Olo-marina

1. LazaDaddy ( 21/10/2009 22:23)
Olo-marina i Jesosy
novalian'i rakaroka ny 24/10/2009 15:51
2. soanja ( 21/10/2009 22:33)
Izy aloha tsy olon-diso e. Porofoy anefa ny maha-marina azy ary! :D
3. LazaDaddy ( 21/10/2009 22:36)
LazaDaddy:
Olo-marina i Jesosy
soanja:
Izy aloha tsy olon-diso e
=D
4. ikaretsaka ( 21/10/2009 23:50)
Porofoy ary
5. LazaDaddy ( 22/10/2009 00:43)
6. soanja ( 22/10/2009 01:27)
Nahoana no lazaina fa marina i Jesoa? Miandry an'i Laza zany izahay.
7. LazaDaddy ( 22/10/2009 01:48)
soanja:
Izy aloha tsy olon-diso e
=D
8. rakaroka ( 22/10/2009 04:43)
Ary angamba tsy mitovy ny olona eo imason'i Jesoa raha toa marina ilay teny hoe "tsy ianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo!"
Mifidy olona izany izy :!: : marina ve izany? 8O :roll: :?:
9. ni81 ( 22/10/2009 05:35)
IJaona 5:20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay
10. mia ( 22/10/2009 09:34)
rakaroka:

Ary angamba tsy mitovy ny olona eo imason'i Jesoa raha toa marina ilay teny hoe "tsy ianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo!"
Mifidy olona izany izy :!: : marina ve izany? 8O :roll: :?:



isika koa anie manan-tsafidy na hanaraka AZY na tsia e! fa saingy izao , ny famonjena vitany teo @ hazo fijaliana dia hoa an'ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka fa tsy olona notsongaina
11. hery ( 22/10/2009 10:23)
Marina = juste izany hoe tsy miangatra.

Rehefa tsara dia omena valisoa, rehefa manao ratsy dia faizina.

Marina i Jesoa... fa izany hoe be indrafo.
12. ikaretsaka ( 22/10/2009 11:00)
Hoy I tpkl mompera Razafintsalama izay hoe tsy dia mety loatra ny mametraka mpamari toetra rehefa hiresaka olona 1 ka tsy hanantena fa de hiombona fijery aminao aby ny olona...
13. LazaDaddy ( 22/10/2009 11:10)
ikaretsaka> ka ise anisan'ilay miombona fijery amin'ireo milaza fa "lol-marina i Jesoa" sa anisan'ireo tsy manaiky fa "olo-marina i Jesoa"?
14. LazaDaddy ( 22/10/2009 11:11)
ikaretsaka> ka ise anisan'ilay miombona fijery amin'ireo milaza fa "olo-marina i Jesoa" sa anisan'ireo tsy manaiky fa "olo-marina i Jesoa"?
15. ikaretsaka ( 22/10/2009 11:22)
Za r'ianona neutre @ io.satria za aloha olona ihany avant tout....donc maka position an'olona; misy zavatra maro maha marina azy misy zavatra maro ni accuser'ny olona azy.
Moa tsary mpitsara aho...raha miteny ahako hoe marina izy na tsy marina...tsy misy fahefako ka hoe lasa zao izy raha lazaiko ho izao!
De aleoko tsary miteny
16. rzakarivola ( 22/10/2009 12:59)
Soanja, Ika >> Misy ny justice sy vérité, samy izy daholo ireo.
IL est juste : karohy izay hitanareo fa hadisoany! Diniho ny teny nambaran'ny lelaNy raha misy diso (injuste) na iray aza.
IL est vrai : ny tantaraNy dia mampiseho fa na izy olona adala ka nanaiky ho faty nefa tsy meloka akory, na marina tsotra izao izay nolazaiNy. Ny olona mety hanaiky ihany ho faty noho izay olo-marina, misy aza efa diso mitsoaka tsy manaiky hovonoina. I Jesoa Kristy niala ny famonoana foana raha tsy tamin'ny fotoana voatondro. Niteny foana Izy ary namaly foana ambara-pahatongan'ny fotoana voatondro hanginany.
Ny tantara voasoratra mety ho azo noforonina ihany ka mety ho hoy ianareo hoe : inona no manaporofo fa marina izany voasoratra izany ? Ny manaporofo fa marina izay voasoratry ny BAiboly momba Azy dia ireo mpianaNy, ireo izay manana fifandraisana manokana amiNy, mahita an'ireny ianareo, mandre ny feon'ireny ianareo. Mety misy ny olona entanim-po taitaitra, mety misy ny olona mpamitaka sy mpisandoka, misy izany, saingy na misy aza izany, misy mihitsy ny olona izay ahitanareo ny fiainan'i Jesoa Kristy marina, ahenoanareo ny teniNy tsy misy fangaroNy, tsy mahavita an'izany ireny olona ireny raha tsy noho izay fifandraisaNy manokana amiNy izay, porofon'ny fahavelomaNy (donc fahamarinany : vérité). Ho ahy manokana, izaho no nandre Azy namaly ny fanontaniako, mahafantatra olona hafa aho manana témoignage toy izany koa, tsy hoe olom-pantatro fa hitako ny tantaran'ireo olona sasany ary fantatro fa marina satria izaho tenako niaina ilay izy. Tsy manana porofo mihoatra an'izay aho, fa ianao tenanao koa raha mitady ny marina amin'ny fonao dia hahita marina fa Izy dia marina, Izy no Fahamarinana.
NB : Tsy ny fitadiavana porofo no nitenenaNy ireo olona sasany, fa ny tsi-finoan'ireo. Misy ny olona te-hino ka mitady porofo, misy ny olona curieux fotsiny. Ny olona mangetaheta fahamarinana dia homen' Andriamanitra izay porofo ilaina rehetra hahafantarany ny marina, ny olona curieux fotsiny kosa dia tsy hahalala na mahita aza.
17. soanja ( 22/10/2009 13:15)
rzakarivola:

Misy ny olona te-hino ka mitady porofo, misy ny olona curieux fotsiny. Ny olona mangetaheta fahamarinana dia homen' Andriamanitra izay porofo ilaina rehetra hahafantarany ny marina, ny olona curieux fotsiny kosa dia tsy hahalala na mahita aza.


Hevitrao ve io sa hevitr'Andriamanitra?


:)

Amiko dia samy afaka ahita ny marina daholo na ireo izay mino tsy mila porofo na ireo izay mikatsaka porofo hampitroatra ny finoany na ireo izay mitsipaka ny fisiany. i Saoly izay lasa Paoly dia toy izany no nahatonga azy ho mpitory ny tenin'Andriamanitra.

Tadidio lalandava fa nataon'Andriamanitra samihafa isika ary tiany isika isanisany amin'ny mahaantsika atsika. Raha miresaka aminao isanandro Andriamanitra dia tadidio koa fa tsy manadino miresaka amiko Izy. Na izah na ianao dia IRAY ao aminy.
18. ikaretsaka ( 23/10/2009 00:39)
izay mantsy

Razaka an... tsy ny teniNY ihany hoa..... aza variana @ ao Toko voalohan'i Joany fa tohizo ny dia...milenteha lalina kokoa
19. niryna ( 23/10/2009 06:05)
[quote=rakaroka]
Ary angamba tsy mitovy ny olona eo imason'i Jesoa raha toa marina ilay teny hoe "tsy ianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo!" [/';quote] mbola deraiko an'i rakorako hatrany woa ny tenin'Atra averinao eto

Mifidy olona izany izy :!: : marina ve izany? 8O :roll: :?:
ny hoe marina sy diso aloha dia izay teny voasoratra ao anatin'ilay baiboly no manambara izany noho izany dia marina ilay izy ,fa ny antony hoe tsy isika no nifidy azy fa izy no nifidy antsika dia voasoratra ihany koa izany ,raha ny sitrapontsika rehetra dia tsy misy te anaraka azy isika,noho ny maha nofo sy ra antsika,maro ny hery izay mitarika antsika tsy te anaraka azy satria misy fepetra arahana ny fanarahana azy ,ny tsy fanarahana azy kosa dia ngodabe sy midadasika ny lalana mankany satria tsy misy fetra fa izay tsy te anaraka ny fahamarinana sy ny teny izay nampitondraina dia aleo manaraka ny alehan'ny olon'izao tontolo izao .
Tany aloha be tany no efa nalefako ity
Inona no atao mba ahazoana famonjena?
manaiky an'i kristy ho tompo sy mpamonjy
inona kosa no atao raha tsy te ho voavonjy?
aza manaraka azy fa tohizo ny lalanao


20. rzakarivola ( 23/10/2009 07:13)
soanja:
rzakarivola:
Ny olona mangetaheta fahamarinana dia homen' Andriamanitra izay porofo ilaina rehetra hahafantarany ny marina, ny olona curieux fotsiny kosa dia tsy hahalala na mahita aza.


Hevitrao ve io sa hevitr'Andriamanitra?

==> "Ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy Jehovah".
"Iza no mahalala ny fihevitry ny olona afa-tsy ny fanahiny ihany? Tahaka izany, tsy misy mahalala ny fihevitr' Andriamanitra afa-tsy ny fanahiNy ihany, ary izahay dia manana ny fihevitr'i Kristy". Izao no tenin'i Jesoa Kristy :
"Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana". Izao koa no lazaiNy :
"J'ai été trouvé par ceux qui ne me cherchaient pas, Je me suis révélé à ceux qui ne se souciaient pas de moi.", sy hoe :
"Vous aurez beau entendre, vous ne comprendrez pas. Vous aurez beau voir de vos propres yeux, vous ne saisirez pas.
Car le coeur de ce peuple est devenu insensible, ils ont fait la sourde oreille et ils se sont bouché les yeux, de peur que leurs yeux ne voient, et que leurs oreilles n'entendent, de peur que leur coeur ne comprenne, qu'ils ne se tournent vers moi et que je les guérisse
"

Ary ny hevitra ambaranao, hevitr'iza ?

Soanja:
Amiko dia samy afaka ahita ny marina daholo na ireo izay mino tsy mila porofo na ireo izay mikatsaka porofo hampitroatra ny finoany na ireo izay mitsipaka ny fisiany. i Saoly izay lasa Paoly dia toy izany no nahatonga azy ho mpitory ny tenin'Andriamanitra.

==> Marina ihany izany. Na ny jamba aza, rehefa sitrana dia afaka mahita ny mazava. Ary izay tsy jamba nefa mitoetra ao anaty aizina, afaka hahita ny zavatra rehetra rehefa tonga eo aminy ny hazavana. Ahoana no hahatonga hazavana ao anaty aizina ? Ahoana no hampahiratra ny jamba ? Tsy ny avy ao amin'ny maizina no manatona ny mazava fa ny mazava no tonga ao amin'ny maizina, ary izany Andriamanitra ao amin'i Jesoa Kristy, ary izany i Jesoa Kristy ao amin'ny mpianaNy.

Soanja:
Tadidio lalandava fa nataon'Andriamanitra samihafa isika ary tiany isika isanisany amin'ny mahaantsika atsika.

==> Tian' Andriamanitra tokoa isika, saingy tsy noho ny maha izaho ahy no itiavaNy ahy, fa noho ny maha fitiavana Azy, noho ny famindram-poNy.

Soanja:
Raha miresaka aminao isanandro Andriamanitra dia tadidio koa fa tsy manadino miresaka amiko Izy. Na izah na ianao dia IRAY ao aminy.

==> Marina mihitsy fa miresaka amiko isanandro Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, ary miresaka amin'ny olon-drehetra toy izany koa izy. Tsy izay iresahana rehetra no mandre ny resaka, misy ny marenina (tsy afaka mandre mihitsy ny sofiny), misy tsy marenina fa variana mihaino zavatra hafa, misy sady tsy marenina no tsy variana mihaino zavatra hafa fa misy efitra isolant acoustique mampisaraka azy amin'ilay miteny ka tsy ahenoany izay lazaina.
Izay mandre ny feoNy rehetra dia afaka hiray tokoa. Nahoana no tsy mitovy hevitra isika nefa samy milaza momba an' Andriamanitra ? Fanahy samy hafa izany no amoahantsika ny hevitsika. Manana ny hevitro manokana aho, saingy aleoko ny hevitr'i Jesoa Kristy, satria izay no hevitr' Andriamanitra.
Ary izay miombona amin'i Jesoa Kristy no mitovy hevitra amiNy,
izay mampitoetra ny teniNy ao anatiNy no miray amiNy.
Izay mino sy manatona Azy no miray amiNy, ary Kristy ao anatiNy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084