Ny asan'ny Mesia , ny asan'ny Mazava
1. maikha
(
11/12/2009 13:30)
Miresaka fahatongavan'ny noely isika, noho izany miresaka ny fahatongavan'ny Mesia sy ny asan'ny Mesia, rehefa miresaka Mesia dia miresaka an'i Jesoa Kristy, Jesoa tsinona no Ilay Mazava , tontolo feno haizina no novantaniny teto an-tany ,feno haizina satria na ny mpitondra ara-pivavahana na ny mpitondra fanjakana dia samy nitoetra tamin'ny fahalovana sy ny haizina ( Heroda no mpanjaka, PIlato no governora, Kaiafa no mpisoronabe ).
Ny asan'ny mazava = asan'i Jesoa, dia mampiharihary izany faharatsiana izany ary mitondra ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pon'ny olona IZAY TE-HINO AZY.
Ny mino dia manatona ny mazava satria tsara ny asany fa ny tsy mino kosa dia mandositra ny mazava izy satria ratsy ny asany. JAONA 3.16, 19 - 21.
[i]Ary izany no mbola miseho hatramin'izao ifanaovantsika serasera eto izao, ny mino dia mahasahy mijoro vavolombelon'ny fahatsaran'ny mazava ao aminy (dia ny fananany ny fitiavan'Andriamanitra ) fa ny tsy mino kosa dia matahotra ny mazava satria ratsy ny asany.[/i]

novalian'i niryna ny 23/12/2009 04:13
2. cutie
(
15/12/2009 14:07)
Ny asan'ny mazava = asan'i Jesoa, dia mampiharihary izany faharatsiana izany ary mitondra ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pon'ny olona IZAY TE-HINO AZY.
tsy hitovizako hevitra :D
3. maikha
(
16/12/2009 13:17)
Ny asan'ny mazava = asan'i Jesoa, dia mampiharihary izany faharatsiana izany ary mitondra ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pon'ny olona IZAY TE-HINO AZY.
Te-hanazava amin'i cutie sy ny namana rehetra aho, fa tsy voatery hitovy hevitra tokoa aloha, mety misy point sensible voatohina any ho any mantsy....
Alaivo sary an-tsaina ange : alina ny andro,maty ny jiro, maizina be ao anaty efitrano satria tsy misy taratra hazavana na kely aza.Raha amin'iny fotoana iny ianao no mampirin-trano na mandamina fanaka: tsy misy na inona na inona vita TSARA fa vao mainka aza hikorontana be ary mety ianao indray aza no mandona vazy na midona amin'ny latabatra ohatra ka mety haratra...
Rehefa mirehitra kosa ny jiro ka mazava be , dia inona no asan'io mazava io : moa tsy mampiharihary izay korontana ratsy mameno ny trano teo ve ary mitari-dalana anao hanao fandaminana tsara sy mahafinaritra ary maha-te ho tia, efitra mahatamana no onenanao noho ny asan'ny mazava, izay ilay ohariko amin'ny FItiavan'Andriamanitra.

4. cutie
(
16/12/2009 21:08)
non tsy zay ny fandrasaiko azy ry maikha
Ny asan'ny mazava tsy hampiharihary anao mitsy ny asan'ny maizina. Ny asan'ny mazava amiko manilo anao, mampahafatantra anao we misy ny jiro fa tsy voatery hianona @ maizina ao enao. Raha oul miaina ao anatin'ny haizina manko de iny ihany no fantany fa ny mazava manoro anao we misy lalana hafa tokony aleha. In ny antony hanamarinana we ratsy le haizina raha zany. ignorance io amiko fa ny mazava fahalalana.

5. fijo
(
16/12/2009 21:45)
tontolo feno haizina no novantaniny teto?????mino izany ve ianao?izany hoe ireo lazainareo fa olomasina tamin'ny testamenta taloha izany kay olona tsy manjary daholo fa lainga fotsiny?????hummmmm hevitra koa izany an
8. cutie
(
16/12/2009 21:50)
samy manana ny inoany io e :D misy ny mahagaga misy ny tsy mahagaga :-D
9. fijo
(
16/12/2009 21:51)
ny mahagaga anie dia izao e,samy inoany fa "baiboly"na ny testamenta taloha na ny vaovao,nefa lazainy fa maizina ilay talohan'ilay vaovao,ka very tanteraka ny saikeliko naika hino
12. cutie
(
16/12/2009 21:56)
samihafa ny inoanay ka :) za mino fa ny mazava mitari-dalana anao, fa tsy vo maika we mampiharihary ny maizina :-D
15. niryna
(
17/12/2009 05:43)
fijo:mba azavao kely ny tianao resahina eto azafady ?
tontolo feno haizina no novantaniny teto?????mino izany ve ianao?izany hoe ireo lazainareo fa olomasina tamin'ny testamenta taloha izany kay olona tsy manjary daholo fa lainga fotsiny?????hummmmm hevitra koa izany an
16. niryna
(
17/12/2009 05:49)
maikha:fa raha manana fahazavana kosa isika ka mizara izany dia hazava ny rehetra ka
Ny mino dia manatona ny mazava satria tsara ny asany fa ny tsy mino kosa dia mandositra ny mazava izy satria ratsy ny asany. JAONA 3.16, 19 - 21.
Ary izany no mbola miseho hatramin'izao ifanaovantsika serasera eto izao, ny mino dia mahasahy mijoro vavolombelon'ny fahatsaran'ny mazava ao aminy (dia ny fananany ny fitiavan'Andriamanitra ) fa ny tsy mino kosa dia matahotra ny mazava satria ratsy ny asany.
[/quote] mizara sy mijoro vavolombelona izy satria mahagaga sy tsara ny asany ka,mitarika ny tsy mbola manana izany fahazavana izany koa ny olona satria mahafantatra ny hatsaran'ilay hazavana,mety mitady fahazavana anefa ny olona ary mety mbola tsy mitatady saingy rehefa nomena azy ny fahazavana dia ampy ho antsika izay fa Atra no mikolokolo ny ambiny raha toa ka miezaka ny hitady Azy izy ary raha toa ka anao fanandramana ihany koa
:D
17. niryna
(
17/12/2009 06:11)
cutie:
non tsy zay ny fandrasaiko azy ry maikha
Ny asan'ny mazava tsy hampiharihary anao mitsy ny asan'ny maizina. Ny asan'ny mazava amiko manilo anao, mampahafatantra anao we misy ny jiro fa tsy voatery hianona @ maizina ao enao. Raha oul miaina ao anatin'ny haizina manko de iny ihany no fantany fa ny mazava manoro anao we misy lalana hafa tokony aleha. In ny antony hanamarinana we ratsy le haizina raha zany. ignorance io amiko fa ny mazava fahalalana.
Raha fanoharana no itondrako azy dia mety ho hazava kely angamba e,ny olona manana an'Atra dia miseho amin'ny fiainany andavan'andro rehetra ataony izany,misy olona mangetaheta hoe fa maninona hianao no falifaly lava dia eo ny olona no mitantara ny fitiavan'Atra azy.
Satana dia mitady amotika antsika foana ary raha madio ny tranontsika dia tsy tafiditra izy,raha miezaka manao ny marina,mivavaka manankina ny fiainantsika amin'Atra ary mino tanteraka fa izy no tompo sy mpamonjy antsika,mitady antsika ho potraka foana no asany ary mampahafantatra antsika lainga maro be ka raha tsy mahafantatra isika sy raha kely ny finoantsika amin'ilay Atra dia voajono isika.
Ireo olona izay manana jiro dia manazava ny manodidina azy toy ny varavarankely mihidy ka raha misy taratra avy any ivelany dia hita mazava ny trano,toy izany koa ny mpino,fantatra izany ary ireo mangetaheta izany jiro izany dia mitady sy manatona ary mifandresy lahatra mitantara ny asatanan'ilay mahery.
Misy tsy manana hery anohitra izany fa tsy mino na mino fa tsy tena mino dia voageja izy ka na dia mitady jiro aza izy dia mila ampiana ary izany no mahatonga antsika mivavaka olona mba ho hery lehibe avy amin'Atra no anampy azy,isika dia tsy afaka mahavita tena fa mila ilay fanahy masina manampy antsika
Ny olona ao anatin'ny loto dia mahafantatra fa mandoto ny tenany izy saingy misy izy tsy afaka ao ary dia mbola ao anatin'ny aizina foana izy,misy kosa mitady jiro,mangataka ilay Atra mba anavotra azy hiala ao anatin'ilay filomanosana ny ota ary dia afaka tokoa satria tao anatin'ny aizina izy no nitady hazavana ary dia nahita izany ka afaka niala tao anatin'ilay aizina.Raha ao anatin'ny aizina kosa isika ka tsy tia hazavana dia ao anatin'ilay aizina ihany ary tsy ho afaka ao raha tsy misy manala tao na isika ihany na vavaka avy any ivelany.
Ny aizina tenenina io dia ny fahotana manasaraka antsika amin'Atra ,zavatra tsy tokony atao fa mampalahelo an'Atra kanefa mbola ataontsika ihany.
Ilay hazavana indray dia ilay kristy no manana anarana hazavana,tonga tety an-tany izy nanome izany fahazavana izany:famonjena,fahamarinana,nampianatra ny teny izay nomen'Atra antsika,saingy misy ny mandray ary dia nahita fahazavana koa ilay olona ary mizara izany fahazavana izany,misy kosa ny tsy mino na midohika sy tsy mety mino dia mbola ao anatin'ilay aizina foana izy.
Mety misy iteny hoe mampiova inona no ahitako fahazavana na ipetrahako ao amin'ny aizina? isika ihany dia efa mahafantatra izany,manana fifaliana ve aho,manana fanantenana ve aho,manana fitiavana ve aho,mizara izay kely nomena ahy ve aho sa mifanohitra izany? tezi-dava ary tezitra foana isaky ny mahita olona mizara ny tenin'ATra < ka mahita teny anoherana an'iny foana,mahatsiaro tena ho sambatra amin'ny fiainana ve aho fa manana ilay Atra sa hoe misy fahambangana amin'ny fiainako kanefa tsy mety feno mihitsy ary tsy fantatro io fahambangana io ? mialona lava ve aho,be fiafonafonana,be fanamboniantena ve,feno fankahalana ve ? feno tebiteby sy izay teny tenenin'ny olona dia mahita lesoka sy tsininy foana aho? milona ao anatin'ny fahotana ve aho ka tsy tia hiala ao fa mankafia sa te hiala kanefa tsy afaka? fahazavana no misy amin'ny fiainako sa ny aizina no mandrakotra ny fiainako ?
18. cutie
(
17/12/2009 17:59)
ilaina le mazava ary efa mazava we iza in le mazava ery ambony, ny tsy iombonako hevitra fotsiny de we vo maika ve mampiharihary ny maizina le mazava??? tsy vo maika ve mampahiratra ny maso le mazava??? adino tanteraka le haizina teo :D fa tsy we mampahiratra ny maso hahita le haizina ndray le mazava :D
19. fijo
(
17/12/2009 21:14)
niryna an,milaza izy fa tonga razezo vao tonga ny mazava,ny testamenta taloha anefa milaza fa olomasina ireo voatantara ao.ka raha hoe tonga razezo vao nisy ny "mazava"midika izany fa haizina ,ny taloha.
mazava kokoa ve le haizina be?
mazava kokoa ve le haizina be?
20. xxx
(
18/12/2009 03:25)
Tsara angamba jerena ihany ny Mazava tian'ny Tompo ampitaina.
Ao amin'ny Jaona 17:3 Izy no milaza izany dia ny Fiainana mandrakizay, izay fahalalana an'Andriamanitra Tokana sady Marina sy Jesoa Kristy efa nirahina.
Fahalalana no manome fahazavana. Koa mila mitrandraka an'Andriamanitra Izay namorona antsika hitovy endrika Aminy isika dia Mazava amin'izay.