Tsy lasa ity be resaka ity,hi,hi

1. niryna ( 06/08/2009 04:45)
Manao ahoana daholo indray aloha e.Asa hianareo raha mba manao toa izao

Na inona zavatra atao ka variana eo dia mety ho kila firehitra ny laoka.
Izany mankafia famakiana boky izany,eo ka eo ka eo ,indraindray tsy mety tapitra ilay pejy fa ny masoandro maty no mampalahelo.
Eo koa ilay miantso namana an-telefonina na antsoin'ny namana dia maka vahana tsara eo ambonin'ny fandriana ,ny sakafo amin'io mitokona tsara a.Eo ka eo ka eo,lany lainga sy variana mitokelaka,tena tsy mahatsaiaro hoe hay moa ity izaho ity nahandro laoka.Inona no teo fa tsy kila firehitra tsy misy azo ohanina intsony ilay izy

Inona no efa nitranga taminareo ? may ve ny laoka ,sa adino ny naka ny zaza tany am-pianarana fa variana niresaka na nanao zavatra
:D
(l) niryna
novalian'i niryna ny 22/08/2009 03:51
2. tsipolitra ( 06/08/2009 08:16)
(l) F'angaha ireo fotsiny e !
3. Mirananirina ( 06/08/2009 10:21)
Io laoka may io no matetika mahazo ahy.Ny fakana mpianatra indray efa misy alarme dia tsy adinoko mihitsy.
Fa ny zavatra hafa atao aloha dia matetika adino e.
4. fahamarinana ( 06/08/2009 11:25)
:arrow: Ny fakana mpianatra kosa ny ahy tsy adinoko e...fa ny laoka may aloha dia efa imbetsaka ,na vary aza ary ny mahatonga azy aza tsy dia boky na tel fa tena eto amin'ity serasera ity sy fb ! :^) (l)
5. xxx ( 06/08/2009 12:43)
Ny anao aza mankafia boky , na misy miantso dia eo no tavela , ny ahy ilay namana no miantso na manery ankolaka ( na mitomany eo izy! na manondrana fa nanao an'ity na iroa izy mandritra ny 1 taona), nefa anie izy io dia vehivavy lehibe no sady efa antitra (ao an-tsaina, no dady marary raha ny fahalalako azy e!) , dia eo ianao fa tsy mahavita zavatra hafa fa na dia @ 3 maraina aza dia mikonentaka eo ramatoa io dia very eo ianao!
Tsy ny laoka fotsiny no may fa ny fiainanao avy eo!
Rehefa misy mahavoa azy dia antsoiny ianao, fa rehefa ianao no misy mahavoa dia tsy fantany akory. Nefa izy no tena voa raha ny fijeriko azy!
Ie, eto izy io ary teto nandritra ny 100 taona.
Ny serasera 10 taona fa izy efa teto nandritra ny 90 taona teo aloha!
Dia hotantarainy lainga sy tsaho be ianao, dia handefasany fanomezana tsy ilainao, dia lazaina izao rehetra izao, ary avy eo dia manolo telefaonina isa'andro izy. ANGATRA HOA! Saika hadinoko! Mpandainga ts'isy hoatra azy fa mody mitomany izay izy na mitaraina, na manampy "hono".
Resabe ve? haretina ny fijeriko azy ! Soa ihany fa tsy vendrana ny tena !! :-D :-D :-D
6. tess ( 06/08/2009 13:29)
dia raha vao fantatra oe feony dia akatony ny fone kou!
7. ari.malala ( 06/08/2009 13:46)
:-D :-D :-D :-D :-D azoko antsaina ndray zany
8. rakapy ( 06/08/2009 13:48)
Ie, eto izy io ary teto nandritra ny 100 taona.
Ny serasera 10 taona fa izy efa teto nandritra ny 90 taona teo aloha!

Iza hono ilay olona lazainao eto io?
9. ari.malala ( 06/08/2009 14:25)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
10. Papoose ( 06/08/2009 14:44)
ny ahy tsy tsaroako hoe efa hariva ny andro :-P
11. soanja ( 06/08/2009 23:27)
Mila planina foana ny fiainana ka. Raha misy io dia tsy voatsembatsembana sy voa tsy amin'ny tsy ampoizina ianao.

Zany vaky boky izany ohatra dia tokony omena fotoana. Raha eto amin'ny ordi dia jerena hoe tokony miala eto aho amzao de miverina indray afaka izao. sns...

Raha zavatra hamokatra ho an'ny be sy ny maro dia mila kajiana tsara ny fotoana sy ny hanaovana azy fa tsy mandeha anjambany.

Izay manana tanjona ihany no mahita izay alehany alohan'ny rehetra.

Mazotoa miaina ampilaminana.
12. niryna ( 08/08/2009 16:38)
tsipolitra:

(l) F'angaha ireo fotsiny e !


fa inona koa
:D
13. niryna ( 08/08/2009 16:41)
fahamarinana:

:arrow: Ny fakana mpianatra kosa ny ahy tsy adinoko e...fa ny laoka may aloha dia efa imbetsaka ,na vary aza ary ny mahatonga azy aza tsy dia boky na tel fa tena eto amin'ity serasera ity sy fb ! :^) (l)



:D
14. niryna ( 08/08/2009 16:48)
Mirananirina:

Io laoka may io no matetika mahazo ahy.Ny fakana mpianatra indray efa misy alarme dia tsy adinoko mihitsy.
Fa ny zavatra hafa atao aloha dia matetika adino e.


dia indraindray koa be famaritra e
15. niryna ( 08/08/2009 16:53)
xxx:

Ny anao aza mankafia boky , na misy miantso dia eo no tavela , ny ahy ilay namana no miantso na manery ankolaka ( na mitomany eo izy! na manondrana fa nanao an'ity na iroa izy mandritra ny 1 taona), nefa anie izy io dia vehivavy lehibe no sady efa antitra (ao an-tsaina, no dady marary raha ny fahalalako azy e!) , dia eo ianao fa tsy mahavita zavatra hafa fa na dia @ 3 maraina aza dia mikonentaka eo ramatoa io dia very eo ianao!
Tsy ny laoka fotsiny no may fa ny fiainanao avy eo!
xxx a> izaho mpanampy olona ary misy tokoa ny mitomany , misy ny tsy mety mody ,misy ny mitantara fa te hamonontena hono izy fa tsy mahazaka ny onjam-piainana
izaho dia mihaino,vao avy niresaka aho izao ary eo izahay ao anatin'ny telefonina adin'iray ,mpinamana kosa dia miresaka eo,fa tsy mifosaka kosa aloha fa mitady izay mahasoa ny namana dia manoro izay mety ho ety aminy.
fa ilay iray tsy mety mody ,hay misy voa ny sainy ary dia ny ao antrano no manome hery hoe ampio izy

Rehefa misy mahavoa azy dia antsoiny ianao, fa rehefa ianao no misy mahavoa dia tsy fantany akory. Nefa izy no tena voa raha ny fijeriko azy!
Ie, eto izy io ary teto nandritra ny 100 taona.
ela velona kosa izy izany ,sambatra anie izy izany e

Ny serasera 10 taona fa izy efa teto nandritra ny 90 taona teo aloha!

:D

Dia hotantarainy lainga sy tsaho be ianao, dia handefasany fanomezana tsy ilainao, dia lazaina izao rehetra izao, ary avy eo dia manolo telefaonina isa'andro izy. ANGATRA HOA! Saika hadinoko! Mpandainga ts'isy hoatra azy fa mody mitomany izay izy na mitaraina, na manampy "hono".
Resabe ve? haretina ny fijeriko azy ! Soa ihany fa tsy vendrana ny tena !! :-D :-D :-D

dia ahoana no nialan'i xxx amin'izany mpandainga izany ?

16. niryna ( 08/08/2009 16:58)
tess:

dia raha vao fantatra oe feony dia akatony ny fone kou!



:D ,misy olona izay efa ho herintaona izy tsy nifampiantso ahy ary nametraka hafatra izy hoe antsoy aingana aho,mankaleony indraindray fa masika be,mety ho izay koa angamba no tena toetrany sady vahiny koa ilay izy dia mety tsy mitovy amintsika saingy rehefa miresaka aminy hianao dia fafazany izao toetra ratsy rehetra izao,manana toetra negative be izany izy ka ovaiko foana ilay izy ary farany izy miala moramora.Tia mamaly ratsy izany izy,ohatra hoe tsy niasa tao amin'ilay toerana intsony aho dia izy no nanao ny asako dia tezitra be izy rehefa manontany ny olona fa tsy patron hono izy .Izaho anefa teo na inona anontanian'ny olona ahy ka tsy mahay ilay asa izy ireo dia ampiko izy,misy moa efa antitra tsy mahatadidy firy dia miverimberina manontany asa ,tsy nampaninona ahy saingy rehefa tsy teo intsony aho dia izy indray no anontanian'ny olona ka tena romotra anie izy e
Indraindray anefa isika tsy dia tia mandratra olona ka mihaino no tena tadiaviny dia mihaino tokoa isika :D
17. niryna ( 08/08/2009 17:00)

Ie, eto izy io ary teto nandritra ny 100 taona.
Ny serasera 10 taona fa izy efa teto nandritra ny 90 taona teo aloha!

rakapy:
Iza hono ilay olona lazainao eto io?

:D :D
izaho koa nanao kajy an-kandrina hoe ahoana tsara hoe izany ?


18. niryna ( 08/08/2009 17:06)
Papoose:

ny ahy tsy tsaroako hoe efa hariva ny andro :-P


fahiny aky aho nisy boky nahafinaritra ahy izay, teo aho no nanomboka nianatra teny anglisy ary tonga dia namaky ireny boky ireny,misy efa ho 50 no isany ,raha vao tapitra ny iray dia maka indray aho.Misy amin'ny teny maro ilay izy raha tsy diso aho"Daniel Steel " izy izay raha tsy diso ny fanoratako azy,nahafinaritra ahy ery an ,ny tsy nitiavako azy dia feno resaka firaisana betsaka ary dia tsy tiako ilay izy.Tapitra novakiko daholo izay niseho tamin'izany ary nanao collection aza aho hoe hoentiko hody ,hi,hi
tena variana indry,tsy mahatsiaro hoe mahandro laoka .Nahagaga ahy anefa fa sambany aho no namaky boky tamin'ny teny anglisy a ary dia nitohy hatrany.Toy ny hoe mijery film amin'ny teny espagnol ihany koa,farany hain'ny teny ny tiany tenenina hi,hi
ary mila maka alarme tokoa ankehitriny ka na rehefa milalao eto amin'ity sera ity ka mahandro sakafo na rehefa any am-piasana ka matory kely fotsiny aza sao adino eo
19. niryna ( 08/08/2009 17:08)
soanja:

Mila planina foana ny fiainana ka. Raha misy io dia tsy voatsembatsembana sy voa tsy amin'ny tsy ampoizina ianao.

Zany vaky boky izany ohatra dia tokony omena fotoana. Raha eto amin'ny ordi dia jerena hoe tokony miala eto aho amzao de miverina indray afaka izao. sns...

Raha zavatra hamokatra ho an'ny be sy ny maro dia mila kajiana tsara ny fotoana sy ny hanaovana azy fa tsy mandeha anjambany.

Izay manana tanjona ihany no mahita izay alehany alohan'ny rehetra.

Mazotoa miaina ampilaminana.
misaotra anao


:-*
20. xxx ( 11/08/2009 11:04)
rakapy:

Ie, eto izy io ary teto nandritra ny 100 taona.
Ny serasera 10 taona fa izy efa teto nandritra ny 90 taona teo aloha!

Iza hono ilay olona lazainao eto io?


Ao @ politikan'ny kibo ao eh!
Efabe ny nataony an'io fa mody fanina fotsiny dia ny hatao ihany no hatao!
Manao ps zato izy dia mody hoe tsy miditra ato fa sady voaharo no be konentaka.
:wink: :wink: :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3587