anefa dia lazaiko: izay koa ny fahafahako . Fa izay fahafahako izay koa dia miisa ho antony tsy mampahateza ny hira ankehitriny. haleoko ilay taloha, ilay nenti-paharazana toa izay itony "moderne" . Dia ny nenti-paharazana izany no handeha ho deraiko sy haparitako sy hitadiavako mpitia amin'izay lalana rehetra ho diaviko. Dia ezahako ho kolokoloin'ny tanora sy antitra fantatro ilay fehizay izay tiako. Donc: ao ilay sujet: nahoana no tsy maharidaza ny hira ankehitriny? Misy antony be dia be tsy mampaharitra ny lazany ka anisan'izany ny olona toa an-dratoa izay minia mampiely ny tranainy izay tsy mbola hita izay maha ratsy azy ka mihanina mijery fotsiny ilay vaovao dia miteny hoe: "tsara" . Dia mionona amin'izay. Tsy mampiely na manao izay itiavan'ny hafa azy.
15. soanja ( 07/04/2010 06:58)
milamm:

amiko ilay hira raha tsotra manintona ny sofina sy tsy mora lefiny fotoana ary tsara rindra,dia tsara izy izay satria maharitra.Eo koa ny fanantontoloina ny mozika sy kolontsaina eran-tany ka ilaina ny fanavaozana(na ban-kira na ny gadona ampanarahina ny toetr'andro)mila amporisihana ny toy ireny ,ny tarika jejy io oh de mitrandraka izany ary ny mpandrindra io hira nataony io dia nandalina conservatoire de musique nanataterahany izany na ny vazha aza dia tsy misy hafa oh(mendrika fampaherezana),tarika sovy(st petersburgh)milalao classic arindra @ gadona swing(jazz),zaraina ho an'ika sy reo mpankafy jazz

http://www.youtube.com/watch?v=v7SwdHZD6sI

http://www.youtube.com/watch?v=98y0Q7nLGWk&feature=related

Mampisana vava ahy ity raika lahy ity leroa!

http://www.youtube.com/watch?v=WowgEJw_B2k&feature=related

16. Ratoa ( 07/04/2010 13:39)
soajna!
mahay dia mahay ilay tovolahy kely. Saingy tsy tiako ilay "version" asehony.
Fehiny: tsy hampahafantatra na hanaparika io asa io mihitsy aho. aleoko ilay original, izay henoiko matetika ary ampahafantariko ny manodidina ahy , hatramin'ny mpiasa an-trano tsy nadia fianarana !
17. soanja ( 07/04/2010 16:00)
Ratoa:

soajna!
mahay dia mahay ilay tovolahy kely. Saingy tsy tiako ilay "version" asehony.
Fehiny: tsy hampahafantatra na hanaparika io asa io mihitsy aho. aleoko ilay original, izay henoiko matetika ary ampahafantariko ny manodidina ahy , hatramin'ny mpiasa an-trano tsy nadia fianarana !

Ie, samy manana ny tiahny ny ona!

18. soanja ( 07/04/2010 16:05)
Tadidio koa fa tsy izay taloha ihany akory no atao hoe mahaGasy na hoe Gasigasy na ban-kira gasy fa isika amin'izao fotoana aza dia afaka mamorona zavatra vaovao mampiavaka antsika na amin'ny alalan'ny feonkira na ny zavamaneno na ny dihy sns sns ... izay no mahatonga hoe teraka ny Kilalaka sy hafa maro tsy voatanisa ..... ireo dia hitoetra koa fa tsy izay efa nisy taloha elabe ihany no hitoetra.

Isika tsirairay avy no miezaka mitazona izay mety amintsika sy ankafizintsika ka azo koa aza holovan'ireo taranaka amam-para. Ny fahaizana mikajy / manao an'io/ mamindra an'io no mila ananantsika tsirairay izay te hampandova azy ny hafa maro.
19. ikaretsaka ( 07/04/2010 16:41)
Ka na hikajy aza anie isika ry soanja.. rehefa nohasarorin'ilay namorona an'ilay art liay izy sy namboariny ny sofina sy sain'ny mpihaino hoe raha tsy ny fihirany sy ny fitendriny ilay hira dia tsy izy sy tsy tsara..de miara maty aminy any koa ilay hira e..

Amiko ny hira mateza dia miainga @ flexibiliten'ilay artista aloha...fa na tenim-boto na fitenim-paritra ilay izy nefa afaka hiraina eny ambony tamboho @ na gitara vaky sy kabaosy 1 ny manaraka azyl na studio raitra mampiasa teknolojia vaovao @ alalan'ny vata maro hafitsoka isankarazany, na bandy avy any diego no mihira ilay hira @ teny avy any androy ohatra ha voalaza izay tokony ho voalaza... ka mbola mijanona sy fantatr'olona hoe "ilay hiran'i.... izay".. dia hira mateza izy izay
20. soanja ( 08/04/2010 01:18)
ikaretsaka:

Ka ilay notsiandriako eo ambony ny fahafahana angamba no tena izy amin'ny fikajiana azy na mamindra an'io ho lovan'ny taranaka dia mila fahaizana koa.

Ahoana no atao mba haharitra ny zavakanto iray??? izay no tena fanontaniana.

Dia ireo voalazanao ireo isany. Fa ao koa ny hoe raha namorona zavakanto iray aho, hira na tsianjery na dihy na ban-kira n'inona n'inona dia mila fantarinao hoe inona no nahatonga izany aingam-panahy izany ary ho an'iza ny nanaovanao azy. Hiantefa ho an'iza. Raha mamoron-kira ho an'ny vadiko fotsiny aho ohatra dia mazava ho azy fa dia tsy dia handeha ho aiza loatra fa satriny hijanona ho anay, saingy kosa raha ny fahafantaran'ny olona fa nisy namono tena namoron-kira ho ambadiny dia mazava ho azy fa sady halaza ilay namono tena no halaza koa ilay hira voaforona sns sns ohatra io an...

Toy ny entambarotra mantsy io. Tsy vitan'ny hoe mamorona dia samy miala fa maro koa ny hetsika atao miaraka amin'iny zavatra vao nivoaka iny hampalaza azy aloha , avy eo amin'izay ny hampateza azy eny an-tratran'ny mpanjifa na ny mpankafy dia ny fitiavan'izy ireo fa maneho azy ireo ilay zavatra novokarina.

Tadidiko fa tamin'i cousin-ko namorona hatsikana isan-karazany ka vao nanaomboka izany asa izany dia ny mpiasan'ny Radio RTM/ RNM no namany voalohany avy ny TVM dia avy nitatra... Ireny tsinona no manana ny fomba entina hanapariahana azy ary ireny koa mahalala ny fomba hanintonana ny fom-bahoaka. Mino aho fa amin'izao tsy misy tsy mahalala izany hatsikana sy ilay olona satria ilay tetezana tao no matanjaka, moa ny zavakanto rahateo tena miavaka sy ilain'ny olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4993