ny hira ankehitriny
21. rakapy
(
08/04/2010 09:05)
Hoy i Bobimarolahy
Ny hamaliako ny fanotanianao dia izao:
Tsy ho tsara na ratsy ny hira taloha na hoe ratsy na tsara ny hira @ izao fotoana izao ka hoe tsy mahari-daza. Samy manana ny mpitia azy izy ireo.
Marina tokoa ny voalazanao fa ny hira ankehitriny dia vetivety dia lefy laza. Ny antony dia tsotra ihany.
Tsy hoe tsy mahay manoratra tononkira na koa hoe tsy mahay milalao mozika ny olona ankehitriny fa kosa ny fotoana no tsy mitovy.
Tsy mitovy ny fotoana hoy aho satria raha jerena ny fahiny dia mbola vitsy ny media ka izay mahavita mandrakitra ny zava-bitany t@ kapila na k7 dia afaka ny hampiditra izany tany @ radio sy tele, izay mbola vitsy dia vitsy tokoa taloha.
Vokany: Nohon'ny tsy fahamaroan'ny safidy, dia matetika dia henonao mandeha matetika ilay hira. Maharitra aman-taonany maro indraindray ka lasa tsy adino am-bava sy ao an-tsaina.
Ankehitriny kosa:
Maro ihany koa ny mpanakanto mahay, ary efa maro ny media (Chaine Radio, tele, internet, mp3/4 sns...).
Misandrahaka izany ilay vokatra(hira) ary ny mpihaino koa dia samy manana ny chaine tiany henoina. Ny hira koa moa dia efa maro be ny mpamokatra azy. Noho izany be ny safidy ka lasa tsy mitovy ny t@ taloha intsony ny fahatezany.
Fehiny:
Mivoatra sy miaina ny zava-kanto ary manaraka ny teknolojia sy ny zava-misy ianantsika amin'izao.
Ohatra: Raha pile "wonder" no any fahita sy fampiasa taloha, ankehitriny kosa dia misy karazany maro izy ireo ary samy tsara sy azo ampiasaina daholo, hany ka tsy mety halaza tokana toy ny pile "wonder" fahiny intsony.
maninona ny hira ankehitriny no tsy mahari-daza?
misy milaza fa feno tenim-boto nefa raha mandinika aho dia misy hira koa taloha ary mbola be mpitady ankehitriny no misy tenim-boto ohatra LOLO sy ny tariny ry mahaleo, dia efa tsy mitombona iny izany.
misy milaza fa tsy feno ny angola ao anatiny mandalo fotsiny fa tsy mitoetra ao am-pon'ny mpankafy azy , marina ve izany?.
misy koa milaza fa nivadika ho tsena ny hira ka malaza sy hain'ny olona ankaterena dia hadinony vetivety, misy fahamarinany ve izany?.
misy koa milaza fa manenjika tsena ny mpanakanto ka tsy mamorona hira araky ny fony fa mamokatra hira hamidy, ahoana izany?.
aiza ary no tena marina satria raha nodinihina tokoa dia ny hira nivoaka taorian'ny taona 2000 dia nisavoan-danitra avokoa fa tsy nisy nitoetra.
tsapa anefa fa misy ihany ireo mpanakanto no mahavokatra hira ho an'ny taranaka na dia efa taty @ taona 2000 aza saingy ireo mpanakanto zokiny ireo fa tsy ny tanora.
misokatra ny adihevitra.
Ny hamaliako ny fanotanianao dia izao:
Tsy ho tsara na ratsy ny hira taloha na hoe ratsy na tsara ny hira @ izao fotoana izao ka hoe tsy mahari-daza. Samy manana ny mpitia azy izy ireo.
Marina tokoa ny voalazanao fa ny hira ankehitriny dia vetivety dia lefy laza. Ny antony dia tsotra ihany.
Tsy hoe tsy mahay manoratra tononkira na koa hoe tsy mahay milalao mozika ny olona ankehitriny fa kosa ny fotoana no tsy mitovy.
Tsy mitovy ny fotoana hoy aho satria raha jerena ny fahiny dia mbola vitsy ny media ka izay mahavita mandrakitra ny zava-bitany t@ kapila na k7 dia afaka ny hampiditra izany tany @ radio sy tele, izay mbola vitsy dia vitsy tokoa taloha.
Vokany: Nohon'ny tsy fahamaroan'ny safidy, dia matetika dia henonao mandeha matetika ilay hira. Maharitra aman-taonany maro indraindray ka lasa tsy adino am-bava sy ao an-tsaina.
Ankehitriny kosa:
Maro ihany koa ny mpanakanto mahay, ary efa maro ny media (Chaine Radio, tele, internet, mp3/4 sns...).
Misandrahaka izany ilay vokatra(hira) ary ny mpihaino koa dia samy manana ny chaine tiany henoina. Ny hira koa moa dia efa maro be ny mpamokatra azy. Noho izany be ny safidy ka lasa tsy mitovy ny t@ taloha intsony ny fahatezany.
Fehiny:
Mivoatra sy miaina ny zava-kanto ary manaraka ny teknolojia sy ny zava-misy ianantsika amin'izao.
Ohatra: Raha pile "wonder" no any fahita sy fampiasa taloha, ankehitriny kosa dia misy karazany maro izy ireo ary samy tsara sy azo ampiasaina daholo, hany ka tsy mety halaza tokana toy ny pile "wonder" fahiny intsony.
22. ikaretsaka
(
08/04/2010 23:11)
Rakapy> nisy ihany hira nataondry tata florent max sy ry danny sy nicolas ratsimandresy drindrangilo T@ zany fa tsy nateza ary misy tsy tadidy na vitsivitsy azo isaina @ ratsatanana no mahatadidy a..,,, mitanisa ialahy hiran polisy nationale ohatra na anzeline na bao angele... natao drindrangilo be T@ zany anefa fa raha quizz ena ny olona vitsy no mahay
Misy indray hira tsy de mpandeha loatra.. censure aza ny sasany t@ izany andro izany: fa kosa vo miteny ialahy hoe veleso le sareraka ohatran zao ohatra ..fa betsaka ny mahay sy ny mahatadidy... na le tritra taloha ireny...

23. rakapy
(
09/04/2010 08:32)
Ika> samy tadidin'ny olona ireny ireny hira natao dridrangilo ireny ka! Fa ny olana dia lasa diso popilera loatra dia tsy natsiro intsony. Raha ny momba an'i sareraka sy ny mitovitovy aminy indray dia satria noho izy ireo nahasahy nilaza ny fehon'ny vahoaka sy ny zava-misy dia tadidin'ny olona ihany koa.
Ny tiako lazaina dia hoe, moramora kokoa ny ahatadiavan'ny olona hira satria vitsy ny media taloha. @ izao kosa dia maro ka betsaka ny mpifaninana ary samy mahay, dia lasa tsy mateza intsony ilay fahalazana satria misy hira vaovao mipoitra foana ary samy tsara.

24. ravonjison
(
09/04/2010 12:47)
rakapy:
Ika> samy tadidin\'ny olona ireny ireny hira natao dridrangilo ireny ka! Fa ny olana dia lasa diso popilera loatra dia tsy natsiro intsony. Raha ny momba an\'i sareraka sy ny mitovitovy aminy indray dia satria noho izy ireo nahasahy nilaza ny fehon\'ny vahoaka sy ny zava-misy dia tadidin\'ny olona ihany koa.
Ny tiako lazaina dia hoe, moramora kokoa ny ahatadiavan\'ny olona hira satria vitsy ny media taloha. @ izao kosa dia maro ka betsaka ny mpifaninana ary samy mahay, dia lasa tsy mateza intsony ilay fahalazana satria misy hira vaovao mipoitra foana ary samy tsara.
Raha ny fahitako azy koa dia io efa voalazan\' i Rakapy io. Raha izaho indray no hanao ilay famintinana dia itý : @ izao fotonana izao dia tsy misy manana \" monopole \" @ fisarihana \" clients \" intsony ny zavatra tsirairay , indrindra ny hira , na dia tsara dia tsara, manaitra sy mahasarika olona betsaka aza ilay hira. Satria tokoa isan\' andro isan\' ora dia misy foana hiravaovao mivoaka, na gasy na vahiny,ireo hira ireo dia mifaninana tokoa . Sarotra @ mpihaino avy eo no hitazona hira iray maharitra, satria be dia be no azo tazomina. Rehefa mitazona hira be dia be indray anefa izy dia somary mihena ny lanjan\' ilay hira tsirairay ( kely ny fotoana hihirana azy, kely ny fotoana ahitna azy @ telé.....) .
Ankoatr\' io anefa dia itý koa mbola misy facteur iray : miankina @ hoe iza no namoronana ilay hira, ary azo hanaovana zavatra hafa ve ilay hira ( handihizana sns...). Raha natao hoan\' olona mihoatra ny 30 ans ilay hira , dia maharitraritra ihany ny lazany satria ny olona aorian \' ny 30 ans dia tsy dia miova hevitra be loatra intsony,ka iny hira iny dia malaza aminy ( sy ankafiziny) mandritra ny taona maromaro.Raha natao ho an\' ny olona kely noho ny 20 ans kosa ilay hira dia matetika tsy maharitra. Ny ankizy mantsy maharitra fotoana fohy ihany no tia zavatra iray, fa afaka herintaona dia efa hafa indray ny heviny mikasika ilay hira ( miankina mihitsy @ fiovana ara-batana sy ara-tsaina misy eo aminy).
Raha ny hoe azo hanaovana zavatra hafa ve ilay hira dia izao indray. @ izao fotoana izao dia be dia be ny activité ampiarahina @ hira : fety , fandihizana , sport sns. Ka ny faharetan\' ny lazan\' ilay hira dia miankina koa @ laza sy ny maha-araka ny toe-trandro ny hetsiketsika iray.
Ohatra :1- taloha , nisy fotoana izay tena nampalaza be ilay hiragasy iray izay ( tena ilay hira gasy ireny mihitsy), ary naharitra satria mbola be ny mpamadika sy atao matetika ny famadihana.Ilay hira mantsy tena mpandeha be @ ireny resaka famadihana ireny. Taoriana anefa dia somary mihena ny isan\' ny famadihana, dia nihena niaraka t@ izany koa ny lazan\' ilay hira.
2- Misy hira fandihizana salsa ireny atý . Ny salsa mantsy tena mirongatra be atý, dia malaza be koa ilay hira, nefa hira tsy aninontsianinona ireny. Ny mampaharitra azy fotsiny dia ilay hoe azo handihizana foana ilay izy. Ny olona manao entrainement sy mianatra ilay dihy mantsy dia misy foana, ny vaovao aza no betsaka.
25. rakapy
(
09/04/2010 13:43)
Dia mitovy fijery @ Ravonjison aho eo @ resaka io.
Io koa dia miankina amin'ny vanim-potoanany sy ny tsena . Satria dia tsena ny hira sy mozika. Tsena mitovy @ tsena rehetra.
Fahiny dia voatazona ela dia ela tokoa ny vokatra toy ny fiara, machine, tele sns... nefa nohon'ny fiovan'ny tsena dia niniana nataon'ireo mpanamboatra azy tsy aharitra ela intsony izy ireny satria tsy mampandeha ny tsena raha mateza loatra.
Ny tsenan'ny zava-kanto koa angamba nanaraka an'izany.

26. ikaretsaka
(
09/04/2010 18:44)
Dia nareo ve izany tsy mino fa raha misy hira malaza @ zao fotoana izao. Dia tsy halaza intsony iny rehefa afaka 10 na 15 taona? Vokatr'ilay izy hoe nandeha isaky ny chaine sy internet sns... amzao?
Amiko manokana misy mety halaza ihany @ ireny, raha mahafeno le nolazaiko hoe voavoakana gitara na piano 1 ilay hira ary voavoaka koa ana orkestra philarmonika 1 manontolo.
Tsy hoe pro mahaleo sy lolo za fa amiko manokana dia izany no mampateza ny hiran-dry zalahy ireny satria na gitara 1 eny ambony tamboho na philarmonics ana orkestra misy mpitendry amanjatony no manao "tablier manga" sy"farakely' dia "tablier manga" sy "farakely" ihany le hira

27. soanja
(
09/04/2010 22:44)
Aoka koa aloha hazava fa isam-paritra angamba izany resaka rehetra izany satria izay malaza any aminay any Diego aloha dia malaza foana fa izay any Antananarivo mety tsy dia halaza any aminay akory. Zany hiran'i Viavy Chila zany iza no tsy hahalala izany. Eny ambavan'ny ankizy na atoandro na alina.
Ohatra amin'izany i Lolo sy ny tariny. Tsy mba nahalala izay Lolo sy ny tariny izahay tany , ary i Mahaleo efa tany in-2 tonga tany na intelo vao nahafeno gymnase nefa koa aza Merina no nameno izany....
Tsy hoe akory hiditra resapoko fa izay maharitra dia toy ny soritrakanjon-tana ihany. Mifandray amin'izay tanana na faritra misy. Ireo tsy malaza ao Tana dia hitako fa tsy maty vonoina tokoa any amin'ny Antemoro ohatra.

28. ikaretsaka
(
09/04/2010 23:56)
Ka io ange tsy hoe ny "whole repertoire" ry soanja e..fa ny hira 1 na 2.. raha mahay ilay hira rehetra indray dia fan ianao izay...
Ohatran'ny hoe tsy hahay Hiran'i radama antoine 100% zahako ohatra fa haiko hoe hirany izany raha mande @ radio...
Inoako fa raha any diego ianao ka mihaino de mahalala hoe mahaleo izany
Na any toliara de hoe jaojoby izany na any bira ianao de hahalala fa sakelidalana izany

29. soanja
(
10/04/2010 00:18)
ikaretsaka:

Ka raha toa an'Ika aloha ny rehetra dia mety hahalala daholo saingy mino aho fa miavaka ianao raha atao hoe samy gasy mandadiharona. Satria ianao miaina ireo mozika isan-karazany sy mpitendry zavamaneno. Tsy azo oharina aminao ilay Malagasy tena Malagasy izany.
Ny tiako ambara dia tsy anarana gropy akory na olona iray no malaza/ mijanona ao an-tsain'ny olona any amin'ny faritra fa ny rythme entin'ilay hira sy ilay hira. Zany hoe tsy mahalala hoe iza ilay mpihira Kilalaka izy ireo raha any ambanivohitra any fa mahalala hoe Kilalaka izay dia arany daholo na ny tonony na ny filantony sady lasa izy mandihy. Tiany foana raha vao mihetsiketsika sy mampivoitra ny maha izy ireo azy ireo. Ka na ny malaza any Atsimo aza dia malaza koa any Avaratra. Tsy misy fe potoana mampalaza fa dia malaza foana na ny taloha na ny avaizo.
Ny antsika ao ampovoan-tany no mety ahitana io fanontaniana mipetraka io zany e! Nahoana no tsy mitoetra ireo hira isan-karazany?? Dia isany aloha amiko raha tany Mada aho 10 taona lasa izay dia hiram-bazaha aby no mandeha amin'ny chaines fihainoan'ny be sy maro ary na ry zareo ao aza tsa miteny gasy koa raha tsy indraindray satria izay no COOL e!
30. ikaretsaka
(
10/04/2010 02:15)
Dia I soanja ve mino fa hoe afaka 15 na 20 taona any afara any dia mbola hahalala viavy chila toa ny nahalalan'ny olona an'i jaojoby na izay mpihira nalaza tany diego t@ taona 80 tany ka mandrak'izao ny any diego?
Na ny nahalalan'ny tany Toliara ny vetson'androy t@ taona 80 ny kilalakao?
Eo mantsy le "hira mateza" (araka ny sujet) no mipetraka
Na ny nahalalan'ny tany Toliara ny vetson'androy t@ taona 80 ny kilalakao?
Eo mantsy le "hira mateza" (araka ny sujet) no mipetraka
31. rakapy
(
10/04/2010 11:41)
Aoka ho fantatsika koa fa tsy hoe ny hira Malagasy irery ihany koa no tsy mateza-laza intsony fa na dia ny hira internasionaly aza dia manaraka io vanim-potoana io koa.
Hoy Ika
Mety halaza tokoa fa miankina @ zavatra maroromaro no mety ahatanteraka izany.
Hoy Ika
Dia nareo ve izany tsy mino fa raha misy hira malaza @ zao fotoana izao. Dia tsy halaza intsony iny rehefa afaka 10 na 15 taona? Vokatr'ilay izy hoe nandeha isaky ny chaine sy internet sns... amzao?
Mety halaza tokoa fa miankina @ zavatra maroromaro no mety ahatanteraka izany.
32. soanja
(
10/04/2010 13:24)
ikaretsaka:
Dia I soanja ve mino fa hoe afaka 15 na 20 taona any afara any dia mbola hahalala viavy chila toa ny nahalalan\'ny olona an\'i jaojoby na izay mpihira nalaza tany diego t@ taona 80 tany ka mandrak\'izao ny any diego?
Na ny nahalalan\'ny tany Toliara ny vetson\'androy t@ taona 80 ny kilalakao?
Eo mantsy le \"hira mateza\" (araka ny sujet) no mipetraka
Ny hira no malaza dia satria mahalaza ny tian\'ny mpihaino henoana, miankina betsaka amin\'ny fampielezana azy koa. Amin\'io fotoana io dia matetika mila manova ilay hira izy hifanaraka amin\'ny ritma takian\'ny tanora ankehitriny, izany hoe malaza amin\'io fotoana io. Ka raha Dedesse ohatra tamin\'ny 40 taona lasa dia nalaza tokoa izy nefa nony teo amin\'ny 20 taona lasa teo dia lefy izy satria tsy tazana loatra, nony niverina an-tsehatra anefa izy 6 taona lasa izay dia nanova tanteraka ny ritma-ny hirany mba hankafizin\'ny tanora fa ilay hira iny hira iny ihany. Mba hiaina an\'iny indray ny antitra toa anay (hampatsiahy ny taloha) , moa ny tanora handray ny vokatra vaovao eo. Ny famerimberenana ilay hira ao amin\'ny radio , ny haino aman-jery ary ireo fety maro (misy mihitsy artista mahavita manome kopy sady mandoa vola amin\'ny mpampanao fety mba hamerimberenena ny hirany) henoin\'ny rehetra dia lasa mijanona tsy sazoka ao an-tsofin\'ny maro ilay hira aloha, avy eo amin\'izay lasa tiana satria any am-bavan\'ny hafa maro dia toy izay hatrany dia maharitra ilay hira.
Ka raha hiresaka an\'i Viavy Chila isika ohatra dia hoy aho hoe miankina tanteraka mihitsy amin\'ny fahaizany mikajy izany zavakantony izany ilay izy eny an-tratran\'ny mpanjifa, ka ireo voalaza eo ambony ireo. Ny hiran\'i Viavy Chila dia miresaka fiainana avaizo, indrindra ny fiainam-behivavy sy ny olana misy amin\'ny andavanandro. Iny dia mijanona tokoa tadidin\'ny tanora vavy satria mahalaza ny momba azy, moa ilay hira koa mitaky hetsika izay ilain\'ny tanora koa rehefa miaraka eo ry zareo. Noho izany raha mahalala manavao izy any aoriana raha toa ka lefy ilay rtma dia halaza foana izy fa raha tsy izay dia eo ianao dia hadino. Matetika anefa dia ny rthme any anindrana tsy dia mora miova loatra toy ny ao an-drenivohitra. Ny antsika ao ampovoan-tany dia mitaky lava izay malaza aty ivelany aty R&B ohatra. Hatramin\'ny oviana io ritma io no halaza???? Mety mandalo io dia lefy. Izay no maha Legend andry Bobo Marley sy ny hafa maro mitovitovy aminy satria ny azy dia miavaka be tokoa ny ritma ary mitory vanimpotoana iray nolalovan\'ny olombelona. Noho izany hijanona ela eo an-tratran\'ny be sy maro misy olona tsy hihaino afa tsy io lantonkira io ary misy faritra tsy hihaino lanton-kira hafa afa tsy io matetika.
Tsy dia mipetraka any Atsimo aho aloha fa raha mpandalo any aho dia mihevitra aho fa tsy dia araky ny olona any Ejeda izay Vetson\'Androy satria tsy dia mihaino izany ry zareo fa ireny hira Kilalaka malaza ireny no heno tsy tapaka. Fa raha mahay manavao ny hirany ry zareo ary mety efa manao izany fa za no tsy maharaka dia halaza tokoa foana.
33. ikaretsaka
(
12/04/2010 14:08)
le "malaza" sy "mateza" eto no hitako fa mifangaro mantsina be
ny hira mateza tsy voatery halaza fa ny hira malaza nomisy mety hateza na tsia....
fa na izany aza ity misy tononkira iray mba himemehezana andro alatsinainy e
ny hira mateza tsy voatery halaza fa ny hira malaza nomisy mety hateza na tsia....
fa na izany aza ity misy tononkira iray mba himemehezana andro alatsinainy e
Fa lasa mpihira i Rakoto, dia lasa mpihira i Rabe
Dia nihira koa i Madama, dia nihira koa i Ramose
Ka indro nahita an'izany, dia nihira ny iray fokontany
Ka tsy olona ambony tsy ambany dia nihirahira fahatany
Dia nihira koa i Georgette, dia nihira koa i Paquerette
Tao anaty fotoana vetivety, dia feno artista ny tampon-tanety
Ka na mety ilay izy na tsy mety, dia avoaka CD sy kasety
Sitrany ahay mba ho lasa vedety, hipoitra gazety sy amin'ny internet
Sitrany ahay heno amin'ny radio, sitrany ahay miseho tele
Dia mandeha manao studio, mihira daholo ny daholobe
Dia nihira ny mpanao afera, dia nihira koa ny pasitera
Ny evangélique ery midera, ny tropical ety mampiseho deriera
Izany Rakoto ny aty aminay
Lasa mpihira avokoa izahay
Na mahay io na tsy mahay
Ilay zava-kanto mba tokony hilay
Ataon'ny sasany ala safay
Tena mahasosotra mampikolay
Izany ho'aho ry Dada no aty aminay
Toa mpanakanto avokoa izahay
Na mahay io na tsy mahay
Ilay kolontsaina mba tokony hilay
Ataon'ny sasany ala safay
Mampikolay tena mahasosotra e
Dia nihira koa i Théophile, dia nanaraka koa i Basile
Lasa style-n'ny aty amin'ny ville hoe te ho artiste daholo ny kill
Isan'andro mandritry ny taona, dia misy mipoitra eny foana
Izay antony tsy hay hoe ahoana, fa mihira avokoa izay tsy moana
Dia nihira koa i sipabe, izay ratsy feo fa tsara fe
Efa tazana tamin'ny tele, mampandihy fitombenana be
Fa ny sasany manao clip e, dia tsy vitan'ny mitsikitsiky e
Fa tena tsy menatra mihitsy e, fa asehony hatramin'ny slip e
Sanatria aho raha manisy sira, tsy maneso na maniratsira
Fa misy sasany amin'ireo hira no mampi-te hanary any anaty zôridira
34. soanja
(
12/04/2010 14:59)

bravo Bravo!!!!! Misaotra nizara fa tena mahalaza azy tokoa. Ny mateza sy ny malaza tokoa ny mahamantsina eto!
:-D :-D