Ny asan'ny Mesia , ny asan'ny Mazava

21. xxx ( 18/12/2009 03:31)
Tsara angamba jerena ihany ny Mazava tian'ny Tompo ampitaina.
Ao amin'ny Jaona 17:3 Izy no milaza izany dia ny Fiainana mandrakizay, izay fahalalana an'Andriamanitra Tokana sady Marina sy Jesoa Kristy efa nirahina.

Fahalalana no manome fahazavana. Koa mila mitrandraka an'Andriamanitra Izay namorona antsika hitovy endrika Aminy isika dia Mazava amin'izay.

22. niryna ( 23/12/2009 03:57)
fijo:

niryna an,milaza izy fa tonga razezo vao tonga ny mazava,ny testamenta taloha anefa milaza fa olomasina ireo voatantara ao.ka raha hoe tonga razezo vao nisy ny "mazava"midika izany fa haizina ,ny taloha.
mazava kokoa ve le haizina be?
efa niaraka tamin'Atra hatramin'ny voalohan'i kristy ry fijo a
jereo ny fanazavana omeko anao araka ny teny ao amin'ny soratra masina

ary io ambony io koa misy fanazavana kely nomen'i xxx mikasika ny hazavana ry fijo a

ny testementa taloha dia manazava fa nomena azy ny mazava fa tsy nety nandray izy,niseho taminy kristy kanefa tsy nety nandray azy ireo sasany fa izay nandray azy kosa dia efa tonga zanak'Atra ,ny mpaminany dia efa nahafantatra fa ho avy Messiah na ilay Atra ao amintsika"God with us"

ny baiboly anie no manazava izany koa ry fijo e
Andao anie jerena ny teniny ao amin'ny Jaona 1 e
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

TENY=ANDRIAMANITRA


3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

Iza io izy io? kristy,raha tsy nisy izy dia tsy nisy hary izao rehetra izao hoy ny teny voasoratra

4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

Iza io izy resahina eto foana io? i kristy

Eto dia manazava ny tenin'Atra dia efa nisy raha mbola tsy ary izao rehetra izao,i kristy no tenenina eto satria Atra koa izy araka ny teny eto,fahazavana koa izy,izay manazava ny olona

5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. 2[Na: tsy nahasakana azy].
na dia niseho teo amin'ny olona aza i kristy dia nisy tsy nandray ,na dia tao anatin'ny aizina aza izy hanazava ireo olona dia tsy nety nandray azy ireo olona sasany saingy maro kosa no nandray azy rehefa nasehony tamin'ny mpianany ny voninahiny

Toy izany koa isika na dia toriana foana aza ny fitiavan'ilay ATra antsika sy ireo fahasoavana nomeny an'ireo mpitory Azy dia misy mbola manamafy ny fony foana ary tsy mety mino izany

9Tao ny tena Mazava [Izy no tena Mazava.] Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.

MAZAVA =IZY =KRISTY

10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy
.:arrow: iza no teo amin'izao tontolo izao? I KRISTY,ARY IZY NO NANAOVANA IZAO TONTOLO IZAO

11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
:arrow: ary teto koa dia mbola fanoharana hatramin'izao fa ny mpaminany tsy masina an-taniny,na dia nasehony tamin'ireo rahalahiny sy anabaviny aza ny fampianarana dia tsy nino azy izy ireo
Tadidinao ny fampianarana noresahiny,iza no reniko,iza no rahalahiko? rehefa nitady azy ireo rahalahiny sy ny reniny?
ny reniko sy ny rahalahiko dia ireo izay mihaino izay naniraka ahy hoy izy
ary mbola nanamafy ihany koa izy fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino ny fahagagana nasehony
Toy izany koa isika na dia efa aseho sy habaribary lava aza ny fahasoavana nomeny ny mpitory dia misy vao maika manamafy ny fony,dia tsy misy azo atao afatsy ny mivavaka azy ireo mba ny tanan'Atra no hiasa azy ireo



12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
isaorana kosa anefa Atra fa na dia nisy aza tsy nahalala azy dia mbola misy ary nisy foana kosa nandray azy ary dia andova hiaraka aminy koa ireo satria lasa tonga zanany izay mino azy

14
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana


Farany:naka ny nofo toa antsika izy:nahita fahoriana,nijaly,noenjehina,
nororana,novonoina ary nibaby ny helontsika izy,ny rany no nanadiovana ny fahotantsika ary dia nisy maro no nino izany ary mbola mino izany satria nahita ny voninahiny ary mbola maro koa no hino Azy satria ny teniNy dia tsy ho levona mandrakizay ary tsy maintsy ho voahely erak'izao tontolo izao,serasera ity no efa santionany ry fijo a

Izay rehetra mitady ilay HAZAVANA dia ahita tokoa fa raha mbola tia mijanona ao anatin'ny maizina izy dia tsy ahita izany fahazavana izany mihitsy

Inona izany fahazavana izany? ilay kristy no fahazavana
Inona izany maizina izany? ireo izay mbola tsy mahita na mahatsampa ny fahasoavana nomen'Atra azy isan'Atra fa voa maika manamafy ny fony ary tsy mety mino azy dia mbola ao anatin'ny aizina foana

23. niryna ( 23/12/2009 04:13)
cutie:

iombonako hevitra fotsiny de we vo maika ve mampiharihary ny maizina le mazava??? tsy vo maika ve mampahiratra ny maso le mazava??? adino tanteraka le haizina teo :D fa tsy we mampahiratra ny maso hahita le haizina ndray le mazava :D
raha izaho no mamaky ilay fanontanian'i cutie dia vo maika ve mampiharihary ny maizina ilay mazava?
atao ohatra hoe andeha ao anatin'ny tunnel maizina be i cutie,mahita lalana ve hianao? mety voadona ny tongotra,mety mitsorapatrapaka vao afaka fa dia mihiratra ny maso saingy ao anatin'ny maizina
raha toa kosa ka misy lampe de poche manazava dia ahita lalana hianao
toa izany koa i kristy jiro fahazavana ny rehetra izy,izay zavatra ratsy ataontsika izany ka esorintsika fa fantantsika fa ratsy dia tsy anao ani'iny intsony isika satria nahafantatra,mahalala fa manao ratsy ve ny olona iray?
hoe aza mandray an'io fa mamay io dia tsy sahy mandray izy,rehefa tsy mihaino kosa izy ka mandray dia mikiakiaka ary mahafantatra fa nanao ny tsy mety satria efa notenenina kanefa mbola nandray ihany dia may avy eo
misy anefa olona izay milona ao anatin'ny fahotana,mahalala fa tsy mety ilay izy kanefa ny filan'ilay nofo no mahery ao aminy ary dia manao ihany izy na fantany aza fa tsy mety,msy kosa anefa dia efa tafapaka loatra ary tsy afa bela ka mila vonjy ary mila ny hafa amonjy azy,dia ny fianakaviany no mivavaka azy mba ho voavonjy koa izy satria tsy ho vitany irery ny itolona amin'ilay hery mahery iray ao anatiny,tsy mahatohitra ny fanahiny satria mahery ny herin'ny ara-nofony ary dia tsy ho afaka izy raha tsy misy mpanampy sy mitady vonjy.
tsy vao maika ve mampahiratra ny maso ilay mazava ?
hoy ny tenin'Atra hoe manana maso kanefa tsy mahita ,manana sofina kanefa tsy mandre :arrow: na itan'ny masony aza ilay izy rehefa mbola ao anatin'ny maizina izy dia tsy mahita fahazavana ka,tsy mahita, tsy maheno ary izay no zavatra atahorana satria nanao fanoharana mikasika izany i kristy,rehefa nomena azy ireo ny fahazavana dia tsy nety nandray izy(ny jiosy ireo) ary dia nomeny ny jentilisa ilay izy,toy izany koa isika,omena ny teny ,toroina ny fitiavan'Atra kanefa isika vao maika manohitra dia omen'Atra fo lentika isika ary vao maika mihamafy ny fontsika ka dia tsy ahita fahazavana isika,enga anie ka mba tsy ho tonga amin'izany ireo izay mbola tsy nandray azy


:-* Ny fahasoavan'ilay Tompo mahery anie ho ao amintsika mandrakariva.Amena !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0071