Bevoka mila soso-kevitra maika.

1. xxx ( 17/08/2009 19:36)
Zah dia bevoka 8 volana zao. Miady lava izahay mivady, marary ny foko, sy ny saiko, ahoana re ny hiatrehako ny fiterahana satria vao niforona ny kiboko dia zao no iainana lava zao. Marihiko fa lavitra fianakaviana ny tenako.
novalian'i rtcflora ny 21/08/2009 14:04
2. Papoose ( 17/08/2009 20:06)
mampalahelo enao!!!

mandehana mankany @ fianakaviana mandrapaha-teraka raha azo atao!
3. hana ( 17/08/2009 21:53)
miarahaba sy mampahery anao
Mampalahelo ianareo, indrindra fa izao ianao vao mitady vahaolana. Misy fiantraikany be dia be any @ zaza mantsy ny toe-javatra iainan'ny reniny mandritry ny fitondràna vohoka.
Mila dinihinao aloha ny antony mampiady anareo : ratsiana ady fotsiny ve sa tena misy olana tsy voavaha mihitsy, ohatra zaza tsy nirina....
Raha mbola afaka miresaka am-pahatoniana ianareo dia tsy misy ohatry ny mifanakalo hevitra hitsinjovana ilay menaky ny aina.
Azonao atao ve ny tsy mamaly ny filàny ady? Mila olona roa tsinona vao afaka miady, raha tsy manohina ianao, sao mba manova fihetsika kosa izy? Sa dia tena misy fifampikasihan-tanana sanatria? Inona no tena tsy tantinao mahatonga anao hiady aminy, sao mba azonao tsy raharahiana ihany?
Mila miezaka mamalifaly tena sy mampahery saina ianao, ho an'ny zanakao. Mivoaha mihitsy ny tontolo mahazatra, na dia ho eto @ serasera fotsiny ihany aza dia efa zava-dehibe izay. Raha aty an-dafy ianao, be ny groupe de paroles, na toerana hafa azonao hamoahana ny ao am-ponao, toy ny PMI; mety hisy vahaolana tsy ampoizinao koa any mantsy.
Raha any Madagasikara, ka tsy mahita olona hafa hanampy hitraka, mifantoha betsaka @ hahatongavan'ny zanakao, dia esory ao an-tsaina izay mety ho fanomezan-tsiny na ady ataon-dramose. Mitsangatsangàna mijery toerana mahafinaritra, na dia hoe hanao vitrine na hijery ny natiora fotsiny ihany aza. Eto @ internet koa betsaka zavatra mahaliana raha tsy mandoa vola ianao. Ataovy izay mba mety hahafaly anao : akanjo mahafinaritra ho an'ilay zaza, sy ho anao koa rehefa teraka, ohatra.
Ekeko fa mora ny miteny azy, fa sarotra tanterahina, nefa torohevitra ihany no azoko omena
Mivavaka ho anao
Mahereza fa isika vehivavy hono no andrin'ny tokantrano
hana
4. tess ( 17/08/2009 22:00)
xxx:

Zah dia bevoka 8 volana zao. Miady lava izahay mivady, marary ny foko, sy ny saiko, ahoana re ny hiatrehako ny fiterahana satria vao niforona ny kiboko dia zao no iainana lava zao. Marihiko fa lavitra fianakaviana ny tenako.

tena mampalahelo marina fa dia mahereza, tsy mba misy olona azo hifampiresahana amin'ny manodidina anao angaha???? RAHA LAVITRA NY havana


5. soanja ( 18/08/2009 01:19)
xxx:

Zah dia bevoka 8 volana zao. Miady lava izahay mivady, marary ny foko, sy ny saiko, ahoana re ny hiatrehako ny fiterahana satria vao niforona ny kiboko dia zao no iainana lava zao. Marihiko fa lavitra fianakaviana ny tenako.


Mampalahelo tokoa ny zavamisy.

Rehefa mba misy fotoana milamina iny ianareo mivady dia resaho moramora izy hoe " isika sy ianao ity raha hiady an. Inona kay no mba azontsika sy ianao atao mba tsy hampiady lava antsika na hifampivazavaza na hanao izay hamparary ny iray satria lasa mijaly be ilay zaza ato ambohokako. Izy anefa anie dia tsy manan-tsiny nefa lasa mizaka koa ny olantsika." dia henoana eo ny tenina.

Isankarazany ny fomba azo atao hifandraisana amin'ny tsy fitovian-kevitra nefa tsy hampijaly ny zaza ao anaty:

-Rehefa hita fa miakatra ny maripana hifandirana dia tonga dia tenenina izy hoe aleo tsy miady isika aloha izao fa lasa tsy mahazaka aho dia lasa mijaly ny zaza. Aleo avela any aoriana izany olana izany. Na hoe aleo tsy hiditra amin'izay pataloha tery izay aloha isika fa mijaly ny zaza. sns sns... Ampatsiahivina azy foana fa mitondra vohoka ianao ary mijaly ny zaza.

- Azo atao koa ny hoe azonao soratana eto ve ny olantsika , sady maka cahier ianao sy penina, dia amin'izay vakiako miadana ilay izy dia mba tsy sendoatra loatra aho. Dia valiako aminao eo ihany ny hevitro. sns sns...

- Araky ny voalazan'ny namana koa hoe mila maka rivotra kely manova toerana mba tsy hijanona ela ao an-tsaina ny fahoriana. Ny saina daholo mantsy no mitondra an'io. Rehefa mijaly be ny sainao dia miakatra ny tosidra sns.. raha mba azonao tadidina avy hatrany ilay zaza hoe tiako ny zanako, tsy tiako hijaly izy rehefa lehibe. Mila mampitony tena aho, eny fa na dia mandreraka be aza ny zava-mitranga. Raha misy centre fanaovana yoga na meditation any akaikinareo any dia tsidiho io toerana io. Manaova yoga fa afaka hanampy anao tokoa io. Ny mivoaka isa-maraina maka tsi-drivotra sy mandeha tongotra maka fisainana dia manampy tokoa amin'ny fitoniana. Mitondra walkman na mp3 na izay misy mihainoa hira na mihainoa tantara mahafinaritra, mamakia boky rehefa akaiky moron-drano sns...

Mahereza lalandava. Apetraho amin'Andriamanitra ny fiainan'ny zanakao. Angataho amin'Andriamanitra ny fahsalamany, ny fitiavany , ny momba azy mba tsy ho mafy loatra ny fiantraikany aminy amin'izay nolalovanao. Mivavaha tsy mitsahatra ny ho avinareo. Ny Tompo anie hitahy anareo! Soanja



6. Djhamhal ( 18/08/2009 07:30)
8mois zany ngeh efa akaiky é! fa ny tsara aminao dia ny manomana tsara ny fahatongavan'lay zanakao ; satria mila herintsaina sy tanjaka ambony be miitsy zany ! dia ny manomana ny akanjo sy ny kojakoja momba ny zaza sy ny hiterahanao !! dia mankahery anao sy mirary soa indrindra ho anareo mivady !!
7. ari.malala ( 18/08/2009 08:25)
Raha misy namana azo itarainana d aboraho @ namana ilay alahelo tsy zaka, mety mba hahamaivana anao iany koa izany. Azonao atao ohatra mba hanary dia anao avoaka daolo ireo akanjokelin'ilay zaza, mafatifaty ery ny mijery azy ireny, i maginer nao eo hoe toy izao izy ao anatin'ity, ampiadiadiana eo ny loko na toy zany e! Ny mitomany aloha d fadio e! D refa samy tony d teneno moramora ilay vadinao hoe avelao mba ho tony ah fa efa tena akaiky sisa d hoavy ilay menaky ny aintsika. Mahereza dia tongava soa ny sombin'ainao.
8. booboo ( 18/08/2009 09:27)
ôy ôy ôy...
Tena ezaho faran'izay atao ny manalavitra ny raha fantatrao fa hampiady anareo indray. Itsoahy lavitra dia lavitra mihitsy fa ny hampilamina izao faraparany izao no ataovy lohalaharana, izay hahasoa ny zazakely jerena klou fa izy tsisy armes mba hiarovany ny tenany @ tensions misy aminareo mivady.
Vao miakatra ny feo, na miova² ny émotions (taitra, mikotaba be, misahotaka, matahotra sns) dia mampiova ny hormones rehetra mahakasika ny vohoka izay dia lasa tsapan'ilay zaza ao anaty kibo ao izay fiovana² izay.
Ohatra hoe rehefa miakatra ny feo na tezitra dia mitempo malaky ny fo, lasa ambony be koa pression sanguine dia mi-déferler any @ ilay zaza daholo na ny feo n'ny fo niova tampoka, ny hormones nampiova ny liquide amniotique, sns. Olona kely tena mbola fragile tanteraka no ampiainana an'izay anefa...

Resaho ilay zaza ao am-bohoka hoe na miady aza ianareo roa dia tiana sy iriana foana izy. Zava-dehibe tena zava-dehibe mihitsy mihitsy izany satria ao ambohoka ao ny zaza dia mitombo ara-tsaina (toetra ?)ihany koa fa tsy hoe ara-taova fotsiny akory. Sensible be mihitsy ny zaza ao am-bohoka sy ny zazakely rehetra hoe tiana izy na izy na tsy tiana. Io fahatsapana io nefa vital @ zareo ireo. Rehefa teraka izy dia miampy ny sakafony dia izay dia ampy azy hivelarany sy hitomboany tsara.

Tena ataovy izay hanany fiainana tony dieny mbola ao @ " monde parfait " ao anaty kibonao ao izy. Rehefa tonga eto an-tany izy mbola ho hafa koa no ho sedrainy...

Mahereza indrindra fa andraikitra lehibe ilay mitondra aina. Mirary soa bobaka be ihany koa @ izao farany izao sy rehefa ho tonga ny vahiny kely :)
9. rurale ( 18/08/2009 11:40)
za ko de miombo-kevitra @ i hana sy ny namana sisa , fa le oe miala ao an-tokatrano kosa alou fadio ra tsy oe anga efa mila anafaka ny ain-debe mintsy!!
De ataovy ao @ le zaza ao an-kibonao ny sainao, ra hainao aza de aza hivakina loha mintsy izy, tsy midika akory zany oe tsy karakaraina an! fa atao foana ny fikarakarana isan'andro fa refa mitady hisy zavatra tsy tinao ny ataony de ignorer-o fotsiny. Fa ra efa tena tafiditra @ le hiady izy de aza mamaly sady isika vhv tsy natao hamaly fa ny mangina araka ny teny.
'Zay fa mahereza de tongava soa ny vahiny na i koto na i kala, de afatoy @ daol ny sainao, ny fonao, ary indrindra ny vatanao mila mivonona, fa refa teraka eo ny zaza tsy fantatra mety izay no hitondra fiovana ao an-tokatranonareo roa kely. :-* :-*
10. Mirananirina ( 18/08/2009 12:45)
Zah dia bevoka 8 volana zao. Miady lava izahay mivady, marary ny foko, sy ny saiko, ahoana re ny hiatrehako ny fiterahana satria vao niforona ny kiboko dia zao no iainana lava zao. Marihiko fa lavitra fianakaviana ny tenako

Mitovy hevitra amin'ireo rehetra ihany dia ny mankahery anao hiteraka soamatsara.Hevitra fotsiny dia hoe rehefa miady iny ianareo dia aza mamaly,fa andana mihidy amin'efitra dia alefaso mafy ny télé na radio,dia maka aina tsara eo ampandriana.
11. mion ( 19/08/2009 11:28)
Hamafisiko ilay efa voalaza teri ambony :

Misy fiantraikany @ zaza ao an-kibo ny emotion-nao, psychologiquement dia misy impact ratsy any @ zaza zany.
Fa le zaza ao an-kibo alou de tena hitovy tarehy @ rainy navela teo fa jereo tsara ange e.

Mba ahatomombana ny fiterahanao dia ndana alou mandositra ny vadinao, refa teraka hita eo ndray ze atao. Misaora an'A/tra fa tody 8 volana ny kibo, matetika mantsy misy fahasarotany refa mijaly saina toy izao.

Mahereza
12. booboo ( 19/08/2009 12:54)
Fa le zaza ao an-kibo alou de tena hitovy tarehy @ rainy navela teo fa jereo tsara ange e.

tssss...
13. xxx ( 19/08/2009 14:19)
mion:

Hamafisiko ilay efa voalaza teri ambony :

Misy fiantraikany @ zaza ao an-kibo ny emotion-nao, psychologiquement dia misy impact ratsy any @ zaza zany.
Fa le zaza ao an-kibo alou de tena hitovy tarehy @ rainy navela teo fa jereo tsara ange e.

Mba ahatomombana ny fiterahanao dia ndana alou mandositra ny vadinao, refa teraka hita eo ndray ze atao. Misaora an'A/tra fa tody 8 volana ny kibo, matetika mantsy misy fahasarotany refa mijaly saina toy izao.

Mahereza

Mba azonao ambara ve inona daholo zany fiatraikany @ le zaza zany?


14. flodine ( 19/08/2009 14:33)
ari.malala:

Ny mitomany aloha d fadio e!

Misaotra hoan'zay efa namaly ary mbola manantena ny soso-kevitra vao2.
Zaho tokoa anie dia matetika latsa-dranomaso, mitomany na alina na atoandro.
Ny mamaly azy kosa tsy ataoko, fa izy no miakatra feo be. Miezaka ihany aho ny mifampiresaka aminy satri manahy aho sao misy fiatraikany @ zaza, kanefa dia mbola minia ihany izy.

15. ravonjison ( 19/08/2009 15:33)
xxx:

Zah dia bevoka 8 volana zao. Miady lava izahay mivady, marary ny foko, sy ny saiko, ahoana re ny hiatrehako ny fiterahana satria vao niforona ny kiboko dia zao no iainana lava zao. Marihiko fa lavitra fianakaviana ny tenako.




Tadiavo aloha ny antony mampiady anareo, na avy aminy na avy aminao. Satria raha tsy hita ilay antony , hiady foana ianareo, ka tsy hidy dikany daholo ireo torohevitra voalaza etsy ambony ( sarotra ny manatanteraka ireo torohrvitra ireo).

Ohatra : raha sanatria ka bevohoka na olon-kafa ianao, tsy hijanona mihitsy ny hatezerany, n'inon'inona hataonao. Raha mbola ampianao hoe aoka isika tsy hiady fa manimba ny zaza ao ankiboko, vao maika mampiakatra ny hatezerany izany. Fa ny fanafodiny dia ny misaraka toerana aloha.

Noho izany tadiavo aloha ilay antony !!!!!
16. Papoose ( 19/08/2009 15:48)
za ndray mahita hoe, aleo aloha atao zay hahateraka soa aman-tsara, na hitovy @ rainy na reniny le zaza tsy asiana blem, fa izy velona sy teraka soa aman-tsara no atao tanjona.....ary kendrena koa zay hahasalama azy, ny reniny koa moa mazava oaz!

mety hampiova zvt mantsy ny fananana an'io zaza io ary mba mety ( ary enga anie) mba samy ho saina tonga na ny reniny na ny rainy...

rehefa mba assurée ny zaza sy ny reniny hoe salama tsara vao miditra @ resolution ny conflit entre le papa et la maman @ zay!!
17. ari.malala ( 20/08/2009 07:15)
Aza mitomany! tena averiko ihany, fadio ny mitomany.Manjary miteraka aretim-po @ ilay zaza izany. Araka ny tenin'i booboo, na dia vao any an-kibo aza izy d efa tsapany ny mahazo anao, d miara mijaly aminao lay zaza! Na d rehefa teraka aza, tandremo dia tandremo mintsy ny emotion fa tena misy fiantraikany @ zaza izany an!
18. ravakamalala ( 20/08/2009 17:26)
efa kely sisa neny fa mahereza a! adabohy any ny adin ny mpivady fa ny zaza jerena, tantaraina ka mora, fa rehefa ny zanakao no eritreretinao dia adinonao izany! rah izaho mihitsy no eo amin ny toeranao, dia misitaka kely amin i "dada" aho , dia rehefa hiteraka ianao mifankahita ndray, mandeha mipetraka any amin ny namana mihitsy ohatra.

tsy mitovy hevitra amin ny ari fa za miteny hoe mitomania rehefa te hitomany, satria alahelo tazomina koa anie tsy mety ho an ny fahasalamana e!

raha ny tokony ho izy rehefa tonga ny zaza, dia betsak any toe javatra hiova :

- tonga saina dada, dia milamina be ny fiainana

- tsy tonga saina i dada, mbola tsy problema satria ianao dia ho sahirana amin ny fikarakarana ny zaza dia ho ahoanao inona izay crise de nerfs an-drainy any?

- tonga saina dada fa mbola mila vanina ihany, ......asaivo mitsabo tena!!!!!!


manaova mora akia a!
19. ari.malala ( 21/08/2009 06:16)
tsy mitovy hevitra amin ny ari fa za miteny hoe mitomania rehefa te hitomany, satria alahelo tazomina koa anie tsy mety ho an ny fahasalamana e!
mety hoe manamaivana tokoa angamba ilay mitomany, nefa ny dokotera sy ny rasazy nanaraka anay tam bevoka mintsy no niteny taminay hoe tsy mahazo mitomany fa misy fiantraikany @ fon'ilay zaza ko! tsy haiko aloha e! fa ny tsara hozy ry zareo tamizany d manao izay mahafalifaly ny saina, miezaka manadino ilay olana mba tsy hampitomany.
20. ravonjison ( 21/08/2009 09:09)
Papoose:

za ndray mahita hoe, aleo aloha atao zay hahateraka soa aman-tsara, na hitovy @ rainy na reniny le zaza tsy asiana blem, fa izy velona sy teraka soa aman-tsara no atao tanjona.....ary kendrena koa zay hahasalama azy, ny reniny koa moa mazava oaz!

mety hampiova zvt mantsy ny fananana an\'io zaza io ary mba mety ( ary enga anie) mba samy ho saina tonga na ny reniny na ny rainy...

rehefa mba assurée ny zaza sy ny reniny hoe salama tsara vao miditra @ resolution ny conflit entre le papa et la maman @ zay!!




Salut Papoose a. Marina ireo voalazano e, atao izay hahateraka, mila assuré ny zaza sy ny reniny sns....Izany anefa dia @ ankapobeny fotsiny ihany.

Misy anefa tranga teny mila vahaolana haingana, ka tsy miandry ny ahaterahan\' ny zaza fa mila fifanazavana haingana sy mazava. Ohatra voalazako etsy ambony : sanatria ka vevohoka t@ olonkafa i ramatoa, na antony hafa mahatezitra ilay rangahy. @ izay dia tokony hoenina aloha izy, fantarina hoe inona no mahetezitra azy. Satria raha ramatoa miezaka milamina, miandry ny fahaterahany, ny hatezeran-drangahy anefa miakatra ihany,tsy misy mijery, possible mety hisy coflit teny garave mandrapahateraka ilay zaza ( 4 mois). Ny vahaolana mantsy @ izay dia ny fisarahana toerana aloha.

Tsy ampy ilay filazana hoe ny zaza sy ny reniny no tena manandanja,izay ahateraka aloha no atao sns.. Tsy maintsy jerena ilay antony mahatonga ilay fifamaliana.
Tsy hamaha ilay olana ny tanjona ( iny dia mila fotoana lava), fa hijery ny hoe inona moa no mahatonga ilay izy ( avy amin\' iza ?), mila vahaolana haingana sa tsia, ary hanapakevitra @ hoe : hiara-hipetraka sa tsia mandritra ny fotoana voafetra.


I xxx ihany no nety mahalala na hahita ilay antony, noho izany tokony mba tadiaviny sy lazainy aloha, satria miankina @ izany ny torohevitra azo aroso.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1082